Lesona 131
2 Timoty 1–2
Fampidirana
Tao amin’ny Epistiliny Faharoa ho an’i Timoty dia nampianatra i Paoly fa ny tahotra dia tsy avy amin’ Andriamanitra ary nanoro hevitra an’i Timoty izy mba tsy ho menatra amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i Jesoa Kristy. Namporisika an’i Timoty mba hiaritra amim-pahatokiana ireo fitsapana i Paoly ary nanoro lalana azy mba hampianatra ireo Olomasina hibebaka.
Sosokevitra enti-mampianatra
2 Timoty 1
Manoro hevitra an’i Timoty mba tsy ho menatra ny filazantsara i Paoly
Soraty eny amin’ny solatirabe ny teny hoe Tahotra , ary angataho ny mpianatra hieritreritra ny fomba mety hisian’izany fiantraikany amintsika. Asao ny mpianatra iray hamaky ity teny manaraka ity, izay nolazain’ny Filoha Gordon B. Hinckley:
“Iza amintsika no afaka milaza fa mbola tsy niaina tahotra mihitsy? Tsy mahalala na dia iray aza aho tsy niharan’izany tanteraka. Mazava ho azy fa ny olona sasany dia miaina tahotra lehibe kokoa noho ny hafa. Ny sasany dia afaka miarina haingana kokoa, fa ny hafa kosa dia voageja sy voatorotoro ary resin’izany mihitsy aza. Mijaly isika noho ny fahatahorana ny fanesoana, ny tsy fahombiazana, ny maha-irery, ny fanilikilihana. Ny sasany dia matahotra ny ankehitriny ary ny hafa kosa ny hoavy. Ny sasany dia mibata ny vesatry ny fahotana ary saika hanao izay rehetra takina aminy mba hampiala izany enta-mavesatra izany eo amin’izy ireo nefa matahotra ny hanova ny fiainany” (“God Hath Not Given Us the Spirit of Fear,” Ensign, ôkt. 1984, 2).
-
Araka ny voalazan’ny Filoha Gordon B. Hinckley dia mety hisy fiantraikany eo amintsika amin’ny fomba ahoana ny tahotra?
-
Inona no mety ho fiantraikan’ny tahotra amin’ny fahafahantsika miaina ny filazantsara?
Asao ny mpianatra mba hitady fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo handresy ny tahotra rehefa mandalina ny 2 Timoty 1 izy ireo.
Hazavao fa fotoana fohy talohan’ny nahafatesan’i Paoly dia nanoratra ny Epistiliny Faharoa ho an’i Timoty izy raha voafonja tany Roma. Fintino ny 2 Timoty 1:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Paoly dia naneho ny faniriany mba hahita an’i Timoty ary niresaka indray mikasika ny finoana tena izy nananan’i Timoty izy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 1:6. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nampahatsiahivin’i Paoly mba hataon’i Timoty.
-
Inona no nampahatsiahivin’i Paoly mba hataon’i Timoty?
Hazavao fa ilay “fanomezam-pahasoavana avy amin’ Andriamanitra” izay raisina amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana dia entina ilazana ny Fanahy Masina . Nanoro hevitra an’i Timoty mba hamelombelona ny fanomezana ny Fanahy Masina, na hikatsaka fatratra mba hanana ny Fanahy Masina hiaraka aminy i Paoly.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Rehefa mikatsaka fatratra ny hanana ny Fanahy hiaraka amintsika isika, …
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 1:7-8. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny sady hitady ireo fitahiana avy amin’ny fananana ny Fanahy miaraka amintsika.
-
Araka ny andininy 7 dia inona avy ireo fitahiana afaka tonga amintsika noho ny fananantsika ny Fanahy miaraka amintsika?
-
Manampy antsika handresy inona ireo fitahiana ireo?
Hazavao fa i Paoly dia niresaka momba ny tahotra araka izao tontolo izao, izay miteraka fiahiahiana, tsy fahazoana toky, ary fitaintainana, ary tsy mitovy amin’izay lazain’ny soratra masina hoe “ny fahatahorana an’i Jehovah” (Ohabolana 9:10) izany. Ny fahatahorana ny Tompo dia “ny manaja sy ny manahy ny Aminy ka mankatò ny didiny” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Tahotra,” scriptures.lds.org).
