Lesona 13
Matio 8–10
Fampidirana
Rehefa namakivaky an’i Galilia i Jesoa Kristy dia nanatanteraka fahagagana maro Izy. Niantso Apôstôly Roambinifolo koa Izy, nanome fahefana sy nanoro lalana azy ireo ary naniraka azy ireo mba hanompo ny vahoaka.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Matio 8:1–9:34
Nanao Fahagagana maro i Jesoa
Eo am-piatombohan’ny fotoam-pianarana dia asao hamaly ity fanontaniana manaraka ity ireo mpianatra:
-
Raha nahafantatra ianao fa ho tonga hamangy ny tanàna na ny vohitra misy anao ny Mpamonjy anio, iza no olona hoentinao eo Aminy mba hositraniny? Nahoana?
Soraty eo amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Matio 8:1–4; Matio 8:5–13; Matio 8:14–15; Matio 8:23–27; Matio 8:28–32; Matio 9:1–8; Matio 9:18–19, 23–26; Matio 9:20–22; Matio 9:27–31; ary Matio 9:32–33. Ampandraiketo ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ny mpianatra tsirairay. (Raha vitsy ny mpianatra ao amin’ny kilasinao dia mety mila hamaky andinin-tsoratra masina mihoatra ny iray ny mpianatra sasantsasany.)
Asao ireo mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina nampandraiketina azy ary hijery ny fahagagana nataon’i Jesoa tao. Rehefa avy nanome fotoana ampy ho azy ireo ianao dia asao ireo mpianatra hizara mandritra ny fotoana fohy izay zavatra nianarany. (Fanamarihana: Handalina misimisy kokoa mikasika ireo fahagagana ireo ny mpianatra ao amin’ny Marka 1–5.)
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 8:16-17. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady faminaniana iray izay notanterahin’i Jesoa Kristy rehefa nanao ireo fahagagana ireo Izy. Asao ireo mpianatra hilaza ny zavatra hitany.
-
Inona no fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy azontsika ianarana avy amin’ny fitantarana ireo fahagagana ireo? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fahamarinana manaraka ity: Afaka manasitrana antsika amin’ireo rofy sy ireo aretintsika i Jesoa Kristy. Azonao atao ny manazava fa ny rofy dia aretina na fahosana na fahalemena.)
-
Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manasitrana antsika na mampatanjaka ny fahalementsika kanefa tsy voatery mandeha hita maso eto anivontsika anio? (Amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony. Jereo ny Almà 7:11–13.)
Matio 9:35–10:8
Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa Kristy
Mampisehoa sary iray na maromaro maneho ireo Apôstôlin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao, miaraka amin’ny Fiadidiana Voalohany. (Ireo sary ireo dia hita ao amin’ny LDS.org [jereo ny Meet Today’s Prophets and Apostles] sy ao amin’ny Ensign na Liahona, izay mitatitra ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany)
-
Inona no mampiavaka ireo olona ireo amin’ireo olona rehetra ety an-tany amin’izao fotoana izao?
Asao ireo mpianatra, rehefa mandalina ny Matio 9–10 hitady fahamarinana mikasika ny anjara asan’ny Apôstôly sy ireo fitahiana azon’izy ireo entiny eo amin’ny fiainantsika.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 9:35. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nataon’i Jesoa ankoatra ny fanasitranana ny hafa.
-
Ankoatra ny fanasitranana ny hafa, inona no nataon’i Jesoa nandritra ny asa fanompoana nataony?
Hazavao fa rehefa nitory ny filazantsara i Jesoa ka nanao fahagagana nanerana an’i Jodia, dia nitombo ny isan’ny olona izay nanaraka sy nitady Azy.
Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 9:36–38. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ka hitady hoe iza no nolazain’ny Mpamonjy fa nilainy mba hanampy Azy hitory amin’ireo olona izay nanaraka Azy.
-
Araka ny voalazan’ny andininy 37–38, iza no nolazain’i Jesoa fa nilainy mba hanampy Azy hikarakara ireo olona izay nanaraka Azy?
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 10:1–4. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nataon’i Jesoa mba hanomezana izay zavatra nilain’ny vahoaka.
-
Inona no nataon’i Jesoa mba hanampiana ny valalabemandry izay nanaraka Azy?
