Lesona 21
Matio 18
Fampidirana
Nampianatra ny mpianany ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hitarika ny Fiangonana aorian’ny Fiakarany any an-danitra i Jesoa Kristy. Nanome ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo ihany koa Izy ho valin’ny fanontanian’i Petera mikasika ny famelan-keloka.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 18:1–20
Nampianatra ny mpianany ireo fitsipika izay hanampy azy ireo hitarika ny Fiangonana i Jesoa Kristy.
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fahatafintohinana manaraka ireto: nandaingana, nangalarina zavatra iray, novadihan’ny namana iray Asao ireo mpianatra hamaritra amim-pahanginana ny fahatafintohinana tsirairay amin’ny alalan’ny fampiasana mari-drefy 1 hatramin’ny 10, ka ny isa 1 no mora havela indrindra ary ny 10 no sarotra indrindra. Asao ny mpianatra vitsivitsy izay manolo tena mba hizara ny namaritany ny fanafintohinana tsirairay.
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny antony tokony hamelana ny hafa na dia sarotra aza ny manao izany.
Asao ireo mpianatra rehefa mandalina ny Matio 18 mba hitady ireo fahamarinana izay afaka manampy azy ireo hahatakatra ny antony tokony hamelana ny hafa.
Fintino ny Matio 18:1-14 amin’ny fanazavana fa nampianatra ny mpianany tao Galilia mba hanetry ny tenan’izy ireo sy ho tonga tahaka ny zaza madinika i Jesoa. Nanazava ihany koa Izy fa ireo izay “manafintohina” ireo zaza madinika, na mahatonga azy ireo ho tafintohina ao amin’ny finoana, dia hiharan’ny fahamarinan’ Andriamanitra (jereo ny andininy 6–7). Nanoro-hevitra ny mpianany ny Mpamonjy avy eo mba hanaisotra ao amin’ny fiainan’izy ireo ireny zavatra izay mety hanafintohina azy ireo ireny, na hahatonga azy ireo ho tafintohina (jereo ny andininy 9). (Fanamarihana: Ireo fampianaran’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny Matio 18:1–14 dia horesahina lalindalina kokoa ao amin’ireo lesona momba ny Marka 9 sy Lioka 15.)
Hazavao fa taorian’ny nanoroan’ny Mpamonjy hevitra an’ireo mpianany mba hanaisotra amin’ny fiainan’izy ireo ny zavatra izay mety hahatafintohina azy ireo, dia nilaza tamin’izy ireo ny tokony ataon’ny olona iray rehefa iharan’ny fahadisoana na fahotana Izy. Nampianatra ireo fitsipi-pifehezana ao amin’ny Fiangonana tamin’ireo Apôstôliny ihany koa Izy.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 18:15, ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nolazain’i Jesoa tamin’ny mpianany raha toa manao fahadisoana amin’izy ireo ny olona iray.
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’ity andininy ity momba ny zavatra tsy tokony ataontsika raha toa manao fahadisoana amintsika ny olona iray?
Fintino ny Matio 18:16–17 amin’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nilaza tamin’ny Apôstôliny fa raha tsy manaiky ny fahadisoany ary mibaboka ny fahotany ny olona iray ka vavolombelona roa na mihoatra no mijoro manohitra azy dia hesorina hiala amin’ny Fiangonana io olona io. Azonao atao koa ny manazava fa amin’izao fotoana ireo izay miahy filankevim-pifehezana ao amin’ny Fiangonana izay sehatra hanapahana hevitra tahaka izany dia mikatsaka hatrany ny sitrapon’ny Tompo mikasika ny hoe tokony hesorina hiala amin’ny Fiangonana na tsy atao mpikambana intsony ve ny olona iray.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 18:18–20. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny fahefana izay noraisin’ny Apôstôly.
