Tahirim-pitaovana
Lesona 60: Jaona 1


Lesona 60

Jaona 1

Fampidirana

Nirakitra an-tsoratra ireo fotopampianarana manan-danja mifandray amin’ny anjara asan’i Jesoa Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana i Jaona ilay Lalaina. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ Jesoa Kristy ihany koa i Jaona Mpanao Batisa ary nanao batisa Azy. Nanasa ny hafa hianatra Aminy i Jesoa Kristy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 1:1–18;

Mijoro ho vavolombelona i Jaona fa Zanak’ Andriamanitra i Jesoa Kristy

Ny Tompo Jesoa Kristy

Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Ampisehoy eo amin’ny solaitrabe ny sarin’i Jesoa Kristy. Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina fa miresaka amin’ny olona iray izay zara raha mahafantatra zavatra mikasika an’i Jesoa Kristy izy ireo. Asao ny mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba haka iray minitra hampianarana ilay mpianatra iray mikasika an’i Jesoa Kristy, ka hanao toy ny hoe zara raha mahafantatra zavatra mikasika an’i Jesoa Kristy ilay mpianatra iray hafa. Aorian’ity asa atao ity dia manasà mpianatra vitsivitsy izay nampianarina zavatra momba an’i Kristy mba hizara amin’ireo mpianatra ny zavatra nampianarin’ireo mpiara-miasa taminy azy ireo.

Ampahafantaro fohifohy ny bokin’i Jaona amin’ny alalan’ny fanazavana fa noraketin’ny Apôstôly Jaona ny zavatra tiany ho fantatry ny Olomasina mikasika an’i Jesoa Kristy. Nanatri-maso ny maro tamin’ireo tantara nosoratany i Jaona. Ny ankamaroan’ireo zavatra hita ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona dia tsy hita ao amin’ny Filazantsaran’i Matio, Marka ary i Lioka, izay nosoratana mba hanampiana ireo Jiosy sy ireo Jentilisa hino fa i Jesoa no ilay Mesia sy Mpamonjy ny olombelona. Etsy an-kilan’izay, i Jaona dia nanoratra manokana ho an’ireo izay efa nino fa i Jesoa no Kristy.

Rehefa mandalina ny Jaona 1 ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ireo fahamarinana mikasika ny Mpamonjy izay afaka manamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo mikasika Azy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1-2 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soaratra masina). Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra. Angataho izy ireo hitady ireo fahamarinana nampianarin’i Jaona mikasika an’i Jesoa Kristy.

  • Inona avy ireo fahamarinana ianarana mikasika an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andininy ireo ? (Fahamarinana iray tokony ho hitan’ny mpianatra ny hoe niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy tany am-piandohana. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarin’ny Mpamonjy io fahamarinana io.)

  • Inona no dikan’ny hoe niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy tany am-piandohana? (Hazavao fa ny andian-teny hoe “tany am-piandohana” dia entina ilazana ny fisiana tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana. I Jesoa Kristy no Lahimatoan’ny Ray tao amin’ny fanahy [jereo ny F&F 93:21], nitovy tamin’ Andriamanitra Izy teo anivon’ireo fanahy izay niara-nivory “talohan’ny nisian’izao tontolo izao” [Abrahama 3:22–24], ary nofinidin’ny Ray hatrany am-piandohana Izy [jereo ny Mosesy 4:2].)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:3 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina), ary angataho ireo mpianatra hitady ny fahamarinana fanampiny nampianarin’i Jaona momba an’i Jesoa Kristy.

  • Inona koa no nampianarin’i Jaona momba an’i Jesoa Kristy? (Tokony hahita fotopampianarana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Ny zava-drehetra dia noharian’i Jesoa Kristy. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarin’ny Mpamonjy io fahamarinana io.)

Hazavao fa nahary ny lanitra sy ny tany teo ambany fitarihan’ny Ray i Jesoa Kristy ary Izy dia nahary tontolo tsy hita isa (jereo ny Mosesy 1:33). Na izany aza dia notanterahin’ny Ray any An-danitra samirery ny “fotoam-pahariana roa”: ny fahariana ny fanahy rehetra (anisan’izany ny nahariana an’i Jesoa Kristy) ary ny fahariana ny vatan’i Adama sy i Eva A New Witness for the Articles of Faith [1985], 63; jereo koa ny Mosesy 2:27).

