Lesona 26
Matio 23
Fampidirana
Nandritra ny herinandro farany niainan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany dia niampanga ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy ary nalahelo fatratra fa tsy hanaiky ny fitiavany sy ny fiarovany ny olona tao Jerosalema.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 23:1–12
Niampanga ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny Mpamonjy
Asao ireo mpianatra hampiseho ny boky soratra masin’izy ireo amin’ny namany ary asaivo mamantatra izy ireo hoe iza no manana ny boky lehibe indrindra.
-
Inona no hasetrinao raha toa ka milaza ny olona iray fa izay manana boky soratra masina lehibe indrindra no olo-marina indrindra?
-
Nahoana izany no fomba tsy mahomby amin’ny famantarana ny fahamarinan’ny olona iray?
-
Inona no mety hitranga raha mamantatra ny fahamarinan’ny hafa amin’ny alalan’ny endriny ivelany isika? (Ankoatra ny olana hafa, dia mety hitarika ny olona sasany hanao zavatra amin’ny fihatsarambelatsihy izany.)
-
Inona no atao hoe fihatsarambelatsihy? (“Ny teny hoe [mpihatsaravelatsihy] amin’ny ankapobeny dia mazàna no milaza ny olona iray izay milaza ho mpivavaka kanefa tsy izany mihitsy izy” [Bible Dictionary, “Hypocrite”]. Izany ihany koa dia afaka milaza ny olona iray izay milaza ho tsy mpivavaka kanefa tena mpivavaka izy.)
Hazavao fa tamin’ny ampahan’ny hafatra ampahibemaso farany nomen’ny Mpamonjy tao amin’ny tempoly tao Jerosalema nandritra ny herinandro farany nanompoany teto ambonin’ny tany dia niampanga ny fihatsarambelatsihin’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo Izy.
Asao ireo mpianatra hikaroka fahamarinana ao amin’ny Matio 23 izay hanampy azy ireo amin’ny fihetsika tokony aseho rehefa mahita ny hafa manao zavatra amim-pihatsarambelatsihy izy ireo sy ny zavatra azo atao mba handresena ny fihatsarambelatsihy eo amin’ny fiainany manokana.
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ao amin’ny Matio 23:1–7. Asaivo manaraka ny iray kilasy ka hitady ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy momba ireo fomba izay naha-mpihatsaravelatsihy an’ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo. Hazavao fa ny andian-teny hoe “fipetrahan’i Mosesy” (andininy 2) dia midika fa nanana toerana manampahefana mba hampianatra ny fotopampianarana sy handika ary hanatanteraka ny lalàna ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo. Izany andian-teny izany dia mety nilaza ihany koa mikasika ny fipetrahana amin’ny dikany ara-baki-teny nisy tao amin’ny sinagoga fahiny izay natokana ho an’ireo izay nihevitra ny tenany ho mendrika kokoa noho ny olona hafa tao amin’ny sinagoga.
-
Ahoana no naha-mpihatsaravelatsihy ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo?
Lehilahy Jiosy manao fylakitera
Raha misy izany dia asehoy ny sarin’ ny olona iray manao fylakitera, izay antsoina ihany koa hoe fehy fampahatsiarovana. Hazavao fa fombafomba teo anivon’ny Jiosy ny manao fylakitera, izay boaty kely vita amin’ny hoditra nofatorana teo amin’ny handrina na tanana. Nisy horonan-taratasy kely izay nahitana ampahana lahatsoratra ao amin’ny soratra masina Hebreo tao anatin’ireo fylakitera. Nanao fylakitera ny Jiosy mba hanampy azy ireo hahatsiaro ny hanaraka ireo didin’ Andriamanitra (jereo ny Deoteronomia 6:4–9; 11:13–21; Eksodosy 13:5–10, 14–16). Tsy miampanga ireo izay nanao fylakitera ny Tompo saingy niampanga ireo izay nampiasa izany tamim-pihatsarambelatsihy na nampitombo ny haben’izany mba ho tsikaritry ny hafa rehefa anaovan’izy ireo izany.
-
Araka ny Matio 23:5 dia nahoana no nampitomboan’ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ny fylakiteran’izy ireo sy ny “somotraviaviny”?
-
Tamin’ny fomba hafa nanao ahoana no nikasan’izy ireo “ho hitan’ny olona” (andininy 5) na ho deraina araka an’izao tontolo izao?