-
Araka ny andininy 8 dia nanasa an’i Timoty hanao inona i Paoly rehefa takany fa ny Fanahy dia afaka manampy azy handresy ny tahotra?
Anontanio ireo mpianatra ny mety hamenoan’izy ireo an’io teny eo amin’ny solaitrabe io ka hampiasa ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny andininy 7–8. Fenoy amin’ny alalan’ny teny nampiasain’ny mpianatra ilay fehezanteny mba hampita ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mikatsaka amim-kitsim-po ny hanana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia afaka mandresy ny tahotra ary tsy ho menatra ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy.
-
Manampy antsika handresy ny tahotra amin’ny fomba ahoana ny hery sy ny fitiavana ary ny fitsarana tsara avy amin’ Andriamanitra izay azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy?
-
Inona avy ireo fomba hahafahantsika mampiseho fa tsy menatra ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay ananantsika isika?
-
Oviana ny Fanahy no nanampy anareo handresy ny tahotra na nanome herim-po anareo mba ho mafy orina amin’ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa izay anananareo?
Angataho ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hanasana ny Fanahy hiaraka amin’izy ireo mba hahafahany mandresy ny tahotra ary tsy ho menatra ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izay ananany.
Fintino ny 2 Timoty 1:9–18 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanainga an’i Timoty mba hijanona ho mahatoky ao amin’ny fotopampianarana marina i Paoly. Nohamafisin’i Paoly fa nisy apôstazia mihanaka nitranga tao amin’ny Fiangonana (jereo ny 2 Timoty 1:15).
2 Timoty 2
Manoro hevitra an’i Timoty mba haharitra ireo fotoan-tsarotra amim-pahatokiana i Paoly
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Timoty 2:1, ary hitady ny torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty.
-
Inona ilay torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty? (Hazavao fa mahazo ny famindram-po na ny fanampiana masin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny finoantsika [jereo ny Romana 5:2].)
-
Nahoana no mety ho sarotra amin’ny olona iray ny mijanona ho matanjaka amin’ny finoany an’i Jesoa Kristy?
Hazavao fa i Paoly dia nanoro hevitra an’i Timoty mba hatanjaka amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy satria fantany fa hiaina fijaliana sy fanenjehana i Timoty amin’ny maha-mpianatr’i Kristy azy.
Mampisehoa sarina miaramila iray sy atleta iray ary mpamboly iray. (Na azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hanao ny sarin’ireo olona ireo eny amin’ny solaitrabe.)
Hazavao fa i Paoly dia nampiasa ny fanoharana momba ny miaramila iray, sy ny atleta mpandresy iray, ary ny mpamboly (tantsaha) iray mba hampianarana ny fomba hijanonana ho matanjaka ao amin’ny finoana na dia eo aza ny fotoan-tsarotra.
Adikao eny amin’ny solaitrabe ity tabilao manaraka ity. Asao ny mpianatra handika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina, na ataovy ao amina taratasy zaraina izany:
|
Fanoharana |
Famariparitana |
Ny ampianarin’ity fanoharana ity momba ny fijanonana ho matanjaka ao amin’ny finoana |
|---|---|---|
|
Miaramila |
|
|
|
Atleta |
|
|
|
Mpamboly (tantsaha) |
|
|
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 2:3-6. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny ary hitady ny fomba namariparitan’i Paoly ny miaramila iray sy ny atleta iray ary ny mpamboly iray. Hazavao fa ny teny hoe mafy (andininy 3) dia milaza ny fijaliana na fahoriana ary ilay andian-teny hoe “manezaka amin’ny filalaovana” (andininy 5) dia milaza ny fanaovana fifaninanana amin’ny fifaninanana mihazakazaka..
-
Araka ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny andininy 3–4, inona no ataon’ny miaramila tsara iray? (Soraty ao anatin’ilay efitra voalohany eo ambanin’ny hoe “Famariparitana” ao amin’ilay tabilao izao manaraka izao: Ny miaramila tsara dia miaritra araka ny adidiny ireo fotoan-tsarotra sy mamela ireo raharaha hafa mba hamalifaliana ny lehibeny.)
