Lesona 50
Lioka 10:1–37
Fampidirana
I Jesoa dia niantso sy nampianatra ary naniraka ireo Fitopololahy. Nitory ny filazantsara izy ireo, nanasitrana ny marary, nandroaka demonia, sy niverina nanao tatitra momba ny asan’izy ireo. Nampianatra ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy tamin’ny mpahay lalàna iray i Jesoa Kristy.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Lioka 10:1–24
Ny Tompo dia miantso, manome hery, ary mampianatra ny Fitopololahy
Mitondrà ao an-dakilasy fitoeran-javatra iray izay ahitana karazan-javatra maro ao anatiny (toy ny baolina manana habe isan-karazany). Manasà mpianatra iray ho eny aloha. Angataho ilay mpianatra hitazona eny an-tanany izay zavatra omenao azy ka tsy handatsaka na hametraka amin’ny tany na dia ny iray amin’izany aza. Omeo zavatra ilay mpianatra ka aza ajanona izany mandrapaha-tonga azy tsy afaka mitazona azy rehetra eny an-tanany sy mandra-pilatsaka ny sasany amin’izany. Avy eo dia anontanio ilay mpianatra hoe:
-
Inona no afaka hataonao mba hisorohana ny filatsahan’ireo zavatra ireo?
Raha ilaina, dia toroy hevitra ilay mpianatra hangataka fanampiana avy amin’ny olon-kafa ao amin’ilay kilasy. Tohizo ny fanomezana ireo zavatra ireo ho tazomin’ilay mpianatra, ary mamelà azy hamindra ny sasany amin’izany amin’ny mpianatra hafa. Avy eo dia asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra.
-
Ahoana no fomba mety hampitahanao ity fiaraha-mientana ity amin’ny fomba hiatrehan’ireo mpitarika ao amin’ny fiangonana ny andraikitr’izy ireo?
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny Mpamonjy dia niantso Apôstôly roa ambin’ny folo sy naniraka azy ireo mba hanampy amin’ny asany. Kanefa ireo Apôstôly ireo dia mila olon-kafa hanampy azy ireo hampianatra sy hanompo mba ahafahan’ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara ho tonga amin’ny olon-drehetra.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:1–2. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ireo olona izay notendren’ny Tompo mba hanampy ireo Apôstôly hanatanteraka ny asany.
-
Iza ireo olona notendren’ny Tompo mba hanampy Azy amin’ny asany? Inona no anjara asan’izy ireo?
Hazavao fa ny teny hoe fitopolo lahy ao amin’ny Lioka 10:1 dia manondro anjara fanompoana iray ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka. Io anjara fanompoana io dia hita ao amin’ny Fiangonana izay naverina tamin’ny laoniny ankehitriny. (Raha azo atao dia asehoy ireo pejy mitondra ny lohateny hoe “Manampahefana Ambony sy Mpiandraikitra Ambony ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” tamin’ny fihaonambe farany teo izay hita ao amin’ny Ensign na Liahona.) Misy maro ankehitriny ny kôlejin’ny Fitopololahy, kanefa ny mpikambana ao amin’ireo kôlejy roa voalohany ihany no antsoina hoe Manampahefana Ambony. Ny kôlejy tsirairay dia mety ahitana mpikambana hatrany amin’ny 70 isa. Ny asan’izy ireo amin’ny fitoriana ny filazantsara sy ny fanampiana amin’ny fitantanana ny Fiangonana dia eo ambany fitarihan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidian’ny Fitopololahy (jereo ny F&F 107:25–26, 34; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitopololahy,” scriptures.lds.org).
-
Araka ny voalazan’ny andininy 2, inona no lazain’ny Tompo fa vitsy tokoa ho an’ny asa fanangonana ireo fanahy?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana momba ny asan’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ireo mpianatra: Miantso mpanompo hafa ny Tompo ho fanampin ’ireo Apôstôly mba hisolotena Azy sy hanampy Azy amin’ny Asany.)
-
Ho fanampin’ireo Apôstôly sy ireo Fitopololahy, iza ihany koa no manana andraikitra hanampy ny Tompo amin’ny asany ankehitriny? (Ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra.)
