Tahirim-pitaovana
Lesona 41: Marka 10


Lesona 41

Marka 10

Fampidirana

Tany amin’ny faramparan’ny asa fanompoany teto an-tany, ny Mpamonjy dia nanompo ireo olona tao Perea. Nandritra Izany dia nampianatra ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy nanasa ireo ankizy madinika hanatona Azy Izy. Ny Mpamonjy ihany koa dia nananatra mpanapaka iray tanora sady nanan-karena mba hivarotra ny fananany rehetra ka hanaraka Azy. Rehefa nandao an’i Perea ny Mpamonjy ka nizotra nankany Jerosalema tamin’ny fotoana farany niainany tao amin’ny toetra mety maty, dia nilaza mialoha ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty Izy ary nanorohevitra ireo Apôstôliny mba hanompo ny hafa. Nanasitrana lehilahy iray jamba ihany koa Izy tany Jeriko.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Marka 10:1–16

Nampianatra ny fotopampianaran’ny fanambadiana sy nanasa ireo ankizy madinika hanatona Azy i Jesoa

Manehoa sarin’ ankizy kely maromaro amin’ireo mpianatra.

  • Inona ireo toetoetra izay hiderainao manokana momba ny zandrinao lahy na vavy kely na ireo ankizy kely hafa izay fantatrao? (Tanisao eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra.)

Rehefa mandalina ny Marka 10:1–16 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka fahamarinana iray izay mampianatra antsika ny antony tokony hahatongavantsika ho toy ny ankizy madinika.

Hazavao fa tany amin’ny faramparan’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto an-tany, dia nandao an’i Galilia Izy ka nandeha tany amin’ny faritra iray nantsoina hoe Perea. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanondro ny toerana misy an’i Perea ao amin’ilay taratasy nozaraina “Mortal Life of Jesus Christ at a Glance” [jereo ny lesona 5] na ao amin’ny Bible Maps, no. 11, “The Holy Land in New Testament Times.”) Fintino ny Marka 10:1–12 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa tao Perea ny Mpamonjy dia nampianatra ny olona mikasika ny lanjan’ny fanambadiana.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 10:13–14. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zava-nitranga rehefa tao Perea ny Mpamonjy.

  • Inona no fihetsika nasehon’ireo mpianatra rehefa nitondra ireo ankizy madinika teo anoloan’ny Mpamonjy ny olona? (Hazavao fa ny teny hoe niteny mafy ao amin’ny andininy 13 dia maneho fa ireo mpianatra dia nilaza tamin’ny olona fa diso izy ireo noho ny fitondran’izy ireo ny zanany ho eo anoloan’ny Mpamonjy.)

  • Ahoana no namalian’ny Mpamonjy ireo mpianatra?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 10:15–16 ary angataho ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany rehefa nanatona Azy ireo ankizy madinika ireo. Hazavao fa ilay fehezan-teny hoe “mandray ny fanjakan’ Andriamanitra” ao amin’ny andininy 15 dia manondro ny hoe mandray ny filazantsara.

  • Inona araka ny eritreritrareo ny dikan’ny hoe mandray ny filazantsara “tahaka ny ankizy madinika”? (andininy 15). (Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ireo mpianatra, ary ampitahao amin’ireo zavatra efa notanisaina eny amin’ny solaitrabe izany.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo momba ny zavatra hitranga rehefa mandray ny filazantsara tahaka ny ankizy madinika isika? (Mety hahita fahamarinana maromaro ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa mazava tsara ny hoe rehefa mandray ny filazantsara toy ny ankizy madinika isika, dia ho vonona hiditra ny fanjakan’ Andriamanitra.)

  • Ahoana no fomba ahafahan’ny fandraisana ny filazantsara tahaka ny ankizy madinika hanomana antsika hiditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? (Mba hanampiana ireo mpianatra hamaly io fanontaniana io dia azonao atao ny manasa azy ireo hamaky ny Môsià 3:19.)

Marka 10:17–34

Ny Mpamonjy dia nananatra mpanapaka iray tanora sady nanan-karena mba hivarotra ny fananany rehetra ka hanaraka Azy.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Mark 10:17–20 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zava-nitranga taorian’ny nanomezan’ny Mpamonjy tsodrano ireo ankizy madinika.

