Tahirim-pitaovana
Lesona 16: Matio 1:24–58


Lesona 16

Matio 1:24–58

Fampidirana

Nanome fanoharana ny Tompo ho fampianarana mikasika ny fanjakan’ny lanitra, ny Famerenana ny Fiangonany amin’ny laoniny sy ny fitombon’izany amin’ny andro farany, ny fanangonana ireo olo-marina ary ny fandringanana ny olon-dratsy amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 1:24-30, 36-43

Mampianatra sy manazava momba ny fanoharana mikasika ny vary sy ny tsimparifary ny Mpamonjy

Soraty eny amin’ny solaitrabeireto fanontaniana manaraka ireto, mialohan’ny fotoam-pampianarana:

Efa nahatsapa ho sosotra na tezitra ve ianao satria misy faharatsiana betsaka eto amin’izao tontolo izao ve ianao?

Nahoana ny Tompo no tsy manaisotra tsotra izao ny faharatsiana manodidina antsika?

Nahoana no tokony hisafidianako ny ho marina raha ny olona manodidina ahy dia toa tsy hiharan’ny vokatry ny safidy ratsy nataony?

Eo am-panombohana ny lesona dia asaivo misaintsaina ireo fanontaniana eo amin’ny solaitrabe ireo ny mpianatra ary asao izy ireo hizara ny eritreriny amin’ny mpianatra rehetra. Rehefa mandalina ny Matio 13:24-30ny mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ny fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo hahita fiononana rehefa miezaka ny hiaina araka ny fahamarinana ao anatin’ny tontolo feno faharatsiam-panahy.

vary, tsimparifary

Asehoy ity sarin’ ny vary sy tsimparifary ity na ataovy sary eny amin’ny solaitrabe izany. Hazavao fa ny tsimparifary dia karazana ahi-dratsy iray misy poizina. Saika mitovy ny vary sy ny ahi-dratsy raha vao mitsiry, saingy azo avahana izy roa rehefa feno ny fitombony.

Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampianatra fanoharana iray momba ny vary sy ny tsimparifary. Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy avy amin’ny Matio 13:24–30 ary avy amin’ny ampahan’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 13:29, izay manova ampahany amin’ny andininy 20 ho amin’ny hoe “Angony aloha ny vary ho any an-tsompitra; ary ny tsimparifary dia hita fa natao amboarany mba hodorana.” Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra rehetra ka hitady izay zava-nitranga tamin’ny vary sy ny tsimparifary .

  • Inona no nitranga tamin’ny vary sy ny tsimparifary? (Nafafy ny voany sy [nambolena] ary navela haniry miaraka. Voahangona tao an-tsompitra ny vary avy eo ary ny tsimparifary dia natao amboarany mba hodorana.)

  • Nahoana araka ny hevitrao no nilaza tamin’ny mpanompony mba hamela ny vary sy ny tsimparifary “hiara-maniry [izy roa] ambara-pihavin’ny fararano”ilay mpamafy ny voa tsara? (Raha toa ka mikasa ny hanongotra ny ahi-dratsy mialoha ny fotoana hahatongavan’ny vary sy ny tsimparifary ho matoy ny mpijinja iray, dia ho betsaka amin’ny vary no mety ho simba ihany koa.)

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 13:29, inona no hangonina voalohany—ny vary sa ny tsimparifary?

Hazavao fa taorian’ny nanomezan’ny Mpamonjy an’ity fanoharana mikasika ny vary sy ny tsimparifary ity dia nangataka Azy mba hanazava ny dikan’izany ireo mpianany. Manasà ankizy vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Matio 13:36–43. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fanazavan’ny Mpamonjy an’ilay fanoharana.

  • Iza no namafy, na namboly ny voa tsara? (Ny Mpamonjy.)

  • Iza no namafy, na namboly ny tsimparifary? (Ny devoly.)

  • Inona no ambaran’ny vary sy ny tsimparifary ao amin’ny fanoharana? (Ny olo-marina sy ny olon-dratsy. Hazavao fa ny olon-dratsy dia ireo izay misafidy ny tsy hibebaka [jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:17].)

