Lesona 11
Matio 6
Fampidirana
Nanohy ny Toriteny teo An-tendrombohitra i Jesoa. Nampianatra Izy fa ireo asan’ny fahamarinana dia tokony atao noho ny antony marina ary nanantitrantitra Izy fa tokony atao mba hahafinaritra ny Raintsika any An-danitra izany. Nanome torolalana ny mpianany koa Izy mba hikatsaka ny hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra aloha.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 6:1-18
Nampianatra ireo mpianany ny Mpamonjy mba hanao ireo asan’ny fahamarinana.
Mitondrà valisoa kely ho an’ny mpianatra (vatomamy vitsivitsy ohatra). Rehefa tonga ny mpianatra ary hitanao fa manao zavatra tsara (tahaka ny hoe mamoaka ny soratra masin’izy ireo, na miarahaba amim-pitiavana, na manampy amin’ny fanomanana vatsim-panahy), dia omeo valisoa ary hambarao amin’ny rehetra ny asa soa nataony. Misy ireo mpianatra izay mety hamerina ny asa soa nataon’ny namany mba handraisany ny valisoany. Tohizo ny fanomezana valisoa ny mpianatra hatramin’ny fotoana hanombohana ny fotoam-pianarana.
Mba hanombohana ny fotoam-pianarana, dia anontanio ireo mpianatra hoe nahoana izy ireo no nanao ny asa soa izay novalianao soa tamin’izy ireo. Hazavao fa araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 6, dia nanohy ny Toriteniny tao An-tendrombohitra ny Mpamonjy ary nampianatra momba ireo zavatra samihafa manosika ny olona iray hanao ny asan’ny fahamarinana. Rehefa manohy ny fandalinana ny Matio 6 ny mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika izay afaka manampy azy ireo amin’ny fanaovana ny asan’ny fahamarinana noho ny antony tokony ho izy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 6:1-2. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy fa antony tsy mety amin’ny fanaovana ny asan’ny fahamarinana. (Mariho fa ny fiantrana dia zavatra atao noho ny fahavitrihana ara-pivavahana, toy ny fanomezana fanampiana ho an’ny mahantra [jereo ny andininy 1,].)
-
Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, nahoana ny olona sasany no manao fiantrana?
-
Nantsoin’ny Mpamonjy hanao inona ireo olona ireo? (Azonao atao ny manamarika fa ny teny Grika izay nadika hoe “mpihatsaravelatsihy” dia milaza ireo olona izay misehoseho fotsiny [jereo ny andininy 2,].)
-
Inona no dikan’ilay fehezan-teny hoe “efa azony ny valim-pitiany?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 6:3-4. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hitady ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba tokony hanatanterahan’ny mpianany ireo asan’ny fahamarinana.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hanatanteraka asa fanompoana “ao amin’ny mangingina” ny mpianany?
-
Inona no hambaran’ny fanaovan’ny olona iray ny asan’ny fahamarinana ao amin’ny mangingina mikasika ny antony hanaovany izany? (Te hahafinaritra ny Ray any An-danitra izy ary hanompo ny hafa fa tsy hisarika ny hafa fotsiny.)
-
Inona no nampanantenain’ny Mpamonjy ho an’ireo izay manao ny asan’ny fahamarinana noho ny antony marina?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ny fanaovana ireo asan’ny fivavahana? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Raha manao ireo asa fanolorantena mba hahazoana sitraka amin’ny Ray any An-danitra isika fa tsy mba hisarihana ny hafa dia hanome valim-pitia ho antsika Izy. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Midika inona aminao izany hoe ny Ray any An-danitra no hanome valim-pitia?
Tendreo hiasa tsiroaroa ireo mpianatra. Asao hamaky ny Matio 6:5–6 ny iray amin’ireo mpianatra isaky ny vondrona miara-miasa tsiroaroa, ary ilay mpianatra iray hamaky ny Matio 6:16–18. Asao ny mpianatra tsirairay hikaroka ohatra izay nampiasan’ny Mpamonjy mba hanehoana ny fitsipiky ny fanatanterahana asan’ny fahamarinana izay mahafinaritra ny Ray any An-danitra. Asao izy ireo mba hizara amin’ny namany ny zavatra hitany. Avy eo dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Fombafomba ara-pivavahana inona tao amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo no nantitranterin’i Jesoa fa tokony hatao ao amin’ny mangingina?
Ataovy izay hahatakaran’ny mpianatra fa ny vavaka eo imasom-bahoaka dia tsy diso akory satria tsy natao tao amin’ny mangingina. Ny vavaka sy ny fombafomba ara-pivavahana hafa dia azo tanterahina eo imasom-bahoaka raha atao amim-kitsimpo sy amim-pitiavana izany.
-
Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo, nahoana ny mpihatsaravelatsihy no mivavaka sy mifady hanina?
Azonao atao ny manazava fa ireo andian-teny “malahelo tarehy” sy “mampisotisoty ny tavany” ao amin’ny andininy 16 dia milaza ireo olona izay maneho ety ivelany fa mifady hanina izy ireo mba hisarihana ny hafa amin’ny tenany.
