Lesona 45
Lioka 3–4
Fampidirana
Nitory fibebahana sy nijoro ho vavolombelona momba ilay Mesia izay ho avy i Jaona Mpanao Batisa. Nataon’i Jaona batisa i Jesoa Kristy ary avy eo Izy dia nifady hanina tany an’efitra nandritra ny 40 andro. Taorian’ny nandehanany tany Galilia, dia nambaran’i Jesoa tao nazareta fa Izy ilay Mesia. Nandà Azy ireo olona tao Nazareta, ary dia nankany Kapernaomy Izy, izay toerana nanasitranany marary sy nandroahany demonia.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Lioka 3:1–22
Naminany momba an’i Jesoa Kristy i Jaona Mpanao Batisa
Alohan’ny kilasy, dia mangataha mpianatra iray handalina ny tantaran’i Elia sy ilay mpitondratena tany Zarefata ao amin’ny 1 Mpanjaka 17:1–16 ary mpianatra iray hafa handalina ny tantaran’i Namàna sy i Elisa ao amin’ny 2 Mpanjaka 5:1–15. Hazavao fa izy ireo dia hanao famintinana fohifohy momba ireo tantara ireo aoriana kely ao amin’ity lesona ity. Angataho izy ireo hanasongadina manokana ny zavatra nataon’i Namàna sy ilay mpitondratena avy any Zarefata mba hanehoan’izy ireo ny finoany sy hanamarika fa izy ireo dia Jentilisa avokoa (tsy avy amin’ny mpianakavin’ Isiraely).
Mba hanombohana ny lesona dia angataho ireo mpianatra hanoratra eo amin’ny taratasy iray mikasika ny fotoana iray izay nahatsapany fa nosarahana na natokana tsy hifangaro amin’ireo manodidina azy izy vokatry ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay naverina tamin’ny laoniny (alaivo antoka ny tsy hanoratan’ireo mpianatra ny anarany ao amin’ny taratasiny). Rehefa ampy ny fotoana nomena, dia angataho ireo mpianatra hanome anao ny taratasiny. Vakio amin’ny feo avo ny sasantsasany amin’ireo traikefa ireo ho an’ny iray kilasy.
Rehefa mandalina ny Lioka 3:1–22 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fahamarinana iray izay afaka hanazava ny antony mety hahatsapan’ireo izay miaina ny filazantsara ho tafasaraka amin’ny hafa indraindray.
Hazavao fa teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy, ny mpisoronabe dia nihazona andraikitra ho toy ny mpitantana ny Fisoronana Aharôna sy mpitarika ara-politika ho an’ny firenena Isiraely. Na izany aza anefa, ny anjara fanompoan’ny mpisorona avo dia efa tao anatin’ny tsy fahamarinana talohan’ny fotoana nanombohan’ny Mpamonjy ny asa fanompoany. Raha tokony ho voafidin’ Andriamanitra, ireo mpisoronabe toa an’i Heroda sy ireo manam-pahefana Romana hafa kosa dia voafidin’ olombelona (jereo ny Bible Dictionary, “High priest”).
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 3:2–6. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny olona niresahan’ Andriamanitra toy izay ireo mpisoronabe.
-
Tamin’iza no tonga ny tenin’ny Tompo fa tsy tamin’ireo mpisoronabe? (“I Jaona zanakalahin’i Zakaria,” izay fantatra ihany koa hoe Jaona Mpanao Batisa.)
-
Inona no fampianarana nataon’i Jaona Mpanao Batisa?
Hazavao fa tamin’ny andron’i Jaona, ny olona sasany dia nino fa amin’ny maha-taranak’i Abrahama azy ireo dia tsara kokoa na tian’ Andriamanitra kokoa mihoatra noho ireo izay tsy Isiraelita izy ireo. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 3:7–9 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nampianarin’i Jaona Mpanao Batisa ireo Jiosy ny amin’ny zavatra tokony hataon’izy ireo mba hahafaly an’ Andriamanitra.
-
Inona no nampianarin’i Jaona Mpanao ireo Jiosy ny amin’ny zavatra tokony hataon’izy ireo mba hahafaly an’ Andriamanitra? (Hazavao fa ny hoe “voa” dia entina maneho ny vokatry ny safidy ataontsika.)
