Tahirim-pitaovana
Fampahafantarana ny fotopampianarana fototra


Fampahafantarana ny fotopampianarana fototra

Ireto fotopampianarana fototra manaraka ireto dia tokony hantitranterina ao amin’ny seminera:

  • Ny Andriamanitra

  • Ny Drafitry ny Famonjena

  • Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

  • Fotoampitantanana, Apôstazia ary Famerenana amin’ny laoniny

  • Mpaminany sy fanambarana

  • Fisoronana sy fanalahidin’ny Fisoronana

  • Ôrdônansy sy fanekempihavanana

  • Fanambadiana sy fianakaviana

  • Ireo didy

Natao hanampy ireo mpianatra hamantatra, hahatakatra, hino, hanazava ary hampihatra ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara ireo ny mpampianatra rehefa mandalina ny soratra masina. Hanampy ireo mpianatra hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy hampitombo ny fankasitrahany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny fanaovana izany. Hanampy ihany koa ireo mpianatra ho vonona kokoa hiaina ny filazantsara sy hampianatra ireo fahamarinana manan-danja ireo amin’ny hafa ny fianarana ireo fotopampianarana fototra ireo. Ny lesona ato anatin’ity boky torolalana ity dia natao mifototra amin’ireo fotopampianarana fototra ireo. Zava-dehibe ny mahafantatra fa misy fotopampianaran’ny filazantsara manan-danja hafa ihany koa hifantohana ato amin’ity boky torolalana ity, na dia tsy voatanisa ho anisan’ny Fotopampianarana Fototra aza izy ireny. Hitranga ny fampianarana ireo fotopampianarana fototry ny filazantsara rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro miaraka amin’ireo mpianatra ianao, sy rehefa manampy azy ireo hifehy ireo andinin-tsoratra masina manan-danja. Ny fivoarana eo amin’ny fahatakarana sy ny finoana ary ny fiainana ireo fotopampianarana fototra dia dingana izay miseho mandritra ireo efa-taona ao amin’ny seminera, ary mitohy mandritra ny androm-piainan’ny mpianatra iray. Azonao atao ny manome ny lisitr’ireo fotopampianarana fototra ho an’ireo mpianatra.

Fitsapam-pahaizana momba ireo fotopampianarana fototra

Misy fitsapam-pahaizana momba ireo fotopampianarana fototra izay novolavolaina mba hanomezana fampahalalana ho an’ireo mpampianatra izay azon’izy ireo ampiasaina mba hitahiana misimisy kokoa ny fiainan’ireo mpianany. Mitaona ireo mpampianatra izahay mba hampiasa io fitsapam-pahaizana io mandritra ny herinandro voalohan’ny fotoam-pianarana ary any amin’ny faramparan’ny taom-pianarana indray avy eo. Mba hahitana ny fitsapam-pahaizana momba ireo fotopampianarana fototra sy ireo fitsapam-pahaizana hafa ao amin’ny tranonkalan’ny S&I (si.lds.org), dia karohy izany amin’ny fampiasana ny teny hoe fitsapam-pahaizana.

Ireo mpampianatra izay mandefa ny valin’ny fitsapam-pahaizan’ireo mpianany any amin’ny S&I Office of Research (na birao fikarohana an’ny S&I) dia hahazo tatitra izay hanampy azy ireo hampifanaraka ny fampianarany amin’ny zavatra ilain’ireo mpianany. Ohatra, raha toa ka manambara ireo vokatra fa tsy takatr’ireo mpianatra ny fotopampianaran’ny fibebahana, dia ho fantarina ireo lesona maro ao amin’ny fandaharam-pampianarana isan-taona izay mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra tsara kokoa io fotopampianarana io. Raha mampiasa io fampahalalana io ombam-bavaka ireo mpampianatra eo amin’ny fizotran’ny fampianaran’izy ireo soratra masina misesy, dia ho vonona kokoa ireo zatovontsika sy tanorantsika hanatratra ny tanjon’ny seminera sy institiota fianarana ny filazantsara.