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:4-5 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soaratra masina). Asao ny mpianatra rehetra hitady ny fomba namariparitan’i Jaona an’i Jesoa sy ny Filazantsarany.

  • Ahoana no fomba namariparitan’i Jaona an’i Jesoa sy ny Filazantsarany?

  • Inona no dikan’ ny hoe “tao Aminy ny filazantsara”? (I Jesoa Kristy no ilay vaovao mahafaly, ny filazantsara tonga nofo.)

  • Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe “mamirapiratra eo amin’izao tontolo izao ny fahazavana”? (Dikantenin’ i Joseph Smith, Jaona 1:5).

Hazavao fa taorian’izany ny Apôstôly Jaona dia nampianatra mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:6-10 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soaratra masina). Asao ny mpianatra hitady ny zavatra nambaran’i Jaona Mpanao Batisa mikasika an’i Jesoa Kristy. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

  • Inona no fotopampianarana nampianarin’ny Apôstôly Jaona momba an’i Jesoa ao amin’ny andininy 9–10? (Tokony hahita fotopampianarana mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: I Jesoa Kristy no Fahazavan’ izao tontolo izao. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo akaikin’ilay sarin’ny Mpamonjy io fahamarinana io.)

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ilay Fahazavan’izao tontolo izao? (Jereo ny F&F 88:5–13.)

Fintino ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:11–18 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) amin’ny alalan’ny fanazavana fa nijoro ho vavolombelona i Jaona Mpanao Batisa fa ireo rehetra izay mino an’i Jesoa Kristy dia hahazo ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizay.

Hazavao fa ao amin’ny andininy 14 sy 16 i Jaona dia miresaka an’i Jesoa Kristy ho “ny Teny.” Hazavao fa izy io dia anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy izay hita ao amin’ny toerana maro ao amin’ny soratra masina (jereo ny Jaona 1:1, 14; 1 Jaona 1:1; Apokalipsy 19:13; F&F 93:8–10; Mosesy 1:32).

Hazavao fa mampiasa teny isika mba hiseraserana sy hilazana ny eritreritra, ny fahatsapana, ary ireo hevitra amin’ny hafa.

  • Amin’ny fomba ahoana no maha-anarana mendrika iantsoana an’i Jesoa Kristy ny hoe “ny Teny”?

Hazavao ihany koa fa raha tsy nisy ny Dikantenin’i Joseph Smith dia mety horaisin’ny olona amin’ny heviny diso ny Jaona 1:18 ka holazainy fa milaza hoe tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra Ray. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:19 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soaratra masina).

Tsinjarao ho ao anatin’ny vondron’olon-droa nisy azy tamin’ny nanao ilay asa natao tany am-piandohan’ny lesona ny mpianatra. Angataho ny mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay mba haka iray minitra hampianarana ilay mpiara-miasa aminy mikasika ny fampiasan’i Jesoa Kristy an’ireo fotopampianarana hitan’ireo mpianatra tao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–19 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina). Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Nahoana no ho zava-dehibe ho an’ny olona iray ny mahafantatra ireo fotopampianarana mikasika an’i Jesoa Kristy ireo?

Jaona 1:19–34; Dikantenin’ i Joseph Smith, Jaona 1:20–34

Nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa dia nanao batisa Azy

Fintino ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:20–28 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina) amin’ny alalan’ny fanazavana fa naniraka mpisorona tany amin’i Jaona Mpanao Batisa ireo Jiosy mba hanontany raha toa ka izy no ilay Mesia. Nohazavain’i Jaona fa ny anjara asany dia ny hijoro ho vavolombelon’ny Mesia, izay hanao batisa amin’ny afo sy amin’ny Fanahy Masina. Ny ampitson’io dia nihaona tamin’i Jesoa, izay efa nataony batisa teo aloha, i Jaona Mpanao Batisa.

Asao ny mpianatra iray mba hitsangana ka hamaky mafy, toy ny hoe izy no i Jaona Mpanao Batisa, ny tenin’i Jaona Mpanao Batisa ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:29–33 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soaratra masina). Asao ny mpianatra rehetra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra tian’i Jaona Mpanao Batisa ho fantatry ny olona mikasika an’i Jesoa Kristy.

Tondroy ilay sarin’i Jesoa Kristy sy ireo fahamarinana voasoratra eo amin’ny solaitrabe, dia manontania hoe:

  • Inona ireo fahamarinana na famaritana hafa fanampiny mikasika an’i Jesoa Kristy izay azontsika tsoahina avy ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:29–33? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

  • Nahoana araky ny eritreritrareo no nantsoin’i Jaona Mpanao Batisa hoe “ny Zanakondrin’ Andriamanitra” i Jesoa?