-
Araka ny torohevitry ny Tompo ho an’ny mpianany ao amin’ny Matio 23:3, inona no azontsika atao rehefa mahita ny hafa manao zavatra amim-pihatsarambelatsihy, na milaza ny tenany fa olo-marina nefa tsy izany mihitsy raha ny tena marina? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay ahitan’izy ireo fahamarinana mitovy amin’izao manaraka ity: Afaka misafidy ny hankatò ny lalàn’ Andriamanitra isika na dia hitantsika manao zavatra amim-pihatsarambelatsihy aza ny hafa.)
-
Nahoana no manan-danja ho antsika ny manaraka an’io fahamarinana manan-danja io amin’izao vaninandro izao?
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 23:8, ary asaivo mitady ny torohevitry ny Tompo ho an’ny vahoaka mikasika ny zavatra tsy tokony hatao ny iray kilasy. Asao ireo mpianatra hanao tatitra ny zavatra hitany.
Mariho fa ny andian-teny hoe “mpirahalahy avokoa” (andininy 8) ary hazavao fa ny Mpamonjy dia nampianatra ny olona tsy hihevitra ny tenany ho tsara kokoa noho ny hafa satria zanak’ Andriamanitra avokoa izy rehetra, mitovy lenta eo imasony.
Fintino ny Matio 23:9–10 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny hoe Mpahary antsika ny Ray any An-danitra, ary Izy, i Kristy, dia nalefan’ny Ray sy tena Mpampianatra antsika izay manome fiainana (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 23:6 [ ]; Matio 23:7 [ ]).
Hazavao fa noheverin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hoe hahatonga azy ireo ho lehibe ny toerana sy ny laza eo imason’ny fiarahamonina. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 23:11–12, ary asao ny mpianatra rehetra hikaroka ny hoe iza no nolazain’ny Mpamonjy fa heverina ho lehibe ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.
-
Araka ny andininy 11, dia iza no heverina ho lehibe ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?
-
Araka ny andininy 12, inona no hitranga raha toa miezaka toy ireo Fariseo ny “hanandran-tena” (na hanandratra ny tenantsika) ho eo ambonin’ny hafa isika? (Aorian’ny famalin’ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Raha mikatsaka ny hanandratra ny tenantsika eo ambonin’ny hafa isika dia haetry. Hazavao fa ny haetry dia midika hoe ampidinina ambany na manjary tsy dia hajaina firy.)
-
Araka ireo andininy 11–12, inona no hitranga raha manetry tena sy manompo ny hafa isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Hanandratra antsika ny Tompo raha toa ka manetry tena sy manompo ny hafa isika.)
Hazavao fa ilay andian-teny hoe “hasandratra” (andininy 12) dia milaza fa hankahery antsika ny Tompo ary hanampy antsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa.
-
Inona no dikan’ny hoe manetry tena raha araka ny zavatra nianaranao tao amin’ny Matio 23?
Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ity fandrefesana manaraka ity. Asao ny mpianatra hisaintsaina ireo zavatra tsara izay nataony tany an-tsekoly sy tany an-tokantrano ary tany am-piangonana. Asao izy ireo hieritreritra izay hametrahany ny tenany eo amin’ilay fandrefesana araka ny fahavononany hanao asa tsara sy ny ezaka ataony mba hanetry teny.
Entano ny mpianatra hahatsiaro fa isika rehetra dia zanaky ny Ray any An-danitra avokoa. Azonao atao ihany koa ny mamporisika azy ireo hametraka tanjona mba hanompo olona iray isan’andro ho an’ny volana ambony. Azonao atao ny manasa azy ireo mba hanoratra momba izany ao anatin’ny diarin’izy ireo manokana.
Matio 23:13–36
Nanambarana loza ho an’ireo mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesoa Kristy
Mialoha ny fiatombohan’ny fotoam-pianarana dia omano ny kaopy tsy tantera-pahazavana miisa telo. Lotoy amin’ny alalan’ny fotaka na menaka ny ivelan’ny kaopy voalohany sy ny ao anatin’ny kaopy faharoa ary avelao ho madio ilay kaopy fahatelo. Asehoy ireo kaopy ary anontanio ny iray kilasy hoe amin’ny alalan’ny kaopy inona no tian’izy ireo hisotrona zavatra. Angataho ny mpianatra iray mba handinika ny ao anatin’ireo kaopy ary hanazava hoe amin’ny alalan’ny kaopy inona no tiany hisotrona zavatra ary nahoana.
