Tahirim-pitaovana
Lesona 32: Matio 27:1–50


Lesona 32

Matio 27:1–50

Fampidirana

Tafiditra tao anatin’ny teti-dratsy hamonoana an’i Jesoa Kristy no nitondran’ny mpitariky ny Jiosy Azy teo anoloan’i Pontio Pilato, izay governora Romana. Nandefa an’i Jesoa mba hokaravasiana sy hombohana amin’ny hazofijaliana i Pilato. Nanatanteraka ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa tamin’ny fanekena ny fijaliana sy ny fahafatesana.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Matio 27:1-25

I Jesoa dia nalefa tany amin’i Pilato mba hohelohina amin’ny fanombohana amin’ny hazofijaliana.

Asaivo mandinika ity fanontaniana ity ireo mpianatra:

  • Raha afaka nanatri-maso ny zava-nitranga tao amin’ny soratra masina iray ianao dia inona no hosafidianao?

Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny valintenin’izy ireo hitany. Hazavao fa mandritra ny lesona dia handalina ny iray amin’ireo zava-nitranga manan-danja indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny mpianatra. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa manatri-maso izay zava-mitranga.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity teny nolazaina misy banga ity: Androany aho dia nahita sy nahatsapa …

Lazao ny amin’ilay teny tsy feno eo amin’ny solaitrabe, ary hazavao fa ny mpianatra dia hanana fahafahana hameno izany rehefa hifarana ny lesona, ka hanao izany miainga avy amin’ny zavatra hiainany rehefa mandalina ny Matio 27:1–50.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa rehefa nosamborina i Jesoa dia “nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra” (Matio 26:56). Ny mpisorona avo natao hoe Kaifasy sy ny Synendriona dia niampanga an’i Jesoa tamin’ny fitenenan-dratsy—heloka izay azo saziana amin’ny fahafatesana teo ambanin’ny lalàna Jiosy; raha araka ny lalàna Romana anefa dia tsy nanana fahefana hanameloka olona iray ho faty ny Jiosy. Noho izany dia nikasa hitady fanamelohana iray teo ambanin’ny lalàna Romana izay hanasaziana an’i Jesoa ho faty ireo mpitariky ny Jiosy.

Fintino ny Matio 27:1-10 amin’ny fanazavana fa ireo mpitarika Jiosy dia nandefa an’i Jesoa tany amin’i Pontio Pilato, governora Romana an’i Jodia. Rehefa nahita izany i Jodasy dia nanenina ny safidy nataony hamadika an’i Jesoa izy ka nikasa ny hamerina ny vola noraisiny tany amin’ireo mpitarika Jiosy, ary avy eo namono tena. Satria ireo vola dia “vidin-drà” (Matio 27:6) ka araka izany tsy azo alatsaka ao amin’ny rakitry ny tempoly, dia nampiasan’ireo mpitarika Jiosy mba hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany, izay tokony nandevenana ireo olon-tsy fantatra (na vahiny) ny vola. I Matio dia niteny fa io zava-nitranga io dia fahatanterahan’ny faminaniana ao amin’ny Zakaria 11:12–13.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Matio 27:11–14. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hikaroka ny fiampangana nataon’ny mpitarika Jiosy tamin’i Jesoa teo anatrehan’i Pilato.

  • Araka ny andininy 11, inona no fanontaniana napetrak’i Pilato tamin’i Jesoa?

Hazavao fa ireo mpitarika Jiosy dia niampanga an’i Jesoa ho mpamadika, na olona nanandrana hanongana ny fanjakana Romana, ary izy ireo dia nitompo teny fa i Jesoa dia nilaza ny Tenany ho mpanjaka ary nikasa hanangana ny fanjakany manokana.

  • Araka ny andininy 14, nahoana i Pilato gaga indrindra?

Asaivo misaintsaina ireo mpianatra mikasika ny zavatra mety nolazain’izy ireo tamin’i Pilato ho fiarovana ny Mpamonjy raha toa nanana fahafahana hiresaka izy ireo. Asao ny mpianatra vitsivitsy hizara ny eritreriny amin’ny rehetra.

Fintino ny Matio 27:15–16 amin’ny fanazavana fa fanaon’ny governora Romana isan-taona mandritra ny Firavoravoan’ny Paska ny manome fahalalahana ny mpifatotra nanao heloka anankiray. Ny vahoaka dia navela hisafidy voafonja anankiray mba havototra ho malalaka. Ny voafonja malaza iray tamin’ny fotoana niampangana an’i Jesoa dia ny lehilahy iray natao hoe Barabasy, izay voaheloka ho mpangalatra sy mpikomy ny fahefan’ny Romana ary mpamono olona.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 27:17–25. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ka hitady ny zavatra nangatahan’i Pilato ny vahoaka izay niangona teo amin’ny lapan’ny governora.