Hazavao fa tahaka ny nambaran’ny Mpamonjy ny amin’ny antony ilàna mpiasa maromaro kokoa mba hitondra ireo vokatra avy amin’ny asa famonjena, ireo mpaminanin’ny andro farany ihany koa dia tsy tapaka ny miantso misiônera maromaro kokoa. Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:
“Mamerina izay efa nampianarin’ireo mpaminany hatry ny ela aho—fa ny zatovolahy rehetra izay mendrika sy afaka ara-batana sy ara-tsaina dia tokony hiomana hanao asa fitoriana. Ny asa fitoriana ny filazantsara dia andraikitry ny fisoronana—adidy izay andrasan’ny Tompo amintsika izay nomena be dia be. Ry zatovolahy, manentana anareo aho mba hiomananareo amin’ny asa fitoriana. …
“Teny kely ho anareo ry zatovovavy: na dia tsy manana andraikitra mitovy amin’ny ao amin’ny fisoronana tahaka ny ananan’ireo zatovolahy mba hanompo ho mpitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno aza ianareo, dia afaka mandray anjara lehibe amin’ny maha-mpitory anareo koa ianareo, ary mandray anareo an-tanan-droa ao amin’izany asa izany izahay” (“Eto Am-pihaonana Indray Isika Izao,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 5–6).
-
Ankoatra ny asa fanompoana amin’ny fotoana feno, ahoana ihany koa no fomba mety hanampiantsika ny Tompo amin’ny asany?
-
Inona avy ireo traikefa efa nankafizinao na nankafizin’ny olona fantatrao tamin’ny alalan’ny fanampiana ny Tompo amin’ny asany?
Fintino ny Lioka 10:3–24 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia manome torolalana ho an’ireo Fitopololahy mikasika ny fomba hanatanterahan’izy ireo ny andraikiny. Izy ihany koa dia nanafay ny olona amin’ny tanàna maro izay efa nandà ny asany. Taty aoriana, ireo Fitopololahy dia nanao tatitra momba ny asan’izy ireo tamin’i Jesoa, ary Izy dia nanome torolalana fanampiny ho azy ireo sy niara-nifaly tamin’izy ireo.
Lioka 10:25–37
Nampianatra ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy i Jesoa
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Tsy lavorary toa izany koa ireo manodidina antsika. Manao zavatra izay mahasorena sy mahadiso fanantenana ary mahatezitra ny olona. Ho toy izany foana no hitranga eto amin’ity fiainana an-tany ity” (“Izay Miantra no Hiantrana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 77).
Asao ny iray kilasy hisaintsaina raha toa izy ireo ka mahafantatra olona manao zavatra mahasorena na mandiso fanantenana na mahatezitra azy ireo.
-
Nahoana no mety ho sarotra ny mitia olona iray izay manao ireo zavatra ireo?
Rehefa mandalina ny Lioka 10:25–37 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay afaka hitarika azy ireo rehefa mifandray amin’ireo olona izay mety ho sarotra ny mitia azy.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:25. Asao ireo mpianatra hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fanontaniana napetrak’ilay mpahay lalàna tamin’i Jesoa.
-
Inona no nanontanian’ilay mpahay lalàna tamin’ny Mpamonjy?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:26–28. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny valintenin’ny Mpamonjy. Dia angataho avy eo ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Inona no fitsipika ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita fitsipika iray mitovitovy amin’izao manaraka izao: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay dia tsy maintsy mitia an’ Andriamanitra sy mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika isika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Araka ny ao amin’ny andininy 27, ahoana no fomba tsy maintsy hitiavantsika an’ Andriamanitra?
-
Inona no dikan’ny hoe mitia an’ Andriamanitra amin’ny fo, ny fanahy, ny tanjaka, sy ny sainao rehetra?
Tondroy ilay andian-teny hoe “mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika” eny amin’ny solaitrabe. Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny mety ho dikan’ny hoe mitia ny namantsika tahaka ny tenantsika, dia asao izy ireo hitanisa eny amin’ny solaitrabe ny zavatra ataony mandritra ny andro iray toy ny mahazatra. (Zavatra mety ho tafiditra anatin’izany, fiomanana atao amin’ny maraina, mihinana, matory, manao ny enti-mody sy ny sisa.)