Jaona 1:35–51

Nanasa ireo mpanara-dia Azy hahalala zavatra bebe kokoa momba Azy i Jesoa.

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa mandre namana maro mijoro ho vavolombelona ny zatovo iray manatrika fivoriana fifadiankanina sy fijoroana ho vavolombelona fa izy ireo dia mahafantatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo. Manontany tena io zatovo io hoe ahoana no fomba “ahafantaran’ireo” namana ireo an’izany zavatra izany.

  • Ahoana no hamalianao io fanontaniana io?

Rehefa mandalina ny Jaona 1:35–51 ny mpianatra dia asao izy ireo hitady ny zavatra azontsika atao mba hahazoana (na hanamafisana orina) ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana mikasika an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjintsika Azy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 1:35–37 ary asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nataon’i Jaona Mpanao Batisa ny ampitson’ny andro nanaovany batisa an’i Jesoa.

  • Inona no nataon’i Jaona rehefa nahita an’i Jesoa?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 1:38–39. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ireo mpianatra roa.

  • Inona no nanontanian’i Jesoa an’ireo mpianatra roa?

  • Inona no navalin’ izy ireo?

  • Inona no nasain’i Jesoa nataon’ireo mpianatra roa?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 1:40–42 ary asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nianaran’i Andrea rehefa avy nanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo” izy.

  • Inona no nianaran’i Andrea rehefa nanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy hoe “avia fa ho hitanareo” izy? (Fa i Jesoa no ilay Mesia, na i Kristy. Azonao atao koa ny manazava fa ianarantsika avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Jaona 1:42 fa i Petera dia ho antsoina hoe “Kefasy,izay atao hoe, raha adika, dia mpahita, na vato” [ao amin’ny fanovozan-kevitra eo ambanin’ny pejy 3], izay milaza fa i Petera dia ho lasa mpahita ao amin’ny Fiangonana.)

Asao ny mpianatra iray mba hamaky mafy ny Jaona 1:43–46 ary asao ireo mpianatra hitady ny zavatra nasain’ny Mpamonjy nataon’i Filipo. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  • Inona no teny ao amin’ny andininy 45 izay maneho fa nahazo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Filipo rehefa avy nanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy mba hanaraka Azy?

  • Inona indray avy eo no fanasana nataon’i Filipo tamin’i Natanaela?

Manasà mpianatra telo hamaky mafy ny Jaona 1:47–51. Asaivo manao mpitantara ny iray, ny iray hafa mamaky ny tenin’i Jesoa, ary ny iray mamaky ny tenin’i Natanaela. Asao hihaino ny zavatra mitranga ireo mpianatra rehefa nanaiky ny fanasana hamantatra ny momba an’i Jesoa i Natanaela.

  • Inona no nitranga rehefa nanaiky ny fanasana hamantatra ny momba an’i Jesoa i Natanaela?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Rehefa manaiky ny fanasana hamantatra an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy isika dia hahazo ny fijoroana ho vavolombelona antsika manokana momba Azy.)

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny tanjona fototry ny fiainantsika eto an-tany sy ny valin’ireo fanontaniana manan-danja indrindra eo amin’ny fiainana dia toy ny hoe voafintin’ireto zavatra roa tena fohy tao anatin’ny fiatombohan’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy teto an-tany ireto. Ny zavatra iray dia ilay fanontaniana apetraka amin’ny tsirairay amintsika eto ambonin’ity tany ity hoe: ‘Inona no tadiavinareo? Inona no ilainareo?’ Ny faharoa dia ny valinteny asetriny ny valintenintsika, na inona na inona izany valinteny izany. Na iza isika na iza ary na inona no avalintsika na inona, ny valinteniny dia tsy miova na oviana na oviana: ‘Avia,’ hoy izy amim-pitiavana. ‘Andeha hanaraka Ahy.’ Na aiza na aiza no alehanareo dia avia aloha jereo ny zavatra ataoko, jereo hoe aiza sy amin’ny fomba ahoana no handaniako ny fotoako. Mianara Amiko, miaraha Amiko, miresaha Amiko, minoa. Mihainoa Ahy mivavaka. Dia hahazo valiny amin’ny vavaka ataonareo ianareo avy eo. Hitondra fiadanana ho an’ny fanahinareo Andriamanitra” (“He Hath Filled the Hungry with Good Things,” Ensign, nôv. 1997, 65).

Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny ezaka ataon’izy ireo mba hahalala bebe kokoa mikasika an’i Jesoa Kristy sy hanaraka Azy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitomboan’ny fijoroana ho vavolombelona anananareo momba an’i Jesoa Kristy rehefa nahafantatra sy nanaraka Azy ianareo?

Asao ny mpianatra hanoratra fehezanteny vitsivitsy ao anatin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina mikasika ny zavatra ho ataony mba hanekeny misimisy kokoa ny fanasan’ny Mpamonjy manao hoe “avia fa ho hitanareo” sy hamantatra sy hanaraka Azy.

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fitsipika izay hita tao am-pianarana androany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 1:9 “Ilay fahazavana marina, izay manazava ny olona tsirairay izay tonga eo amin’ izao tontolo izao”

Ny asa soratr’i Jaona no mirakitra ny hany fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao izay mampianatra momba ny Fahazavan’i Kristy. Manazava ny Bible Dictionary hoe:

“Ny fahazavan’i Kristy dia ny tian’ireo teny ambara mihitsy: fahazavan-tsaina, fahalalana, ary fitaomana mampahery sy maha-olom-banona ary mampivoatra izay tonga eo amin’ny olombelona noho i Jesoa Kristy. Ohatra, i Kristy dia ‘ilay fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao’ (F&F 93:2; jereo ny Jaona 1:9). Ny fahazavan’i Kristy dia mameno ny ‘fidadasiky ny habakabaka’ ary izany dia ny fomba ahafahan’i Kristy ho ‘ao amin’ny zava-drehetra ary mameno ny zava-drehetra ary manodidina ny zava-drehetra.’ ‘Manome aina ny zava-drehetra izany’ ary izy no ‘lalàna izay itondrana ny zava-drehetra.’ Izany ihany koa no ‘ilay fahazavana izay mampahavitrika ny fahatakaran’ny’ olona (jereo ny F&F 88:6–13, 41). Araka izany dia mifandray amin’ny eritreritry ny olona ny fahazavan’i Kristy ary milaza aminy hoe Inona no tsara ary Inona no ratsy (Môrô. 7:12–19).

“Ny fahazavan’i Kristy dia tsy tokony hafangaro amin’ny Fanahy Masina. Tsy olona ny fahazavan’i Kristy fa fitaomana avy amin’ Andriamanitra ary manomana ny olona handray ny Fanahy Masina” (Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahazavan’i Kristy”).

Nampianatra izao manaraka izao mikasika ny Fahazavan’i Kristy ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Ny fahazavan’i Kristy dia ilay hery masina na hery mitarika avy amin’ Andriamanitra izay miely amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Manome hazavana sy fiainana ny zava-drehetra izany. Izy io dia mitaona ny olona rehetra manan-tsaina maneran-tany hanavaka ny fahamarinana sy ny fahadisoana, ny marina sy ny diso. Izy io dia mampiasa ny feon’ny fieritreretanao” (“Peace of Conscience and Peace of Mind,” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 15).

Jaona 1:14, 29. Ireo fiantsoana sy anaran’i Jesoa Kristy toy ny hoe “ny Teny” sy ny “Zanakondrin’ Andriamanitra”

Nilaza ny Apôstôly Jaona fa ny tanjony tamin’ny nanoratany ity boky ity dia ny handresy lahatra ny hafa hino an’i Jesoa Kristy. Manerana ny filazantsarany dia nampiasa anarana na fiantsoana maro i Jaona mba hanampiana ireo mpamaky sady hahatakatra no hamantatra an’i Jesoa Kristy ho ny Zanaka masin’ Andriamanitra. Ohatra, ao amin’ny Jaona 1 dia antsoina hoe “ny Teny” sy ny “Zanakondrin’ Andriamanitra” i Jesoa.

I Jesoa no Tenin’ Andriamanitra satria Izy no manambara na solontenan’ny Ray eto amin’izao tontolo izao. Nanambara ny tenin’ny Ray Izy. Izy no iraky ny famonjena [jereo ny F&F 93:8]. Izy no ohatra tonga lafatra amin’ny fomba fiainana ny tenin’ Andriamanitra. Manome ny tenin’ny fiainana mandrakizay Izy. Ary manome fiainana ny teniny.