Hazavao fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa ny “fararano” na “ny fiafaran’izao tontolo izao” voalaza ao amin’ny andininy 39 dia milaza ny fandringanana ireo olon-dratsy amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy antsika ihany koa hahatakatra fa ny Tompo dia haniraka anjely sy mpitondra hafatra amin’ny andro farany mba hanampy amin’ny fanavahana ireo olo-marina amin’ireo olon-dratsy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 13:39–44 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]).

  • Inona araka io fanoharana io no hitranga amin’ny olo-marina sy ny olon-dratsy amin’ny andro farany? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia hanangona ireo olo-marina mandritra ny andro farany ary handringana ireo olon-dratsy amin’ny Fiaviany. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)

  • Ahoana ny fomba hitondran’izany fahamarinana izany fiononana ho antsika raha miaina ao anatin’ny tontolo feno faharatsiana isika? (Amin’ny farany dia hanala ny faharatsiana sy hanome valisoa ny mahatoky ny Tompo.)

Hazavao amin’ny mpianatra fa noho ny fahafahana misafidintsika dia manapa-kevitra amin’ny alalan’ireo safidy ataontsika isika raha toa ka ho hangonina miaraka amin’ny olo-marina isika na hijaly hiaraka amin’ny olon-dratsy.

  • Inona no tokony ataontsika mba hahafahantsika ho voahangon’ny Tompo?

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahafahantsika ho voahangon’ny Tompo dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona David A. Bednar

“Manangona ny olony ny Tompo rehefa manaiky Azy sy mitandrina ny didiny izy ireo. …

“… Ny Tompo dia manangona ny olony mba hahafahan’izy ireo mankalaza Azy, mba hananganana ny Fiangonana ho toeram-piarovana ary mba handraisan’izy ireo torohevitra sy fitarihana. …

“Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith dia nilaza fa ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny fanangonana tamin’ny vanim-potoana rehetra dia ny hananganana tempoly mba hahafahan’ny zanaky ny Tompo mandray ireo ôrdônansy ambony indrindra ka hahazo ny fiainana mandrakizay noho izany [jereo ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 416–17]” (“The Spirit and Purposes of Gathering” [Fampaherezam-panahy tao amin’ny Oniversite Brigham Young –Idaho, ôkt. 31, 2006], byui.edu).

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona no tokony hataontsika mba ho hangonin’ny Tompo?

  • Inona ireo fitahiana tonga teo amin’ny fiainanao rehefa nangonin’ny Tompo ianao?

Misiônera: elders
Misiônera: sisters
Tempolin’i Salt Lake

Asehoy ireo sarin’ ny misiônera: Elders; Misiônera: Sisters; ary ny Tempolin’i Salt Lake (Boky mirakitra Sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 109, 110, 119; jereo koa ny LDS.org).

  • Inona no azontsika atao mba hanampiana ny Mpamonjy amin’ny fanangonana ireo zanaky ny Ray any An-danitra?

  • Inona avy ireo fitahiana efa azonao rehefa nanampy ny Tompo amin’ny fanangonana ireo olo-marina amin’ny alalan’ny asa fitoriana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ianao?

Omeo toky ny mpianatra fa satria manao fahadisoana daholo avokoa isika rehetra, dia manasa antsika hibebaka mba hahafahantsika ho voahangona miaraka amin’ny olo-marina ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hahafahan’ny tenany ho voahangona, mba hahafahan’ny fianakaviany ho voahangona ary mba hahafahan’ny hafa ho voahangona ao amin’ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Asao izy ireo hanao zavatra amin’izay fitaomam-panahy rehetra azony.