  • Araka ny andininy 17 sy 21, inona no nangatahan’i Pilato ny vahoaka?

  • Inona ireo antony mety hahatonga an’i Pilato hanolotra ny fanafahana an’i Jesoa fa tsy i Barabasy?

  • Nahoana i Pilato no nanafaka an’i Barabasy tamin’ny farany ary nandefa an’i Jesoa mba hombohana amin’ny hazofijaliana?

Matio 27:26–50

I Jesoa dia nokaravasiana sy notsiratsiraina ary nombohona tamin’ny hazofijaliana

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 27:26 ary asao ny iray kilasy hitady ny zavatra nataon’i Jesoa talohan’ny nandefasana Azy mba hombohana amin’ny hazofijaliana.

  • Inona no dikan’ny hoe nokaravasiana? (Kapohina tsy tapaka amin’ny alalan’ny karavasy.)

Azonao atao ny mampiseho vato kely maranitra sisiny ary manazava fa ny karavasy ampiasaina amin’ny fikapohana dia matetika ahitana zavatra maranitra (toy ny vongana vato, vy na taolana) izay notenomina teo amin’ny tady maromaro eo amin’izany. Io karazana fanasaziana io dia mazanà natokana ho an’ireo mpanompo, fa ireo manan-kaja na olom-pirenen’i Roma kosa dia nampijaliana tamin’ny tsorakazo na anja-by. Betsaka no tsy tafavoaka velona amin’ny fikapohana vokatry ny takaitra ara-batana mahery vaika navelan’izany.

Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 27:27-32. Asaivo manaraka ny vakiteny ny iray kilasy ary hikaroka ny zavatra nataon’ny miaramila Romana tamin’i Jesoa.

  • Inona no nataon’ny miaramila Romana ho faniratsirana an’i Jesoa?

  • Nahoana araka ny eritreritrao ireo miaramila no nitady olona hafa hibata ny hazofijalian’i Jesoa ho Azy? (I Jesoa dia mety efa reraka ara-batana be taorian’ny niainany fanaintainana tsy hay eritreretina ary very rà be dia be noho ny fijaliany tao Getsemane sy noho ny fikaravasianana Azy.)

  • Noho ny fahafantarana fa i Jesoa no Zanakalahin’ Andriamanitra sy Mpamonjin’izao tontolo izao, ahoana no mety ho fahatsapanao raha noterena hibata ny hazofijalian’i Jesoa ianao?

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 27:33–34, ary asao ny mpianatra rehetra hikaroka ny zavatra tsy neken’i Jesoa atao mialoha ny fanombohana Azy teo amin’ny hazofijaliana.

  • Inona no tsy neken’i Jesoa atao? (Misotro ny zava-pisotro natolotra Taminy.)

Ny fanolorana zava-pisotro dia fahatanterahan’ilay faminaniana hita ao amin’ny Salamo 69:21. Mety ilaina ny hanazavanao fa ny fanolorana divay “miharo afero” (Matio 27:34), na “divay miharo miora” araka ny voarakitry Marka (Marka 15:23), dia fomba fanao mba hanaisorana na hampihenana ny fainaintainan’ny olona miala aina anankiray. Noho ny tsy nanekeny hisotro ilay zava-pisotro dia nisafidy an-tsitrapo ny tsy hampihena ireo fahatsapany i Jesoa ary naneho ny fahavononany hitoetra ho mahatsiaro tena mandritra ny ambin’ny fijaliany ao anatin’ny sorompanavotany.

Asao ny mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Matio 27:35–45, ary asao ny iray kilasy hikaroka ireo zavatra fanampiny nataon’ny vahoaka mba haniratsiràna na hakana fanahy an’i Jesoa.

  • Ahoana no naniratsiran’ny vahoaka na nakany fanahy an’i Jesoa?

  • Noho ny fahafantarana fa nanana hery hanavotana ny Tenany i Jesoa dia nahoana araka ny hevitrao no tsy nidina tamin’ny hazofijaliana Izy?

Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Matio 27:46 , ka hitady ny zavatra nolazain’i Jesoa raha teo ambonin’ny hazofijaliana Izy.