-
Araka ny ao amin’ny andininy 9, inona no hitranga amin’ireo izay tsy mamoa “voa tsara,” na tsy miaina am-pahamarinana?
Fintino ny Lioka 3:10–15 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jaona dia nampianatra vondron’ olona manokana avy amin’ireo Jiosy ny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo hamoa voa tsara. Ny asa fanompoan’i John dia niavaka, ary ny sasany dia nihevitra fa mety ho izy ilay Mesia.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 3:16–17 ary asao ny iray kilasy hikaroka ireo teny nolazain’i Jaona ny amin’ny zavatra hataon’ilay Mesia rehefa tonga Izy.
-
Inona no nolazain’i Jaona fa hataon’ilay Mesia izay ho avy?
Hazavao fa ilay fehezan-teny hoe “hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo” (andininy 16) dia manondro ny fanadiovana sy ny fanamasinana vokatry ny fandraisana ny fanomezan’ny Fanahy Masina.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny andininy 17, dia manehoa voa na vatokely vitsivitsy sy vovo-kazo na tapatapaka gazety. Afangaroy hiaraka amin’ilay vovo-kazo ireo voa, ary avy eo dia ataovy ambonin’ny lovia marivo izany.
-
Ahoana no fomba mety hanasarahan’ny olona iray ireo voa ireo amin’ilay vovo-kazo?
Hazavao fa rehefa voajinja sy voavely ny vary (rehefa tafasaraka amin’ny ilay zava-maniry ny voany), dia ho kororohana ireo voa. Ny fikororohana dia fomba taloha nampiasaina mba hanasarahana ireo voam-bary amin’ny akofa (ny hodiny ivelany). Ilay olona manao ny fikororoham-bary dia mampiasa pelle (izay nadika hoe “fikororohana” ao amin’ny soratra masina) mba hanipazana eny amin’ny rivotra ny vary efa voavely. Ny rivotra malefaka avy eo no mitondra ny maivana, ireo akofa izay tsy ilaina, ary ny voam-bary mavesatra dia milatsaka sy misavovona eo amin’ny fitatazana izany izay mipetraka ambany amin’ny tany.
Mba hanehoana izany foto-kevitra izany, dia mamorona ventilateur ampiasaina amin’ny tanana (azonao atao ny mampiasa taratasy matevina, baoritra, na taratasy mivalona raha ilaina). Manasà mpianatra iray hankeny aloha, ary asao izy hikopaka ireo voa izay mifangaro amin’ilay vovo-kazo. Rehefa manomboka mikopaka izany ilay mpianatra, dia araraho moramora ireo voa izay mifangaro amin’ny vovo-kazo mba hahafahan’ny rivotra avy amin’izany hanomboka hitsoka ny vovo-kazo ary ireo voa kosa dia hiverina hilatsaka eo ambonin’ny lovia. Asao ireo mpianatra hiverina eny amin’ny toerany.
-
Inona no soloan’ny vary sy ny akofa tena eto? (Ny vary dia maneho ireo olo-marina, ary ny akofa kosa dia maneho ireo olon-dratsy.)
-
Araka ny ao amin’ny andininy 16–17, iza no manasaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: I Jesoa Kristy dia manasaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy.)
-
Na dia amin’ny Andron’ny Fitsarana aza no hitrangan’ny fanasarahana tanteraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy, amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy sy ny fiainana ny filazantsarany hahatonga ireo mpianany ho tafasaraka amin’ny hafa ankehitriny?
-
Nahoana no ilaintsika ny mahatakatra fa ny fikatsahana ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany dia mety hahatonga antsika ho tafasaraka amin’ny hafa na ny hahatsapa izany?
Fintino ny Lioka 3:18–22 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa dia tonga mba hataon’i Jaona Mpanao Batisa. Taty aoriana dia nampidirin’i Heroda tany am-ponja i Jaona Mpanao Batisa.
Lioka 3:23–38
Ny filazana ny razan’i Jesoa Kristy
Fintino ny Lioka 3:23–38 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Lioka dia nampiditra ny tetiaran’i Jesoa tao amin’ny rakitsorany sy nijoro ho vavolombelona fa i Josefa dia “noraisina ho” (tsy tena) rain’i Jesoa, izay Zanakalahin’ Andriamanitra.