Aorian’ny fananganana lisitra iray eny amin’ny solaitrabe, dia asao ireo mpianatra hisaintsaina hoe firy amin’ireo zavatra ataony ireo no mifantoka amin’ny tenany.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ity fampiharana ity?
-
Inona ireo fomba sasantsasany mety ahafahantsika mifantoka amin’ny fikarakarana ny hafa matetika kokoa sy mikatsaka ny hitia azy ireo tahaka ny itiavantsika ny tenantsika?
-
Inona ireo fomba sasantsasany ahafahantsika manao izany na dia mandritra ny fotoana anaovantsika ireo zavatra ho an’ny tenantsika aza? (Ohatra mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fiaraha-misakafo amin’ireo izay toa mahatsiaro tena ho irery na fandokafana amin’ny lafiny tsara sy amin’ny fo madio ny hafa mandritra ireo fiaraha-mientana izay ataonay any am-pianarana.)
-
Araka ny hevitrao, ahoana no ahafahan’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika tahaka ny itiavantsika ny tenantsika hanampy antsika hivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:29. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fanontaniana faharoa napetrak’ilay mpahay lalàna tamin’i Jesoa.
-
Inona no fanontaniana faharoa napetrak’ilay mpahay lalàna?
Manomana mpianatra maromaro haneho an-tsehatra ny fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy izay hita ao amin’ny Lioka 10:30–35. Manasà mpianatra iray hanao mpitantara ary mpianatra hafa ihany koa hilalao ny toeran’ilay Lehilahy Jiosy naratra, ireo olona roa mpangalatra, ilay mpisorona, ilay Levita, ary ilay Samaritana. (Raha toa ka somary vitsy ny mpianatra ao amin’ilay kilasy ampianarinao dia azon’izy ireo atao ny milalao anjara-toeran’ olona maro.) Azonao atao ny mamatsy azy ireo ara-pitaovana izay mety ahitana zavatra azo ametahana anarana, akanjo fanampiny izay ho alaina eny amin’ilay lehilahy Jiosy, fitoeran-javatra roa hanehoana ilay menaka sy ilay divay, seza misy kodiarana iray hanehoana ilay biby taingenana, ary vola vỳ roa hanehoana ireo denaria roa. (Fanamarihana: Azonao atao ny misafidy ireo mpandray anjara sy ny manome azy ireo toromarika manokana alohan’ny kilasy mba hakana antoka fa ilay seho an-tsehatra dia hahomby, ho maontina, ary tsy hitera-doza.)
Asao ilay mpitantara hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:30–35 ary angataho ireo izay mandray anjara amin’izany mba haneho an-tsehatra ilay fanoharana. Asao ny sisa rehetra hanaraka tsara sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ny amin’ny hoe iza no namantsika. Aorian’ilay seho an-tsehatra dia asao ireo mpianatra hamonjy ny toerany avy.
-
Inona tamin’ireo fihetsika nataon’ilay Samaritana no nanaitra anao indrindra?
Mba hanampiana ny iray kilasy hahatakatra tsara kokoa ny zavatra mety andrasana amin’ny mpisorona, Levita, sy Samaritana iray, dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanazavana manaraka izao:
Ireo mpisorona sy Levita dia nihazona ny fisoronana Aharôna ary nanana andraikitra hanompo an’ Andriamanitra sy ireo mpiara-belona aminy, na ao amin’ny tempoly izany na amin’ny maha-ohatra fakan-tahaka sy mpampianatra ny lalàn’ Andriamanitra azy ireo. Ireo mpihazona fisoronana ireo dia nahafantatra mazava tsara ilay didy manao hoe “tiava ny namanao tahaka ny tenanao” (Levitikosy 19:18) sy mba hikarakara ireo vahiny sy mpivahiny (jereo ny Levitikosy 19:34; 25:35). Mifanohitra amin’izany kosa anefa, “ireo Samaritana dia sady ampahan’ny Isiraelita no ampahan’ny Jentilisa. Ny fivavahan’izy ireo dia ny fifangaroana nisy teo amin’ny finoana sy ny fomba amam-panaon’ny Jiosy sy ny mpanompo sampy. … Nitombo tamin’ny [fankahalana] ireo Samaritana ireo Jiosy satria ireo Samaritana dia nihemotra tao amin’ny tsy finoana intsony ny fivavahana Isiraelita” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Samaritana,” scriptures.lds.org). Na ireo Jiosy na ireo Samaritana dia samy nandeha tamin’ny lalany avy mba tsy hifangaro.