-
Inona no tiana holazaina ao amin’ny andininy 5 amin’ny hoe ny atleta iray dia tsy “satrohana satro-boninahitra” raha tsy niezaka, na nahatontosa “araka ny lalàna”? (Soraty ao anatin’ilay efitra faharoa eo ambanin’ny hoe “Famariparitana” ao amin’ilay tabilao izao manaraka izao: Tsy afaka ny ho mpandresy ny atleta iray raha tsy rehefa mankatò ireo fitsipika mifehy ihany.)
-
Araka ny andininy 6, dia inona no valisoa ho an’ny mpamboly iray izay miasa mafy mba hijinja ny voly nataony? (Soraty ao anatin’ilay efitra fahatelo eo ambanin’ny hoe “Famariparitana” ao amin’ilay tabilao izao manaraka izao: Tsy maintsy miasa mafy ny mpamboly iray mba hankamamy ireo vokatry ny asany.)
Asao ny mpianatra mba hameno ny tabilaon’izy ireo amin’ny fanoratana ao amin’ny tsanganana fahatelo ny zavatra izay ampianarin’ny fanoharana tsirairay momba ny fijanonana ho matanjaka ao amin’ny finoana. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valintenin’izy ireo.
Hazavao fa nilaza ihany koa i Paoly fa niaina fitsapana maro izy noho ny maha-mpianatr’i Kristy azy (jereo ny 2 Timoty 2:9). Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 2:10–12. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ny zavatra nolazain’i Paoly fa antony niaretany ny fotoan-tsarotra toy izany. Hazavao fa ny hoe “olom-boafidy” (andininy 10) dia milaza ireo mpikamban’ny Fiangonana mahatoky ary ilay teny hoe miaritra ao amin’ny andininy 12 dia maneho ny faharetana sy ny tsy fiovana (jereo ny 2 Timoty 2:12).
-
Araka ireo tenin’i Paoly ao amin’ny andininy 10 sy 12, dia nahoana izy no vonona hiaritra fotoan-tsarotra sy hijanona ho mahatoky an’i Jesoa Kristy?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’i Paoly momba ny zavatra mety mitranga rehefa miaritra fotoan-tsarotra sy mijanona ho mahatoky an’i Jesoa Kristy isika? (Mety hampiasa teny hafa ny mpianatra kanefa tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao izy ireo: Rehefa miaritra fotoan-tsarotra sy mijanona ho mahatoky ny Tompo isika dia afaka manampy ny tenantsika sy ny hafa amin’ny fandraisana ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Manampy ny hafa hahazo famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ny fiaretantsika amim-pahatokiana ireo fisedrana antsika manokana?
Fintino ny 2 Timoty 2:13–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa manoro hevitra an’i Timoty i Paoly ny mba hampahatsiahivany ireo Olomasina mba handositra ny fifandirana sy “hiala amin’ny ratsy” (andininy 19).
Asehoy ny sarina fitoeran-javatra isan-karazany tahaka ny lovia baolina na kaopy na vazy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 2:20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady ireo karazana fanaka misy ao amin’ny “trano lehibe” iray.
-
Araka ny tenin’i Paoly dia inona avy ireo karazana fanaka misy ao amin’ny “trano lehibe” iray?
Hazavao fa nampiasa fanaka na fitoeran-javatra isan-karazany i Paoly mba ho sarin-teny entina ilazana ireo olona ao amin’ilay tokantrano, na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 2 Timoty 2:21. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ary hitady izay mahatonga ny olona iray ho “fanaka … mahasoa ho an’ny Tompo.”
-
Araka ny tenin’i Paoly dia inona no azontsika atao mba hifanaraka amin’izay “mahasoa ho an’ny Tompo.”
Mariho fa ilay andian-teny hoe “manadio ny tenany” (andininy 21) dia midika hoe lasa nodiovina tsara tamin’ny ota (jereo ny andininy 19).
