Tahirim-pitaovana
Lesona 157: Apokalypsy 14–16


Lesona 157

Apokalypsy 14–16

Fampidirana

Nahita tao anatin’ny fahitana, anjely namerina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny amin’ny andro farany ny Apôstôly Jaona. Nahare feo avy any an-danitra koa izy izay nanoritsoritra ireo fitahiana ho azon’ireo izay maty tamim-pahatokiana tao amin’ny Tompo. Nahita ny fanangonana ireo olo-marina sy ny fanangonana ireo olon-dratsy amin’ny andro farany i Jaona ary ny fitsaran’ Andriamanitra izay narotsaka tamin’ireo ratsy fanahy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Apokalypsy 14

Nahita ny famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny sy ny fanangonana ny olo-marina sy ny ratsy fanahy i Jaona

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Azo heverina ve ny hiainana ao anatin’ny fiadanana na dia feno faharatsiana sy loza ary herisetra aza eto amin’izao tontolo izao?

Manasà mpianatra maromaro hamaly io fanontaniana io sy hanazava ny valinteniny.

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Apokalypsy 14–16 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka mitondra fiadanana ho azy ireo mandritra ny fiainany ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana sy tabataba mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 14:1–13, dia nahita ny andro farany tamin’ny fahitana ny Apôstôly Jaona. Hitany tao amin’ny fahitany ireo loza izay ho avy amin’ireo ratsy fanahy. Hitany ihany koa ny zavatra hitondra fiadanana ho an’ny olo-marina.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 14:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hitan’i Jaona mitranga amin’ny andro farany.

  • Inona no hitan’i Jaona mitranga amin’ny andro farany?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ireo 144.000 dia mpisorona avo ao amin’ireo foko roa ambin’ny folon’i Isiraely izay hotendrena avy amin’ny firenena rehetra mba hitantana ny filazantsara sy hitondra ny olona ho ao amin’ny Fiangonana (jereo ny Apokalypsy 7:4–8; F&F 77:11).

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4–5, ahoana no namariparitan’i Jaona ireo mpisorona avo 144.000 izay hitantana ny filazantsara maneran-tany? (Hazavao fa ilay andian-teny hoe “tsy voaloto tamin’ny vehivavy” [andininy 4] dia midika fa nadio fitondrantena izy ireo, ilay andian-teny hoe “tsy nisy lainga hita teo am-bavany” [andininy 5] dia midika fa marin-toetra sy mahitsy fo izy ireo, ary ilay andian-teny hoe “tsy manan-tsiny” [andininy 5] dia midika fa voadio tamin’ny fahotana izy ireo.)

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no hanampy ireo mpisorona avo hitondra ny filazantsara amin’ny hafa ny fahadiovam-pitondrantena sy ny fahamarinan-toetra ary ny fahadiovana amin’ny fahotana?

Hazavao fa nahita anjely telo i Jaona nandritra ny fahitany ny andro farany. Manasà mpianatra telo hisolo tena ireo anjely telo (afaka mijanona eny amin’ny toerany ireo mpianatra ireo). Asao ilay mpianatra misolo tena ilay anjely voalohany mba hamaky mafy ny Apokalypsy 14:6. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nananan’ilay anjely.

  • Nanana inona ilay anjely?

Asao ilay mpianatra iray misolo tena ilay anjely voalohany hamaky mafy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:36–37. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nataon’ilay anjely tamin’ilay filazantsara mandrakizay.

  • Inona no nataon’ilay anjely tamin’ilay filazantsara mandrakizay?

Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 91; jereo koa ny LDS.org). Angataho ny mpianatra iray hitantara ny zavatra nitranga nandritra ny fitsidihan’i Môrônia an’i Joseph Smith voalohany. (Raha mila fampahatsiahivana ireo zava-nitranga ireo ny mpianatra dia azonao atao ny manasa mpianatra iray hamaky mafy ny Joseph Smith—Tantara 1:29–35.)

  • Inona no nomen’i Môrônia an’i Joseph Smith teo ambany fitarihan’ Andriamanitra ka nanampy tamin’ny famerenana ny filazantsara teto an-tany? (Ilay rakitsoratra mirakitra ny Bokin’i Môrmôna.)