-
Ao amin’ilay fanoharana, nahoana no mety hahagaga ny fihetsika nasehon’ilay mpisorona sy ilay Levita ary ilay Samaritana?
-
Inona ireo antony mety nananan’ilay Samaritana mba tsy hanampiany ilay Jiosy izay naratra?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 33, inona no nanetsika ilay Samaritana hanao zavatra rehefa hitany ilay lehilahy naratra?
Tsindrio manokana fa ny hoe manana fangorahana dia midika hoe mahatsikaritra ny zavatra ilain’ny olona iray na ny olana ananany sy ny mahatsapa faniriana ny hanao izay rehetra azontsika atao mba hanampiana izany olona izany.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 10:36–37. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ilay mpahay lalàna manaraka.
-
Ahoana no hamalian’ity fanoharana ity ilay fanontaniana ao amin’ny andininy 29, manao hoe “Iza ary no namako?”
Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny fampiasan’ny Mpamonjy ilay Samaritana ao amin’ity fanoharana ity dia milaza fa ny namantsika dia tsy ireo izay miaina manodidina antsika fotsiny ihany fa ihany koa ny tsirairay avy amin’ireo zanak’ Andriamanitra—anisan’izany ireo izay tena sarotra ho antsika ny mitia azy.
Mangataha mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ireto teny nambaran’ny Filoha Howard W. Hunter manaraka ireto:
“Mila tsaroantsika fa na dia isika aza no manao ny namana, Andriamanitra kosa no nanao ny mpiara-monina amintsika—na aiza na aiza. Ny fitiavana dia tsy tokony hanana sisin-tany. … Hoy i Kristy nilaza, ‘Fa raha izay tia anareo ihany no tinareo, inona no valim-pitia azonareo? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va?’ Matio 5:46)” (“The Lord’s Touchstone,” Ensign, nôv. 1986, 35).
-
Araka ny ao amin’ny andininy 37, inona no nampianarin’ny Mpamonjy ilay mpahay lalàna mba hataony?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina indray mandeha ny olona izay noeritreretin’izy ireo teo aloha izay mety ho sarotra ho azy ireo ny mitia azy.
-
Inona no azontsika atao mba hitiavana sy hangorahana ireo izay ananantsika fahasarotana ny mitia azy?
-
Mieritrereta fotoana iray izay nanarahanao na ny olona fantatrao ny torohevitry ny Mpamonjy ny mba “ho tia … ny namanao tahaka ny tenanao” (Lioka 10:27). Inona no vokatr’izany?
Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nampianarina tamin’ny lesona androany. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny misy banga manaraka ity ary asao ireo mpianatra hameno izany ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina: Hanaraka ny ohatra nasehon’ilay Samaritana tsara fanahy aho amin’ny alalan’ny …
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Lioka 10:37. “Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa”
Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanoro hevitra antsika mba hanaraka ny antson’ny Mpamonjy mba ho tahaka ilay Samaritana tsara fanahy:
“Samy handeha hamakivaky ny lalan’i Jeriko isika tsirairay mandritra ny diantsika eto an-tany. Inona no zavatra hiainanao? Inona no hiainako? Moa ve aho tsy hahatsikaritra ilay olona lavo notafihan’ny fahavalo izay hangataka ny fanampiako? Hoy toy izany ve ianao? Moa ve aho ho toy ilay iray izay nahita olona maratra sy naheno ny fitarainany nefa dia niampita lalana? Hoy toy izany ve ianao? “Na moa ve aho ho ilay iray izay nahita sy nandre dia nijanona ka nanampy?” Hoy toy izany ve ianao?
“I Jesoa no nanome ilay teny filamatsika hoe: ‘Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.’ Rehefa mankatò io fanambarana io isika, dia miseho amintsika mandrakizay ilay fahitana fifaliana izay mahalana no manan-tsahala ary tsy misy amboniny velively. …
“… Rehefa manaraka ny dian’ilay Samaritana tsara fanahy isika, dia mandeha amin’ny lalana izay mitondra antsika any amin’ny fahatanterahana” (“Your Jericho Road,” Ensign, feb. 1989, 2, 4).