Lesona 107
1 Korintiana 9–10
Fampidirana
Nanoratra mikasika ireo olana avy amin’ireo Olomasina Korintiana mikasika ny fampiasana ireo loharanom-pananan’ny Fiangonana mba hamatsiana ny zavatra ilainy eo amin’ny ara-nofo i Paoly. Nanazava izy fa ny tanjon’ny fitoriany ny filazantsara dia ny hitondra famonjena ho an’ireo zanak’ Andriamanitra. Namporisika azy ireo izy mba hiala amin’ny fahotana sy tsy hanafintohina ny hafa amin’ny finoan’izy ireo.
Sosokevitra Enti-mampianatra
1 Korintiana 9
Nitory ny filazantsara i Paoly mba hahafahan’izy sy ireo mpihaino azy ho voavonjy
Mitondrà famantaranandro misy fanairana ao an-dakilasy dia afeno amin’ny mpianatra izany. Amboary ilay famantaranandro mba haneno fotoana fohy aorian’ny hanombohanao ny fampianarana.
Mba hanombohana ny lesona dia asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny hoe ho toy ny ahoana izany fiainana mandrakizay izany. Asao izy ireo hanoratra ao amin’ny kahieny ao an-dakilasy ny antony maha-zavatra irian’izy ireo ny fiainana mandrakizay. Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao mba hamaky amin’ny mpianatra rehetra ny zavatra nosoratany.
Rehefa akaiky hifarana ity asa atao ity dia tokony haneno ilay famantaranandro fanairana. Rehefa mitranga izany dia asao ny mpianatra iray hitady izany dia hamono izany.
-
Inona no tsapanareo rehefa naheno izany feo izany?
Asao ny mpianatra hieritreritra raha efa sahirana nifoha rehefa naneno ny famantaranandro fanairana ka tsy nahatratra zavatra iray manan-danja vokatr’izany. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny heviny.
Hazavao fa mitovy amin’ny hoe ny fahasahiranana mifoha rehefa maheno famantaranandro fanairana dia mety hiteraka ny tsy fahatratrarantsika na tsy fahavitantsika mihitsy aza ireo zavatra manan-danja ny hoe ny tsy fahavitana “mifoha” eo amin’ny fiainana ary manova ireo fitondrantena sasany dia mety mahatonga antsika tsy hahatratra ny zavatra manan-danja indrindra amin’ny rehetra, dia ny fiainana mandrakizay.
Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny 1 Korintiana 9 mba hitady fitsipika iray izay afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba hakana antoka fa hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana ny 1 Korintiana 9:1–21 ity:
Namaly fanontaniana isan-karazany avy tamin’ireo Olomasina Korintiana i Paoly. Nanoratra izy fa na dia voamarina tanteraka aza izy raha tohanan’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’ireo olana eo amin’ny ara-nofo dia tsy niankina tamin’izy ireo izy tamin’ny fandaniany teo amin’ny fivelomany. Nanazava i Paoly fa rehefa niezaka niaina araka izay toe-javatra nisy izy kanefa tsy nampihena ny fanarahany ireo fenitry ny filazantsara dia afaka nanampy ny Jiosy sy ny Jentilisa ary izay mety ho olona hafa nalemy tao amin’ny filazantsara izy mba hanaiky ny filazantsara.
Asao hamaky mafy ny 1 Korintiana 9:17 ny mpianatra iray. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny dia hitady ny fomba nitorian’i Paoly ny filazantsara. Azonao atao ny manazava fa ilay teny nambara hoe “natolotra ahy ho andraikitro izany” dia entina ilazana ny fanatanterahan’i Paoly ny iraka nampanaovina azy na ny andraikiny hitory ny filazantsara.
-
Tamin’ny fomba ahoana no nitorian’i Paoly ny filazantsara?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 9:22—23. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny antony nitorian’i Paoly ny filazantsara an-tsitrapo.
-
Nahoana i Paoly no nitory ny filazantsara an-tsitrapo?
Manasà mpianatra iray izay manaraka fandaharam-potoana fanazaran-tena ao anatin’ny fotoana maharitra tsy tapaka (angamba mpitendry zava-maneno na mpihazakazaka) mba handroso eny aloha. Apetraho amin’ilay mpianatra ireto fanontaniana ireto:
-
Manao ahoana ny fandaharam-potoan’ny fanazaranao tena?