-
Inona no fahefana noraisin’ny Apôstôly? (Hazavao fa nomen’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôly ny fanalahidin’ny fisoronana, izay manome azy ireo fahefana, eo ambany fitarihan’i Petera, mba hanatanteraka ny ôrdônansin’ny famehezana ary hanapaka hevitra amim-pahefana mikasika ny Fiangonana, ka anisan’izany ny hoe ny mpanota iray ve tokony hijanona ho Mpikambana sa tsia [jereo ny Matio 16:19].)
-
Inona no zavatra nampanantenain’ny Tompo an’ireo Apôstôliny ao amin’ny andininy 19–20? (Azonao atao ny mandroso hevitra ny hanisian’ireo mpianatra marika an’ilay fampanantenana ao amin’ny andininy 20.)
Matio 18:21–35
Nanome ny fanoharana momba ilay mpanompo tsy mamindra fo ny Tompo
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy an’izao tantara manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson izao izay miresaka momba ny fianakaviana iray izay nodimandry ny zazakelin’izy ireo vao roa volana:
“Mpanao fanaka sarobidy [ilay] raim-pianakaviana ka nanamboatra vatam-paty tsara tarehy ho an’ny vatan’ilay zanany sarobidy. Nanjombona ilay andron’ny fandevenana izay nahitana taratra ny alahelo tsapan’izy ireo noho ny namoizany ny zanany. Rehefa nandeha ho ao amin’ny trano Fiangonana ilay fianakaviana, ary nitondra ilay vatam-paty kely ilay raim-pianakaviana; dia tafavory teo ny namana vitsivitsy. Nihidy anefa ny varavaran’ny trano Fiangonana. Adinon’ilay eveka be adidy ilay fandevenana. Zava-poana ireo ezaka natao mba hahazoana azy. Noho izy tsy nahalala izay tokony hatao dia nosakelehin’ilay raim-pianakaviana ilay vata ary nentiny nody tany an-trano ilay izy niaraka tamin’ny fianakaviany teo anilany; ary nandeha tongotra tao anatin’ny orana nandena izy ireo” (“Hidden Wedges,” Ensign, mey 2002, 19).
-
Raha toa ianao ka mpikambana tao amin’izany fianakaviana izany dia inona no mety ho tsapanao rehefa tsy nipoitra tany amin’ny fandevenana ilay eveka?
-
Inona no antony mety hahasarotra ny famelana ny helok’ilay eveka?
Hazavao fa taorian’ny nanomezan’ny Mpamonjy torolalana an’ny Apôstôly dia nametraka fanontaniana momba ny famelan-keloka tamin’ny Tompo i Petera. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 18:21 ary asaivo mikaroka ny fanontanian’i Petera ny mpianatra.
-
Inona no nanontanian’i Petera an’ny Mpamonjy?
Hazavao fa ny mpitarika fivavahana sasany tamin’ny andron’i Petera dia nampianatra fa ny olona tsirairay dia tsy mila manolotra famelan-keloka ho an’ny olona iray hafa mihoatra ny intelo. Rehefa nanontany ny Tompo raha toa ka tokony hamela heloka im-pito i Petera dia nihevitra angamba izy fa tena be famindram-po (jereo ny Bruce R. McConkie, The Mortal Messiah, boky 4 [1979–81], 3:91). Asao ireo mpianatra hamaky mangina ny Matio 18:22 mba hamantatra hoe inona no valinteny nomen’ny Mpamonjy an’i Petera.
-
Impiry no voalazan’ny Mpamonjy fa tokony isan’ny fotoana hamelantsika ny helok’ireo izay nanota tamintsika? (Hazavao fa ny “im-pitopolo fito” dia fomba iray hilazana fa tsy tokony hanisy fetra amin’ny isan’ny fotoana hamelantsika ny heloky ny hafa isika.)
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny Mpamonjy momba ny famelana ny heloky ny hafa? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Nandidy antsika hamela heloka an’ireo izay nanafintohina na nanota tamintsika ny Tompo.)