Resaho indray ilay fitsipika voasoratra eo amin’ny solaitrabe. Asao ny mpianatra hieritreritra fotoana iray izay nanaovany asan’ny fahamarinana—toy ny vavaka sy ny fifadiankanina—mba hahafinaritra ny Ray any An-danitra. Asao izy ireo hisaintsaina ireo fomba nahatsapany fa notahiana izy ireo noho ny fitsaohana amim-kitsimpo nataon’izy ireo. Azonao atao ny mangataka mpianatra vitsivitsy mba hizara ny fitahiana noraisin’izy ireo, raha tsy manahirana azy ireo ny manao izany.
Fintino ny Matio 6:7–15 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanome torolalana sy lamina mikasika ny fomba fivavahana araka ny tokony ho izy. Ny ohatra nomeny amin’ny vavaka dia fantatra amin’ny hoe ny Vavaky ny Tompo. Asao ny mpianatra hamerina hamaky vetivety ireo andinin-tsoratra masina ireo ka hitady ny zavatra azontsika ianarana momba ny vavaka avy amin’ny ohatra nomen’ny Tompo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany. (Azonao atao mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity ny manazava fa ny fampitandreman’ny Tompo manoloana ny “fanaovana teny maro foana” dia tsy voatery hoe fanakanana ny fampiasana teny iray na teny mitovy lenta amin’izany isaky ny mivavaka. Ny Tompo dia mampitandrina ihany koa ny vavaka izay atao tsy amim-piheverana, tsy amim-pieritreretana na tsy vokatry ny fo. Ny vavaka ataontsika dia tokony manetry tena, vokatry ny fo ary atao amim-pinoana.)
Matio 6:19-24
Nampianatra ny valalabemandry mba hihary harena any an-danitra i Jesoa Kristy
Asehoy ny sarin’ ny vata mirakitra harena iray. Hazavao fa ny harena dia izay rehetra omentsika lanja betsaka.
-
Inona no zavatra heverinao fa harena?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 6:19-21. Angataho ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hitady ny zavatra nampianarin’ny Tompo momba ny harena.
-
Inona no karazana harena nampianarin’ny Tompo ny mpianany mba ho katsahina?
-
Inona no maha-samihafa ny harena nohariana ety an-tany sy ny harena nohariana any an-danitra?
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao:
|
Harena ety an-tany |
Harena any an-danitra |
Asao ny mpianatra handroso ho eny amin’ny solaitrabe ka hitanisa ohatra amin’ny harena ety an-tany sy ny harena any an-danitra.
Asao hamaky mafy ny Matio 6:22–24 ny mpianatra iray, ary asaivo karohin’ny mpianatra rehetra ny zavatra nampianarin’ny Tompo fa afaka manampy antsika amin’ny fihariana harena any an-danitra.
-
Inona no zavatra nampianarin’ny Mpamonjy tao amin’ny andininy 22–23 izay afaka manampy antsika amin’ny fihariana harena any an-danitra? (Mariho fa ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny andininy 22 dia mivaky toa izao “raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra ny masonao” [ao amin’ny Matio 6:22,]. Azonao atao ny mampahatsiahy ny mpianatra fa ny asa sy voninahitr’ Andriamanitra dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” [Mosesy 1:39].)
-
Araka ny eritreritrao, inona no azontsika atao mba hananana ny maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra mandrakariva?
-
Inona no fahamarinana nampianarin’ny Mpamonjy tao amin’ny andininy 24 izay afaka manampy antsika hahatsiaro ny fihariana harena any an-danitra? (Tokony hamantatra izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: Tsy afaka sady hanompo an’ Andriamanitra no hanompo an’i Mamôna isika. Hazavao fa ny teny hoe mamôna dia midika hoe harena.)
-
Inona aminao no dikan’ny hoe “manompo” an’i mamôna? (Mametraka ny fontsika amin’ny zavatr’izao tontolo izao amin’ny fomba izay manalavitra antsika amin’ Andriamanitra.)
Mba hanehoana ny fahamarinana hitan’ny mpianatra tao amin’ny Matio 6:24, dia fatory miaraka ny “pailles” roa ka ataovy akaiky ny lohany izany. Asehoy ny kaopy feno rano amin’ny antsasany iray ary apetraho ny “pailles” ka ny iray amin’izany dia tokony miroboka ao anatin’ny rano ary ny iray hafa kosa ao ivelany. Miangavia mpianatra iray mba hisotro ny rano amin’ny alalan’ireo “pailles.” (Alaivo antoka fa mitsentsitra avy amin’ny “pailles” roa miaraka ilay mpianatra izay zavatra tiana haseho ho amin’ny lesona.) Avy eo dia anontanio ilay mpianatra hoe:
-
Nahoana ianao no tsy afaka nisotro rano tsara?
Anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Raha maneho ny tenantsika ireo “pailles” dia inona no mety ho dikan’ilay rano? (Ny ezaka ataontsika hanompoana an’ Andriamanitra.)
-
Nahoana araka ny hevitrao no tsy afaka manompo an’ Andriamanitra sy mamôna miaraka isika? (Jereo koa ny Jakoba 1:8.)
-
Inona no tsy maintsy ataontsika amin’ny “pailles” mba hahafahantsika misotro ilay rano? Ahoana no ifandraisan’izany amin’ny ezaka ataontsika mba hanompo an’ Andriamanitra?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny valintenin’izy ireo ho an’ity fanontaniana ity: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ny valinteniny ao amin’ny kahie fandraisany naoty ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)
-
Inona no ohatra teo amin’ny fiainanao manokana momba ny hoe ny fametrahana ny fonao amin’ny zavatr’izao tontolo izao dia mety hahatonga anao tsy hibanjina amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra sy hihary harena any an-danitra?
Matio 6:25–34
Nanome torolalana ny mpianany ny Mpamonjy mba hikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha
Fintino ny Matio 6:25–34 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanoro lalana ireo mpianany mba tsy ho be fanahiana loatra mikasika ny fiveloman’izy ireo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 6:25–27 dia manampy antsika hahatakatra fa ny Mpamonjy dia niresaka manokana tamin’ireo izay handeha hitory ny filazantsara.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 6:31–34. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra mba hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany fa tokony hokatsahin’izy ireo voalohany indrindra eo amin’ny fiainana. (Mariho ny teny ampiasaina ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny andininy 33, izay manolo ny ampahany voalohany ao amin’ny andininy amin’ny hoe “Koa aza mikatsaka ny zavatr’izao tontolo izao fa katsahonareo aloha ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny hampitoetra ny fahamarinany.”
-
Inona no nampianarin’ny Mpamonjy ny mpianany fa tokony hokatsahin’izy ireo voalohany indrindra eo amin’ny fiainany?
-
Inona no nampanantenain’i Jesoa Kristy an’ireo izay mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra (na ny Fiangonany) fa tsy ny hahazo ny zavatr’izao tontolo izao? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Raha mikatsaka ny hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra aloha isika dia hitahy antsika Izy avy eo amin’izay fantany fa ilaintsika.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra tsaratsara kokoa ity fitsipika ity, dia asao ny iray amin’izy ireo hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity:
“Tsy maintsy ataontsika lohalaharana amin’ny zavatra rehetra hafa eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra. …
“Rehefa mametraka an’ Andriamanitra ho lohalaharana isika dia mipetrapetraka tsara ny zavatra hafa rehetra na miala tsy ho ao anatin’ny fiainantsika. Ny fitiavantsika ny Tompo no hitantana ireo zavatra tiantsika, ny zavatra ampiasantsika ny fotoantsika, ny zavatra safidiantsika ho atao, ary ny fahaizantsika mandahatra ny zavatra ataontsika araka ny laharam-pahamehana.
“Tokony apetratsika manoloana ny olona hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra” (“The Great Commandment—Love the Lord,” Ensign, mey 1988, 4).
-
Oviana ianao no niaina ireo fitahian’ny Ray any An-danitra rehefa nikatsaka ny hametraka Azy ho lohalaharana teo amin’ny fiainanao?
Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fametrahana an’ Andriamanitra ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika.
Asao hieritreritra mandritra ny fotoana fohy ny fomba mety hahavoasarika azy ireo amin’ny fametrahana ny fony amin’ny zavatr’izao tontolo izao ny mpianatra. Entano izy ireo hametraka tanjona mba handresy izany fakam-panahy izany amin’ny fanoratana ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba iray hikatsahany ny fametrahana ny Ray any An-danitra ho laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 16:22. “Raha tsara ny masonao”
“Ny hoe tsara, araka ny fampiasa azy eo amin’ity andininy ity dia avy amin’ny teny Grika izay midika hoe ’mety, salama, tsotra, marina.’ Ny fahafantarana io famaritana io dia manampy antsika hahatakatra ny torolalan’ny Mpamonjy mikasika ny fanaovana fiantrana, ny fivavahana ary ny fifadiankanina. Izany rehetra izany dia tokony atao amin’ny fifantohana tsotra sy marina amin’ny Raintsika any An-danitra na amin’ilay mpandray izany. Azontsika heverina ny fanontaniana manao hoe: Rehefa manome ny mahantra aho dia manantena hitondra voninahitra ho an’ Andriamanitra ve sa ho an’ny tenako manokana? Rehefa manompo ny Tompo aho dia manao izany mba ho eken’ny Tompo ve sa mba ho eken’ny olombelona? Rehefa mivavaka eo imasom-bahoaka aho dia miresaka amin’ Andriamanitra ve sa miresaka amin’ireo mpanatrika? (Jereo ny 2 Nefia 2:30; F&F 88:67–68; Mosesy 4:2; Joseph Smith—Tantara 1:46)” (Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 29).