  • Ahoana no hamaritanao ilay lehilahy izay nanatona an’i Jesoa? Nahoana?

  • Inona no zavatra nanontanian’ilay lehilahy tamin’ny Mpamonjy? Ahoana no namalian’i Jesoa azy?

Hazavao fa ny Matio 19 dia ahitana ihany koa ny tantaran’ity lehilahy ity izay tonga nanatona ny Mpamonjy. Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Matio 19:20 ary asao ny iray kilasy hihaino ny zavatra navalin’ilay lehilahy taorian’ny nitanisan’ny Mpamonjy ny sasantsasany tamin’ireo didy.

  • Rehefa niaiky izy fa efa notandremany avokoa ireo didy ireo, inona no fanontaniana napetrak’io zatovo io tamin’ny Mpamonjy? (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika ilay fanontaniana napetrak’io zatovo io)

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Inona no mbola tsy mahatanteraka ahy?

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Marka 10:21 sy hikaroka ny fomba namalian’ny Mpamonjy ilay zatovo.

  • Inona no zavatra nolazain’ny Mpamonjy tamin’ilay zatovo fa mbola tsy ampy tao aminy?

Hamafiso ilay fehezan-teny hoe “Ary Jesoa nijery azy tsara, dia tia azy” ao amin’ny andininy 21. (Azonao atao ny manoro hevitra ireo mpianatra mba hanisy marika io fehezan-teny io ao amin’ny soratra masiny.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana no manan-danja ny fahalalana fa i Jesoa dia nitia an’io zatovo io talohan’ny nilazany taminy ny zavatra izay mbola tsy ampy tao aminy?

  • Inona avy no fitsipika azontsika hianarana avy amin’io tantara io? (Mety hahita fitsipika maromaro ireo mpianatra, tafiditra ao anatin’izany izao manaraka izao: Satria tia antsika Izy, ny Tompo dia hanampy antsika hahafantatra ny zavatra izay mbola tsy ampy ao amin’ireo ezaka izay ataontsika mba hanaraka Azy. Raha toa ka manontany Azy isika, dia hampianatra antsika ny zavatra izay tokony hataontsika Izy mba handovana ny fiainana mandrakizay?)

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Marka 10:22 sy hikaroka ny fihetsika nasehon’ilay zatovo rehefa notoroan’ny Mpamonjy hevitra izy ny hivarotra ny fananany rehetra.

  • Inona no fihetsika nasetrin’ilay zatovo izany?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 22, nahoana izy no nanao fihetsika toy izany?

Tsindrio manokana fa na dia mety tsy takiana aza isika ny hamoy ireo harembe mba hanaraka ny Tompo, Izy kosa dia nangataka antsika hanao fanoloran-tena hafa mba hanompo Azy sy hitandrina ny didiny.

  • Inona no sasantsasany amin’ireo fanoloran-tena efa nangatahin’ny Tompo tamintsika izay mety sarotra tanterahana?

  • Inona ireo fitahiana izay mety hafointsika raha toa isika ka misafidy ny tsy hanaraka ny Tompo amin’ny zava-drehetra?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 10:23–27. Asao ilay mpianatra hanolo ny andininy 27 amin’ny ampahany marina ho an’izany izay hita ao amin’ny sombiny amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ao amin’ny Marka 10:27, fanoroana ireo soratra masina mifandraika a etsy amin’ny farany ambanin’ny pejy. Ary asao ireo mpianatra hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny famoizana ny zava-drehetra noho ny Aminy.

  • Nahoana araka ny hevitrao no tena sarotra ho an’ireo izay mitoky amin’ny harena na amin’ny zavatra hafa eo amin’izao tontolo izao ny hiditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

  • Inona araka ny hevitrareo ny dikan’ny hoe azo tanterahana ny zava-drehetra ho an’ireo izay mahatoky an’ Andriamanitra?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 10:28–31. Asao ilay mpianatra hanolo ny andininy 31 amin’ny sombiny amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith izay hita ao amin’ny Marka 10:31, fanoroana ireo soratra masina mifandraika a etsy amin’ny farany ambanin’ny pejy. Ary asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nolazain’i Petera taorian’ny nampianaran’ny Mpamonjy fa isika dia tokony ho vonona hamoy ny zava-drehetra izay takiany amintsika.

