Tahirim-pitaovana
Lesona 85: Asan’ny Apostoly 4–5


Lesona 85

Asan’ny Apostoly 4–5

Fampidirana

Rehefa avy nanasitrana lehilahy malemy iray tao amin’ny tempoly i Petera sy i Jaona (jereo ny Asan’ny Apostoly 3) dia nosamborina izy ireo. Nandidy azy ireo ny Synedriona mba tsy hampianatra amin’ny anaran’i Jesoa intsony. Na izany aza dia nanohy nitory ny filazantsara sy nanasitrana tamin’ny anaran’i Jesoa ireo Apôstôly. Nosamborina indray izy ireo dia nokapohina noho ny fandavany hanaraka ny baiko nomen’ireo mpitarika Jiosy. Niaina ny lalàn’ny fanokanana ireo mpikamban’ny Fiangonana, saingy maty ny roa tamin’izy ireo vokatry ny fandaingana tamin’i Petera sy Andriamanitra.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Asan’ny apostoly 4:1–31

Nandidy an’i Petera sy i Jaona tsy hampianatra tamin’ny anaran’i Jesoa ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra mety ho ataon’izy ireo ao anatin’ireto toe-javatra ireto:

  1. Mamoaka zavatra tsy marina momba ny Fiangonana eny amin’ny tambazotra ifaneraserana ny namana iray.

  2. Mandahatra fotoana hanaovana lalao fifaninanana izay mitaky ny hilalaovan’ny ekipanao amin’ny andro alahady ny mpanazatra iray.

  3. Manontany ny hevitrao momba ny olana iray ara-piaraha-monina izay tena malaza sy tohanan’ny maro amin’ny ankapobeny ireo namanao, kanefa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Fiangonana izany.

Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Inona avy ireo toe-javatra hafa izay mety ilàntsika mizara na miaro ny finoantsika?

  • Inona no mety ho fanamby atrehana rehefa mizara na miaro ny finoantsika?

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 4–5 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka hitarika azy ireo ao anatin’ireo karazana toe-javatra ireo.

Asao ny mpianatra hamintina ny zavatra tadidiny mikasika ireo zava-nitranga sy ireo fampianarana voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3. Raha ilaina dia ampahatsiahivo azy ireo fa rehefa avy nanasitrana ilay lehilahy malemy i Petera sy i Jaona dia nampianatra vondron’olona iray izay niara-nivory manodidina azy ireo tao amin’ny tempoly.

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 4:1–4 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga tamin’i Petera sy i Jaona rehefa nampianatra ireo vahoaka tao amin’ny tempoly izy ireo.

  • Inona no nitranga tamin’ i Petera sy i Jaona?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 4:5–6 amin’ny fanazavana fa nosamborina i Petera sy i Jaona ary nentina teo anatrehan’ny filankevi-pitondrana Jiosy nantsoina hoe Synedriona (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Synedriona”). Ampahatsiahivo ny mpianatra fa maro tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Synedriona no nandray anjara tamin’ny fandrisihana ny fisamborana sy ny Fanomboana ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 4:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hikaroka ny fanontaniana napetrak’ireo mpitarika Jiosy tamin’i Petera sy i Jaona.

  • Inona no nanontanian’ireo mpitarika Jiosy an’i Petera sy i Jaona?

  • Inona no mety ho nitranga tamin’i Petera sy i Jaona raha nilaza izy ireo fa mpanaradia an’i Jesoa Kristy?

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Asan’ny apostoly 4:8–21. Asao ny mpianatra hitady ny zavatra nambaran’i Petera tamin’ilay filankevitra.

  • Araka ny voalazan’ny Asan’ny Apostoly 4: 10–12, inona ireo fahamarinana nampianarin’i Petera ilay filankevitra? (Mety hahita fahamarinana maro ny mpianatra, saingy ataovy izay hanantitranterana fa ny anaran’i Jesoa Kristy no hany anarana ahafahantsika mahazo ny famonjena.)

  • Araka ny andininy 13, dia nahoana ilay filankevitra no gaga tamin’i Petera sy i Jaona?

Asao hamerina hamaky mangina ny Asan’ny Apostoly 4:8 ny mpianatra mba hitady ny zavatra nanentana an’i Petera ka nanampy azy hiteny tamim-pahasahiana tamin’ilay filankevitra.

  • Mety ho tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrareo no nahatonga ny fahaizan’i Petera nampianatra ny filazantsara tamim-pahasahiana ho voaentana noho izy feno ny Fanahy Masina?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Petera araka izay voarakitra ao amin’ny andininy 8 sy 13? (Mety hampiasa ny teniny manoka ny mpianatra, kanefa ataovy izay hahitan’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa feno ny Fanahy Masina isika dia afaka hizara ny filazantsara amim-pahasahiana.)

