Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny Epistilin’i Joda amin’ny ankapobeny


Fampahafantarana ny Epistilin’i Joda amin’ny ankapobeny

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny Epistilin’i Joda amin’ny ankapobeny dia mamariparitra ireo herin’ny apôstazia izay niasa tao amin’ny Fiangonana tany am-piandohana. Rehefa mandalina io epistily io ny mpianatra dia afaka mianatra ny fomba hamantarana ireo izay mikatsaka ny hampiala an’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy amin’ny finoana izy ireo. Ny mpianatra ihany koa dia afaka mahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fiarovana amim-pahazotoana ny finoana sy ny fijanonana ho mahatoky amin’izany.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Ny mpanoratra ity epistily ity dia nilaza ny tenany ho i “Joda, mpanompon’i Jesosy Kristy sady rahalahin’i Jakoba” (Joda 1:1) Araka ny lovan-tsofina dia i Joda ilay rahalahin’i Jesoa Kristy hafa ray aminy no mpanoratra azy io (jereo ny Matio 13:55; Marka 6:3; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Joda”). Hita mazava tsara fa mpikambana nankamamian’ny olona tao Jerosalema i Joda ary mety nandehandeha izy tamin’ny naha-misiônera azy (jereo ny Asan’ny Apostoly 1:13–14; 1 Korintiana 9:5). Tsy misy filazana ny amin’izay anjara fanompoan’ny fisoronana notanan’i Joda, saingy ilay epistily mihitsy dia nilaza fa nanana toerana mpitarika izy, izay nahatonga azy ho afaka ny hanoratra taratasy fanomezana torohevitra.

Oviana ary taiza no nanoratana azy io?

Tsy fantatsika ny toerana nanoratana ny Epistilin’i Joda. Raha tena i Joda rahalahin’i Jesoa tokoa no nanoratra io taratasy io dia azo lazaina fa nosoratana teo anelanelan’ny taona 40 sy 80 taorian’i J.K. izany.

Ho an’iza no nanoratana ity boky ity ary nahoana?

Ny Epistilin’i Joda dia nosoratana ho an’ireo Kristianina mahatoky—“malala ao amin’ Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an’i Jesosy Kristy” (Joda 1:1). Nilaza i Joda fa ny fikasany dia ny hamporisika ireo mpamaky ny asa sorany “[hiezaka] mafy hiaro ny finoana” amin’ireo mpampianatra tsy araka an’ Andriamanitra izay niditra tao amin’ny Fiangonana sy namporisika ny fitondrantena tsy mendrika sy ny fampianarana sandoka izay nandà an’i Jesoa Kristy Tompo (Joda 1:3).

Inona avy ireo lafiny sasantsasany mampiavaka ity boky ity?

Na dia iray amin’ireo boky fohy indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao aza ny Epistilin’i Joda dia mirakitra fampahalalana tsy hita na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly izany. I Joda dia nanoratra mikasika ny “anjely izay tsy nitana ny anjara-fanapahany” (andininy 6; jereo koa ny Abrahama 3:26), sy mikasika ny ady teo amin’i Mikaela sy i Losifera ny amin’ny vata-mangatsiakan’i Mosesy (andininy 9), ary momba ny faminaniana iray nataon’i Enoka mikasika ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany (andininy 14–15; jereo koa ny Mosesy 7:65–66).

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao fanamarihana mikasika ireo toetoetra miavaka maro ananan’ny Epistilin’i Joda:

“Ao amin’ny Baiboly iray manontolo dia i Joda irery ihany no nitahiry ho antsika ny hevitra hoe ny fiainana talohan’ny nahaterahana no toetrantsika voalohany ary nisy anjely sasantsasany izay tsy nahavita nitazona izany toetra voalohany izany.

“Amin’ny alalany no hananantsika fahalalana kely momba ny ady teo amin’i Mikaela sy i Losifera ny amin’ny vata-mangatsiakan’i Mosesy.

“Izy irery ihany no mirakitra ny faminaniana feno voninahitra nataon’i Enoka momba ny Fiavian’ny Zanak’olona Fanindroany” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 3:415).

Ny tenin’i Joda dia henjana tamin’ireo izay nanohitra an’ Andriamanitra sy ireo mpanompony ary henjana tamin’ireo izay nanaraka fivavahana tsy mendrika tamin’ny sampy ka nanambara fa tsy nila nankatò ny didin’ Andriamanitra, anisan’izany ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Namariparitra ny sasany amin’ny toetoetran’ireo olona tsy madio ireo i Joda.

Topimaso

Joda 1 Namporisika ireo mpikamban’ny Fiangonana “[hiezaka] mafy hiaro ny finoana” i Joda (Joda 1:3). Nanazava izy fa nisy olona niditra antsokosoko teo anivon’ny Olomasina dia manaparitaka fampianarana diso sy mamporisika ny fomba fanao ratsy. Mampitandrina ny amin’ireo fitsarana izay ho avy amin’ireo izay miala amin’ Andriamanitra i Joda. Manoro hevitra ireo mpikamban’ny Fiangonana i Joda mba hampiorina ny finoany sy “[hitahiry ny tenany] ao amin’ny fitiavan’ Andriamantra” (Joda 1:21).