Lesona 30
Matio 26:1–30
Fampidirana
Niray tetika tamin’ireo mpitarika Jiosy izay naniry ny hamono an’i Jesoa i Jodasy roa andro mialohany ny Paska. Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa ny alin’ny Paska.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 26:1-16
Niteti-dratsy niaraka tamin’ireo mpitarika Jiosy izay naniry ny hamono an’i Jesoa i Jodasy.
Omano mialoha ny fotoam-pianarana ny latabatra anankiray ka saromy amin’ny alalan’ny lamban-databatra izany ary apetraho eo aminy ny mofo (na biscuit masira) ary kaopy anankiray. Aorian’ny vatsim-panahy dia hazavao fa nandritra ny vaninandron’i Kristy dia tokony ho hita eo amin’ny latabatry ny Jiosy mandritra ny Paska ireo zavatra ireo, ary koa ny zavatra hafa koa.
-
Inona no tanjon’ny fankalazana ny Paska? (Ny Paska dia naorina tamin’ny andron’i Mosesy ho fampahatsiahivana ny zanak’i Isiraely ny fotoana nandalovan’ilay anjely mpandringana ny tranon’izy ireo ary nandringanana ireo lahimatoa tao Egypta [jereo ny Eksodosy 12:21–28; 13:14–15]. Nanao sorona zanak’ondry ny Isiraelita mandritra ny Paska ka namafy ny ràn’izany teny amin’ny tolanam-baravarany. Io zanak’ondry io dia tandindon’ny fiavian’ny Mesia, izay hanavotra ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesana sy ny fahotana amin’ny alalan’ny sorompanavotany [jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Paska,” scriptures.lds.org].)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:1–2 . Asaivo manaraka izany ny iray kilasy ka hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa fa hitranga aorian’ny Paska.
-
Inona no nolazain’i Jesoa fa hitranga aorian’ny Paska?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:3-5 . Asaivo manaraka ny iray kilasy ary hamantatra hoe iza no namolavola drafitra mba hamonoana an’i Jesoa teto.
-
Nahoana no nanapa-kevitra ny hiandry aorian’ny Paska mba hamonoana an’i Jesoa ireo mpanora-dalàna sy ireo lohan’ny mpisorona?
Fintino ny Matio 26:6–13 amin’ny fanazavana fa raha tany Betania i Jesoa dia nisy vehivavy iray nanatona Azy sy nanosotra Azy tamin’ny diloiloy tena lafobe ho famantarana ny fahafatesany sy ny fandevenana Azy izay nananontanona. Nimenomenana ny mpianany sasany, ka anisan’izany i Jodasy, iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo sy ny mpitam-bolan’ny vondrona, fa tokony ho namidy hanampiana ny mahantra ilay diloilo. Tsy tena niahiahy momba ny mahantra anefa i Jodasy fa mpangalatra iray izay te hahazo vola ho an’ny tenany izy (jereo ny Jaona 12:4–6). (Fanamarihana: Ny nanosorana diloilo an’i Jesoa tany Betania dia hovoaboasana bebe kokoa mandritra ny lesona momba ny Marka 11–14.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:14-16. Asaivo manaraka izany ny mpianatra rehetra mba hitady ny zavatra nataon’i Jodasy taorian’ny nibedesan’ny Mpamonjy azy noho ny fimonomononany.
-
Inona no nataon’i Jodasy? (Nanao teti-dratsy niaraka tamin’ny lohan’ny mpisorona izy mba hanampiana azy ireo hahita ny toerana nisy an’i Jesoa sy hisambotra Azy.)
-
Ohatrinona no vola nomen’ny lohan’ny mpisorona an’i Jodasy mba hilazany ny toerana nisy an’i Jesoa?
Hazavao fa “araka ny lalàn’i Mosesy, ny sekela volafotsy telopolo dia hanonitra ny tompon’andevo iray raha maty izany (jereo ny Eksodosy 21:32). … Ny tambin’ilay famadihana dia maneho ny tsy fanajan’i Jodasy sy ireo lohan’ny mpisorona an’ny Mpamonjy” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Testamenta Vaovao [Boky Torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 81). Nanatanteraka faminaniana iray tao amin’ny Testamenta Taloha momba ny famadihana ny Mpamonjy ihany koa izany (jereo ny Zakaria 11:12).