  • Araka ny andininy 28, inona no zavatra nolazain’i Petera?

  • Inona no ampanantenain’ny Mpamonjy ireo izay vonona hamoy ny zava-drehetra mba hanaraka Azy?

  • Inona no fitsipika azontsika hianarantsika avy amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ireo mikasika ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy vonona isika ny hamoy na inona na inona takian’ny Tompo amintsika. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)

  • Nahoana ny vidin’ny fiainana mandrakizay no mendrika na inona na inona fanoloran-tena takiana mba hataontsika eto an-tany? (Azonao atao ny mampahatsiahy ireo mpianatra fa tafiditra ao anatin’ny fiainana mandrakizay ny fiarahana mitoetra amin’ Andriamanitra izay tsy misy fahataperany miaraka amin’ireo mpikamban’ny fianakaviantsika izay marina.)

Fintino ny Marka 10:32–34 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Tompo dia nilaza tamin’ireo mpianany fa aorian’ny fahatongavan’izy ireo any Jerosalema dia hovazivaziana, ho karavasiana, ho rorana, sy ho vonoina Izy, ary hitsangana indray amin’ny andro fahatelo.

  • Ahoana no maha-ohatra tonga lafatra ny Mpamonjy amin’ny fahavononana hamoy na inona na inona takian’ Andriamanitra?

Mijoroa ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra tao anatin’ity lesona ity. Ankaherezo ireo mpianatra hisaintsaina amim-bavaka ilay fanontaniana hoe “Inona no mbola tsy mahatanteraka ahy?” ary hankatò na inona na inona bitsika azon’izy ireo mikasika ireo fanoloran-tena izay tian’ny Tompo hataon’izy ireo.

Marka 10:35–52

Ny Mpamonjy dia nilaza mialoha ny hahafatesany sy ny Hitsanganany amin’ny Maty ary nanorohevitra ireo Apôstôliny mba hanompo ny hafa.

handout iconZarao ho vondrona kely vitsivitsy ireo mpianatra. Omeo ny tahadikan’ity taratasy manaraka ity ny vondrona tsirairay avy, ary asao izy ireo hameno izany:

taratasy zaraina, Iza no Lehibe Indrindra

Iza no Lehibe Indrindra?

Boky Torolalana ho an’ny Mpampianatra, Seminera momba ny Testamenta Vaovao—Lesona 41

Fenoy iny taratasy nozaraina iny ao anatin’ireo vondrona, ary hiadio hevitra ireo valim-panontaniana izay hitanareo.

Ataovy ny lisitr’ireo fiaraha-mientana izay ankafizinao:

  • Milaza anaran’ olona vitsivitsy izay tena manam-pahaizana lehibe amin’ny fanatanterahana ireo fiaraha-mientana izay notanisainao tetsy ambony ireo. Inona no mahatonga azy ireo ho lehibe?

Rehefa manohy mandalina ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Marka 10 ianao, dia karohy ny zavatra nampianariny mikasika ireo zavatra izay mahatonga ny olona iray ho lehibe.

Vakio ny Marka 10:35–37 ary karohy ny zavatra nangatahin’i Jakoba sy i Jaona tamin’ny Mpamonjy rehefa nandeha nankany Jerosalema izy ireo.

Ny fangatahan’i Jakoba sy i Jaona mba hipetraka eo ankavanana sy ankavian’ny Mpamonjy dia naneho ankolaka fa izy ireo dia te handray voninahitra sy haja bebe kokoa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra mihoatra noho izay ho raisin’ireo Apôstôly hafa. Ao amin’ny Marka 10:38–40 dia mirakitra fa ny Mpamonjy dia nanazava tamin’i Jakoba sy i Jaona fa izany fitahiana izany dia homena ireo izay efa nomanina handray izany.

Vakio ny Marka 10:41 ary tadiavo ny fomba namalian’ireo mpianatra hafa ny fangatahana izay nataon’i Jakoba sy i Jaona.

  • Araka ny hevitrao, nahoana ireo mpianatra hafa no tsy faly tamin’i Jakoba sy Jaona?