I Jesoa no Zanakondrin’ Andriamanitra satria tahaka ny namonjen’ny ran’ny zanak’ondry tamin’ny Paska an’ny Isiraely tamin’ny fahafatesana sy nanafahan’izany azy ireo hiala tamin’ny fanandevozan’ny Egyptiana no hilazan’ilay anarana fiantsoana hoe “ny Zanakondrin’ Andriamanitra” fa handatsaka ny rany i Jesoa mba hamonjena ny olony sy hanafahana azy ireo amin’ny fahotana. (Jereo koa ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Zanakondrin’ Andriamanitra.”)

Ny Filazantsaran’i Jaona dia mirakitra anarana na fiantsoana isan-karazany izay afaka manampy ny mpamaky hahatakatra ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Ny anarana fiantsoana sasany dia lazaina an-kolaka fa ny hafa kosa dia lazaina malalaka amin’ny hoe “Izaho no …” Ny ohatra sasany dia ahitana an’i Jesoa izay fantatra amin’ny hoe ilay Mpanome Rano Velona (jereo ny Jaona 4:10–14) ary i Jesoa izay milaza hoe “Izaho no mofon’aina” (Jaona 6:35); “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12); “Izaho no Mpiandry Tsara” (Jaona 10:11); “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (Jaona 11:25); “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6); ary “Izaho no tena voaloboka” (Jaona 15:1).

Jaona 1:19–28. Iza i Elià sy i Elia?

“Nanontany an’i Jaona ireo mpitarika Jiosy raha toa ka izy no ‘Elià’ (ilay anarana amin’ny teny Grika iantsoana ny ‘Elia’ amin’ny teny Hebreo), izay voalazan’ny faminaniana fa hiverina indray andro any (jereo ny Malakia 4:5–6). Ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, ny Tompo dia nampahafantatra tantara feno kokoa mikasika ny valinteny nomen’i Jaona an’ireo mpitarika Jiosy, izay mampahafantatra ny fahalalàn’i Jaona ny iraka nampanaovina azy ho ilay olona tonga hanomana ny lalan’ny Mesia. Ho valin’ny fanontanian’izy ireo dia ‘niaiky [i Jaona], sady tsy nandà fa izy no Elià; saingy niaiky izy, nanao hoe: Tsy izaho no Kristy’ (Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:21 [ao amin’ny torolalana ho an’ny soratra masina]).

“Takatr’i Jaona tsara, raha toa ka hita nibaribary fa tsy nahatakatra izany ireo mpisorona sy ireo Levita, fa misy heviny maro fonosin’ilay anarana fiantsoana hoe EliàTorolalana ho an’ny soratra masina, ‘Elià’; scriptures.lds.org). Elià iray i Jaona, izay midika hoe mpialoha lalana ny Mesia, saingy tsy izy ilay Elià, izay i Jesoa Kristy, ilay Mesia. Tsy i Elia ilay mpaminany koa i Jaona, izay i Elia no anarany amin’ny teny Grika. …

“Rehefa nandà i Jaona hoe tsy i Elia izy dia nanontany azy ireo mpitarika Jiosy hoe ‘Ilay mpaminany va hianao?’ (Jaona 1:21). Somary niresaka ilay faminanian’i Mosesy ao amin’ny Deoteronomia 18:15 ny fanontanian’izy ireo: ‘Mpaminany avy eo aminao, dia avy amin’ny rahalahinao, tahaka ahy, no hatsangan’i Jehovah Andriamanitrao ho anao.’ Kanefa ireo Jiosy ireo dia naneho, tamin’ny alalan’ny fanontaniana an’i Jaona raha izy no ‘ilay mpaminany’ taorian’ny efa nandavan’i Jaona fa tsy izy no Kristy, fa tsy takatr’izy ireo ny naha-fanambarana momba ny Mesia ny faminanian’i Mosesy. Maro tamin’ireo Jiosy tamin’ny andron’i Jesoa no nahalala mialoha ny fiavian’ny mpaminany iray izay hitovy amin’i Mosesy saingy tsy ilay Mesia Izany. Tsy mahagaga raha olona maro tao Jerosalema no nanambara taty aoriana fa i Jesoa Kristy no ‘ilay mpaminany,’raha toa kosa ny hafa ka nanambara fa Izy no ‘ilay Kristy’ (Jaona 7:40–41; jereo koa ny 6:14)” (Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 201–2).