-
Inona no dikan’ny hoe mamela heloka ny hafa? (Hazavao fa ny mamela ny heloky ny hafa dia mitondra izany olona izany amim-pitiavana ka tsy manana otri-po amin’ireo izay efa nanafintohina azy [jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Mamela,” scriptures.lds.org; F&F 64:9–11]. Ny famelan-keloka dia tsy midika hoe manohy mamela ny hafa hanao ratsy aminao ianao na tokony tsy hazonina ho tompon’andraikitra amin’ireo zava-bitany ilay nanafintohina, na ara-dalàna na amin’ny fomba hafa.)
Hazavao fa taorian’ny namalian’ny Mpamonjy ny fanontanian’i Petera dia nampianatra fanoharana iray tamin’ny mpianany Izy izay afaka manampy antsika hahatakatra ny antony tokony hifamelantsika heloka.
Ampivondrony mba hiasa tsiroaroa ny mpianatra ary asao ny mpiara-miasa mba hiara-hamaky ny Matio 18:23–35 ka hitady ny antony tokony hifamelantsika heloka. Rehefa avy nanome fotoana ampy, dia asao izy ireo hanao tatitra ny zavatra hitan’izy ireo.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra lalindalina kokoa an’io fanoharana io dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao teny manaraka izao:
|
Mpanjaka |
mpanompo |
Mpanompo namana |
-
Ohatrinona no trosan’ilay mpanompo tamin’ny mpanjaka? (Soraty hoe nananan’ny mpanjaka talenta miisa 10.000 eo ambanin’ny hoe Mpanompo.)
Hazavao fa tamin’ny andron’i Jesoa dia “notombantombanana ho mitovy amin’ny denaria 100.000.000 [vola Romana] ny talenta 10.000. Ny denaria iray no karama iray andro ho an’ny mpiasa tsotra” (Jay A. Parry sy Donald W. Parry, Understanding the Parables of Jesus Christ [2006], 95). Asaivo kajikajian’ny mpianatra hoe hafiriana vao ho vitan’ity mpanompo ity ny mandoa ny trosany amin’ny fizarana ny denaria 100.000.000 amin’ny 365 andro (100.000.000/365 = 273,973). Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe nananan’ny mpanjaka talenta miisa 10.000 ny hoe 273,973 taona
-
Ohatrinona no trosan’ilay mpanompo namany tamin’ilay mpanompo? (Soraty hoe nananan’ny mpanompo venty miisa 100 eo ambanin’ny hoe Mpanompo namana.)
Hazavao fa raha ampitahaina ny denaria 100 dia mitovy amin’ny venty 100. Noho izany ny mpanompo namana dia nananan’ilay mpanompo teo amin’ny andro iasana miisa 100 teo ho eo, na saika teo amin’ny ampahatelon’ny karamany isan-taona. Soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe nananan’ny mpanompo venty miisa 100 ny hoe 100 andro.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no nilaza tamin’ilay mpanompo ny mpanjaka fa ratsy fanahy izy tamin’ny tsy fahafoizana ny trosan’ny mpanompo namany?
Anontanio ny mpianatra hoe maneho an’iza araka ny eritreriny ny tsirairay amin’ireo olona telo ao amin’ilay fanoharana. Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fampifandraisana azo haroso manaraka ity momba ny hoe maneho an’iza ny fanoharana: Mpanjaka = Ray any An-danitra, Mpanompo = Isika, Mpanompo namana = Ireo izay nanafintohina antsika.
-
Inona araka ny eritreritrareo no zavatra nohezahan’ny Mpamonjy nampianarina an’ireo mpianany momba ny antony tokony hamelantsika ny fahadisoan’ny hafa? (Tokony hahita fitsipika mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Raha toa ka tiantsika hamela heloka antsika Andriamanitra dia tsy maintsy vonona ny hamela ny heloky ny hafa koa isika. Soraty eo amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
-
Inona no zavatra azon’ny olona iray atao raha toa ka manana olana amin’ny famelana ny heloky ny olona iray izy?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny zavatra azontsika atao mba ho vonona hamela heloka ny hafa bebe kokoa dia asao ireo mpianatra hamaky mafy ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity. Raha azo atao dia adikao eo amin’ny taratasy zaraina ho an’ny mpianatra tsirairay izany.