Vakio ny Marka 10:42–45, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy ireo mpianany mikasika ny maha-lehibe ny olona iray.

Fenoy ity fanambarana manaraka ity miainga amin’ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny toetra marin’ny maha-lehibe:

Mba hahatonga antsika ho tena lehibe tokoa dia tsy maintsy .

Ao amin’ny andininy 45, ny teny hoe manompo dia midika hoe mikarakara, mampionona, manampy, sy manohana ny hafa.

  • Nahoana ny olona izay manompo sy mikarakara ny hafa (tahaka ny Mpamonjy) no atao hoe tena lehibe tokoa?

  • Oviana no efa nisy olona nanompo sy nikarakara anao na ny fianakavianao? Nahoana no mety hanao izany olona izany ho tena lehibe ianao?

Rehefa avy nofenoin’ireo mpianatra ilay taratasy nozaraina dia manasa mpianatra maromaro hanao tatitra ny fomba namenoan’izy ireo ilay fanambarana araka ny ao amin’ny Marka 10:42–45. Mety hampiasa teny hafa ireo mpianatra, kanefa tokony hahita izao fitsipika manaraka izao: Mba hahatonga antsika ho tena lehibe tokoa dia tsy maintsy manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Fintino ny Marka 10:46–52 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa nandao an’i Jeriko ka hizotra ho any Jerosalema ny Mpamonjy sy ireo mpianany dia nisy lehilahy iray jamba nantsoina hoe Bartimeo izay nitaraina tamin’ny Mpamonjy mba hanasitrana azy. Nandrara an’i Bartimeo ny vahoaka mba hangiana, kinanjo vao mainka izy nitaraina mafimafy kokoa. Naheno ny fitarainany ny Mpamonjy, nanana fangorahana taminy ary dia nanasitrana azy. (Fanamarihana: Ny tantara momba ny nanasitranana an’i Bartimeo dia hodinihina lalindalina kokoa ao amin’ny lesona ho an’ny Lioka 18.)

  • Ahoana no maha-ohatra tonga lafatra ny Mpamonjy amin’ny fitsipika izay nampianariny mikasika ny fanompoana ny hafa?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny Mpamonjy dia tena lehibe tokoa noho ny fomba izay hoentiny manompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hanompoana sy hikarakarana ireo manodidina azy ireo. Amporisiho izy ireo hametraka tanjona iray izay hanampy azy ireo hanompo sy hikarakara ny hafa.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Marka 10:17–22. Ilay mpanapaka tanora manan-karena

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa isika dia mila manana fahavitrihana hanao ny tsara fa tsy mijanona fotsiny ihany amin’ny tsy fanaovana fahotana mba hahatonga antsika ho mpianatra mahery fo an’ny Mpamonjy:

“Matetika loatra ireo fahotana noho ny tsy fitandremana no mitazona antsika tsy hanana fahafenoana ara-panahy satria mbola misy zavatra tsy ampy amintsika. Tsarovy ilay zatovolahy marina sy nanan-karena izay nanatona an’i Jesoa sy nanontany hoe ‘Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?’ …

“Noho izany dia didy nifanaraka tamin’ny zavatra nilainy no tonga taminy [jereo ny Matio 19:21–22]. Izany dia zavatra nilainy hatao, fa tsy zavatra nilainy hajanona, izay nitazona azy tamin’ny tsy fahafenoana” (“The Pathway of Discipleship” [Brigham Young University fireside, Jan. 4, 1998], 4, speeches.byu.edu).

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa ilay mpanapaka tanora nanan-karena dia nanary ireo fitahiana tokony ho azony satria tsy nanana fahavononana izy ny hanaraka ny Tompo amin’ny zava-drehetra:

“Mety matetika isika no manontany hoe: ‘Tsy ho ampy ve ny fitandremana ireo didy? Inona no zavatra hafa mbola andrasana amintsika ankoatra ny ho marina sy ho mahatoky amin’ny zavatra rehetra izay nankinina tamintsika? Misy zavatra hafa ankoatra ny lalàn’ny fankatoavana ve?’