Matio 13:31–35, 44–52

I Jesoa dia mampiasa fanoharana mba hampianarana mikasika ny fanjakan’ny lanitra

Asehoy ny sarin’ ireto zavatra manaraka ireto na ataovy sary eo amin’ny solaitrabe izany: voan-tsinapy, masirasira (na mofo—hazavao fa ny masirasira dia ampiasaina amin’ny fanokonana ary atambatra amin’ny koba ampiasana amin’ny mofo mba hahafahan’izany mitombo alohan’ny fahandroana), vato soa, vata mirakitra harena, ary harato-tarihina.

voan-tsinapy, masirasira, vato soa, vata mirakitra harena, harato-tarihina

Hazavao fa tao amin’ny fanoharana samy hafa vitsivitsy dia nampitahan’ny Mpamonjy tamin’ny fanjakan’ny lanitra ireo zavatra ireo. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fanjakan’ny lanitra dia maneho ny Fiangonana sy filazantsaran’ny Mpamonjy. Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Matio 13:31–32; Matio 13:33; Matio 13:44; Matio 13:45–46; Matio 13:47–50. Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina eo amin’ny solaitrabeny mpiara-miasa tsiroaroa isany avy. Asao ny mpiara-miasa tsiroaroa na ny vondrona mba hanatanteraka ireto asa ampanaovina ireto (azonao atao ny manome ity lisitra ity amin’ny alalan’ny taratasy zaraina):

  1. Vakio miaraka ireo andinin-tsoratra masina nomena.

  2. Ifanakalozy hevitra ny zavatra izay nampitahan’ny Mpamonjy tamin’ny Fiangonany sy ny filazantsarany.

  3. Ifanakalozy hevitra ny fahamarinana heverinao fa nampianarin’ny Mpamonjy tao amin’io fanoharana io momba ny Fiangonany sy ny filazantsarany. Soraty ao amin’ny kahie fandraisanao an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina io fahamarinana io.

Rehefa avy nomena fotoana ampy dia asao ny mpianatra nampandraiketina ny fanoharana mikasika ny masirasira ary ny mpianatra nampandraiketina ny fanoharana mikasika ny voan-tsinapy mba hamaky mafy ny fanoharan’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky amin’ny mpianatra rehetra ireo fahamarinana nosoratany. (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’izao manaraka ity: Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tafaverina amin’ny laoniny dia hitombo avy amin’ny kely ka hameno ny tany manontolo aty aoriana. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy izao teny manaraka izao, izay nataon’ny Filoha Joseph F. Smith, izay nampianatra ny fomba hitovian’ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny masirasira:

Filoha Joseph F. Smith

“Raha lazaina aza izany, ary misy mahamarina izany tokoa, fa vitsy dia vitsytokoa isika raha ampitahaina amin’ireo mpiara-belona amintsika eto amin’izao tontolo izao, dia azo ampitahana amin’ny masirasira voalazan’ny Mpamonjy anefa isika, izay hampitombo izao tontolo izao manontolo amin’ny farany” (Gospel Doctrine, ed. faha 5 [1939], 74).

  • Inona no azontsika atao amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika mba hanampiana ny fitomboan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

Asao ny mpianatra iray nampandraiketina ilay fanoharana mikasika ny harena nafenina tany an-tsaha, sy ny mpianatra iray nampandraiketina ilay fanoharana mikasika ny vato soa saro-bidy ary ny mpianatra iray nampandraiketina ilay fanoharana mikasika ny harato tarihina mba hamaky mafy ny fanoharan’izy ireo amin’ny mpianatra rehetra. Asao ny mpianatra vitsivitsy hamaky amin’ny mpianatra rehetra ireo fahamarinana nosoratany. (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fitsipika mitovy amin’izao manaraka ity: Noho ny maha-mandrakizay ireo fitahian’ny filazantsara, dia mendrika ny fahafoizan-tena rehetra izany. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto.

Ireo fitahian’ny filazantsara

Ireo fahafoizan-tena mba handraisana ireo fitahiana

Asaivo ataon’ny mpianatra lisitra ny sasantsasany amin’ireo fitahian’ny filazantsara (mety ahitana ny fahalalana azo avy amin’ny soratra masina, ny fitarihan’ny mpaminany velona, ny ôrdônansin’ny famonjena sy ny fanambadiana mandrakizay ny ohatra). Ho an’ny fitahiana tsirairay natao lisitra, dia hazavao ny fahafoizan-tena mety ilaina ho ataon’izy ireo mba handraisany io fitahiana io. Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo.