  • Inona no nolazain’i Jesoa? (“Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao?”)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zava-nitranga tamin’io fotoana io dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Loholona Jeffrey R. Holland

“Mijoro ho vavolombelona amin’ny fandresen-dahatry ny fanahiko manontolo aho fa … ny Ray tonga lafatra dia tsy nandao ny Zanany tamin’io fotoana io. Ny tenako manokana dia mino tokoa fa tamin’ny asa fanompoan’i Kristy teto an-tany rehetra dia mbola tsy akaiky indrindra ny Zanany noho ny tamin’ireo fotoan’ny fijaliany faraparany izay niainany fanaintainana tokoa ireo Izy. Na dia izany aza, … dia nandao an’i Jesoa nandritra ny fotoana fohy ny fampiononan’ny Fanahiny, ny fanohanan’ny fanatrehany manokana” (“None Were with Him,” Ensign na Liahona, mey 2009, 87–88).

  • Nahoana araka ny eritreritrao ny Fanahin’ny Ray any An-danitra no nandao an’i Jesoa nandritra io fotoana io?

Mba hanampiana ireo mpianatra hamantatra fahamarinana iray avy amin’ny andininy 46, dia vakio ny ambin’ny fanambaran’ny Loholona Holland:

“Notakiana, ary fototry ny maha-zava-dehibe ny Sorompanavotana tokoa ny tokony hahafantaran’io Zanakalahy tonga lafatra izay tsy mbola niteny ratsy na nanao zavatra tsy mety na nikasika zavatra ratsy io ny mety ho tsapatsika olombelona rehetra ambiny—isika, eny isika rehetra—rehefa manao izany fahotana izany. Mba hahatonga ny Sorompanavotany ho tsy manam-petra sy mandrakizay dia nila nahatsapa izany hoe fahafatesana izany Izy, tsy ny fahafatesana ara-nofo ihany fa ny ara-panahy koa, nila nahatsapa ny hoe laozan’ny Fanahin’ Andriamanitra, ka lasa irery tanteraka, amin’ny fomba mahatsiravina sy tsy misy fanantenana Izy” (“None Were with Him,” 88).

  • Raha miainga avy amin’ny Matio 27:46 sy ny tenin’ny Loholona Holland dia ahoana no hamintinanao ny zavatra niainan’ny Mpamonjy ho ampahan’ny Sorompanavotana? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Ho ampahan’ny Sorompanavotana dia nahatsapa ny fandaozan’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra Azy i Jesoa Kristy.)

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Holland dia nahoana i Jesoa Kristy no niaina ny fandaozan’ny Fanahy? (Mba hahatsapany hoe ahoana izany maty ara-panahy izany.)

Hazavao fa miaina fahafatesana ara-panahy isika, na ny fandaozan’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra rehefa manota. Mijoroa ho vavolombelona fa satria niaina fahafatesana ara-panahy i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane ary teo amin’ny hazofijaliana dia afaka manampy antsika Izy rehefa tafasaraka amin’ny Fanahin’ny Ray any An-danitra isika noho ny safidy tsy mety ataontsika. Afaka manampy antsika ihany koa izy rehefa mahatsapa isika fa irery.

Asao ireo mpianatra mba hamaky mangina ny Matio 27:50 ary ny ampahan’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 27:54, izay manova io andininy io mba hanao hoe “Ary rehefa niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa dia nilaza hoe, Raiko ô, vita, tanteraka ny sitraponao, dia nanolotra ny fanahiny Izy.” , ary hikaroka ny zavatra hafa notenenin’ny Mpamonjy raha mbola teo ambonin’ny hazofijaliana Izy.

  • Raha mifototra amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith an’io andininy io dia nahoana i Jesoa no nijaly ny zavatra rehetra nianjady Taminy? (Tokony hamantatra izao fahamarinana manaraka izao ny mpianatra: I Jesoa Kristy dia nijaly mba hahatanteraka ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.)

Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay lesona teo aloha, izay nandalinany ny Matio 26 ary nianarany mikasika ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane ary ny fahavononany hanoa ny sitrapony amin’ny an’ny Ray. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanoratra hoe Matio 26:39 ho andinin-tsoratra masina mifandray eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Matio 27:50 mba hanampiana azy ireo hahatsiaro fa i Jesoa dia nanatanteraka ny zavatra nampanantenainy.

  • Nahoana no sitrapon’ny Ray ny fiainan’i Jesoa ireo fijaliana nianjady Taminy ireo, izay nanomboka tao Getsemane ary nifarana teo amin’ny hazofijaliana?