-
Efa nisy fotoana nandraisanao anjara na nanazaranao tena ho an’ny tranga iray manokana ve na tanjona iray? Nanosika anao tamin’ny fomba ahoana ny fiasana mba hanatratra tanjona iray?
Isaory ilay mpianatra dia asaivo mipetraka izy.
Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 9:24–25. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ilay fifaninanana hazakazaka nampiasain’i Paoly hampianarana ireo Olomasina Korintiana.
-
Inona ilay fifaninanana hazakazaka noresahan’i Paoly?
-
Inona avy ireo toetra tsara nolazain’i Paoly fa ilain’ireo mpihazakazaka mba hahombiazan’izy ireo? (Hazavao fa ny hoe “mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra” dia midika hoe mahay mifehy tena.)
-
Inona ilay satroboninahitra tsy mety lo noresahan’i Paoly fa haharitra mandrakizay? (Fiainana mandrakizay.)
-
Inona ny fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny andininy 25 mikasika izay tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa makà antoka fa hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mianatra mampihatra ny fifehezan-tena amin’ny zavatra rehetra isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io. Makà antoka fa ny mpianatra dia mahatakatra ihany koa fa na dia ilaina aza ny fahaizana mifehy tena, ny fiainana mandrakizay kosa dia tsy tonga amin’ny farany raha tsy “noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’”i Jesoa Kristy [2 Nefia 2:8] toy izay amin’ny alalan’ny fifehezan-tena irery ihany.)
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no ilaina ny fifehezan-tena mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?
Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 9:26–27. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny fomba nanoritsoritan’i Paoly ny ezaka nataony mba hampiharana ny fifehezan-tena.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 26 dia tamin’ny fomba ahoana no namariparitan’i Paoly ny ezaka nataony mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Amim-pahatokian-tena ary tsy manao ezaka very maina.)
-
Araka ny voalazan’ny andininy 27 dia inona araka ny eritreritrareo no tian’i Paoly holazaina rehefa nanoratra izy hoe “asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko”?
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tian’i Paoly holazaina dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Brigham Young:
“Tsy afaka mandova ny fiainana mandrakizay ianao raha tsy ampanoavina an’ilay fanahy izay miaina ao anatinao ny fanirianao, dia ilay fanahy izay nomen’ny Raintsika any An-danitra. Ny Rain’ny fanahinao no tiako holazaina, Rain’ireo fanahy izay napetrany tao anatin’ireo tabernakely ireo. Ireo tabernakely dia tsy maintsy hampanoavina tanteraka an’ilay fanahy, fa raha tsy izany dia tsy azo hatsangana mba handova ny fiainana mandrakizay ny vatanao. … Mikatsaha amim-pahazotoana mandra-pampanoavanao ny zavatra rehetra amin’ny lalàn’i Kristy. …
“… Raha mihaino ny vatana ilay fanahy dia lasa simba [ilay fanahy]. Kanefa raha mihaino ny fanahy ilay vatana dia lasa madio sy masina [ilay vatana]” (Teachings of Presidents of the Church: Brigham Young (1997), 204–5).
-
Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika atao mba hanampiana ny vatantsika hihaino ny fanahintsika?
1 Korintiana 10
Nampitandrina ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba hiala amin’ny fahotana sy tsy hanafintohina ny hafa
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka nolazain’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity:
“Iray amin’ireo finoanoam-poana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny fieritreretan’ny [olona] fa tsy misy maharesy azy. Maro be ireo izay mihevitra fa [vita] amin’ny vy izy ireo, ampy tanjaka tsara mba hanoherana ny fakam-panahy. Mamita-tena izy ireo rehefa mieritreritra hoe ‘tsy hitranga amiko mihitsy izany’” (“It Can’t Happen to Me,” Ensign, mey 2002, 46).