Matio 26:17-25
Mihinana ny sakafon’ny Paska i Jesoa sy ny mpianany
Asehoy ny fitaratra anankiray ary anontanio hoe:
-
Inona avy ireo ilaintsika fitaratra?
Asaivo mamaky mafy ity teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity ny mpianatra iray:
“Matetika no ialantsika ny fandinihana lalina ny ao anatintsika sy ny fiatrehana mivantana ireo fahalementsika sy ny fetra tsy azo ihoarantsika ary ny tahotsika. …
“Zava-dehibe ho an’ny fivoarantsika sy ny fahombiazantsika ara-panahy anefa ny fahafahana mahita mazava ny tenantsika. …
“Mamelà ahy ianareo mba hanoro hevitra fa ny soratra masina sy ireo lahateny zaraina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana dia fitaratra mahomby azontsika tazonina mba handinihan-tena” (“Moa izaho va izany, Tompoko?” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 58).
-
Ahoana no mety ampitahana ny soratra masina sy ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana amin’ny fitaratra?
Rehefa mandalina ny Matio 26:17–25ireo mpianatra dia asao izy ireo hitady fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo hamantatra ireo fahalemeny sy manao asa handresena azy ireny.
Fintino ny Matio 26:17-19 amin’ny fanazavana fa nilaza tamin’ny mpianany i Jesoa mba hamandrika efitrano iray tao Jerosalema hihinana ny sakafon’ny Paska.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:20-21. Asaivo manaraka izany ny iray kilasy ka hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ny Apôstôliny nandritra ny sakafon’ny Paska.
-
Inona no nolazain’i Jesoa tamin’ireo Apôstôliny?
-
Raha anisan’ireo Apôstôly ianao, inona no mety ho noeritreretinao tamin’io fotoana io?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:22. Asaivo manaraka ny iray kilasy ary hitady ny fihetsiky ny Apôstôly nanoloana ny fanambaran’i Jesoa.
-
Inona no fanontaniana napetraky ny Apôstôly?
-
Inona no ampianarin’ilay fanontaniana hoe “Moa izaho va izany, Tompoko?” amintsika momba ireo Apôstôly mahatoky iraika ambin’ny folo?
-
Raha miainga avy amin’io tantara io, inona no fitsipika azontsika ianarana momba ny fomba tokony hamalian’ny mpianatr’i Jesoa Kristy rehefa maheno ny tenin’ny Tompo izy ireo? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Rehefa naheno ny tenin’ny Tompo ireo mpianatra dia nanombantombana ny fiainany manokana izy ireo mba hahitana ny fomba hiharan’izany amin’ny tenan’izy ireo.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf:
“Tsy niahiahy ny fahamarinan’ny zavatra nolazain[’ny Mpamonjy] ireo mpianatra. Na koa nitoditodika dia nanondro olona iray ary nanontany hoe: ‘Moa izy va izany?’
“Fa, ‘nalahelo indrindra izy ireo, ka samy nanontany Azy hoe, Moa izaho va izany, Tompoko?’ [Matio 26:22].
“Manontany tena aho hoe inona no ho nataontsika tsirairay. … Mety ho nitoditodika ve isika ary niteny tao anakampontsika hoe: ‘Rahalahy Rakoto angamba izany olona tiany holazaina izany. Efa nampiahiahy ahy foana izy io,’ na ‘Faly aho fa ao Rahalahy Rabe. Mila maheno izany hafatra izany mihitsy izy’? Sa ve isika nanao tahaka an’ireo mpianatra fahiny ireo ka nandinika ny tenantsika ary nametraka fanontaniana lalina hoe: ‘Moa izaho va izany?’ (“Moa izaho va izany, Tompoko?” 56).