Tempolin’i Salt Lake

Manehoa sarina tempoly iray izay misy sarivongana maneho an’i Môrônia eo amin’ny tampony, tahaka ny sarin’ny Tempolin’i Salt Lake izay hita ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara (lah. 119; jereo koa ny LDS.org).

  • Nahoana araka ny eritreritrareo no asiana sarivongana maneho an’i Môrônia eo amin’ny tampon’ireo tempolintsika maro?

Hazavao fa ao anatin’ny lahateny iray tamin’ny fihaonambe, ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nindrana ny Apokalypsy 14:6 ary avy eo dia nanambara hoe “Efa tonga io anjely io. Môrônia no anarany” (“Stay the Course—Keep the Faith,” Ensign, nôv. 1995, 70). Ilay anjely dia mety maneho ihany koa ireo iraka maro samihafa avy any an-danitra, ao anatin’izany i Môrônia, izay nanampy tamin’ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny amin’izao andro farany izao (jereo ny Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:529–31; jereo koa ny F&F 13; 110:11–16; 128:20–21).

Asao ilay mpianatra misolo tena ilay anjely voalohany mba hamaky mafy ny Apokalypsy 14:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ilay anjely.

  • Inona no nolazain’ilay anjely?

  • Inona no dikan’ilay andian-teny hoe “tonga ny andro fitsarany”? (Ho avy ny andro izay hitsaran’i Jesoa Kristy ny olona rehetra eto an-tany. Sady hitranga amin’ny Fiaviany Fanindroany ny fitsarany [jereo ny Malakia 3:1–5] no hitranga amin’ny Fitsarana Farany [jereo ny 2 Nefia 9:15].)

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianarantsika dia inona no antony iray namerenan’ Andriamanitra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny? (Tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity ny mpianatra: Namerina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny laoniny Andriamanitra mba hanomanana ireo mponin’ny tany amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

  • Amin’ny fomba ahoana no hanomanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny olona amin’ny Fiaviany Fanindroany?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba nitondran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny fiadanana ho azy ireo kanefa izy ireo dia miaina ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana sy tabataba. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny iray kilasy.

Asao ilay mpianatra misolo tena ilay anjely faharoa hamaky mafy ny Apokalypsy 14:8 ary ilay mpianatra misolo tena ilay anjely fahatelo hamaky mafy ny Apokalypsy 14:9–11. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ireo anjely.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 8, inona no nolazain’ilay anjely faharoa? (Hazavao fa hevitra iray azo handikana ny andian-teny hoe “rava Babylona” ny hoe ho avy ny andro izay hifaranan’ny faharatsian’izao tontolo izao.)

  • Mety hitondra fiadanana ho antsika amin’ny fomba ahoana ny mahafantatra fa hifarana ny faharatsian’izao tontolo izao?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 9–11, inona no nolazain’ilay anjely fahatelo fa hitranga amin’ireo izay misafidy ny hanaraka “ny bibi-dia” (andininy 9), na i Satana?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ity. Asao ny mpianatra hihaino ny fomba nanazavan’ny Mpaminany ny fijaliana hiainan’ireo ratsy fanahy aorian’ny hahafatesan’izy ireo.

Mpaminany Joseph Smith

“Ny fahoriana lehiben’ireo fanahy mandeha any amin’ny tontolon’ny fanahy, izay toerana alehan’izy ireo aorian’ny fahafatesana, dia ny mahafantatra fa tsy nahazo ilay voninahitra izay azon’ireo hafa tamim-pifaliana izy ireo kanefa tokony ho nigoka izany izy ireo, ary izy ireo ihany no manameloka ny tenany” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 224).

“Ny olona iray ihany no mpampijaly sy mpanameloka ny tenany. Izay no mahatonga ilay fitenenana hoe Handeha ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara izy ireo [jereo ny Apokalypsy 21:8]. Ny fijaliana amin’ny fahadisoam-panantenana ao an-tsain’ny olona iray dia tena mafy tahaka ny farihy mirehitra afo sy solifara” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith, 224).