Asao ireo mpianatra hitady ireo ohatra fanampiny hanehoana io fitsipika io rehefa manohy mandalina ny Asan’ny Apostoly 4–5 izy ireo.

  • Araka ny andininy 18, inona no baiko nomen’ilay filankevitra an’i Petera sy i Jaona?

  • Araka ny andininy 19–20, inona no navalin’i Petera sy i Jaona ny baiko nomen’ilay filankevitra?

Fintino ny Asan’ny Apostoly 4:23–28 amin’ny fanazavana fa taorian’ny namotsorana an’i Petera sy i Jaona dia niara-nivory tamin’ny mpino hafa izy ireo ka nivavaka niaraka taminy.

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 4:29–30 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nangatahan’ireo mpino tamin’ Andriamanitra.

  • Inona no nangatahan’ireo mpino tamin’ Andriamanitra?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 4:31 ary asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nitranga taorian’ny vavaka nataon’ireo mpino.

  • Inona no nitranga rehefa avy nivavaka ny vahoaka?

  • Araka ireo andininy ireo dia inona no azontsika atao mba hanasana ny Fanahy Masina hanampy antsika hilaza ny tenin’ Andriamanitra amim-pahasahiana?

Ivereno ny sasany amin’ireo toe-javatra voalaza tany am-piandohan’ny lesona.

  • Amin’ny fomba no ahafahantsika maneho fahasahiana amin’ny fizarana ny filazantsara ao anatin’ny toe-javatra tahaka ireo?

  • Ahoana no hizarantsika amim-pahasahiana sy hiarovantsika ny filazantsara amin’ny hafa sady mijanona ho mahalala fomba sy manaja ihany?

  • Oviana ny Fanahy Masina no nanampy anareo nitory ny tenin’ Andriamanitra tamim-pahasahiana?

Asan’ny Apostoly 4:32–5:11

Niaina ny lalàn’ny fanokanana ireo mpikamban’ny Fiangonana, saingy nandainga tamin’i Petera i Ananiasy sy i Safira

Asao ny mpianatra hieritreritra ireto toe-javatra manaraka ireto:

  1. Manao drafitra ny hanao batisa ho an’ny maty any amin’ny tempoly ny andian-jatovo iray. Ny zatovo iray ao amin’ilay vondrona dia mahafantatra fa mila mihaona amin’ny eveka izy mba hahazo fahazoan-dalana, kanefa fantany ihany koa fa nanao fahotana vitsivitsy tsy mbola nibabohana izy.

  2. Miomana ny hanao asa fitoriana ny zatovolahy iray. Fantany fa hametraka fanontaniana mikasika ny fahamendrehany mba hanao asa fitoriana ny eveka. Miezaka mitady fomba hamaliana ireo fanontaniana ireo izy kanefa tsy voatery hilaza amin’ny eveka mikasika ireo fahadisoana vitsivitsy nataony.

Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Asan’ny Apostoly 4:32–5:11 mba hitady fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fahamarinan-toetra eo anatrehan’ireo mpanompon’ Andriamanitra.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 4:32–35. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny hoe nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ahoana ny fananan’izy ireo.

  • Nataon’ireo mpikamban’ny Fiangonana ahoana ny fananan’izy ireo?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 34–35 dia inona no dingana narahan’izy ireo tamin’ny fizarany ny fananany?

Asao hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 5:1–2 ny mpianatra iray. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ka hitady izay zavatra nataon’ny mpivady iray nantsoina hoe Ananiasy sy i Safira tamin’ny vola azon’izy ireo avy tamin’ny fivarotana tany.

  • Inona no zavatra nataon’i Ananiasy sy i Safira?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 5:3–4 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nolazain’i Petera tamin’i Ananiasy.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 4, dia iza raha ny tena izy no nandaingan’i Ananiasy?

  • Raha sintonina avy amin’ny valintenin’i Petera dia Inona no fitsipika azontsika ianarana mikasika ny fandaingana amin’ireo mpanompon’ny Tompo? (Mety hampiasa ny teniny manoka ny mpianatra mba hilazana ity fitsipika manaraka ity: Raha mandainga amin’ireo mpanompon’ Andriamanitra isika dia mitovy amin’ny mandainga Aminy ihany.)

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitovy amin’ny mandainga amin’ Andriamanitra ihany ny mandainga amin’ireo mpanompony?

Asao hifandimby hamaky mafy ny Asan’ny Apostoly 5:5–11 ny mpianatra vitsivitsy. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nitranga tamin’i Ananiasy sy i Safira vokatry ny fandikan’izy ireo ny fanekempihavanana nataony sy ny fandaingany tamin’i Petera.