“Mila mahafantatra sy miaiky ireo fahatsapana fahatezerana isika. Mila fantren-tena ny fanaovana izany, kanefa raha toa ka mandohalika isika sy mangataka fahatsapana famelan-keloka amin’ny Ray any An-danitra dia hanampy antsika izy. Mitaky antsika ‘hamela ny olon-drehetra’ ny Tompo [F&F 64:10] ho tombontsoantsika satria ‘mampitaredretra ny fivoarana ara-panahy ny fankahalana’ [Orson F. Whitney, Gospel Themes (1914), 144]. Rehefa manaisotra amin’ny tenantsika ny fankahalana sy ny lonilony ihany isika vao afaka manisy fiadanana ao am-pontsika ny Tompo. … …
“… Rehefa mamely ny antambo dia tsy tokony hamaly amin’ny alalan’ny fikatsahana valifaty manokana isika fa hamela ny fahamarinana hanohy ny diany ary hanadino izany. Tsy mora ny manadino sy manafoana ao am-pontsika ny otri-po mitera-nana. Efa nanolotra fiadanana sarobidy ho antsika rehetra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, kanefa tsy tonga izany raha tsy vonona ny hanary ireo fahatsapana ratsin’ny hatezerana na lolompo na valifaty isika. Ho antsika rehetra izay mamela ‘ireo izay meloka tamin[tsika]’ [Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 6:13], eny na dia ireo izay nahavita heloka goavana aza, dia hitondra fatram-piadanana sy fiononana ny Sorompanavotana” (James E. Faust, “The Healing Power of Forgiveness,” Ensign na Liahona, mey 2007, 69).
-
Inona no zavatra nolazain’ny Filoha Faust fa tokony ataontsika ka manampy antsika hamela heloka ny hafa?
-
Araka ny voalazan’ny Filoha Faust dia inona no mety hitranga rehefa mamela heloka ny hafa isika?
Ampahatsiahivo ny mpianatra ilay tantara nozarain’ny Filoha Monson teo aloha ary asao ny mpianatra iray hamaky ny fiafaran’ilay tantara:
“Raha tsy nanana toetra tsara ilay fianakaviana dia mety nanome tsiny ilay eveka ary nitazona lolom-po. Rehefa fantatr’ilay eveka ilay loza dia nitsidika ilay fianakaviana izy ary niala tsiny. Mbola hita teny amin’ny endrik’ilay raim-pianakaviana ny fanaintainany, kanefa nanaiky ilay fialan-tsiny tamin-dranomaso izy, ary nifamihina tao anatin’ny toe-tsaina mahatakatra ny fahasahiranan’ny tsirairay ny roa tonta” (“Hidden Wedges,” Ensign, mey 2002, 19).
-
Ahoana no nanampian’ny Tompo anao hamela ny heloky ny olona iray izay nanao ratsy na nanafintohina anao?
-
Inona no nanampy anao hamela heloka ny hafa? (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny kahie fandraisany an-tsoratra ao an-dakilasy na ao amin’ny diary fandalinany soratra masina.)
Asao ny mpianatra hisaintsaina ny hoe iza no olona mety mbola tsy namelan’izy ireo heloka. Asao izy ireo hivavaka mba hanana ny faniriana hamela heloka sy ny fahafahana manadino ny fanaintainana sy ny hatezerana mba hahafahan’i Jesoa Kristy manampy azy ireo hahatsapa fiadanana sy fiononana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 18:20. “Fa na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny anarako”
Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa io fampanantenana ny hiara-hiangona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy io dia mihatra amintsika rehefa eo ambany fiahian’ny fahefana araka ny tokony ho izy ny fivoriana iangonana:
“Nilaza tamintsika ny Tompo hoe: ‘Na aiza na aiza no hiangonan’ny roa na telo amin’ny anarako, dia ao afovoany Aho.’ (Mat. 18:20; jereo koa ny F&F 6:32.)
