Tahirim-pitaovana
Lesona 126: Kolosiana


Lesona 126

Kolosiana

Fampidirana

Nampianatra ny voninahitra (ny maha-ambony, ny halehibe ary ny hatsarana indrindra) ananan’i Jesoa Kristy i Paoly ary nampitandrina ny amin’ny fotopampianaran-diso. Namporisika ireo Olomasina Kolosiana izy mba hanankina ny fitiavan’izy ireo amin’ireo zavatry ny lanitra ary hikolokolo ireo toetran’i Kristy. Nananatra azy ireo koa izy mba hamindra fo sy ho hendry amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ny hafa.

Sosokevitra enti-mampianatra

Kolosiana 1-2

Nampianatra momba ny voninahitr’i Jesoa Kristy i Paoly ary nampitandrina momba ny fotopampianaran-diso

Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity sary manaraka ity:

sary, hazo sy tadio
  • Raha toa ka misy tadio mahery vaika tonga, iza amin’ireo hazo ireo no mety hianjera? Nahoana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Asaivo henoin’ny mpianatra ireo tadio izay tokony hitandremantsika.

Loholona Neil L. Andersen

“Mampiahiahy kokoa noho ireo horohoron-tany sy ady izay naminaniana ireo tadio ara-panahy izay mety hanaisotra anao amin’ireo fototra ara-panahy hiorenanao ka hametraka ny fanahinao amin’ny toerana tsy mbola neritreretinao mihitsy hoe hahatongavanao, indraindray zara raha tsikaritrao akory hoe nafindra ianao” (“Tadio ara-panahy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 18).

  • Inona no sasantsasany amin’ireo ohatra amin’ny tadio ara-panahy izay mety hanaisotra amin’ny fototra na hampisaraka antsika amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitanisa ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarina tadio.)

  • Nahoana ireo tadio ara-panahy ireo no mety hampiahiahy bebe kokoa noho ny olana ara-batana toy ny horohoron-tany na ny ady?

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireo tadio ara-panahy izay mety hisy fiantraikany eo amin’izy ireo.

Hazavao fa i Paoly dia nanoratra epistily iray ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Kolosia (izay antsoina hoe Kolosiana) rehefa fantany ireo fitaomana sy fampianaran-diso tao izay nandrahona ny hanaisotra azy ireo amin’ny fototry ny finoany an’i Jesoa Kristy. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hitady ny toerana misy an’i Laodikia, izay tsy lavitra an’i Kolosia, ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly, lah. 13, “Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly.”) Asao ireo mpianatra mba hitady eo am-pandalinan’izy ireo ny Kolosiana ny fomba nikatsahan’i Paoly hampatanjaka ny finoan’ireo mpikamban’ny Fiangonana an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny fananana finoana lalim-paka an’i Jesoa Kristy.

Fintino ny Kolosiana 1:1–11 amin’ny fanazavana fa rehefa avy niarahaba ireo Olomasina tao Kolosia i Paoly dia nankasitraka ny fahatokian’izy ireo izy ary nanazava fa ny filazantsara dia mitondra vokatra, na fitahiana, eo amin’ny fiainan’ireo izay mandray izany. Dia nampianatra azy ireo momba an’i Jesoa Kristy i Paoly avy eo.

Asao ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Kolosiana 1:12–19. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ireo fahamarinana nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy. (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny hoe “tsy hita” ao amin’ny andininy 15 dia nadika avy tamin’ny teny Grika hoe aoratos, izay azo adika ihany koa hoe “tsy hita maso.” Mariho fa ny Hebreo 11:27 dia milaza fa i Mosesy dia nahita “izay tsy hita,” izay midika matetika hoe tsy hita maso [jereo ihany koa ny F&F 67:11].)

  • Inona koa no nampianarin’i Paoly momba an’i Jesoa Kristy? (Ampiasao ny tenin’ny mpianatra ary soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity, eo ambanin’ilay hazo miorim-paka lalina: I Jesoa Kristy no ilay Mpanavotra, ilay voalohan-teraky ny Ray any An-danitra amin’ireo zanany ara-panahy, ilay Mpahary ny zava-drehetra, ny lohan’ny Fiangonana, ary ny olona hitsangana amin’ny maty voalohany.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe amintsika ny mahafantatra sy mino ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy ireo? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahafantarana sy finoana an’ireo fahamarinana ireo mampatanjaka ny finoantsika Azy?