  • Inona no nitranga tamin’ i Ananiasy sy i Safira?

  • Na dia tsy iharan’ny voka-dratsy ratsy dia ratsy avy hatrany tahaka izany noho ny fandaingana aza isika na ireo olona fantatsika dia inona avy ireo voka-dratsy mety ho tonga amintsika raha mandainga amin’ny Tompo na mandika ny fanekempihavanantsika isika?

Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley. Asao ny mpianatra hihaino ireo voka-dratsy vitsivitsy ateraky ny tsy fahamarinan-toetra:

Filoha Gordon B. Hinckley

“Amin’izao androntsika izao dia tsy maty toa an’i Ananiasy sy i Safira ireo izay hita fa tsy marin-toetra, fa misy zavatra maty kosa ao anatin’izy ireo. Tsy misy intsony ny feon’ny fieritreretana, lasa malemy ny toetra amam-panahy, tsisy intsony ny fanajan-tena, maty ny fahamarinan-toetra” (“We Believe in Being Honest,” Ensign, ôkt. 1990, 4).

  • Araka ny voalazan’ny Filoha Hinckley dia inona avy ireo voka-dratsy sasantsasany ateraky ny fandaingana? Jereo indray ireo tantara tany am-mpiandohan’ity fizarana amin’ny lesona ity.

  • Inona no tokony ho fantatr’ireo olona ao amin’ireo tantara ireo mikasika ny zavatra mitranga amintsika rehefa mandainga amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana isika?

  • Inona ireo fitahiana azo avy amin’ny filazana ny marina amin’ireo mpanompon’ny Tompo?

Asan’ny Apostoly 5:12–42

Naiditra am-ponja ireo Apôstôly noho izy ireo nanasitrana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy

Angataho ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe miaina amin’ny vaninandro niainan’i Petera sy i Jaona izy ireo ary mpanao tatitra ho an’ny gazety iray no asany. Hazavao fa ho asaina izy ireo ny handalina ampahany amin’ny Asan’ny Apostoly 5:12–32 ary aorian’izay dia hanoratra lohateny mamintina ny zavatra nitranga. (Mba hanomezana ny sahan-kevitra ho an’ireo andininy ireo dia ampahatsiahivo ny mpianatra fa nandidy an’i Petera sy i Jaona ny Synedriona mba tsy hiteny amin’ny anaran’i Jesoa Kristy intsony.) Araho ireo torolalana omena miaraka amin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay.

  1. Asan’ny Apostoly 5:12–16 (Vakio miaraka amin’ny mpiara-mianatra rehetra ireo andininy ireo dia miaraha manoratra lohateny iray.)

  2. Asan’ny Apostoly 5:17–23 (Angataho ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo miaraka amin’ny namana iray dia hanoratra lohateny iray. Manasà mpianatra tsiroaroa vitsivitsy hizara ny lohateny nomen’izy ireo amin’ny iray kilasy.)

  3. Asan’ny Apostoly 5:24–32 (Angataho ny mpianatra hamaky samirery ireo andininy ireo dia hanoratra lohateny iray. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny lohateny nomeny amin’ny iray kilasy.)

Rehefa avy mizara ny lohateny nomeny ny mpianatra dia manontania hoe:

  • Araka ny voalazan’ny andininy 29, dia nahoana i Petera sy ireo Apôstôly hafa no nilaza fa nanohy nitory tamin’ny anaran’i Jesoa izy ireo na dia teo aza ny didy navoakan’ilay filankevitra?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezanteny misy banga ity: Raha misafidy ny hankatò an’ Andriamanitra isika fa tsy ny olona dia …

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra novakinareo tao amin’ny Asan’ny Apostoly 4–5, dia ahoana avy ireo fomba azontsika hamenoana io fehezanteny io? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy tahaka izao ilay fehezanteny eny amin’ny solaitrabe: Raha misafidy ny hankatò an’ Andriamanitra isika fa tsy ny olona dia hiaraka amintsika Izy.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ Andriamanitra tamin’i Petera sy ireo Apôstôly hafa rehefa nankatò Azy fa tsy ilay filankevitra izy ireo? (Nofenoin’ Andriamanitra ny Fanahy Masina izy ireo [jereo ny Asan’ny Apostoly 4:8, 31], nataony afaka nanatanteraka fahagagana izy ireo [jereo ny Asan’ny Apostoly 5:12–16], ary naniraka ny anjeliny Izy mba hanafaka azy ireo tao am-ponja [jereo ny Asan’ny Apostoly 5:17–20].)

  • Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nisafidy ny hankatò an’ Andriamanitra fa tsy ny olona? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ Andriamanitra fa niaraka taminao na tamin’io olona io Izy?