-
Raha mifototra amin’ny fampiasan’i Paoly ny fanaka ho fanoharana dia inona ny fitsipika azontsika ianarana momba ny zavatra azontsika atao mba hanompoana tsaratsara kokoa ny Tompo? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Raha manadio ny tenantsika amin’ny ota isika dia afaka manompo tsaratsara kokoa ny Tompo.)
-
Inona no azontsika atao mba hanadiovana ny tenantsika amin’ny ota?
Asao ny mpianatra hamaky mangina ny 2 Timoty 2:22 ary hitady ny zavatra hafa azontsika atao mba hanadiovana ny tenantsika amin’ny ota. Asao ireo mpianatra hanao tatitra momba ny zavatra hitan’izy ireo.
-
Manampy antsika hanompo tsaratsara kokoa ny Tompo amin’ny fomba ahoana ny fanadiovana ny tenantsika amin’ny ota?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Asaivo henoin’ireo mpianatra ny fomba hiaran’io fitsipika io amin’ireo misiônera izay manompo ny Tompo:
“Tsy misy misiônera afaka ny tsy hibebaka amin’ireo fandikan-dalana mikasika ny fahadiovam-pitondrantena nataony na ny fampiasana teny maniratsira na ny fironana amin’ny pôrnôgrafia ary avy eo hanantena fa afaka ny hanentana ny hafa hibebaka amin’ ireo zavatra ireo! Tsy afaka manao izany ianareo. Tsy hiaraka aminareo ny Fanahy ary hanakenda anareo ireo teny eo am-pitenenanareo izany. Tsy afaka hidina any amin’izay nantsoin’i Lehia hoe ‘lalana voarara’ [1 Nefia 8:28] ianareo ka hanantena hitarika ny hafa ho any amin’ ilay lalana ‘ety sy tery’ [2 Nefia 31:18] —tsy azo atao izany.
“… Na iza na iza ianareo ary na inona na inona vitanareo dia afaka ny ho voavela heloka ianareo. … Izany no fahagagan’ny famelan-keloka, ilay fahagagan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy. Kanefa tsy hahavita izany ianareo raha tsy manolo-tena marina amin’ny filazantsara, ary tsy afaka hanao izany raha tsy mibebaka amin’izay ilàna izany. Miangavy anareo aho … mba ho mazoto sy ho madio. Raha ilaina dia miangavy anareo aho ho mazoto sy ho madio ” (“Mpandray anjara avokoa isika,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 45).
-
Nahoana no manan-danja ny hoe madio amin’ny fahotana rehefa mitory ny filazantsara?
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’izany fitsipika izany. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina izay fahotana rehetra mety ilainy hibebahana mba hahafahany manompo ny Tompo tsaratsara kokoa.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
2 Timoty 1:7. “Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.
Nampianatra momba ny loharano sy ny vokatry ny tahotra ny Filoha Gordon B. Hinckley:
“Aoka isika hiaiky fa ny tahotra dia tsy avy amin’ Andriamanitra, fa io zavatra mampihoro-koditra sy mandrava io dia avy amin’ilay fahavalon’ny marina sy ny fahamarinana. Ny tahotra dia [mifanohitra] tanteraka amin’ny finoana. Manimba ny vokatr’izany, mahafaty mihitsy aza.
“‘Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena’ [2 Timoty 1:7].
“Ireo fitsipika ireo no fanefitra lehiben’ny tahotra izay maningotra ny tanjatsika ary indraindray mandavo antsika ka hatramin’ny faharesena. Manome hery ho antsika izy ireo.
“Hery inona? Ny herin’ny filazantsara, ny herin’ny fahamarinana, ny herin’ny finoana, ny herin’ny fisoronana” (“God Hath Not Given Us the Spirit of Fear,” Ensign, ôkt. 1984, 2).
Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny maha-samy hafa ny tahotra an’ Andriamanitra amin’ny tahotra an’izao tontolo izao:
“Tsy mitovy nefa mifandray amin’ireo tahotra izay iainantsika matetika ny zavatra izay faritan’ny soratra masina hoe ‘fahatahorana araka an’ Andriamanitra’ (Hebreo 12:28) na ny ‘fahatahorana ny Tompo’ (Joba 28:28; Ohabolana 16:6; Isaia 11:2–3). Ny fahatahorana an’ Andriamanitra dia loharanom-piadanana sy fananana toky sy fahatokian-tena, tsy tahaka ny tahotra araka izao tontolo izao izay miteraka fahatairana sy tebiteby.