Hazavao fa ny iray amin’ireo fomba tsara indrindra hanehoana amin’ny Tompo ny fankasitrahantsika ny fijaliany ho antsika dia ny fiainana amim-pahamarinana. Resaho indray ilay fehezan-teny tsy feno nosoratanao teo amin’ny solaitrabe tany amin’ny fiandohan’ny fotoam-pianarana: “Androany aho dia nahita sy nahatsapa …” Asao ny mpianatra hameno an’io andian-teny io ao amin’ny kahieny na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy nomena fotoana ampy izy ireo dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Matio 27:15–21. I Barabasy sa i Jesoa?

Mahavariana ny dikan’ny anarana hoe Barabasy izay manao hoe “zanaky ny ray.” Ireo vahoaka, izay nahitana olona maro nikorontan-tsaina noho ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona dia nangataka ny famelana an’i Barabasy ary nandà ilay Zanakalahin’ny Ray tena marina. Amin’ny lafiny iray dia mitovy amin’i Barabasy isika rehetra—isika rehetra dia zanakalahy mpanota navela noho ilay Zanakalahin’ny Ray nohelohina ho faty. I Barabasy dia mpangalatra sy mpamono olona ary mpamadika fa i Jesoa ilay Kristy kosa dia tonga lafatra. Ireo izay nanameloka ny Mpamonjy ho faty dia nanana safidy mazava tsara, ary izy ireo dia nisafidy ny ratsy.

Ny lalàn’i Mosesy dia nilaza mialoha ny famelana an’i Barabasy handeha taon-jato maro talohan’ny fitrangan’izany. Ny lalàn’i Mosesy dia nampianatra fa in-dray mandeha isan-taona, mandritra ny Andron’ny Sorompanavotana dia mifantina osy anankiroa ny mpisorona avo. Ny osy iray dia lasa Azazela ary navela ho malalaka sy velona any an-tany foana, fa ny iray kosa dia ‘ho an’ny Jehovah’ ary novonoina mba ho fanatitra ho an’ny fahotan’ny vahoaka (jereo ny Levitikosy 16:8–10). Ny mpisorona avo dia maka ny rà avy amin’ilay osy novonoina avy eo mba hoentina ao amin’ny toerana masina indrindra ao amin’ny tabernakely. Manopy izany eo amin’ny saron’ny fiaran’ny fanekena (izay antsoina hoe rakotra fanaovam-panavotana) izy, ka izany dia tandindon’ny fanaovana sorompanavotana ho an’ny fahotan’i Isiraely.

I Gerald N. Lund, izay lasa mpikambana tao amin’ny Fitopololahy taty aoriana, dia nanazava ny hoe amin’ny fomba ahoana ireo zava-mitranga mandritra ny Andron’ny Sorompanavotana no milaza mialoha ny fanomezan’ny Mpamonjy ny ràny: “I Kristy, amin’ny maha-zanakondrin’i Jehovah sy amin’ny maha-mpisorona avo Azy ihany koa dia nandatsaka ny ràny manokana mba hidirana ao amin’ilay toerana masina indrindra ao amin’ny tempoly izay hanefan’izany rà izany ny fahotan’izy ireo, ireo izay hino Azy sy hankatò ireo didiny. (Jereo ny Heb. 9:11–14, 24–28; 10:11–22; F&F 45:3–5.)” (Jesus Christ, Key to the Plan of Salvation [1991], 67).

Matio 27:26. Inona ny dikan’ny hoe nokaravasiana?

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny nokaravasiana:

“Io fomba fanao mahery setra io, izay mialoha ny fanombohana amin’ny hazofijaliana dia ahitana ny fanaisorana ny akanjon’ilay olona sy ny famatorana azy amin’ny andry na tsanganana iray ary ny fikapohana azy amin’ny alalan’ny karavasy misy tady vita amin’ny hoditra sy ahitana zava-maranitra maro sy taolana. Izany dia mahatonga ilay olona mijaly handeha rà, ho malemy ary indraindray aza ho faty mihitsy” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:807).

Ny Loholona McConkie dia nilaza tamin’ny fotoana anankiray fa “maro no maty noho ny fikaravasiana fotsiny ihany, saingy [i Jesoa Kristy] dia nahazaka ny fangirifiriana avy amin’ny fikapohana mba hahafahany hanana fahafatesana mahatsiravina eo amin’ny hazofijaliana mivaivain’i Kalvary” (“The Purifying Power of Gethsemane,” Ensign, mey 1985, 9–10).