Lesona 145
1 Petera 3–5
Fampidirana
Namporisika ireo Olomasina i Petera mba ho vonona mandrakariva hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy hiaina amim-pahamarinana mba hahafahan’izy ireo miala amin’ireo fiampangana diso natao tamin’izy ireo. Nampianatra izy fa nitory ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy taorian’ny fahafatesany. Nananatra ireo loholon’ny Fiangonana ihany koa i Petera mba hiambina ny ondrin’ Andriamanitra tahaka ny fomba nikarakaran’i Jesoa Kristy, ilay Lohan’ny Mpiandry izany.
Sosokevitra enti-mampianatra
1 Petera 3:1–17
Nanoro hevitra ireo Olomasina i Petera mba hiray hina amin’ny fahamarinana sy ho vonona mandrakariva hijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy.
Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:
“Hahazo fahafahana isika mandritra ny androm-piainantsika hizarana ny finoantsika, na dia tsy fantatsika loatra aza hoe rahoviana no voantso hanao izany isika. Niseho tamiko izany tamin’ ny 1957 fony aho niasa teo amin’ ny sehatry ny fanontana boky ary nangatahina handeha ho any Dallas, Texas, [Etazonia] izay antsoina indraindray hoe: ‘ilay tanana be fiangonana,’ mba handaha-teny mandritra ny fivoriana iray mahakasika ny fandraharahana. Taorian’ ny fiafaran’ ilay fivoriana dia nitsangantsangana nijery ny tanàna tamin’ ny alalan’ ny fiara fitateram-bahoaka aho. Rehefa nandalo ireo fiangonana maro isan-karazany izahay dia niteny ny mpamilinay hoe: ‘Eo ankavia no ahitanareo ny fiangonana Metôdista,’ na hoe ‘Io ankavanan-dalana io ny katedraly Katôlika.’
“Rehefa nandalo trano fiangonana tsara tarehy vita tamin’ ny biriky miloko mena teo an-tampon’ ny havoana iray izay izahay dia nilaza ilay mpamily hoe: ‘Io trano fiangonana io no toerana ivavahan’ ireo Môrmôna.’ Nisy vehivavy iray tany amin’ ny seza farany aoriana tao amin’ ilay fiara nihikiaka hoe: ‘Afaka milazalaza bebe kokoa momba ireo Môrmôna ve ianao ry mpamily?’
“Najanon’ ilay mpamily teo amin’ ny sisin-dalana ilay fiara fitaterana, ary nitodika izy ka namaly hoe: ‘Ramatoa a! ny hany fantatro mikasika ireo Môrmôna dia hoe ao amin’ io trano fiangonana vita tamin’ ny biriky miloko mena io izy ireo no mivavaka. Misy mahafantatra bebe kokoa mahakasika ireo Môrmôna ve ato amin’ ity fiara ity?’” (“Sahia Mijoro Irery,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 67).
-
Raha tao amin’izany fiara fitaterana izany ianareo, inona no mety ho nataonareo?
-
Nahoana no sarotra indraindray ny milaza amin’ny hafa ny momba ny finoantsika?
Rehefa mandalina ny 1 Petera 3:1–17 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fitsipika iray izay hitarika azy ireo rehefa mahazo fahafahana hizara ny filazantsara amin’ny hafa izy ireo.
Fintino ny 1 Petera 3:1–1 amin’ny alalan’ny fanazavana fa namporisika ireo vehivavy i Petera mba hitondra ireo vadiny izay tsy mpino hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fitondrantena marina izay asehon’izy ireo. Nanoro hevitra ireo lehilahy izy mba hanaja ny vadiny. Nanoro hevitra ireo mpikambana ihany koa izy mba hiaina mifanaraka amin’ny fitsipiky ny filazantsara.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 3:14–16 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nasain’i Petera nataon’ireo Olomasina rehefa nianjadian’ny fanenjehana noho ny fiainana tamim-pahamarinana izy ireo.
-
Inona no nasain’i Petera nataon’ireo Olomasina rehefa nianjadian’ny fanenjehana noho ny fiainana tamim-pahamarinana izy ireo?