Lioka 4:1–13
Nalain’i Satana fanahy tany an’efitra i Jesoa
Hazavao fa ny Lioka 4:1–13 dia ahitana tantara iray momba ny nifadian’i Jesoa hanina tany an’efitra nandritra ny 40 andro sy ny nandavany ireo fankam-panahin’i Satana.
Lioka 4:14–30
Nanambara i Jesoa fa Izy ilay Mesia
Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe malahelo, nampahoriana, mpifatotra, mahantra, ary jamba. Asao ireo mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay mety efa namaritan’ny iray na ny maro tamin’ireo teny ireo ny fahatsapany ny tenany. Rehefa mandalina ny Lioka 4:14–30 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ny fomba mety hahazoany fanamaivanana amin’ireo fahatsapana ireo.
Fintino ny Lioka 4:14–17 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny niverenan’i Jesoa avy tany an’efitra dia nanomboka nitory tao amin’ireo synagoga tany Galilia Izy. Taty aoriana kely dia niverina tany amin’ny tanàna niaviany tao Nazareta Izy. Rehefa tonga tao Izy dia nitsangana tao amin’ny synagoga iray sy namaky avy ao amin’ny bokin’i Isaia.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 4:18–21 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nampianarin’i Isaia momba ny asa masina nanirahana ny Mesia.
-
Inona no nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona tamin’ireo olona tao amin’ny tanàna niaviany tao Nazareta ireo? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: I Jesoa no ilay Mesia izay nirahina hanasitrana ireo maratra am-po sy hanafaka ireo izay babo ara-panahy.)
-
Inona avy ireo traikefa efa nanananao izay naneho taminao fa i Jesoa Kristy dia mbola manohy manasitrana sy manafaka antsika amin’izao fotoana iainantsika izao?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 4:22 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny fomba namalian’ny olona tao Nazareta ilay fanambarana feno fahasahiana izay nataon’i Jesoa fa izy ilay Mesia izay nandrasana hatry ny ela.
-
Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona nanoloana ny zavatra nambaran’i Jesoa?
-
Raha miainga amin’ny zavatra voalaza ao amin’ny andininy 22, nahoana araka ny hevitrao ireo olona tao Nazareta no nanana fahasarotana tamin’ny finoana fa i Jesoa ilay Mesia?
Fintino ny Lioka 4:23 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa dia nahafantatra fa ny olona ao Nazareta dia haka fanahy Azy mba hanaporofo fa Izy ilay Mesia amin’ny alalan’ny famerenany ireo fahagagana izay nataony tany Kapernaomy.
Asao ireo mpianatra hijery amim-pahanginana ao amin’ny Lioka 4:24–27 sy hikaroka ireo tantara roa avy amin’ny Testamenta Taloha izay noresahin’ny Mpamonjy rehefa namaly ny vahoaka tao Nazareta Izy. (Mety ilainao ny manazava fa ny hoe Elia dia manondro an’i Elià.) Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Asao amin’ izay eto ireo mpianatra roa nasainao handalina mialoha ireo tantara ireo mba hanolotra ny famintinana izany. Aorian’izany dia hazavao fa i Jesoa dia nampianatra ireo olona tao Nazareta fa na dia nisy aza ny Isiraelita mpitondratena sy boka, ireo olona roa izay niaina fahagagana ireo kosa dia tsy Isiraelita (Jentilisa).
-
Inona avy ireo fomba nanehoan’i Namàna sy ilay mpitondratena tao Zarefata ny finoan’izy ireo?
-
Inona no maha samihafa ny finoan’ilay mpitondratena sy i Namàna amin’ny finoan’ireo olona tao Nazareta?
Tsindrio manokana fa ny fahagagana izay nataon’i Jesoa tao Nazareta dia tena vitsy satria tsy ampy ny finoan’ny olona tao tamin’ny ankapobeny (jereo ny Matio 13:54–58; Marka 6:1–6).
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana momba ny finoana rehefa mampitaha ireo olona tao Nazareta amin’ilay mpitondratena sy i Namàna isika? (Ampio ireo mpianatra hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity: Rehafa maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahita fahagagana mitranga.)