-
Inona ireo ohatra sasantsasany mikasika ny mety hakana fanahy antsika tsy hiraharaha ny tenin’ny Tompo ka hihambo fa natao ho an’ny olon-kafa izany?
Asao ny mpianatra iray hafa hamaky mafy ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Uchtdorf ity, ary asaivo mihaino ny zavatra nasain’ny Filoha Uchtdorf ataontsika rehefa mahare ny tenin’ny Tompo ny mpianatra rehetra:
“Ao anatin’ireo teny tsotra ireo hoe, ‘Moa izaho va izany?’ no ahitana ny fiandoham-pahendrena ary ny lalana mitondra any amin’ny fiovampon’ny tena manokana sy ny fiovana maharitra. …
“Tokony hanaisotra ny avonavontsika sy tsy hitoetra ao anatin’ny fieboeboantsika isika, ka hanontany amim-panetrentena hoe: ‘Moa izaho va izany, Tompoko?’
“Ary raha toa izao no valintenin’ny Mpamonjy hoe: ‘Eny ry zanako lahy [na zanako vavy], misy zavatra izay tokony hatsarainao, zavatra izay azoko hanampiana ny fandresena azy,’ dia mivavaka aho mba hanaiky izany valiny izany isika, hanaiky amim-panetrentena ny fahotantsika sy ny fahelementsika ka hanova ny fombantsika avy eo, amin’ny alalan’ny fahatongavana ho tsaratsara kokoa” (“Moa izaho va izany, Tompoko?” 56, 58).
-
Ahoana no nitahiana anao rehefa nampihatra ireo tenin’ny Tompo ianao ary nametraka fiovana tamin’ny fiainanao?
Mijoroa ho vavolombelona momba ny fitsipika hitan’ny mpianatra teo aloha. Asao ny mpianatra handinika ny fiainany manokana amin’ny fotoana rehetra handrenesany na hamakiany ny tenin’ny Tompo ary hampihatra faingana ny bitsika izay voarainy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:23-25 . Asaivo manaraka izany ny mpianatra rehetra ary hikaroka ny valinteny nomen’ny Mpamonjy tamin’ireo fanontanian’ny Apôstôly.
Hazavao fa namantatra avy hatrany an’i Jodasy ho ilay iray izay hamadika Azy i Jesoa (jereo ny Jaona 13:30).
Matio 26:26–30
Nanorina ny fanasan’ny Tompo i Jesoa Kristy
Asehoy ny sary Ilay Fanasana Farany (Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara [2009], lah. 54; jereo ihany koa ny LDS.org). Ampahafantaro ireo mpianatra fa rehefa avy nihinana ny sakafon’ny Paska niaraka tamin’ny Apôstôliny ny Mpamonjy dia nanorina ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo Izy.
Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny valinteniny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireto fanontaniana ireto eo amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana):
Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, inona no ataonao? Inona no eritreretinao? Inona no tsapanao?
Hazony ambony ny kaopy sy mofo eo ambonin’ny latabatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 26:26-29. Asaivo manaraka ny iray kilasy ka hitady izay nataon’ny Tompo tamin’ilay mofo sy ny tao anaty kapoaka.
-
Inona no nataon’ny Tompo tamin’ilay mofo sy ny tao anaty kapoaka?
-
Araka ireo andininy ireo, dia maneho inona ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo ireo? (Tokony hamantatra izao fotopampianarana manaraka izao ny mpianatra: Ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo dia maneho ny vatana sy ny ran’i Jesoa Kristy, izay nataony sorona ho antsika.)
Hazavao amin’ny mpianatra fa ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manome hevi-baovao fanampiny an’ireo andininy ireo. Asao ny mpianatra hamaky mangina ny ampahany amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 26:22 izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina . Asao ihany koa izy ireo hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 26:24–25 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.) Asaivo karohan’ny mpianatra ny fanovàna nentanim-panahy noentiny tamin’ireo andininy ireo, izay afaka manampy antsika hahatakatra ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo manan-danja anankiray.