-
Amin’ny toe-javatra manao ahoana no mety hamelan’ny olona ny tenany ho tandindomin-doza amin’ny fakam-panahy, noho izy ireo mieritreritra fa matanjaka tsara ka afaka hanohitra izany? (Ataovy lisitra eo amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Hazavao fa i Paoly dia niresaka mikasika ireo ohatra avy amin’ny tantaran’ny zanak’Isiraely mba hampitandremana ireo Olomasina Korintiana momba ny fakam-panahy sy ny fahotana. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 10:1–5. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo zavatra sasantsasany niainan’ireo zanak’Isiraely tamin’ny andron’i Mosesy izay tokony ho nahatonga azy ireo matanjaka ara-panahy.
-
Inona avy ireo zavatra niainan’ny zanak’Isiraely ka tokony ho nahatonga azy ireo matanjaka ara-panahy? (Azonao atao ny manazava fa i Paoly dia nilaza fa ilay “vatolampy” na Jehovah dia i Kristy (jereo koa ny Deoteronomia 32:3–4).
-
Araka ny voalazan’ny andininy 5 dia inona no tsapan’ Andriamanitra momba ny fitondrantenan’ny maro tamin’ireo zanak’Isiraely fahiny ireo?
Angataho ny mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny 1 Korintiana 10:6–11. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tian’i Paoly nianaran’ireo Olomasina Korintiana avy tamin’ny ohatra nasehon’ireo zanak’Isiraely fahiny.
-
Inona no tanjon’i Paoly tamin’ny nizarany ny ohatra nasehon’ireo zanak’Isiraely fahiny? (Te hampitandrina an’ireo Olomasina Korintiana i Paoly mba tsy hamerenan’izy ireo intsony ireo fahotana nataon’ireo zanak’Isiraely fahiny.)
Asao ny mpianatra hitsangana dia hiara-hamaky mafy ny 1 Korintiana 10:12.
-
Ahoana no hamintinanareo amin’ny teninareo ny hafatr’i Paoly ao amin’ny andininy 12?
Asaivo mipetraka ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 10:13. Asao hanaraka ny vakiteny ny rehetra ka hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fakam-panahy.
-
Inona no nampianarin’i Paoly momba ny fakam-panahy?
-
Raha tsy hamela antsika ho alaina fanahy mihoatra noho izay azontsika zakaina Andriamanitra dia nahoana ireo zanak’Isiraely fahiny no nanaiky ho azon’ny fakam-panahy?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga ity: Hanome fomba hialantsika amin’ny fakam-panahy Andriamanitra, kanefa isika dia tsy maintsy …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Korintiana 10:14. Asao hanaraka ny vakiteny ny mpianatra dia hitady ny zavatra nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana mba hataon’izy ireo.
-
Inona no nampianarin’i Paoly an’ireo Olomasina Korintiana mba hataon’izy ireo?
-
Inona no ampianarin’ny andininy 14 antsika momba ny anjara asantsika amin’ny fialana amin’ny fakam-panahy? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia fenoy ilay fahamarinana eo amin’ny solaitrabe mba hivaky toy izao: Hanome fomba hialantsika amin’ny fakam-panahy Andriamanitra, saingy tsy maintsy misafidy ny hampisaraka ny tenantsika amin’ilay fakam-panahy isika.)
Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanoratra ny Almà 13:28 ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny 1 Korintiana 10:13–14. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Almà 13:28. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny dia hitady ny zavatra azontsika atao mba hampisarahana ny tenantsika amin’ny fakam-panahy.
-
Araka ny voalazan’ny Almà 13:28 dia inona no azontsika atao ka afaka manampy antsika hampisaraka ny tenantsika amin’ny fakam-panahy?
-
Manampy antsika hampisaraka ny tenantsika amin’ny fakam-panahy amin’ny fomba ahoana ny fanetrentsika tena sy ny fiambenantsika ary ny fivavahantsika tsy tapaka?
Mihazona kiboky Jeunes, soyez forts dia angataho ny mpianatra hanazava ny fomba hanampian’ny fiainana araka ireo fenitra voatanisa ao amin’io kiboky io antsika hampisaraka ny tenantsika amin’ny fakam-panahy.