Resaho ny momba ilay teny hoe Mpanavotra ao amin’ilay teny nambara eny amin’ny solaitrabe ary hazavao fa nampahatsiahivin’i Paoly an’ireo Olomasina Kolosiana ny antony ilan’izy ireo Mpanavotra iray.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Kolosiana 1:20–22. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Kolosiana momba ny antony ilan’izy ireo Mpanavotra iray.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 21 dia ahoana no fomba hahatonga ny olona iray ho tafasaraka amin’ Andriamanitra?

  • Inona no dikan’ilay teny hoe hampihavanana ao amin’ny andininy 20? (Atao mifanaraka na harindra.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 20 sy ny 22, tamin’ny fomba ahoana no nampihavanan’i Jesoa Kristy antsika amin’ Andriamanitra? (Hazavao fa ny andian-teny hoe “ny rany teo amin’ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana” dia milaza ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.)

Hazavao fa misy fepetra ny fitahian’ny fihavanana amin’ Andriamanitra. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity andian-teny manaraka ity: Afaka mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy raha toa ka …

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Kolosiana 1:23. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ary hitady ny zavatra izay takina mba hihavanana amin’ Andriamanitra.

  • Inona no takina avy amintsika mba hihavanantsika amin’ Andriamanitra?

  • Midika inona amintsika ny hoe “maharitra amin’ny finoana ka mafy orina sady tafatoetra”? (Mijanona ho mafy orina amin’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.)

  • Araka ny zavatra izay nianarantsika avy tao amin’ny andininy 23, ahoana no hamenoanao ny banga ao amin’ilay teny eo amin’ny solaitrabe? (Fenoy toy izao manaraka izao ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ny mpianatra: Afaka mihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy raha toa ka mitohy ho mafy orina sady tafatoetra ao amin’ny finoantsika.)

Sariho amin’ilay sary eo amin’ny solaitrabe ny sain’ny mpianatra ary anontanio hoe:

  • Iza no olona fantatrao fa mitovy amin’ilay hazo miorim-paka lalina—mafy orina sady tafatoetra ao amin’ny finoany an’i Kristy?

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-fitahiana ho anao ny ohatra nasehony?

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Kolosiana 2:4, 8, ary hitady ireo tadio ara-panahy izay nandrahona ny hanaisotra ny Olomasina Kolosiana tamin’ny fakany.

  • Inona ireo tadio ara-panahy izay nandrahona ny hanaisotra ny Olomasina Kolosiana tamin’ny fakany? (Hazavao fa nisy firehan-kevitra sy fomba amam-panao maro nampianarin’ireo olona sasany izay niezaka ny hampihena ny lanjan’i Jesoa Kristy.)

  • Nahoana ny finoana ireo fampianaran-diso, anisan’izany ireo fampianarana izay mampihena ny lanjan’i Jesoa Kristy, no hahatonga ny olona iray ho mora miendaka amin’ny faka ara-panahy?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Kolosiana 2:5–7. Asaivo manaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly mba hanampiana ireo Olomasina hisoroka ny ho voatarik’ireo firehan-kevitra sy fomba amam-panaon’izao tontolo izao.

  • Inona no ampianarin’ny Kolosina 2:5–7 izay afaka manampy antsika hisoroka ny ho voatarik’ireo firehan-kevitra, na fampianarana ara-pivavahana, na fomba amam-panaon’izao tontolo izao? (Mety hampiasa ny teniny manokana ny mpianatra mba hamantarana fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity: Afaka misoroka ny ho voasarik’ireo firehan-kevitra sy fomba amam-panaon’izao tontolo izao isika rehefa miorim-paka sy miorina eo amin’i Jesoa Kristy.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto:

Inona no inoanao fa anisan’ireo zavatra manan-danja indrindra azontsika atao mba hiorenam-paka sy hiorenana eo amin’i Jesoa Kristy? Nahoana no inoanao fa tena manan-danja izany zavatra iray izany?