-
Araka ny andininy 15, inona no nolazain’i Petera fa tokony hahavonona mandrakariva ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy?
-
Lafiny inona amin’ny filazantsara araka ny eritreritrareo no manome fanantenana ny olona?
Hazavao fa ny teny hoe hamaly ao amin’ny andininy 15 dia azo adika ihany koa hoe “hiaro.” Nananatra ireo Olomasina i Petera mba hizara sy hiaro ny finoan’izy ireo ara-pivavahana.
-
Teny inona ao amin’ny andininy 15 no mamaritra ny fomba tokony hizarantsika sy hiarovantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny 1 Petera 3:15 mikasika ny zavatra tokony hiezahantsika hananana fahavononana lalandava mba ho ataontsika maha-mpanaradia an’i Jesoa Krsity antsika? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Amin’ny maha-mpanaradia an’i Jesoa Kristy antsika dia tokony hiezaka ny ho vonona lalandava isika hizara sy hiaro ny finoantsika amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
-
Nahoana araka ny eritreritrareo no zava-dehibe ny mizara ny finoantsika amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana?
Mba hanehoana ilay fahamarinana eo amin’ny solaitrabe dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny ambin’ny tantaran’ny Filoha Monson mikasika ny zavatra niainany tao amin’ilay fiara fitaterana:
“Niandry aho sao misy hamaly. Nodinihako ny endrik’ ireo olona tsirairay sao mba hahitana famantarana hoe misy mahafantatra na misy faniriana hilaza zavatra momba izany. Tsy nisy. Tonga saina aho fa anjarako ny manao ilay nolazain’ ny Apôstôly Petera hoe, ‘aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ ny anton’ ny fanantenana ao anatinareo.’ Tsapako koa fa marina ilay fomba fitenenana hoe, ‘rehefa mipaika ny fotoana hanapahana hevitra dia efa dify izay ny fotoam-piomanana.’
“Nandritra ny 15 minitra teo ho eo taorian’io fotoana io, dia nanana fahafahana aho nizara tamin’ ireo olona tao anaty fiara fitaterana ny fijoroako ho vavolombelona mahakasika ny Fiangonana sy ny zavatra inoantsika. Feno fankasitrahana aho noho ny fijoroako ho vavolombelona sy noho ny fahavononako hizara izany.” (“Sahia Mijoro Irery,” 67).
-
Inona avy ireo zavatra sasantsasany azontsika atao mba ho vonona lalandava hizara ny finoantsika isika?
Asao ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana iray izay naha-feno fankasitrahana azy ireo fa vonona nizara ny finoany na ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ireo. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainany amin’ny kilasy manontolo.
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra hataony mba hiomana ho vonona lalandava hizara sy hiaro ny finoany. Amporisiho izy ireo hanao zavatra eo anatrehan’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.
1 Petera 3:18–4:19
Nitory ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy taorian’ny fahafatesany
Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa misiônera izy ireo, mampianatra olona iray izay milaza izao manaraka izao:
“Mino aho fa marina ny zavatra ampianarinareo ahy saingy manontany tena aho ny amin’ireo olona izay maty tsy nanana ny fahafahana nandre ny fahamarinana. Toa tsy rariny raha sazian’ Andriamanitra na sakanany tsy hiaina hiaraka Aminy indray izy ireo rehefa tsy nanana fahafahana mihitsy ny hianatra mikasika ny drafitry ny famonjeny.”
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba hamaliany.
Asao ny antsasaky ny kilasy hamaky amim-pahanginana ny 1 Petera 3:18–20 , miaraka amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Petera 3:20 ao amin’nyTorolalana ho an’ny soratra masina. Asao ilay antsasany hafa hamaky amim-pahanginana ny 1 Petera 4:5–6 , miaraka amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Petera 4:6 ao amin’nyTorolalana ho an’ny soratra masina. Asao ireo mpianatra hitady ireo fahamarinana nampianarin’i Petera izay azon’izy ireo zaraina amin’ilay olona ao amin’ilay tantara. Hazavao fa ilay andian-teny hoe “fanahy tao [an-tranomaizina]” ao amin’ny 1 Petera 3:19 dia ilazana ireo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy nanaiky ny filazantsara na tsy nanana fahafahana nandre izany tamin’ny fahavelony.