-
Inona no fotopampianarana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny fomba iray nanompoan’i Jesoa Kristy ireo olona ety an-tany? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fotopampianarana manaraka ity: Niantso Apôstôly i Jesoa Kristy ary nanome azy ireo ny Fahefany. Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanoratra ity fotopampianarana ity ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Matio 10:1–4.)
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Matio 10:5-8 . Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra ka hitady ny zavatra nodidian’i Jesoa Kristy mba hataon’ireo Apôstôliny.
-
Inona no nodidian’i Jesoa mba hataon’ireo Apôstôly?
Hazavao fa ny teny hoe apôstôly dia avy amin’ny teny Grika izay midika “ilay nirahina.” Tamin’ny voalohany ireo Apôstôly dia nalefa ho eo anivon’ny mpianakavin’i Isiraely ihany. Taty aoriana, ny Mpamonjy izay efa nitsangana tamin’ny maty dia nandidy ny hitoriana ny filazantsara amin’ireo Jentilisa ihany koa, na ireo izay tsy avy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely.
-
Inona no fitoviana tsikaritrao eo amin’ny asa nataon’i Jesoa Kristy sy ny asa izay nodidiany mba hataon’ireo Apôstôliny?
-
Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny hoe hanao inona no iantsoan’i Jesoa Kristy ireo Apôstôly? (Tokony hahita fahamarinana mitovy amin’izao manaraka izao ny mpianatra: Miantso ireo Apôstôly ny Tompo mba hitory ny filazantsara sy hanao ny Asany. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fahamarinana io.)
Jereo indray ireo sarin’ny Apôstôly amin’izao fotoana izao. Asaivo manome ohatra ireo mpianatra ny amin’ny fomba hitorian’ireo Apôstôly na hanompoan’izy ireo toy ny ho nataon’i Jesoa Kristy raha toa Izy ka tety.
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny maha zava-dehibe ilay fahamarinana hitan’izy ireo tetsy ambony, dia vakio na asehoy ny ampahany amin’ny lahateny izay nataon’ny Apôstôly maoderina iray izay mahakasika manokana ny tanora. Rehefa avy mamaky izany teny izany na avy mampiseho ny horonantsary dia anontanio hoe:
-
Nahoana no mampiova ny fihetsika ataontsika manoloana ny fampianarana sy ny torohevitry ny Apôstôly ny fahatakarana fa izy ireny dia nantsoin’i Jesoa Kristy mba hanao ny asany?
-
Tamin’ny fomba ahoana no nisy fiantraikany tamin’ny fiainanao ny fitoriana sy hafatra avy amin’ny Apôstôly maoderina?
Asao ireo mpianatra hikatsaka amim-pahatokiana ny fahafahana mihaino sy mandalina ary mampihatra ny tenin’ireo Apôstôly voafidin’ny Tompo.
Matio 10:9–42
Manome torolalana ireo Apôstôly Roambinifolo i Jesoa alohan’ny handehanan’izy ireo mitory sy manao asa fanompoana
Fintino ny Matio 10:9–16 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome torolalana ireo Apôstôly ny Tompo mba hahatoky ny Ray any An-danitra izy ireo amin’ny fanomezana izay zavatra ilainy amin’ny dia alehany rehefa mitory ny filazantsara izy ireo. Nampianatra azy ireo ihany koa ny Mpamonjy mba hitahy ny olona izay mampiantrano azy ireo.
Angataho ireo mpianatra hieritreritra ny fotoana izay nametrahan’ny olona tsy mitovy finoana aminy fanontaniana sarotra iray momba ny filazantsara na momba ny zavatra miteraka adi-hevitra mikasika ny Fiangonana.
-
Nanao ahoana ny fahatokian-tenanao ny amin’ny fahafantaranao ny zavatra tokony ho tenenina tamin’izay toe-javatra izay? Nahoana?
Asao ireo mpianatra hitady fitsipika iray ao amin’ny fampianarana nomen’i Jesoa ireo Apôstôliny ao amin’ny tohin’ny Matio 10 izay afaka manampy antsika rehefa mila manazava ny filazantsara isika na mila mizara ny fijoroantsika ho vavolombelona.
Manasà ankizy vitsivitsy hifandimby hamaky mafy ny Matio 10:16–20. Asao hanaraka ny vakiteny ireo mpianatra ary hitady ny karazana olana nolazain’i Jesoa Kristy fa hitranga amin’ireo Apôstôly rehefa mandeha sy mitory izy ireo.
-
Inona avy ireo olana nolazain’i Jesoa Kristy fa hitranga amin’ireo Apôstôly rehefa handeha hitory ny filazantsara izy ireo?
-
Araka ny ao amin’ny andininy 19-20, ahoana no tokony hahafantaran’ny Apôstôly ny zavatra tokony ho tenenina mandritra izany fotoan-tsarotra izany? (Azonao atao ny manazava fa ny andian-teny manao hoe “aza manahy” dia midika hoe “aza misahirana be loatra” [jereo ny Matio 3:19, ]).
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny firesahana amin’ny hafa rehefa eo am-panompoana ny Tompo isika? (Mety amin’ny fomba hafa no ilazan’ny mpianatra izany saingy ataovy izay hamantaran’izy ireo ity fitsipika manaraka ity: Rehefa manompo ny Tompo isika dia hanentam-panahy antsika amin’ny zavatra tokony holazaintsika Izy raha ilaina izany.)
-
Oviana ianao no nahatsapa fa nanome fanentanam-panahy anao ny Tompo mba hahafantaranao ny zavatra tokony nolazainao amin’ny olona iray? (Azonao atao ny manome fotoana ireo mpianatra mba hisaintsainany izany fanontaniana izany alohan’ny hamaliany izany.
Fintino ny Matio 10:21–42 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanohy hatrany ny fanomezana torolalana, fampitandremana ary fampitoniana ny Apôstôliny manoloana ny fitsapana izay hitranga amin’izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra handalina ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 10:37–39, zarazarao ho tsiroaroa izy ireo na zarazarao ho vondrona kely ary omeo ny mpiara-mpiasa tsirairay ny tahadikan’ity taratasy zarainaity. Asao ny mpianatra mba hanaraka ny toromarika ao amin’ny taratasy zaraina amin’ny fandalinana miaraka ny andininy nampandraiketina azy ireo ary amin’ny fifanakalozana hevitra momba ireo valim-panontaniana.
Matio 10:37–39
Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra Seminera —Lesona 13
Halalino miaraka amin’ny namana iray na miaraka amin’ny mpiara-mianatra ao anatin’ny vondrona kely ny andinin-tsoratra masina nampandraiketina ary mifanakaloza hevitra momba ireo valim-panontaniana.
Vakio ny Matio 10:37–38, ka fantaro ireo fahafoizan-tena nolazain’ny Mpamonjy fa tsy maintsy hivononantsika amin’ny maha-mpianany antsika. Ny andian-teny hoe “mendrika ho Ahy” ao amin’ireo andininy ireo dia midika hoe mendrika ny ho solontenan’ny Tompo ary mendrika ireo fitahiany.
-
Nahoana araka ny eritreritrao no ilain’ny mpianatr’i Jesoa Kristy ny mitia Azy mihoatra ny olona hafa rehetra—anisan’izany ireo lolona ao amin’ny fianakaviana?
Ny hazofijaliana voalaza ao amin’ny andininy 38 dia milaza ny hazofijaliana tena izy nobaben’i Jesoa Kristy sy nanandratana Azy mba hanatanterahany ny sitrapon’ny Rainy. Amin’ny fampiasana izany ho fanoharana dia niantso ireo mpanara-dia azy mba “hitondra ny hazofijaliany, ka hanaraka [Azy]” (Matio 16:24) i Jesoa Kristy.
Vakio ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 16:26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ), ary jereo ny dikan’ny hoe tokony hitondra ny hazofijaliantsika sy hanaraka an’i Jesoa Kristy isika.
Vakio ny Matio 10:39, ka jereo ireo fitsipika nampianarin’i Jesoa Kristy mikasika ny fahafoizan-tena. Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manazava fa ny fiatombohan’io andininy io dia mivaky hoe, “Izay mikatsaka ny hamonjy ny ainy … .” Eto ny andian-teny hoe “hamonjy ny ainy” dia midika hoe tsy mampiseho fitiavan-tena fa mikatsaka ny hanompo an’ Andriamanitra sy ny zanany.
-
Araka ny eritreritrao, amin’ny fomba manao ahoana no “hanarian” ’ny olona mifantoka afa-tsy ny amin’ny sitrapony sy ny faniriany feno fitiavan-tena ny fiainany amin’ny farany?
Fenoy ity fitsipika manaraka ity, avy amin’ny zavatra izay novakianao:
Raha mikatsaka ny hamonjy ny aintsika isika dia .
Azonao atao ny manisy marika ny fampanantenana nomen’ny Mpamonjy an’ireo izay mamery ny ainy noho ny Aminy ao amin’ny andininy 39. Ny mamery ny aintsika noho ny Aminy dia tsy ny fahavononana ho faty noho ny Aminy fotsiny ihany. Izany dia midika fa tokony ho vonona hanolotra ny tenantsika mba hanompoana Azy sy ny olona manodidina antsika isan’andro isika.
-
Inona araka ny eritreritrareo no dikan’ny hoe hahita ny fiainantsika isika rehefa mamery izany noho ny Aminy?
Fenoy ity fitsipika manaraka ity, avy amin’ny zavatra izay novakianao:
Raha mamery ny aintsika noho ny amin’i Jesoa Kristy isika dia .
Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity ary ifanakalozy hevitra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo.
“Mino aho fa ny tian’ny Mpamonjy holazaina amintsika dia hoe raha tsy manokana fotoana hanompoana ny hafa isika dia tsy misy antony mandan-danja firy ny fiainantsika. Ireo izay miasa ho an’ny tenany irery ihany dia mihamaty tsikelikely ary toy ny hoe mamoy ny ainy, fa ireo izay manokana ny fotoany hanompoana ny hafa kosa dia hitombo sy hiroborobo—ka dia hanavotra ny ainy” (“What Have I Done for Someone Today?” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 85).
-
Iza no fantatrao fa nisafidy ny hamery ny ainy noho ny amin’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’izany fanapahan-kevitra izany teo amin’ny fiainanan’io olona io?
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.
Rehefa avy nameno ny taratasy nozaraina ny mpianatra dia azonao atao ny manasa vitsivitsy amin’izy ireo mba hamintina ny zavatra nianarany.
Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny fitsipika hitan’ny mpianatra mikasika ny mamery ny fiainantsika noho ny amin’i Jesoa Kristy. Asao ny mpianatra hanoratra ao anatin’ny kahieny na ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra sasantsasany izay azony atao anio na ato ho ato mba hamerezany ny fiainany ao amin’ny fanompoana an’i Jesoa Kristy sy ny hafa. Amporisiho izy ireo mba hametraka tanjona sy hampihatra izany tanjona izany.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Matio 10:35-37. “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy”
Ny Filoha Ezra Taft Benson, raha niresadresaka mikasika ny Matio 10:35–37, dia nanamarika fa anisan’ny safidy sarotra indrindra mety ho raisin’ny olona iray ny misafidy na an’ Andriamanitra na ny olona iray ao amin’ny fianakaviany:
“Ny tsy maintsy hisafidianana ny hahafinaritra an’ Andriamanitra na hahafinaritra ny olona iray izay tianao na hajainao no fitsapana iray anisan’ny sarotra indrindra amin’ny fitsapana rehetra—indrindra indrindra rehefa olona ao amin’ny fianakaviana izany.
“I Nefia dia niatrika izany fitsapana izany sy nahafantatra tsara ny tokony nataony nanoloana izany rehefa nimonomonona tamin’ny Tompo ny rainy, izay olona tsara (jereo ny 1 Nefia 16:18–25). I Joba dia nitàna hatrany ny fahamarinany tamin’ny Tompo na dia nilaza taminy mba hahafoy an’ Andriamanitra sy ho faty ny vadiny (jereo ny Joba 2:9–10).
“Ny soratra masina dia milaza hoe: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’ (Eksodosy 20:12; jereo ny Môsià 13:20). Indraindray ny olona iray dia tsy maintsy misafidy ny hanaja ny Ray any An-danitra fa tsy ny ray niteraka” (“The Great Commandment—Love the Lord,” Ensign, mey 1988, 5).