Zarazarao ho vondrona ahitana olona telo na efatra ny mpianatra. Asao ny mpianatra tsirairay mba hanazava amin’ny olona ao amin’ny vondrona ny valinteniny ho an’ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe. Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra dia angataho ny mpianatra vitsivitsy mba hilaza ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ireo olona ao amin’ny vondrona.

Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ireo tadio ara-panahy an’ny tena manokana izay neritreretin’izy ireo tany am-piandohan’ny fampianarana. Asao izy ireo mba hanoratra ao anatin’ny kahie na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra ho ataon’izy ireo mba hijanonana ho miorim-paka sy miorina eo amin’i Jesoa Kristy ary hisoroka ny hiendaka amin’ny faka noho ireo tadio ara-panahy.

Kolosiana 3-4

Namporisika ny Kolosiana mba hanankina ny fitiavan’izy ireo amin’ireo zavatry ny lanitra sy ho hendry i Paoly.

Fintino ny Kolosiana 3-4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia namporisika ireo Olomasina Kolosiana mba hitsahatra amin’ny tsy fahamarinana ary hikolokolo ireo toetran’i Jesoa Kristy. Namporisihiny ihany koa izy ireo mba hivavaka hatrany sy ho hendry, indrindra eo amin’ny fifandraisan’izy ireo amin’ireo tsy Kristiana. Dia nampitainy avy eo ny fiarahabana avy amin’ireo mpiara-manompo maro taminy, anisan’izany i Lioka.

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay noresahina tato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Kolosiana 1:15, 18. I Jesoa Kristy no Lahimatoa

Ilay andian-teny hoe “ny Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao” (Kolosiana 1:15) dia mijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no lahimatoa amin’ny zanaka ara-panahy rehetra an’ny Raintsika any An-danitra. Nanamafy ny Fiadidiana Voalohany hoe:

“Tamin’ireo zanaka ara-panahin’i Elohima [Andriamanitra Ray], ny lahimatoa dia i Jehovah na Jesoa Kristy izay zokin’ny rehetra” (“The Father and the Son: A Doctrinal Exposition by the First Presidency and the Quorum of the Twelve Apostles,” Ensign, apr. 2002, 18).

Ilay andian-teny hoe “Lahimatoa tamin’ny maty” ao amin’ny andininy 18 dia midika fa i Jesoa Kristy no olona voalohany nitsangana tamin’ny maty teo ambonin’ity tany ity. Izy ihany koa dia antsoina hoe “santatr’izay efa nodimandry” (1 Korintiana 15:20).

Kolosiana 1:16–17. Tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy no “nahariana ny zavatra rehetra”

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa i Jesoa Kristy no ilay Mpahary ary manana hery hitantanana ny zavatra rehetra izay nohariany Izy:

“I Jesoa Kristy no Mpahary, loharanom-pahazavana sy loharanom-piainan’ny zavatra rehetra, eo ambanin’ny fitantanan’ Andriamanitra Ray sy araka ny drafiny. Amin’ny alalan’ny fanambarana maoderina dia manana ny tenivavolombelon’i Jaona isika, izay nirakitra fa i Jesoa Kristy no ‘ilay fahazavana sy ny Mpanavotra izao tontolo izao, ny Fanahin’ny fahamarinana izay tonga teo amin’ izao tontolo izao, satria Izy no nanaovana izao tontolo izao, ary tao Aminy no nisian’ ny fiainan’ny olona sy ny fahazavan’ny olona.

“‘Izy no nanaovana ireo tontolo; izy no nanaovana ny olona; tamin’ny alalany sy tao Aminy ary avy Aminy no nanaovana ny zava-drehetra’ (F&F 93:9–10)” (“The Light and Life of the World,” Ensign, nôv. 1987, 63; jereo ihany koa ny Jaona 1:1–3; Hebreo 1:2; F&F 76:24; Mosesy 1:33).

Kolosiana 2:9. “Ny fahafenoan’ny fomban’ Andriamanitra rehetra”

Raha niresaka momba an’i Jesoa Kristy i Paoly dia nijoro ho vavolombelona izy hoe: “Fa ao amin’ny tenany no itoeran’ny fahafenoan’ny fomban’ Andriamanitra rehetra.” Izany andian-teny izany dia maneho fa i Jesoa Kristy dia masina tanteraka sy manana ny herin’ Andriamanitra rehetra (jereo ihany koa ny Matio 28:18).