-
Amin’ny fomba ahoana ireo kaopy maloto no maneho an’ireo mpihatsaravelatsihy?
Fintino ny Matio 23:13–36 amin’ny fanazavana fa niampanga ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ho mpihatsaravelatsihy ny Mpamonjy. Asao ny mpianatra hamaky aingana ireo andininy ireo mba hitady ny teny naverimberin’ny Mpamonjy teo am-panombohan’ny andininy vitsivitsy. Asaivo zarain’izy ireo ny zavatra hitany. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra mba hanisy marika ny teny hoe loza ao anatin’ireo andininy ireo. Hazavao fa ny hoe loza dia milaza ny fahoriana sy ny fahantrana ary ny alahelo.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto toko sy andinin-tsoratra masina ary fanontaniana ireto:
Matio 23:23–24 (jereo koa ny andininy 24,)
Matio 23:25–26
Matio 23:27–28
Matio 23:29–36 (jereo koa ny andininy 36,)
Ahoana no naha-mpihatsaravelatsihy ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo?
Inona no ohatra amin’izany karazana fihatsarambelatsihy izany izay hitantsika amin’izao androntsika izao?
Zarao ho tsiroaroa ireo mpianatra. Asao ny mpiara-miasa tsirairay mba hamaky mafy ny toko sy andinin-tsoratra masina eny amin’ny solaitrabe ary hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana eny amin’ny solaitrabe aorian’ny famakiana ny toko sy andinin-tsoratra masina tsirairay avy. (Amporisiho ireo mpianatra hamaky ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ireo andalan-tsoratra nampandraiketina azy ireo.)
Rehefa avy nomena fotoana ampy ny mpianatra, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitany.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 23:26, ary asao ny mpianatra rehetra hikaroka ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ny Fariseo mba handresena ny fihatsarambelatsihin’izy ireo.
-
Inona no nolazain’ny Mpamonjy ho ataon’ireo Fariseo?
-
Araka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Fariseo, inona no hitranga amintsika rehefa miezaka ny ho tonga madio ara-panahy ao anaty isika? (Aorian’ny famalin’ireo mpianatra dia ampio izy ireo hahatakatra ity fitsipika manaraka ity: Rehefa miezaka ny ho tonga madio ara-panahy ao anaty isika dia ho hita taratra amin’ny safidy ety ivelany ataontsika izany.)
-
Inona no tsy maintsy ataontsika mba ho madio ara-panahy ao anaty?
-
Amin’ny fomba ahoana ny fahamarinantsika ao anaty no ho hita taratra amin’ny safidy ataontsika ety ivelany?
Asao ny mpianatra mba hisaintsaina hoe ilay kaopy manao ahoana no maneho indrindra ny toetoetriny fiainan’izy ireo ara-panahy amin’izao fotoana. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitsipika teo aloha ireo ary entano ny mpianatra hametraka tanjona izay hanampy azy ireo ho madio ara-panahy.
Matio 23:37–39
Nitomany ny Mpamonjy fa tsy hanatona Azy ny vahoaka tao Jerosalema
Asehoy na ataovy ny sarin’ ny reniakoho miaro ny zanany.
-
Nahoana ny reniakoho no manangona ireo zanany ao ambanin’ny elany? (Mba hiarovana azy ireo amin’ny loza. Mariho fa ny reniakoho dia hanao sorona ny ainy mba hiarovana ireo zanany.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 23:37–39. Asao ireo mpianatra hanaraka ary hitady hoe amin’ny fomba ahoana ny Mpamonjy no toy ny reniakoho, raha araka ny voalazany.
-
Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny Mpamonjy amin’ny reniakoho manangona ny zanany?
-
Inona no dikan’ny hoe hangonin’ny Mpamonjy?
Mariho ilay andian-teny hoe “avela ho lao ho anareo ny tranonareo” (andininy 38), ary hazavao fa ny hoe lao dia midika hoe foana na nilaozana. Satria tsy vonona ny hangonin’ny Mpamonjy ny olona dia tavela tsy voaro izy ireo. Izany andian-teny izany dia mety nilaza ny toetoetra ara-panahin’ny olona nandritra ny andron’i Jesoa, torak’izany koa amin’ny fandravana an’i Jerosalema amin’ny hoavy.
