Fampahafantarana ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera
Inona no antony handalinana ity boky ity?
Nanamarika ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “I Petera no nanoratra tamin’ny fiteny ambony dia ambony tamin’ireo apôstôly” (ao amin’ny History of the Church, 5:392). Ny hoeambony dia ambony dia midika hoe misandratra amin’ny heviny, manana lanjany miavaka, ary manainga ny fanahy hidera.
Satria vavolombelona nahita maso ny fiovan’i Jesoa Kristy tarehy i Petera (jereo ny 2 Petera 1:16–18), dia namporisika ireo mpamaky ny epistiliny izy mba hampitombo ny fahalalan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy hikatsaka ny hahazo ireo toetran’ Andriamanitra mba hahafahan’izy ireo hiray amin’ny “fomban’ Andriamanitra” (jereo ny 2 Petera 1:4–8). Nanome toky ireo mpamaky izy fa io fivoarana ara-panahy io dia hanampy azy ireo “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10). “Nohamafisin’i Petera fa ny Tompo dia ho tonga avy any an-danitra amim-boninahitra lehibe eto an-tany ary hitsara” (Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”). Rehefa mandalina ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera ireo mpianatra dia afaka mampitombo finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy sy mandray torolalana sy fitaomam-panahy izay afaka manampy azy ireo ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.
Iza no nanoratra ity boky ity?
I Simona Petera, ilay lohan’ny Apôstôlin’i Jesoa Kristy, no nanoratra ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera (jereo ny 2 Petera 1:1).
Oviana ary taiza no nanoratana azy?
Tsy fantatsika tsara hoe oviana sy taiza no nanoratana ity epistily ity. Heverin’ny maro fa tany Roma no nanoratan’i Petera ity epistily ity, taorian’ilay epistily fantatra amin’ny hoe 1 Petera, izay nosoratana tokony ho teo amin’ny manodidina ny 64 talohan’i J.K teo (jereo ny Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”).
Ho an’iza no nanoratana azy ary nahoana?
Nilaza i Petera fa nanoratra ho an’ireo “izay efa nahazo finoana soa tahaka ny anay” izy (2 Petera 1:1). Mety milaza izany fa ireo Kristianina Jentilisa izay nahazo ny Epistily voalohany nosoratan’i Petera ihany no nanoratan’i Petera. (jereo ny 2 Petera 3:1). Ny votoatin’ny 2 Petera 1:12–15 dia maneho fa nataon’i Petera ho taratasy fanaovam-beloma ireo mpamaky ny teniny ity taratasy ity.
Tsy tahaka ny Epistily voalohany nosoratan’i Petera izay nanampy ireo Olomasina hiatrika ny fanenjehana ivelany, ny Epistily faharoa nosoratan’i Petera dia miresaka momba ny fihemorana anatiny izay nanambana ny hoavin’ny Fiangonana. Nisy mpaminany sy mpampianatra sandoka nampiely “sain-diso mahavery [fampianaran-diso] ary handà ny Tompo Izay nividy azy aza” (2 Petera 2:1). Nanoratra ny taratasy i Petera mba hamporisihana ireo Olomasina hitombo amin’ny fahalalana ny Tompo sy “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10).
Inona avy ireo zavatra mampiavaka ity boky ity?
“Ilay epistily faharoa dia toa nosoratana ho an’ireo fiangonana nitovy tamin’ilay voalohany ihany ([2 Petera] 3:1). Teo am-bavahoan’ny fahafatesana no nanoratany azy ([2 Petera] 1:14)” (Bible Dictionary, “Peter, Epistles of”). Ahitana ireo tenin’i Petera mavesa-danja indrindra sy ireo fijoroana ho vavolombelony farany ihany koa izany.
Ny foto-kevitra lehibe indrindra iray ao amin’ny 2 Petera dia ny maha-zava-dehibe ny fahazoana fahalalana momba an’i Jesoa Kristy. Nampanantena ireo mpamaky ny epistiliny i Petera fa raha mikatsaka ireo toetran’ Andriamanitra sy mampitombo fomba iray tahaka ny an’ Andriamanitra izy ireo “dia tsy avelan’ izany ho malaina na tsy hahavokatra [izy ireo] amin’ ny fahalalana tsara an’ i [Jesoa] Kristy Tompontsika” (2 Petera 1:8) ary “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10).
Navahan’i Petera tamin’ny fahalalana diso sy ireo fampianaran-diso izay naelin’ireo mpivadi-pinoana ny tena fahalalana marina an’i Jesoa Kristy (jereo ny 2 Petera 2) Teo am-pamaranana ity epistily ity i Petera dia nanome fanasana farany ho an’ireo Olomasina mba “[hitombo] amin’ ny fahasoavana sy ny fahalalana an’ i [Jesoa] Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika” (2 Petera 3:18).
Topimaso
2 Petera 1 Nanazava i Petera fa ireo fampanantenan’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana ny Olomasina ho “mpiray amin’ ny fomban’ Andriamanitra” (2 Petera 1:4). Namporisika azy ireo izy mba “hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana” azy ireo (2 Petera 1:10). Nitantara ny zavatra niainany teo An-tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Petera izay fotoana nahitany an’i Kristy feno voninahitra sy nandrenesany ny feon’ny Ray. Nilaza i Petera fa “manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa” izy (2 Petera 1:19).
2 Petera 2 Nampitandrina ireo mpikamban’ny Fiangonana i Petera ny amin’ireo mpaminany sandoka sy mpampianatra sandoka izay ho tonga eo anivon’izy ireo sy hikatsaka ny hitarika ireo Olomasina ho any amin’ny lalan-diso. Ireo mpampianatra ratsy fanahy ireo dia handà ny Tompo sy hiteny ratsy “ny lalan’ ny fahamarinana” (2 Petera 2:2). Nampianatra i Petera fa tsaratsara kokoa ny tsy manaiky ny filazantsara toy izay manao fanekempihavanana dia tsy miaina mifanaraka amin’izany avy eo.
2 Petera 3 Nanamafy i Petera fa azo antoka fa ho avy amin’ny fotoany i Kristy, hanadio ny tany amin’ny afo, handringana ny ratsy fanahy, ary hamonjy ny mazoto sy ny mahatoky. Namporisika ireo Olomasina i Petera mba “[hitombo] amin’ny fahasoavana sy ny fahalalana an’i [Jesoa] Kristy” (2 Petera 3:18).