Asaivo misafidy fitahiana iray amin’ireo fitahiana natao lisitra teo amin’ny solaitrabe ny mpianatra ary asaivo manazava izy ireo hoe nahoana ny fandraisana io fitahiana io no mendrika ny hanaovana izay fahafoizan-tena rehetra ilaina.

  • Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahafoy zavatra iray mba handraisana ny fitahian’ny filazantsara iray?

Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana manaraka ireto ary asao ny mpianatra hamaly izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina:

Inona no fitahian’ny filazantsara irianao hananana?

Nahoana ianao no maniry izany fitahiana izany?

Inona no mety ho fahafoizana ataonao mba hahazoana izany fitahiana izany?

Matio 13:53–58

Nampianatra tany Nazareta i Jesoa ary nolavin’ny vahoakany

Fintino ny Matio 13:53–58 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nolavin’ny vahoaka tao Nazareta ny Mpamonjy sy ny fampianarany. Noho ny tsy finoan’izy ireo dia tsy nanatanteraka fahagagana maro teo anivon’izy ireo ny Mpamonjy (jereo ihany koa ny Môrônia 7:37).

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 13. Ny fanangonana an’i Isiraely

Namintina ny lohahevitry ny Matio 13 ny Mpaminany Joseph Smith rehefa nampianatra izao manaraka izao:

“Ireo zavatra nolazain’ny Mpamonjy izay voarakitra ao amin’ny toko faha 13 ao amin’ny filazantsarany araka an’i Matio, … dia mahatonga antsika hahatakatra mazava tsara ny lohahevitra manan-danjan’ny fanangonana, mihoatra izay zavatra rehetra hafa voarakitra ao amin’ny Baiboly” (ao amin’ny History of the Church, 2:264).

Nampianarin’ny Loholona Russell M. Nelson avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny fahafahantsika manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely avy amin’ny lafin’ny voaly roa:

“Ity fotopampianaran’ny fanangonana ity no iray amin’ireo fampianarana manan-danjan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. … Tsy mampianatra ity fampianarana ity ihany isika fa mandray anjara amin’izany ihany koa. Manao izany isika rehefa manampy amin’ny fanangonana ireo finidin’ny Tompo avy amin’ny lafin’ny voaly roa. …

“… Manangona taratasy mirakitra tetiarana isika, mamorona taratasy ahitana ny fivondronan’ny fianakaviana ary manatanteraka asa atao any amin’ny tempoly isoloana tena mba hanangonana ny olona amin’ny Tompo ary amin’ny fianakaviany” (“The Gathering of Scattered Israel,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 80–81).

Ity tabilao manaraka ity dia mampiseho ny fomba ampianaran’ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13 momba ny fanangonana an’i Isiraely ary ny fitomboan’ny Fiangonan’ny Mpamonjy nanomboka tamin’ny andron’ny asa fanompoany tety an-tany ka hatramin’ny Fiaviany Fanindroany.

Fanoharana ao amin’ny Matio 13

Ny Fanangonana

Mpamafy (andininy 3–23)

I Jesoa Kristy sy ireo Apôstôliny no namafy ny voan’ny filazantsara tamin’ny vanin’andron’izy ireo.

Vary sy tsimparifary (andininy 24–30, 36–43)

Ny olo-marina sy ny olon-dratsy dia niara-nitombo tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao, ka izany dia nitarika ny Apôstazia Lehibe taty aoriana. Amin’ny andro farany dia ho voahangona ao amin’ny Fiangonana ireo olo-marina ary ho ringana ireo olon-dratsy.