-
Araka ny zavatra nampianarin’i Jesoa momba ny reniakoho sy ny zanany, afaka mahazo inona isika raha toa ka vonona ny hangonin’ny Mpamonjy? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Raha toa ka vonona ny hangonin’ny Mpamonjy isika dia hahazo ny fikarakarany sy ny fiarovany.)
-
Ahoana no fomba ahafahantsika maneho amin’ny Mpamonjy fa vonona ny ho voangona ao Aminy isika? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba iray ahafahan’izy ireo ho voangona ao amin’ny Mpamonjy, dia asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity, izay nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Efa imbetsaka [ny Mpamonjy] no nilaza fa hanangona antsika tahaka ny hanangonan’ny reniakoho ny zanany eo ambanin’ny elany. Nilaza Izy fa tsy maintsy misafidy ny hanatona Azy isika. …
“Fomba iray hanaovana izany ny fivondronana miaraka amin’ny Olomasina ato amin’ny Fiangonany. Vonjeo ny fivorianareo, na dia toa sarotra aza izany. Raha tapa-kevitra ianareo dia hanampy anareo hahita ny tanjaka hanaovana izany Izy” (“In the Strength of the Lord,” Ensign na Liahona, mey 2004, 18).
-
Inona no nolazain’ny Filoha Eyring fa azontsika atao mba hampisehoana ny fahavononantsika ho voangon’ny Mpamonjy?
Asaivo jeren’ny mpianatra ny lisitra eo amin’ny solaitrave izay momba ny fomba hahafahantsika mampiseho ny fahavononantsika ho voangon’ny Mpamonjy. Asao izy ireo hizara ny fomba nandraisany fikarakarana sy fiarovana noho ny fiangonana tao amin’ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny iray amin’ireo fomba ireo.
Asao ny mpianatra hanapa-kevitra ny amin’izay hataony mba hiangonana ao amin’ny Mpamonjy mba hahafahany manohy mahazo ny fikarakarany sy ny fiarovany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 23. Ireo karazam-pihatsarambelatsihy
Ny Filoha N. Eldon Tanner tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanazava fa misy karazany roa ny fihatsarambelatsihy:
“I Harry Emerson Fosdick dia nandinika fa misy karazany roa ny fihatsarambelatsihy: rehefa miezaka miseho tsaratsara kokoa noho ny tena isika marina isika, ary rehefa mamela ny tenantsika ho ratsiratsy kokoa noho ny tena isika marina. Niresaka mikasika an’ilay karazana fihatsarambelatsihy hisehoan’ny olona ho tsaratsara kokoa noho ny tenany marina isika. Matetika loatra anefa isika no mahita mpikambana ao amin’ny Fiangonana izay mahafantatra sy mino ao am-pony, nefa noho ny fahatahorana sy ny hena-maso dia tsy mijoro ary tsy miaro ny marina. Tena goavana tahaka an’ilay karazana fihatsarambelatsihy iray hafa izany” (“Woe unto You … Hypocrites,” Improvement Era, des. 1970, 33).
Matio 23:35. “I Zakaria, zanak’i Barakia, izay novonoinareo teo anelanela’ny tempoly sy ny alitara”
Tao amin’ny gazetiboky Times and Seasons nivoaka ny volana septambra 1842, izay natonta nandritra ny fotoana naha-mpiadidy ny famoahana an’i Joseph Smith no nahitana fanazavana mikasika ny niafaran’i Zakaria, rain’i Jaona Mpanao Batisa:
“Rehefa nodidian’i Heroda ny handringanana ireo zazakely dia tokony teo amin’ny enim-bolana zokin’i Jesoa teo i Jaona, ka anisan’ireo izay tokony hiaran’izany zavatra mahatsiravina izany izy, ary nasain’i Zakaria hoentin’ny reniny ho any an-tendrombohitra izy, dia tany no nahalehibe azy sy nahavelona azy tamin’ny alalan’ny valala sy tantely remby. Rehefa nandà ny fanoroana ny toerana niafenany ny rainy, ary tamin’ny maha-mpisorona avo mpiandraikitra tao amin’ny Tempoly azy tamin’io taona io no namonoana [azy] araka ny baiko nomen’i Heroda, teo anelanelan’ny lavarangana sy ny alitara, araka ny voalazan’i Jesoa” (“Persecution of the Prophets,” Times and Seasons, sept. 1, 1842, 902).