Asaivo mifandimby mamaky mafy ny ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:33–42 ny mpianatra vitsivitsy. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ireo ohatra fanampiny mikasika ny fomba niarahan’ny Tompo tamin’i Petera sy ireo Apôstôly hafa.

Hazavao fa isika dia mianatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:33 fa nikatsaka ny hamono an’i Petera sy i Jaona ilay filankevitra.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 41–42, dia tamin’ny fomba ahoana no nijanonan’ireo Apôstôly ho mahatoky tamin’ny Tompo rehefa niatrika io fampitahorana io? Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ny Tompo tamin’izy ireo tamin’io fotoana io?

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana hitantsika tato amin’ity lesona ity manampy antsika rehefa miaina ny filazantsara sy mizara izany amin’ireo manodidina antsika isika?

Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao mikasika ireo fahamarinana izay nampianarina androany.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Asan’ny Apostoly 4:1–13. Mizara sy miaro ny filazantsara amim-pahasahiana

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba ahafahantsika mizara sy miaro ny filazantsara araka ny tokony ho izy amin’ny hafa izay mety tsy manaiky ny zavatra inoantsika:

“Na dia rehefa miezaka ny ho malemy fanahy sy hanalavitra ny fifandirana aza isika, dia tsy tokony hanao marimaritra iraisana na hafangarontsika amin’ny fanolorantena hafa ny fanolorantenantsika amin’ireo fahamarinana izay takatsika. Tsy tokony hamoy ny toerantsika isika na ireo soatoavina tandrovantsika. Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fanekempihavanana nataontsika dia tsy azo ihodivirana fa mametraka antsika amin’ny toeran’ny mpiady eo amin’ilay ady mandrakizay eo amin’ny fahamarinana sy ny fahadisoana. Tsy misy ny sady tsy an’ny atsy no tsy an’ny eroa eo amin’io ady io. …

“… Tokony harahintsika rehetra ny fampianaran’ny filazantsara hoe mitia ny namana sy manalavitra ny fifandirana. Ireo mpanaradia an’i Kristy dia tokony ho ohatra amin’ny fahalalam-pomba. Tokony ho tia ny olon-drehetra isika, hahay hihaino, ary haneho fahalianana amin-kitsimpo mikasika ny zavatra inoan’izy ireo. Na dia tsy miombon-kevitra aza isika dia tsy tokony hanafintohina. Ny fanehoantsika hevitra sy ny filazana ataontsika mikasika ny lohahevitra mampiady hevitra dia tsy tokony hiteraka fifandirana. Tokony ho hendry isika rehefa manazava sy mijoro amin’ny foto-kevitsika sy rehefa mitaona ny hafa” (“Fitiavana ny hafa sy fiainana ao anatin’ny fahasamihafana,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 26, 27).

Asan’ny Apostoly 4:10. “Ny anaran’i Jesoa Kristy”

Ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao momba ny maha-zava-dehibe ny anaran’i Jesoa Kristy:

“Ny tena manan-danja sady manohana antsika amin’izay ataontsika rehetra, izay mifototra amin’ireo fanambarana, dia ny anaran’ny Tompo izay fahefana hanaovantsika asa ao amin’ny Fiangonana. Ny vavaka rehetra atao, na izay ataon’ny ankizy madinika aza, dia mifarana amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Ny fitahiana rehetra, ny ôrdônansy tsirairay, ny fanendrena tsirairay, ary ny asa ôfisialy tsirairay atao ao dia atao amin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Fiangonany ity ary mitondra ny anarany izany—Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany (jereo ny F&F 115:4)” (“Ireo mpanardia an’i Kristy,” Ensign na Liahona, mey 2014, 96).

Asan’ny Apostoly 4:32–35. “Niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany”

“Ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Jerosalema dia nanandrana niaina ny lalàn’ny fanokanana. Ny hoe ‘Niombonany avokoa ny zavatra rehetra nananany’ (Asan’ny Apostoly 4:32) dia azo lazaina fa tsy nidika hoe nangonin’izy ireo ny fananany rehetra dia nozarainy mitovy teo anivon’ireo mpino avy eo. Raha ny tena izy dia ny fananan’izy ireo amboniny no nampiasainy mba hikarakarana ny mahantra sy ny sahirana teo anivon’izy ireo. Nitranga teo anivon’ny vahoakan’i Enôka sy ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny fiezahana hiaina ny lalàn’ny fanokanana toy izany (jereo ny Mosesy 7:18; 4 Nefia 1:3–18; F&F 105:3–5)” (Testamenta Vaovao: boky torolalana ho an’ny mpianatra [boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 286–87).