“Fa ahoana no ahafahan’ny zavatra izay mifandray amin’ny tahotra hampiorina sy hanampy eo amin’ny ara-panahy?
“Ny fahatahorana marina izay ezahiko fariparitana dia resaka fananana fahatsapana fanehoam-panajana lalina sy fiderana an’i Jesoa Kristy Tompo (jereo ny Salamo 33:8; 96:4), fankatoavana an’ireo didiny (jereo ny Deoteronomia 5:29; 8:6; 10:12; 13:4; Salamo 112:1), ary fiandrandrana ny Fitsarana Farany sy ny fahamarinana eo an-tanany” (“Noho izany izy ireo dia nampangina ny tahony,” Ensign na Liahona, mey 2015, 48).
2 Timoty 1:7–8. “Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ ny Tompontsika”
Ny Rahavavy Bonnie L. Oscarson, filohan’ny zatovovavy maneran-tany, dia nizara izao tantaran’i Marie Madeline Cardon manaraka izao, tanora vao niova fo iray any Italia izay nampiseho herim-po teo amin’ny fiarovana ny finoany vaovao:
“Vao haingana aho no namaky ny tantaran’i Marie Madeline Cardon, izay nandray niaraka tamin’ny fianakaviany ny hafatra momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny, avy tamin’ireo misiônera nantsoina hanompo tany Italia tamin’ny taona 1850. Tovovavy 17 na 18 taona teo izy tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy ireo. Indray alahady, raha teo am-panaovana fotoam-bavaka izy ireo tao an-tranony, izay avo toerana teny amin’ireo vondron-tendrombohitra Alpes tany amin’ny faritra avaratr’i Italia, dia nisy andian-dehilahy feno fahatezerana, tao anatin’izany ny sasany tamin’ireo mpitandrina teo an-toerana, izay nitangorona nanodidina ilay trano, ka nanomboka nitabataba sy nivazavaza ary nangataka ny hamoahana ireo misiônera. Tsy mino aho hoe dodona ny ho ampianarina ny filazantsara fotsiny izy ireo—nikasa hampihatra fampijaliana ara-batana izy ireo. I Marie kely no nivoaka avy ao amin’ilay trano mba hiatrika ilay andian’olona.
“Nanohy nivazavaza sy nitaky tamin-karatsiam-panahy izy ireo ny hamoahana ireo misiônera. Nanainga ny Baiboliny i Marie ka nandidy azy ireo hiala teo. Nolazainy azy ireo fa teo ambany fiarovany ireo misiônera ka tsy afaka hikasika na ny singam-bolon’izy ireo aza ireto andian’olona. Henoy ny teny nolazainy: ‘Gaga daholo ny rehetra. … Niaraka tamiko Andriamanitra. Izy no nanome ireo teny ireo hiloaka ny vavako, fa raha tsy izany dia tsy afaka niteny an’izany aho. Gina tampoka teo ny rehetra. Ity andian-dehilahy natanjaka sy feno fahasiahana ity dia tsy nahavita na inona na inona teo anoloan’ny zazavavy iray izay nalemy sy nangovitra, kanefa tsy natahotra mihitsy.’ Nasain’ireo mpitandrina niala teo ilay andian-dehilahy, ka nandeha tamim-pahanginana izy ireo, feno henatra sy tahotra ary nenina. Namita ny fiarahany mivory tamim-pilaminana i Marie sy ny fianakaviany.
“Azonareo an-tsaina ve io tovovavy be herimpo io, mitovy taona amin’ny maro aminareo, ary nijoro teo anatrehan’ny andian’olona ka niaro tamin-kerimpo sy faharesen-dahatra ny finoana izay vao tsy ela no fantany? “Mpiaro ilay Fanambarana momba ny Fianakaviana,” Ensign na Liahona, mey 2015, 14–17.