Rehefa avy nanome fotoana ampy ho an’ny mpianatra dia anontanio hoe:
-
Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ireo izay ao amin’ny tontolon’ny fanahy izay tsy nanaiky ny filazantsara na tsy nanana fahafahana nandray izany teto amin’ity fiainana ity?
Asehoy ny sarin’ny Filoha Joseph F. Smith (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 127; jereo koa ny LDS.org). Hazavao fa nisaintsaina ny dikan’ny 1 Petera 3:18–20 sy 1 Petera 4:6 ny Filoha Joseph F. Smith raha nandray fanambarana sy nahita ny fitsidihan’ny Mpamonjy ny tontolon’ny fanahy izy. Nahita an’i Jesoa Kristy izy, teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty, nitory ny filazantsara sy nanompo ireo fanahy marina. Dia nandrindra sy nanome fahefana ireo mpanompo marina ny hampianatra ny filazantsara amin’ireo fanahy tao an-tranomaizina avy eo i Jesoa Kristy (jereo ny F&F 138:1–11, 29–30).
-
Araka ny 1 Petera 4:6, nahoana no torina amin’ireo maty ny filazantsara? (Mba hitondrana fitsarana marina sy ara-drariny amin’ny alalan’ny fanomezana fahafahana ny zanak’ Andriamanitra rehetra handre ireo lalàn’ Andriamanitra sy hiaina mifanaraka amin’izany.)
-
Inona ny fahamarinana mety hitantsika avy amin’ny fampianaran’i Petera momba ny fitoriana ny filazantsara amin’ny maty? (Mety hampiasa ny teniny manokana ireo mpianatra, saingy ataovy izay hahitan’izy ireo fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Torina amin’ireo izay efa maty ny filazantsara mba hahafahan’izy ireo manana fahafahana mitovy amin’ireo izay mandre ny filazantsara eto amin’ny fiainana an-tany.)
Avereno dinihina vetivety ilay tantara tany am-piandohan’ity andian-tsoratra masina ity:
-
Ahoana no maha-porofon’ny famindram-pon’ Andriamanitra sy ny fangorahany ny zanany ny fotopampianaran’ny famonjena ny maty?
Fintino ny 1 Petera 4:7–19 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nananatra ireo Olomasina i Petera mba hifankatia tsara satria ny fitiavana dia manarona, na misakana, fahotana maro (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Petera 4:8 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]). Nampianatra ireo Olomasina ihany koa i Petera mba hifaly rehefa ianjadian’ny fahoriana sy tsiny noho ny finoany an’i Jesoa Kristy izy ireo.
1 Petera 5
Nanoro hevitra ireo loholona i Petera mba hiambina ny ondrin’ Andriamanitra ary namporisika ny Olomasina mba hiorina tsara ao amin’ny finoana
Hazavao fa mba hanampiana ireo Olomasina hiomana amin’ireo fitsapana izay hatrehiny dia nampianatra ireo loholon’ny Fiangonana mikasika ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha-mpitarika azy ireo i Petera. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny 1 Petera 5:1–3 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo torolalana nomen’i Petera an’ireo loholon’ny Fiangonana.
-
Inona no torolalana nomen’i Petera an’ireo loholon’ny Fiangonana?
Hazavao fa ny hoe “[miandry] ny ondrin’ Andriamanitra” (andininy 2) dia midika hoe mikarakara sy miambina ireo mpikamban’ny Fiangonana. Ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia natao hanompo amim-pahazotoana sy amim-pitiavana fa tsy amim-pahalainana na amim-pitadiavana valisoa. Natao haneho ohatra tsara amin’ny mpikambana izy ireo fa tsy ho “mpanjakazaka” (andininy 3) amin’izy ireo.
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny torolalana nomen’i Petera ireo loholon’ny Fiangonana mikasika ny andraikitry ny mpitarika ao amn’ny Fiangonana? (Ampio ireo mpianatra hahita fahamarinana tahaka izao manaraka izao: Ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana dia manana andraikitra ny hikarakara sy hiambina ny ondrin’ Andriamanitra amim-pitiavana sy amin’ny alalan’ny fanehoana ohatra. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny 1 Petera 5:4 ka hitady ny niantsoan’i Petera ny Mpamonjy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo.