Hazavao fa mety tsy ho afaka ny hiala amin’ny fakam-panahy foana ny mpianatra. Noho io antony io dia mila manapa-kevitra isika amin’izao fotoana izao ny amin’izay ho ataontsika rehefa miatrika fakam-panahy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka izay nolazain’ny Filoha Spencer W. Kimball ity:
“Mora kokoa ny mandray fanapahan-kevitra tsara rehefa ataontsika tsara dieny mialoha izany, ka manana tanjona hotratrarina amin’ny farany ao an-tsaina isika. Izany dia hanala ny maro amin’ireo adin-tsaina [amin’ny fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra], rehefa reraka sy tratran’ny fakam-panahy mafy isika. …
Miezaha hanana fitsipika mifehy ny tena manokana mba tsy hahatonga anao tsy maintsy handray fanapahan-kevitra sy hamerina handray fanapahan-kevitra foana foana mikasika izay ho ataonao rehefa miverimberina miatrika fakam-panahy iray ihany ianao. Mila manapa-kevitra indray mandeha monja momba ny zavatra maromaro ianao. …
“Mialoha ny hiantombohan’izany no fotoana hialana amin’ireo fomba fanao ratsy. Ny tsiambaratelon’ny fiainana tsara dia ao anatin’ny fiarovana sy ny fisorohana. Ireo izay manaraka ny ratsy mazàna dia ireo izay nametraka ny tenany amin’ny toerana mampidi-doza” (Teachings of Presidents of the Church: Spencer W. Kimball [2006], 108–9).
Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ireo fitsipika hitan’ny mpianatra androany. Asao ny mpianatra hieritreritra izay fakam-panahy manahirana azy ireo indrindra. Asao izy ireo hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Inona avy ireo zavatra azonao ovana mba hialana amin’ny fakam-panahy mialoha ny hiatrehanao izany?
-
Vonona ny hitondra ireo fanovana ireo ve ianao?
Asao ireo mpianatra hamorona drafitra izay harahin’izy ireo mba hialana amin’ny fakam-panahy. Amporisiho izy ireo hitady fanampiana avy amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka rehefa manao asa mba hanatontosa ny drafitr’izy ireo.
Fintino ny 1 Korintiana 10:15–33 amin’ny fanazavana fa i Paoly dia nanoro hevitra an’ireo Olomasina Korintiana mba hanaja ny fomba fanao ara-pivavahana ataon’ny hafa kanefa tsy manao tsinontsinona ny azy ireo, ary namerina nilaza indray fa nitory ny filazantsara izy mba hanampy olona maro mba ho voavonjy.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
1 Korintiana 9:20–23. “Efa tonga zavatra rehetra aho amin’ny olona rehetra”
Inona no tian’i Paoly nolazaina rehefa nilaza izy fa “tonga toy ny Jiosy” izy mba “hahazoa[ny] ny Jiosy” (1 Korintiana 9:20); tonga tahaka ny olona tsy ambanin’ny lalàna, na tahaka ny Jentilisa mba hahazoana ny Jentilisa; ary tonga tahaka izay malemy mba “hahazoa[ny] izay malemy”? (1 Korintiana 9:22). Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity fanazavana tena ilaina ity:
“Eto i Paoly dia milaza fa efa tonga zavatra rehetra izy amin’ny olona rehetra mba hiezahany hahazo azy ireo mba hanaiky ny hafatry ny filazantsara. Izany hoe nampifanaraka ny fomba fiainany tamin’ny toe-javatra niainan’ny sarangan’olona rehetra izy, mba ho fitaovana hahazoana azy ireo hifantoka amin’ny fampianarany sy ny fijoroana ho vavolombelona zarainy. Ary avy eo, mba tsy hiheveran’ny olona fa tafiditra ao anatin’izany ny fanekena ny fotopampianarana na fomba fanao dison’izy ireo, na hoe mety ahitana marimaritra iraisana eo amin’ny filazantsara sy ny rafitra diso amin’ny fomba fitsaohana izany, dia nampiany haingana hoe tsy maintsy mankatò ny lalàn’ny filazantsara izy sy ny olona rehetra mba ho voavonjy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky miisa 3 [1965–73], 2:353).