Asao ireo mpianatra ho eny amin’ny solaitrabe ary hanao lisitra ireo fomba mety hahafahantsika maneho ny finoantsika fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra antsika. Rehefa vitan’izy ireo ilay lisitra, dia manontania hoe:
-
Inona avy ireo ohatry ny fitahiana na fahagagana izay tsy ho tonga raha tsy miasa am-pinoana aloha isika?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 4:28–30 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny fomba namalian’ireo izay tao amin’ny synagoga an’i Jesoa. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanoharan’ity tantara ity ny fomba hanasarahan’i Jesoa Kristy ny olon-dratsy amin’ny olo-marina? (jereo ny Lioka 3:17.)
Lioka 4:31–44
Nandroaka devoly sy nanasitrana ny marary i Jesoa
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 4:31–44 miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy sy hikaroka ireo fitahiana norasin’ny olona tao Kapernaomy raha oharina amin’ireo fitahiana izay noraisin’ny olona tao Nazareta. Aorian’ny famakiana izany, dia asao izy ireo hiady hevitra ny valinteniny miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny manoratra ireo fanontaniana ireo eny amin’ny solaitrabe):
-
Ahoana no namalian’ny olona tao Kapernaomy an’i Jesoa tamin’ny fomba hafa raha oharina amin’ny fomba namalian’ny olona Azy tao Nazareta?
-
Inona ireo fitahiana noraisin’ny olona tao Kapernaomy raha oharina amin’ny fitahiana noraisin’ny olona tao Nazareta?
-
Ahoana no fomba anehoan’ireo tantara ireo ny fitsipika fa rehafa maneho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika dia afaka mahita fahagagana mitranga?
Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny valinteniny amin’ny iray kilasy mikasika ireo fanontaniana roa farany ireo.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fizaranao fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana izay efa noraisinao taorian’ny nanehoanao finoana Azy. Asao ireo mpianatra hanoratra fomba maromaro izay ahafahany maneho ny finoany an’i Jesoa Kristy ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina. Asao izy ireo hanao tanjona ny hanatanteraka ny zavatra nosoratany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Lioka 3:17. “[Izy] dia hanangona ny vary ho any amin’ny sompiny”
Ny hevitra iray fonosin’ny teny hoe sompitra izay toerana hanangonana ny vary na ny olo-marina dia maneho ny tempoly. Raha nilazana fanoharana iray (jereo ny Almà 26:5) mitovitovy amin’ny ao amin’ny Lioka 3:17 ny Loholona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza izao manaraka izao:
“Ny sompitra dia ny tempoly masina. Nanazava ny Loholona Neal A. Maxwell fa: ‘Mazava ho azy fa rehefa manao batisa isika dia tokony ho miandrandra ny tempoly masina ny masontsika mihoatra ny toerana fanaovana batisa. Ny sompitra lehibe izay tokony hanangonana ireo amboara ireo dia ny tempoly masina’ (ao amin’ny John L. Hart, ‘Make Calling Focus of Your Mission,’ Church News, 17 Sept. 1994, 4). Izany torolalana izany dia manazava sy manamafy ny maha-zava-dehibe ny ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny tempoly—mba tsy ho very ireo amboara” (“Hitondra anarana iray amim-pahamendrehana ary mitoetra,” Ensign na Liahona, Mey 2009, 97).
Lioka 4:25–27. I Namàna sy ilay mpitondratena tao Zarefata
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanao izao fanehoan-kevitra manaraka izao mikasika ny finoana izay nasehon’ilay mpitondratena tao Zarefata sy i Namàna raha oharina amin’ny finoan’ireo izay tao Nazareta tamin’ny andron’i Jesoa:
“Rehefa misy ny finoana, dia misy ny fahagagana; ary raha tsy misy ny finoana, dia tsy misy fahagagana azo tanterahina. Ary raha toa ireo mpaminany fahiny ka nivoaka ny valan’ ondrin’i Israely mba hitady ireo izay mendrika ny asa fanompoan’izy ireo, dia toy izany koa no nivoahan’i Jesoa tao Nazareta mba hitady ireo fanahy vonon-kandray izay hino Azy sy handray ireo fitahiana izay omeny. Raha toa ka maniry ny hahita ireo asa mahagaga izay notanterahina tany an-kafa ireo olona tao Nazareta, dia aoka izy ireo hanaiky Azy izay notoriana tao amin’ny synagogany, koa handray ny fitahian’ny lanitra ihany koa izy ireo” (The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 2:26).