Asehoy ilay sary hoe Manao an-tsoroka ilay Zanak’ondry Very i Jesoa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah.64; jereo koa ny LDS.org), dia anontanio ireo mpianatra hoe:
-
Nahoana araka ny eritreritrao ny Mpamonjy no matetika raisina ho toy ny mpiandry ondry?
-
Toetra inona tahaka ny an’i Kristy no afaka manampy ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hiambina sy hikarakara ireo mpikamban’ny Fiangonana?
-
Inona ny fitahiana efa azonao tamin’ny alalan’ny fitiavana na ohatra tahaka ny an’i Kristy izay nasehon’ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana?
Fintino ny 1 Petera 5:7–14 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera dia nampianatra ireo Olomasina mba hanankina ny fanahian’izy ireo amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy sy hiorina tsara amin’ny finoana, na dia eo aza ny fahoriana. Nanome toky azy ireo i Petera fa raha manao izany izy ireo dia hataon’ Andriamanitra ho lasa lavorary sy homeny tanjaka izy ireo.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny famporisihana ireo mpianatra mba hatoky sy hanaraka ireo izay nantsoin’ny Tompo hiandry sy hikarakara azy ireo ara-panahy.
Soratra masina fehezina—1 Petera 4:6
Mba hamporisihana ireo mpianatra handray anjara amin’ny asa famonjena ho an’ireo razambeny dia avereno jerena miaraka amin’izy ireo ny 1 Petera 4:6, dia manontania hoe:
-
Inona no azontsika atao mba hanampiana ireo razambentsika izay efa nandray ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy ka miandry ny hanafahana azy ireo avy ao amin’ny tranomaizin’ny fanahy?
-
Inona no zavatra tsapanao izay maneho fa nahazo fitahiana ianao tamin’ny alalan’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambenao?
Asao ireo mpianatra mba hikatsaka fahafahana manao fikarohana ny tantaram-pianakaviana momba ireo razambeny sy handray anjara amin’ireo ôrdônansy atao any amin’ny tempoly ho an’ireo razambe ireo.
Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho
1 Petera 4:6. “Fa noho izao no nitoriana ny filazantsara tamin’izay maty”
Nampianatra izao manaraka izao ny Filoha Joseph Fielding Smith mikasika ny asa famonjena ho an’ny maty:
“Ireo rehetra izay tsy nanana fahafahana handray izany teto, ka mibebaka sy mandray ny filazantsara any, dia ho mpandova ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra. Nanomboka io asa lehibe io ny Mpamonjy rehefa nandeha sy nitory tany amin’ireo fanahy voatazona ao amin’ny tranomaizina, mba hahafahan’izy ireo ho voatsara araka ny olona ao amin’ny nofo (na raha lazaina amin’ny teny hafa dia araka ireo fitsipiky ny filazantsara) ary avy eo dia hiaina araka an’ Andriamanitra ao amin’ny fanahy, amin’ny alalan’ny fibebahan’izy ireo sy ny faneken’izy ireo ny asa nanirahana an’i Jesoa Kristy izay maty ho azy ireo” (Doctrines of Salvation, natambatr’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 2:132–33).
Nampianatra ny Filoha Lorenzo Snow mikasika ny fitoriana ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy hoe:
“Rehefa torina amin’ireo fanahy ao amin’ny tranomaizina ny Filazantsara, ny fahombiazana vokatr’izany fitoriana izany dia ho lehibe lavitra noho ny fahombiazana vokatry ny fitoriana nataon’ireo misiônerantsika teto amin’ity fiainana ity. Mino aho fa vitsy amin’ireo fanahy ireo tokoa no hinia tsy handray ny Filazantsara rehefa hoentina amin’izy ireo izany. Ho tsara arivo heny ny toe-javatra any” (“Discourse by President Lorenzo Snow,” Millennial Star, Jan. 22, 1894, 50).