  • Araka ny voalazan’ny Mpaminany Joseph Smith dia inona no ho tafiditra ao anatin’ny fijaliana iainan’ireo ratsy fanahy aorian’ny hahafatesan’izy ireo?

Hazavao fa rehefa avy nahafantatra ny zavatra hiainan’ireo ratsy fanahy aorian’ny hahafatesan’izy ireo i Jaona dia nandre feo avy any an-danitra izay namariparitra ny zavatra hiainan’ireo olo-marina aorian’ny hahafatesan’izy ireo.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 14:12–13. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hiainan’ireo olo-marina aorian’ny hahafatesan’izy ireo.

  • Inona no hiainan’ireo olo-marina aorian’ny hahafatesan’izy ireo?

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “hitsahatra amin’izay nisasarany” izy ireo? (andininy 13).

  • Ahoana no hamintinanareo ny fampianaran’i Jaona ao amin’ny andininy 12–13 amin’ny endrika fitsipika iray? (Mety ho amin’ny fomba hafa no hilazan’ny mpianatra izany kanefa ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao: Raha miaina amim-pahamarinana isika dia hotahiana noho ny asantsika ary hitsahatra amin’ireo asa nisasarantsika aorian’ny hahafatesantsika.)

  • Ahoana no ahafahan’io fitsipika io mitondra fiadanana ho antsika na dia voahodidinin’ny faharatsiana aza isika?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha zava-dehibe ny fisafidianana ny miaina amim-pahamarinana ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao eo amin’ny fiainany mba hakana antoka fa tsy hiaritra ny fijalian’izay ratsy fanahy izy ireo fa higoka kosa ny fiadanan’ny olo-marina. Asao izy ireo hanao zavatra amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.

Fintino ny Apokalypsy 14:14–20 amin’ny fanazavana fa niresaka fotoam-pijinjana roa i Jaona. Tao anatin’ny fahitany i Jaona dia nahita fa ny olo-marina dia hangonina hisaraka amin’ny ratsy fanahy mandritra ny fijinjana voalohany (jereo ny andininy 14–16) ary amin’ny fijinjana faharoa dia hangonina ny ratsy fanahy ary horinganina amin’ny farany (jereo ny andininy 17–20).

Apokalypsy 15–16

Nahita ny olo-marina tao amin’ny fanjakana selestialy i Jaona ary nahita loza fito amin’ny andro farany

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 15:1. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra hafa hitan’i Jaona fa hitranga amin’ny andro farany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Hazavao fa araka izay voarakitra ao amin’ny Apokalypsy 15–16, dia namariparitra loza fito izay hampahory ny olon-dratsy amin’ny andro farany i Jaona. Kanefa talohan’ny namariparitany ireo loza ireo dia niato i Jaona mba hilaza indray ireo fitahiana izay ho azon’ireo olo-marina. Fintino ny Apokalypsy 15:2–4 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nahita ireo izay handresy an’i Satana sy hidera an’ Andriamanitra any amin’ny fanjakana selestialy tamin’ny alalan’ny fahitana i Jaona.

Manaova sarina tavoahangy kely na lovia baolina fito eny amin’ny solaitrabe dia asio laharana 1 ka hatramin’ny 7 izy ireo (na soraty eo amin’ny solaitrabe fotsiny ireo laharana). Hazavao fa i Jaona dia nahita tao anatin’ny fahitany tavoahangy kely, na lovia baolina fito izay nisy ireo loza fito.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny Apokalypsy 16:2–4, 8–12, 16–21. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba namariparitan’i Jaona ireo loza fito. Miatoa isak’izay voafariparitra ny loza tsirairay, ka asao ny mpianatra iray hanoratra ilay loza eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny tavoahangy (na isa) mifanaraka amin’izany eo amin’ny solaitrabe.

Rehefa avy mamaky ny famariparitan’i Jaona ny loza fahatelo ny mpianatra iray dia manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 16:6 . Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady antony iray hiaretan’ny olona io loza io amin’ny andro farany.

  • Inona no antony iray hiaretan’ny olona io loza io?