“Hahatsapana fahazoana toky ny fianarana fotopampianarana amina fivoriana iangonana izay tarihan’ny fahefana araka ny tokony ho izy” (“Reverence Invites Revelation,” Ensign, nôv. 1991, 21).
Matio 18:21–22. “im-pitopolo fito”
“Ny valinteny manao hoe ‘im-pitopolo fito’ (izay habetsahana nampitombona, midika hoe tsy manam-petra) dia natokana ho an’ireo izay nanota tamintsika nefa nibebaka. Ary manoloana ireo izay nanota tamintsika nefa nandà ny hibebaka dia mbola tsy maintsy mamela azy ireo isika mandritra ny fotoana telo voalohany fa ny fotoana fahefatra kosa no tokony handrosoana eo anatrehan’ny Tompo ny tenivavolombelona miampanga an’ilay mpanota. Raha manaraka izany ny fibebahana sy ny fanonerana dia takiana ny famelan-keloka; fa raha tsisy ny fibebahana dia havela amin’ny fitsaran’ Andriamanitra ilay mpanota. Izao torolalana fanampiny rehetra izao dia nomena tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:39–48, ny lalàn’ny famelan-keloka” (D. Kelly Ogden and Andrew C. Skinner, Verse by Verse: The Four Gospels [2006], 371–72).
Mariho fa ilay andian-teny manao hoe “tsy hamela [azy] ianareo” ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:44 dia midika fa ireo mpanao fahadisoana tsy nibebaka dia tokony raisina ho tompon’andraikitra feno amin’ny zavatra ataon’izy ireo. Tsy midika izany anefa fa tsy tokony hamela heloka azy ireo isika na tokony mbola hanohy ny fahatsapana fankahalana amin’izy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy Tantaran’ny Fiangonana - Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra [Boky torolalana an’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2013], 349).
Matio 18:22. Famelan-keloka sy fifehezana ao amin’ny Fiangonana
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra ny fomba hampitahana ny Matio 18:22 amin’ny toe-javatra izay hisian’ny fifehezana ao amin’ny Fiangonana:
“Tsy misy fetra ny isan’ny fotoana tokony hifamelan’ireo rahalahy ny fahadisoana manokana nifanaovana raha toa fibebahana marina no mitranga. Izany anefa dia tsy natao mba hilaza fa ny Fiangonana dia hanohy hatrany hatrany ny famelana ny heloka sy ny fiarahana amin’ireo mpikambana ao aminy izay nania. Misy ireo tranga izay tsy maintsy handroahana ny mpanota hiala amin’ny fanjakana na manao ahoana na manao ahoana ny alahelo mety tsapany nanoloana an’ilay zavatra tsy marina nataony” (Doctrinal New Testament Commentary, boky 3 [1965–73], 1:423).
Matio 18:23–30. Nandidy antsika mba hamela heloka an’ireo izay nanafintohina antsika ny Tompo
Ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanampy antsika hahatakatra fa tahiana isika rehefa mamela heloka ny hafa:
“Ny famelan-keloka dia manasitrana ireo ratra mahatsiravina sy mampalahelo, satria izany dia mamela ny fitiavan’ Andriamanitra hanadio ny poizin’ny fankahalana ao amin’ny fonao sy ny sainao. Manadio ny faniriana hamaly faty ao amin’ny eritreritrao izany. Mamela toerana ho an’ny fitiavan’ny Tompo izay manadio sy manasitrana ary mamerina amin’ny laoniny izany” (“Healing the Tragic Scars of Abuse,” Ensign, mey 1992, 33).
Nampianatra toy izao mikasika ny famelan-keloka ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“Tsarovy fa ny lanitra dia feno olona tahak’izao: Voavela izy ireo. Ary namela heloka koa” (“Izay Miantra no Hiantrana,” Ensign na Liahona, mey 2012, 77).