Voan-tsinapy(andininy 31-32)

Haverina amin’ny Laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Avy amina fiatombohana kely dia hitombo sy hiely ary ho lasa Fiangonana fanta-daza manerana an’izao tontolo izao izany.

Masirasira (andininy 33)

Ny Fiangonana amin’ny andro farany dia hiely maneran-tany, amin’ny alalan’ny masirasiran’ny fijoroana ho vavolombelon’ny Vavolombelona Telo sy ny soratra masin’ny andro farany.

Harena nafenina (andininy 44) ary ny vato soa saro-bidy (andininy 45–46)

Ny olo-marina dia hiangona ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ireo Olomasin’ny Andro Farany dia hanao fahafoizan-tena sy hiasa mba hanorenana an’i Ziona.

Harato (andininy 47–50)

Ny karazana vahoaka rehetra dia ho voahangona ao amin’ny Fiangonana. Rehefa hifarana izao tontolo izao dia ho voaraoka sy ho ringana ny olon-dratsy.

(Namboarina avy tamin’ny Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Testamenta Vaovao [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 43–44.)

Matio 13:31–32. Ny fanoharana momba ny voan-tsinapy sy ny masirasira

Nanome izao fanazavana manaraka izao ny Mpaminany Joseph Smith momba ny fanoharana mikasika ny voan-tsinapy sy ny masirasira:

“Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny voan-tsinapy. …’ [Matio 1:31.] Ankehitriny isika dia mahita mazava tsara fa io tandindona io dia nomena mba hanehoana ny Fiangonana izay ho avy amin’ny andro farany. …

“Aoka ho heverintsika ny Bokin’i Môrmôna, izay noraisin’ny olona iray ka nafeniny tao an-tsahany, ary narovany tamin’ny finoany mba hivoahan’izany amin’ny andro farany na amin’ny fotoana maha-mety izany; aoka ho jerentsika ny fivoahan’izany avy ao ambanin’ny tany, izay voalaza tokoa fa ny voa bitika indrindra amin’ny voa rehetra, kanefa jereo ny fitomboan’ny sampan’izany, eny, jereo ny sampan’izany izay mijoalajoala tokoa ary manana hahavo toy ny an’ Andriamanitra, mandra-pahatonga izany ho lasa ny voa lehibe indrindra amin’ny voa rehetra, tahaka ny voan-tsinapy. Ary izany dia fahamarinana, ary izany dia mitsimoka amin’ny tany, ary ny rariny dia manomboka mitsinjo eny an-danitra [jereo ny Salamo 85:11; Mosesy 7:62], ary Andriamanitra dia mampidina avy any an-danitra ny heriny, ny fanomezam-pahasoavany ary ny anjeliny mba hitoetra amin’ireo sampana. …

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny masirasira. …’ [Matio 13:33.] Azo takarina avy amin’izany fa ny Fiangonana amin’ny Andro Farany dia nitombo avy amin’ny masirasira kely napetraka tamin’ny vavolombelona miisa telo. Jereo fa tena mitovy amin’ilay fanoharana ery izany! Nanome tsiro faingana ny vongana izany ary tsy ho ela dia hanome tsiro ny rehetra manontolo ” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 301, 302–3).

Nampianatra ny mampitovy ny mpanara-dia an’i Jesoa Kristy amin’ny masirasira ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

“Tokony hiaina ao amin’ izao tontolo izao fa tsy ho anisan’ izao tontolo izao isika. Tsy maintsy miaina ao amin’izao tontolo izao isika, araka ny nampianarin’i Jesoa tao anaty fanoharana iray, hoe ny fanjakany dia toy ny “masirasira,” izay ny asany dia ny mampitombo ilay koba noho ny fiantraikany (jereo ny Lioka 13:21; Matio 13:33; jereo koa ny 1 Korintiana 5:6–8). Tsy afaka manao izany ireo mpanara-dia Azy raha tsy mifandray afa-tsy amin’ireo izay iray finoana sy iray fomba aminy” (“Fitiavana ny Hafa sy Fiainana ao anatin’ny Fahasamihafana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 25).