Rehefa avy mamaky ny famariparitana ny loza fahenina ny mpianatra iray dia hazavao fa ho ritra ny Onin’i Eofrata mandritra io loza io mba hiomanana amin’ny fanangonana ireo mpanjakan’izao tontolo izao amin’ny ady amin’ny Hara-magedona (jereo ny Apokalypsy 16:12–16; jereo koa ny Zakaria 12:11). Amin’ny fiafaran’io ady io ny Mpamonjy dia hiseho amin’ny olona ao Jerosalema (jereo ny F&F 45:47–53) sy amin’ny olona rehetra eto an-tany (jereo ny Matio 24:30; F&F 101:23).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Apokalypsy 16:15 , ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra azontsika atao mba ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Hazavao fa ny andian-teny hoe “miaro ny fitafiany, fandrao mandeha mitanjaka izy” dia entina hilazana ny hoe vonona ara-panahy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 15, inona no azontsika atao mba ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany? (Tokony hahita ity fitsipika manaraka ity ny mpianatra: Raha miambina sy vonona ara-panahy isika dia ho vonona amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.)

  • Inona avy ireo fomba sasany ahafahantsika ho lasa vonona ara-panahy?

Mijoroa ho vavolombelona fa tia ny olony ny Tompo ary maniry ny hiomanantsika amin’ny Fiaviany Fanindroany. Amporisiho ny mpianatra hiambina sy ho vonona ara-panahy mba hahafahan’izy ireo mahazo ireo fitahian’ny Tompo.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Apokalypsy 14:8. “Babylona lehibe”

“Babela dia naorin’i Nimroda ary anankiray tamin’ireo tanàna tranainy indrindra teo amin’ny tany Mesopotamia na Sinara (Gen. 10:8–10). Nokorokoroan’ny Tompo ny fiteny tamin’ny fotoana izay nananganan’ny olona ny Tilikambon’i Babela (Gen. 11:1–9; Etara 1:3–5, 33–35). Nanjary renivohitr’i Nebokadnezara i Babylona taty aoriana. Nanorina tanàna goavana izy, izay ny faharavany no sisa mbola tavela. Nanjary tanàna tena ratsy i Babylona ka tonga sarin’ny faharatsian’izao tontolo izao” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Babela, Babylona,” scriptures.lds.org).

Apokalypsy 16:15. “Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany”

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampifanaraka ilay andian-teny hoe “miaro ny fitafiany” (Apokalypsy 16:15) tamin’ny “garmentan’ny tempoly, garmentan’ny fisoronana masina, izay tandindon’ny akanjon’ny fahamarinana izay tsy maintsy ampitafian’ny olomasina ny tenany raha te hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo.” Dia nampianatra izao manaraka izao izy mikasika io andian-teny io:

“Na ara-bakiteny na ara-tsariteny, ny hoe mandoto ny fitafian’ny tena dia tsy mankatò ny lalàn’ny Tompo, ary ny miaro ny fitafian’ny tena (Apo. 16:15) dia mitandrina ny didy sy manao izay hampahamendrika ny hanao ny fitafian’ny fahamarinana izay manafy ireo olona selestialy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:454–55; jereo koa ny Apokalypsy 3:3–5).

Apokalypsy 16:16. Fiaraha-mivondrona ao Hara-magedona

“Ny anarana hoe Hara-magedona dia avy amin’ny teny Hebreo hoe Har Megiddon, midika hoe ny ‘tendrombohitr’i Megido.’ Ny lohasahan’i Megido dia ao amin’ny ilay andrefan’ny lemak’i Esdrelôna, valopolo kilaometatra ao avaratr’i Jerosalema, ary toerana nitrangan’ireo ady lehibe maro tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha. Ny ady lehibe sady farany izay hitranga any akaikin’ny fotoana hiavian’ny Tompo fanindroany no atao hoe adin’i Hara-magedona, satria hanomboka eo amin’io toerana io izany. (Jereo ny Ezek. 39:11; Zak. 12–14, indrindra fa ny 12:11; Apo. 16:14–21.)” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Hara-magedona,” scriptures.lds.org). Ilay ady izay hanomboka ao Hara-magedona dia hiparitaka hatrany Jerosalema.