“Tamin’ny teo-javatra izay nisy ity zatovo mpanan-karena namantsika ity dia mbola nisy ny ankoatra ireo. Nandrasana taminy ny hiaina ny lalàn’ny fahafoizana, mba hamoy ny harena nananany. …

“Araka ny efa fantatrao, nisintaka niala tamin’ alahelo ilay zatovo. … Ary dia navela ho antsika ny misaintsaina ny fifandraisana akaiky tokona ho nifampizarany tamin’ny Zanak’ Andriamanitra, ny finamanana tokony ho nankafiziny niaraka tamin’ireo Apôstôly, ireo fanambarana sy fahitana tokony ho noraisiny, raha toa izy ka afaka niaina ny lalàn’ny fanjakana selestialy” (“Obedience, Consecration, and Sacrifice,” Ensign, mey 1975, 51).

Marka 10:25. “Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra”

Ny sasany dia nanana fahatokian-tena nilaza fa ilay vodi-fanjaitra izay resahana eto dia varavarana kely iray tao amin’ny mandan’ny tanànan’i Jerosalema izay nitaky ny hanesorana ireo enta-mavesatra eny ambonin’ireo rameva mba hahatafidirana ao. tsy misy porofo manamarina fa nisy izany varavarana izany. Ny sasany kosa dia naneho sosokevitra fa ny fanovana ny teny iray ao amin’ireo lahatsoratra amin’ny teny Grika dia hanova ny soratra masina hilaza hoe tsy rameva fa tady no resahina eto izay ampidirina amin’ny vodi-fanjaitra. Kanefa rehefa nilaza mikasika ny fidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra i Jesoa Kristy, dia azo lazaina izany fa ohatra nentina nanehoana zavatra iray mihoatra lavitra noho ny tokony ho izy, niniana nitarina lavitra mba hampianarana ‘fa tena sarotra ho an’ny mpanan-karena ny hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra’ (Matio 19:23). Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia manampy hoe: ‘Raha amin’ny olona izay mametraka ny fitokiany amin’ny harena, dia tsy ho azo tanteraka izany; fa tsy mba toy izany kosa ho an’ireo izay mametraka ny fitokiany amin’ Andriamanitra sy mandao ny zava-drehetra noho ny Amiko, fa hoan’ny toa azy ireo ny zava-drehetra dia azo tanterahina avokoa’ (Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 10:26 [ao amin’ny Marka 10:27, fanoroana ireo soratra masina mifandraika a etsy amin’ny farany ambanin’ny pejy])” (Boky Torolalana ho an’ny Mpaminatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 63).

Marka 10:38–39. “Hianareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay sotroiko”

“Ny Loholona Bruce R. McConkie dia nanazava fa ilay fehezan-teny hoe ‘hisotro amin’ny kapoaka’ dia ‘fanehoana amin’ny alalan’ny fanoharana izay midika hoe: “Manao ireo zavatra izay takian’ny anjara asako amiko eo amin’ny fiainana.”’ Nanazava izy fa ilay fehezan-teny hoe ‘hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa’ dia midika hoe ‘hanaraka ny lalako, hiaritra fanenjehana, ho lavin’ny olona, ary farany dia hovonoina noho ny fahamarinana’ (Doctrinal New Testament Commentary, 1:566). Amin’ny alalan’ny fametrahana ireo fanontaniana hoe: ‘Hianareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay sotroiko? sy ny hatao batisa amin’ny batisa izay anaovana Ahy batisa?’ (Marka 10:38), ny Mpamonjy dia namerina nampifantoka ny fomba fijerin’i Jakoba sy i Jaona ho amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’ny Ray toy izay amin’ny fahazoana haja sy voninahitra” (Boky Torolalana ho an’ny mpianatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 126).

Marka 10:45. “Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo”

Ny Filoha Ezra Taft Benson dia nijoro ho vavolombelona fa i Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny zavatra faratampony:

“Ny lehilahy [na vehivavy] manana fiainana manakaiky ny oha-piainan’i Kristy dia lehilahy [na vehivavy] lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, sy fahefana, ary voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina ahitana ny fahalehibeazana, sy ny maha-olona voatahy, ary ny fifaliana dia ny hoe hatraiza no ahafahan’ny fiainana iray hanakaiky ny an’i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra” (“Jesus Christ: Gifts and Expectations,” Ensign, des. 1988, 2).