1 Korintiana 9:25. “Mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra”
Indraindray dia sarotra ny mahafantatra ny antony handidian’ny Tompo antsika hampihatra fifehezan-tena. Nanome ity fanazavana tena ilaina ity ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Mitaky fitsipi-pitondrantena ny fiainana marina. Ny fitsipi-pitondrantena dia ilay toetoetra izay hanome anao hery hiala amin’ny famelana ny zavatra izay irinao indrindra eo amin’ny fiainana mba hatakalo zavatra izay heverinao fa ilainao amin’izao fotoana izao” (“The Power of Righteousness,” Ensign, nôv. 1998, 69).
1 Korintiana 9:27. “Fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko”
Ny fampanoavana tsy tapaka ny vatantsika mba ho eo ambany fifehezan’ny fanahintsika dia iray amin’ireo fitsapana goavana indrindra eto amin’ny fiainana an-tany. Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Roambinifololahy dia nampianatra hoe:
“Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana, talohan’ny nialantsika teo anatrehan’ny Ray any An-danitra, dia nampitandrina antsika momba ireo zavatra vaovao izay hiainantsika eto an-tany Izy. Fantatsika fa isika dia hanana vatana nofo sy taolana. Noho isika tsy mbola nety maty mihitsy teo aloha dia tsy nanana traikefa hoentina miady amin’ny fakam-panahin’ny fianana an-tany isika. Saingy nahafantatra sy nahatakatra ny Ray any An-danitra. Nomeny andraikitra isika ny hifehy ny vatantsika mety maty sy hampanao izany amin’ny fanahintsika. Ny fanahintsika no hifehy ireo fakam-panahy ara-batana izay hatrehan’ny vatantsika ao anatin’ny tontolo iray ara-nofo. Ny hery ara-panahy handresena ny fitaoman’i Satana dia tonga eo amintsika amin’ny alalan’ny fitandremana ny didin’i Jesoa Kristy Tompontsika” (“Keeping Covenants,” Ensign, mey 1993, 6).
1 Korintiana 10:13. Miala amin’ny fakam-panahy
Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra momba ny tokony hialan’ny rehetra amin’ny fahotana:
Maro be ireo izay mihevitra fa … ampy tanjaka tsara mba hanoherana ny fakam-panahy. Mamita-tena izy ireo rehefa mieritreritra hoe ‘tsy hitranga amiko mihitsy izany.’ … Afaka mitranga amintsika amin’ny fotoana rehetra izany. …
“Indray mandeha aho dia nahare lehilahy iray nilaza tamin’ireo zanany lahy hoe: ‘Afaka mitondra fiara akaiky kokoa ny sisin-dalana aho raha oharina aminareo satria manana traikefa betsaka kokoa noho ianareo aho.’ Nihevitra izy fa nahafehy izany, saingy tsy nahalala na inona na inona mihitsy izy. ‘Ny olana amin’ny fampiasana traikefa ho toy ny mpitarika dia, matetika ny fitsapana farany no mandeha alohan’ny lesona’ [Mpanoratra tsy fantatra anarana, naverina nolazaina tao amin’ny 1,911 Best Things Anybody Ever Said, natambatr’i Robert Byrne (1988), 386]. Ny olona sasany dia mihevitra fa mahatonga azy ireo ho afaka mandresy fakam-panahy bebe kokoa ny taona sy ny traikefan’izy ireo. Tsy marina izany.
“Tsaroako fa nahare ny Filoha J. Reuben Clark Zanany aho nitantara momba ny fotoana iray izay nandehanan’ny iray tamin’ny zanany nampiaraka. Nangataka azy ireo Izy mba hody tamin’ny ora iray nolazainy. ‘Noho izy tezitra tamin’io fampahatsiahivana tsy tapaka sy maika io dia hoy ilay [zatovo] hoe: “Dada a! Fa inona ny olana e? Tsy mahatoky ahy angaha ianao?”
“‘Tsy maintsy hoe nanohina azy ny valinteny nomeny rehefa nilaza izy hoe: “Tsia ry [zanako], tsy mahatoky anao aho. Na ny tenako aza tsy atokisako”’ [araka izay nolazain’i Harold B. Lee, The Teachings of Harold B. Lee, ed. Clyde J. Williams (1996), 629]” (“It Can’t Happen to Me,” Ensign, mey 2002, 46–47).