Fampahafantarana ny Epistily Fahatelon’i Jaona
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Ato amin’ity epistily fohy ity i Jaona dia midera an’i Gaio, mpikamban’ny Fiangonana izay nahatoky nandritra ny fotoan’ny fikomiana tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana. Ny fampianaran’i Jaona dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara ny apôstazia izay nitranga tao amin’ny Fiangonana tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao ary afaka mamporisika azy ireo hijanona ho mahatoky amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana na dia eo aza ny fanoherana.
Iza no nanoratra ity boky ity?
Ilay mpanoratra dia nilaza ny tenany ho “ilay loholona” (3 Jaona 1:1), ary hatramin’izay ny olona dia nino fa ny Apôstôly Jaona izany.
Oviana ary taiza no nanoratana azy io?
Tsy fantatra mazava hoe oviana ary taiza no nanoratana ny 3 Jaona.
Raha marina ilay lovan-tsofina mikasika ny fipetrahan’i Jaona maharitra tao Efesosy dia mety ho nosoratany tao ity taratasy ity teo anelanelan’ny taona 70 sy 100 taorian’i J.K..
Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?
Ny Epistily Fahatelon’i Jaona dia nosoratana ho an’i Gaio, mpikamban’ny Fiangonana mahatoky izay noderain’i Jaona noho ny fanehoany fanolorantena tsy misy fitiavan-tena noho ny amin’i Kristy tamin’ny alalan’ny fampiantranoana ireo mpanompon’ Andriamanitra izay nandehandeha (jereo ny 3 Jaona 1:5–8).
I Jaona ihany koa dia nampitandrina an’i Gaio tamin’ny olona iray nantsoina hoe Diotrefa, izay mety nanana toeranana mpitarika tao amin’ny Fiangonana teo an-toerana. I Diotrefa dia nanohitra ampahibemaso an’i Jaona sy ireo manampahefana hafa tao amin’ny Fiangonana ary nanakana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay naniry ny handray azy ireo mihitsy aza izy mba tsy hanatrika ireo fivoriam-piangonana (jereo ny 3 Jaona 1:9–10). Namporisika an’i Gaio i Jaona mba hanohy hanao asa amim-pahamarinana ary nilaza fa nantenainy ny hitsidika an’i Gaio tsy ho ela (jereo ny 3 Jaona 1:11–14).
Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?
Ao amin’ny 3 Jaona isika dia mahita ny ahiahin’i Jaona momba ny fitaomana mampihemotra tao amin’ny Fiangonana. Hitantsika ihany koa ny fitiavan’i Jaona ny hafa sy ny fifaliana tsapany ho an’ireo izay nisafidy ny hiaina fiainana feno fankatoavana (jereo ny 3 Jaona 1:4).
Topimaso
3 Jaona 1 Midera an’i Gaio noho ny fahatokiany i Jaona ary mampitandrina amin’ny mpitarika iray izay nanohitra azy sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana.