Tahirim-pitaovana
Lesona 42: Marka 11–16


Lesona 42

Marka 11–16

Fampidirana

Tany amin’ny faramparan’ny asa fanompoany teto an-tany, ny Mpamonjy dia nijery ilay mpitondratena malahelo izay nandatsaka farantsa kely roa tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly. Taty aoriana kely, teo am-pihinana tany Betania, dia nanosotra menaka an’i Jesoa i Maria ho famantarana ny handevenana Azy. Nijaly tao Getsemane ny Mpamonjy. Nohadihadiana sy nohelohina ho faty Izy. Taorian’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy nitsanganany tamin’ny maty dia niseho tamin’ireo Apôstôliny ny Tompo sy naniraka azy ireo hitondra ny filazantsara eran’izao tontolo izao.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Marka 11–13

Ny Mpamonjy dia nampianatra tao amin’ny tempoly sy nijery ilay mpitondratena malahelo izay nandatsaka farantsa kely tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly.

Vakio amin’ny feo avo ireto trangan-javatra manaraka ireto ary asao ireo mpianatra hihaino ny fahasamihafana misy eo amin’ny ireo fanatitra izay naterina ho an’ny Tompo, ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo trangan-javatra ireo.

  1. Nisy vehivavy iray nanome ny evekany sandam-bola iray goavana ho fanatitry amin’ny fifadiankanina. Nisy vehivavy iray hafa izay mipetraka ao amin’ilay paroasy ihany koa nanome ny evekany sandam-bola kely ho fanatitra amin’ny fifadiankanina.

  2. Misy lehilahy iray izay manompo amin’ny maha-filohan’ny tsatòka. Misy lehilahy iray ao amin’ilay tsatòka ihany manompo amin’ny maha-mpampianatry ny kilonga.

  • Inona no fahasamihafana tsikaritrao eo amin’ireo fanatitra izay hita ao amin’ireo trangan-javatra nomena ireo?

  • Ahoana no fahatsapana mety ananan’ny olona iray raha toa ny fanatitra izay ateriny ho an’ny Tompo ka hita ho kely raha mitaha amin’ny an’ny hafa?

Rehefa mandalina ny Marka 11–14 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay hanampy azy ireo hahafantatra ny fomba fijery ananan’ny Tompo manoloana ny fanatitr’izy ireo.

Ilay Fiakarana ny tanàna tamim-pihobiana

Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe Ilay Fiakarana ny tanàna tamim-pihobiana (Boky Mirakitra Sary Momba ny Filazantsara [2009], laharana. 50; jereo ihany koa LDS.org). Fintino fohifohy ny Marka 11:1–12:40 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nanakaiky ny faran’ny asa fanompoany teto an-tany ny Mpamonjy dia nizotra niditra an’i Jerosalema tamim-pihobiana, nanadio ny tempoly ary nampianatra ny olona tao. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny andrana mba hanesorana ny fahatokiana nananan’ny olona tamin’ny Mpamonjy, ireo Fariseo sy mpanora-dalana dia nametraka fanontaniana sarotra Taminy rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly Izy. Taorian’ny namalian’ny Mpamonjy ny fanontanian’izy ireo, dia niampanga ny fihatsarambelatsihin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna Izy (jereo ny Matio 23).

Hazavao fa rehefa tao amin’ny tempoly i Jesoa, dia nanatri-maso ireo olona nandrotsaka vola tao amin’ny fitatazan-drakitry ny tempoly ho fanatitra ho an’ Andriamanitra. Manasa mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 12:41–44, ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra hitan’ny Mpamonjy teo amin’ilay fandatsahan-drakitry.

  • Inona no zavatra hitan’ny Mpamonjy teo amin’ilay fandatsahan-drakitra?

Manehoa vola madinika manana sandany farany ambany indrindra amin’ny vola ampiasain’ny firenenareo, ary hazavao fa ny farantsa no “vola varahina kely indrindra izay nampiasain’ny Jiosy” (Bible Dictionary, “Money”)

  • Ahoana no fahatsapana mety ananan’ny olona sasany raha toa izy ireo ka tsy afaka manome ankoatra ny farantsa kely roa ho fanatitra ho an’ Andriamanitra?

  • Inona no nolazain’ny Mpamonjy momba ny fanatitra nataon’ilay vehivavy mananotena raha nampitahaina tamin’ny an’ny hafa?

  • Araka ny hevitrao, nahoana ny Mpamonjy no nanasokajy ny fanatitra izay nomen’io vehivavy io ho “betsaka kokoa” mihoatra noho ny an’ny hafa?

  • Araka ny nolazain’ny Tompo momba io vehivavy mananotena io, inona no fitsipika azontsika hianarana mikasika ny fanomezana ny Tompo? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita fitsipika iray mitovitovy amin’izao manaraka izao: Raha toa isika ka vonona ny hanome ny Tompo izay rehetra ananantsika, dia ho ekeny ny fanatitra ataontsika na dia miendrika kely aza izany raha mitaha amin’ny an’ny hafa.)

Fintino ny Marka 13 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nampianatra ireo Apôstôliny mikasika ny Fiaviana Fanindroany. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo dia nandalina ireo fampianarana ireo tao amin’ny Joseph Smith—Matio.

Marka 14:1–9

Nanositra menaka ny Mpamonjy i Maria

Hazavao fa taorian’ny nampianaran’ny Mpamonjy ireo mpianany momba ireo famantarana amin’ny Fiaviana Fanindroany, dia nandao an’i Jerosalema Izy ka nankany Betania, tao an-tranon’ny lehilahy iray nantsoina hoe Simona, izay vao avy nararin’ny habokana.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 14:3 sy mpianatra iray hafa hamaky amin’ny feo avo ihany koa ny Jaona 12:3. Asao ny iray kilasy hihaino ny zava-nitranga tamin’ny Mpamonjy rehefa nipetraka sy nihinana Izy.

  • Inona no zava-tranga tamin’ny Mpamonjy rehefa nipetraka Izy ka nihinana tao an-tranon’i Simona? (Hazavao fa ilay vehivavy izay nanosotra menaka ny Mpamonjy dia i Maria rahavavin’i Marta izay anabavin’i Lazarosy ihany koa [jereo ny Jaona 12:1–3].)

  • Ahoana no fomba nanehoan’i Maria tamin’ny Mpamonjy ny fitiavany sy ny fanoloran-tena nananany?

Hazavao fa ny fihetsika nasehon’i Maria tamin’ny nanosorany menaka manitra sy sarobidy (menaka lafo vidy) ny loha sy ny tongotry ny Mpamonjy dia fihetsika feno fanajana izay tsy dia atao firy na dia amin’ny mpanjaka aza (jereo ny James E. Talmage, Jésus le Christ, 3ème ed. [1916], 512).

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 14:4–9. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fihetsika nasehon’ny sasany tamin’ireo olona izay niara-nihinana teo tamin’ny zavatra nataon’i Maria. Hazavao fa ao amin’ny Jaona 12:4–5 dia mianatra isika fa i Jodasy Iskariota ilay olona nimoimoy tamin’ny zavatra nataon’i Maria.

  • Inona no fihetsika nasehon’i Jodasy Iskariota nanoloana ny fanosoran’i Maria menaka lafo vidy ny Mpamonjy?

  • Araka ny andininy 5, ohatrinona no tokony ho vidin’ilay menaka? (Hazavao fa ny denaria telon-jato tamin’izany dia mitovitovy amin’ny sandam-bola ambony afaka angonin’ny mpiasa iray mandritra ny iray taona.)

  • Ahoana no namalian’ny Mpamonjy ny fanankianana nataon’i Jodasy Iskariota tamin’i Maria?

Tsindrio manokana ilay fehezanteny hoe “asa soa no nataony tamiko” ao amin’ny andininy 6 ary hazavao fa izany dia maneho fa ny Mpamonjy dia nankasitraka ny zavatra nataon’i Maria. Tsindrio manokana ilay fehezanteny hoe “efa nanao izay azony nataony izy” ao amin’ny andininy 8 ary hazavao fa izany dia milaza ankolaka fa i Maria dia nanao ny ezaka tsara indrindra izay azony natao ho an’ny Tompo.

  • Inona no fahamarinana azontsika hianarana avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fahatsapana ananan’ny Mpamonjy rehefa manao ny ezaka tsara indrindra izay azontsika atao ho Azy isika? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao: Faly ny Mpamonjy rehefa manao ny ezaka tsara indrindra izay azontsika atao ho Azy isika.)

Miverena amin’ilay trangan-javatra roa izay nojerena tany amin’ny fiantombohan’ny kilasy. Angataho ireo mpianatra hampiasa ireo fahamarinana izay hitany tao amin’ny Marka 12 sy Marka 14 mba hanazavana ny fomba mety hampifalian’ireo olona ireo ny Tompo ao amin’ny tsirairay avy amin’ireo trangan-javatra ireo.

  • Ahoana no hanampian’ny finoana ireo fahamarinana ireo ny olona iray izay mahatsapa fa izy dia tsy manana betsaka homena ny Tompo?

  • Oviana ianao no efa nahita olona nanao ny ezaka tsara indrindra izay azony natao ho an’ny Tompo?

Asao ireo mpianatra hieritreritra raha toa izy ireo amin’izao ka manao ny ezaka tsara indrindra avy aminy ho an’ny Tompo. Anporisiho ireo mpianatra hisafidy lafin-javatra iray eo amin’ny fiainany izay afaka hatsarainy ary amin’izany dia hametraka tanjona iray izay hanampy azy ireo hanao ny ezaka tsara indrindra izay azony atao ho an’ny Tompo.

Marka 14:10–16:20

Nanomboka ny Sorompanavotany i Jesoa rehefa nijaly tao Getsemane noho ny fahotantsika; namadika Azy i Jodasy Iskariota ary nentiny teo anatrehan’ny mpitarika Jiosy Izy

Asaivo mandinika amim-pahanginana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra:

  • Efa nahatsapa ve ianao fa tsy misy olona na dia iray aza mahatakatra ny fahatsapana anananao na ny zava-tsarotra izay lalovanao?

  • Efa nahatsapa ve ianao ianao fa tsy afaka ny hahazo famelan-keloka amin’ireo fahotanao taloha?

Rehefa mandalina ny Marka 14 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fahamarinana izay afaka hanampy ny olona mety manana ireo fahatsapana ireo.

Fintino ny Marka 14:10–31 amin’ny alalan’ny fanazavana fa andro vitsivitsy taorian’ny nanosoran’i Maria menaka an’i Jesoa, dia niara-nihinana ny Paska tamin’ireo Apôstôly Izy. Ary avy eo dia nandeha tany amin’ny Sahan’i Getsemane ny Mpamonjy.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avy ny Marka 14:32–34. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ireo fahatsapana izay nananan’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane.

  • Nanao ahoana ny fahatsapana nananan’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane?

Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fehezan-teny manaraka ireto: talanjona sady ory indrindra, fadiranovana loatra.

Hazavao fa ireo fehezan-teny ireo dia nentina hilazana ny fijaliana niainan’i Jesoa Kristy izay tafiditra tao anatin’ny Sorompanavotany.

  • Inona no ampianarin’ireo fehezan-teny ireo antsika momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy? (Aorian’ny famalian’ireo mpianatra izany dia soraty eny amin’ny solaitrabe izao fahamarinana manaraka izao: Nijaly sy novesaran’ny alahelo i Jesoa Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane, izay tafiditra tao amin’ny Sorompanavotany.)

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 14:35–42. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy noho ny fijaliana goavana izay nianjady taminy.

  • Inona no zavatra nataon’ny Mpamonjy noho ny fijaliana goavana izay nianjady taminy? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa lehibe loatra ny fijalian’i Jesoa izay nahatonga Azy nangataka raha toa ka azony atao ny tsy handalo amin’izany.)

Soraty eny amin’ny solaitrabe izao fehezan-teny manaraka izao: I Jesoa Kristy dia niaritra … mba …

Hazavao fa ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina hafa dia afaka manampy antsika hahatakatra ny fijalian’i Jesoa Kristy sy ny antony nananany fahavononana mba hijaly ho antsika.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Isaia 53:3–5 sy Almà 7:11–13. Zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao izy ireo hiara-hamaky ireo andininy ireo sy hikaroka ny zavatra nijalian’ny Mpamonjy sy ny anton’izany. Asao ireo mpianatra hanoratra ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina ny fomba hamenony ilay fehezan-teny misoratra eny amin’ny solaitrabe raha miainga amin’ny zavatra ianaran’izy ireo ao amin’ny Isaia 53:3–5 sy Almà 7:11–13. (Mety ilainao ny manazava fa ny teny hoe manampy ao amin’ny Almà 7:12 dia midika hoe manome fanamaivanana haingana, na mandeha manampy olona iray.)

Refefa ampy ny fotoana nomena dia manasà mpianatra maromaro hanao tatitra ny fomba namenoan ’izy ireo ilay fehezan-teny. Tokony hitovitovy amin’ireto manaraka ireto ny valintenin’izy ireo: I Jesoa Kristy dia niaritra fanaintainana, fahoriana, fakam-panahy, aretina, rofy, sy ny alahelontsika mba hahafantarany ny fomba hanampiany antsika. I Jesoa Kristy dia niaritra fijaliana noho ny fahotantsika mba hahafahany manaisotra ireo fandikan-dalàna nataontsika. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa ny fijalin’ny Mpamonjy noho ny fahotan’ny olombelona dia nanomboka tao Getsemane koa nitohy izany ary tsy nifarana raha tsy tamin’ny fanomboana azy teo amin’ny hazo fijaliana.

  • Ahoana no mety ahafahan’ny fahalalana ny zavatra nijalian’ny Mpamonjy sy ny anton’izany hanampy anao rehefa miatrika fitsapana, fanaintainana, na fijaliana ianao?

  • Oviana ianao no efa nahatsapa fa ny Tompo dia nanampy anao tao anatin’ny fotoana niatrehanao fanaintainana, aretina na alahelo?

  • Inona avy ireo fahatsapana niainanao rehefa nibebaka sy nahatsapa ianao fa nesorina taminao (na voafafa) ny fahotanao tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Fintino ny Marka 14:43–16:20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Jesoa Kristy dia notsaraina tamin’ny fomba tsy ara-drariny teo anoloan’ny Sanhedrina (mpitarika Jiosy) ary dia nohelohina ho faty. Taorian’ny nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana sy nitsanganany tamin’ny Maty, ny Mpamonjy dia niseho tamin’ireo Apôstôliny sy naniraka azy ireo hitondra ny filazantsara eran’izao tontolo izao.

Azonao faranana amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay noresahinareo androany ity lesona ity.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Marka 12:41–44. Ireo farantsankelin’ilay mpitondratena malahelo

“Ireo farantsakely izay narotsak’ilay vehivavy mananotena tao amin’ny fandatsahan-drakitry ny tempoly dia vola madinika nampiasain’ny Jiosy izay nantsoina hoe lepta (izay midika hoe kely ho an’ny teny Grika). Izany dia milanja antsasaky ny grama 1ary ambany vidy noho ny ‘variraiventy’ na ny Kodranta, iray izay vola madinika Romana nanana sandany ambany indrindra tamin’izany fotoana izany (jereo ny Marka 12:42).

“Ny vokatra maneho fa ilay vehivavy mananotena dia nanome ‘izay rehetra nananany’ dia naneho ny fanoloran-tenany ankitsim-po izay nananany ho an’ Andriamanitra, izay mifanohitra tamin’ny fihatsarambelatsihin’ireo mpanora-dalàna (jereo ny Marka 12:38–40). Ny Loholona James E. Talmage (1862–1933) tao amin’ ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny antony nanehoan’ny Tompo fankasitrahana ilay vehivavy mananotena na dia kely aza ny fanomezana nomeny: ‘Ireo mpanan-karena dia nandrotsaka be kanefa izy ireo dia mbola nanana betsaka; ny fanomezana nomen’ilay vehivavy mananotena dia izay rehetra nananany. Tsy ny hakelin’ny fanomezana nomeny no nahatonga izany ho tena nankasitrahana, fa ny fanahin’ny fahafoizan-tena sy ny faharisihana tena vokatry ny fo izay nomeny niaraka tamin’izany’ (Jesus the Christ, 3rd ed. [1916], 561–62). Nilaza ihany koa ny Loholona Talmage fa: Na avy amin’ny lehilahy iray na avy amin’ny firenena iray ny fanomezana, ny tsara indrindra, raha atolotra amim-paharisihana sy amin’ny fo madio, dia lehibe mandrakariva tokoa eo imason’ Andriamanitra, kanefa ireo fanomezana izay kely raha mitaha amin’ny hafa dia mety ho ny tsara indrindra’ (The House of the Lord, rev. ed. [1968], 3)” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 128–29).

Marka 14:3–9. Nanositra menaka an’i Jesoa i Maria

Ny Loholona James E. Talmage dia nanazava fa ny fihetsika nataon’i Maria dia naneho ny fitiavana lehibe nananany ho an’i Jesoa:

“Ny manosotra menaka tsotra amin’ny lohan’ny vahiny iray dia mariky ny fanomezan-kaja azy, ny manao toy izany amin’ny tongony ihany koa dia maneho fomba fijery miavaka sy tsy dia mahazatra loatra; fa ny fanosorana menaka manitra misy narda amin’ny loha sy ny tongotra, amin’ny habetsany toy izany dia fihetsika mifono fanajana sy fanomezam-boninahitra lehibe izay tsy dia fatao matetika na dia amin’ny mpanjaka aza. Ny fihetsika nasehon’i Maria dia fanehoana fitsaohana, izany dia miboiboika avy ao am-po izany feno fiderana sy fitiavana” (Jesus the Christ, 3rd ed. [1916], 512).

Marka 14:32–36. Ny fijalian’ny Mpamonjy tao Getsemane

“Ireo teny nampiasain’i Marka dia mijoro ho vavolombelona ny toetra marina sy ny hamafin’ny fijalian’ny Mpamonjy (jereo ny Marka 14:23–36). Ny teny grika izay nadika hoe ’talanjona’ ao amin’ilay rakitsoratra dia mety manondro ireo fihetseham-po isan-karazany, tafiditra ao anatin’izany ny fahazendanana, fiekena mifony fanajana, fitalanjonana arahina fahatairana lehibe, fijaliana mafy mampivarahontsana. Ny matoanteny Grika izay nadika hoe ‘ory indrindra’ dia mety midika hoe ketraka, kivy, ary feno tebiteby na alahelo. Ny fitambaran’ireo teny ireo dia mamaritra fijaliana iray izay sady lalina no tafahoatra. Nilaza ny Mpamonjy fa ny fanahiny dia ‘fadiranovana loatra toy ny efa ho faty’ (Marka 14:34)—izany hoe, lehibe loatra ny fangirifiriany ka nahatonga Azy nahatsapa ho teo ambavahoan’ny fahafatesana. …

Ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo … dia niresaka momba ny fijaliana tamin’ny Sorompanavotana:

“‘Tao Getsemane, ny fijalian’i Jesoa dia nanomboka tamin’ny hoe “talanjona” (Marka 14:33), na raha amin’ny teny Grika dia hoe, “zendana” sy “gaga.”

“‘Alaivo sary an-tsaina hoe Jehovah izay nahary izao tontolo izao sy ireo tontolo maro hafa no “talanjona”! … Tsy mbola nahafantatra manokana ny hatsarana feno sy ny dingana mazava hizoran’ny Sorompanavotana Izy teo aloha. Koa rehefa tonga taminy tamin’ny fahafenoany ny fanaintainana, dia be loatra izany, ratsy lavitra noho izay efa noeritreretiny tamin’ny fahatakarana nananany izay tsy manam-paharoa! …

“‘Ny fitambaran’ny vesatry ny fahotan’ny olombelona rehetra—ny lasa, ny ankehitriny, sy ny ho avy—no nitambesatra teo amin’ilay Fanahy lavorary, tsy misy fahotana, sy feno fahatakarana! Ny fahalementsika sy ny aretintsika rehetra, tamin’ny fomba tsy azo eritreretina, dia tonga ampahany ihany koa amin’ny rafitrisa mahatsiravin’ny Sorompanavotana. (Jereo ihany koa ny Almà 7:11–12; Isa. 53:3–5; Mat. 8:17.)’ (‘Willing to Submit,’ Ensign, mey 1985, 72–73)” (Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 130).