-
Nahoana i Jesoa Kristy no nanorina ny fanasan’ny Tompo? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nanorina ny fanasan’ny Tompo ho antsika i Jesoa Kristy mba hahatsiarovana Azy sy ny Sorompanavotany noho ny fahotantsika.)
-
Inona avy ireo zavatra sasany azontsika atao mba hahazoana antoka fa ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy Sorompanavotany ho an’ny fahotantsika?
-
Amin’ny fomba ahoana no nisy fiantraikany teo amin’ny fahatsapanao sy ireo zavatra niainanao rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo ny fiezahana hahatsiaro ny Mpamonjy ny sy Sorompanavotany?
Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra fitsipika hafa dia anontanio hoe:
-
Araka ny andininy 27–28, dia mamela antsika hahazo inona ny fandatsahana ny ran’i Kristy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika? (Ho famelana ny helotsika.)
Mariho fa ny fihinanana ny mofo sy fisotroana ny rano fotsiny mandritra ny fanasan’ny Tompo dia tsy mahatonga antsika ho mendrika ny hahazo famelana ny fahotantsika. Tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy, sy mibebaka, ary mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny tena finiavana isika amin’ny alalan’ny fahatsiarovana Azy sy fiezahana ny hitandrina ny didiny. Manavao ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa isika rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika isika rehefa mibebaka sy mandray ny fanasan’ny Tompo.
Asao ny mpianatra hanoratra ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hampiharany ireo fahamarinana mikasika ny fanasan’ny Tompo izay nianarany tao amin’ny Matio 26. Asao ny mpianatra vitsivitsy, raha tsy manahirana azy ireo izany, mba hizara ny valinteniny amin’ny mpianatra rehetra.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy indray ny Matio 26:29 . Asaivo manaraka ny iray kilasy sady hikaroka ny fotoana nolazain’ny Mpamonjy fa handraisany indray ny fanasan’ny Tompo. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
Hazavao fa “ny fanasan’ny Tompo dia tsy maneho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ihany fa miandrandra ihany koa ny fotoana izay hiverenany amim-boninahitra eto an-tany (jereo ny 1 Korintiana11:26)” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Testamenta Vaovao, 83). Raha mijanona ho marina amin’ireo fanekempihavanantsika sy maharitra hatramin’ny farany isika dia ho anisan’ireo izay handray ny fanasan’ny Tompo miaraka amin’ny Mpamonjy amin’izany fotoana ho avy izany (jereo ny F&F 27:4–14).
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana nianarana nandritra ny lesona androany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 26:16. “[Nitady] izay andro hahazoany mamadika Azy [izy]”
Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Marka 14:10 dia manazava ny antony iray namadihan’i Jodasy an’i Jesoa: “Ary i Jodasy Iskariota, ilay isan’ny Roambinifololahy dia nankeo amin’ny lohan’ny mpisorona, hamadika an’i Jesoa aminy; fa niala Taminy izy ary tafintohina noho ny teniny” ( ).
Matio 26:28. “Ho famelana ny helotsika”
Ny Loholona Vaughn J. Featherstone ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra ny dikan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana mba hahafahantsika mandray famelan-keloka:
“Tena manan-danja ny fanavaozantsika ny fanekempihavanantsika amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Rehefa manao izany amim-kitsimpo sy omban’ny tena finiavana isika ka miala amin’ny fahotantsika ary manavao ny fanapahan-kevitra hanaraka an’ Andriamanitra dia manome lalàna iray hahafahan’ny fahotantsika ho voavela isan-kerinandro ny Tompo. Ny fihinanana ny mofo sy ny fisotrona ny rano fotsiny dia tsy hitondra izany famelan-keloka izany. Tsy maintsy miomana isika ary avy eo mandray ny fanasan’ny Tompo amin’ny fo torotoro sy ny fanahy manenina. Ny fiomanana ara-panahy ataontsika mba handraisana ny fanasan’ny Tompo dia tena manan-danja amin’ny fandraisana famelan-keloka” (“Sacrament Meeting and the Sacrament,” Ensign, sept. 2001, 24–25).