Lesona 38
Marka 7–8
Fampidirana
Niteny mafy ireo Fariseo i Jesoa ny amin’ny fomban-drazan’izy ireo diso. Ary avy eo Izy dia nanasitrana tamim-pangorahana ankizy iray izay nitoeran’ny devoly, ary ihany koa lehilahy iray izay sady marenina no raiki-dela. Namahana vahoaka efatra arivo Izy teny akaikin’ny Ranomasin’i Galilia sy nandeha tany Betsaida, izay toerana nanasitranany tsikelikely ny lehilahy iray jamba.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Marka 7
Nanameloka ireo Fariseo i Jesoa sy nanasitrana ankizy iray nitoeran’ny devoly ary nanasitrana lehilahy iray marenina
Alohan’ny kilasy dia manomeza izao toromarika manaraka izao amin’ny mpianatra telo. Mpianatra 1: “Rehefa omena toromarika hanao izany, dia mandehandehana eran’ny kilasy, aza manao akanjo mafana ary manaova fihetsik’ olona iray mangovitry ny hatsiaka.” Mpianatra 2: “Rehefa omena toromarika hanao izany, dia mandehandehana eran’ny kilasy, ary manontania raha toa ka nisy olona nahita ny biby fitaiza an-trano an’ny fianakavianao izay very.” Mpianatra 3: “Rehefa omena toromarika hanao izany, dia sokafy ny kitaponao mba ahafahan’ireo fitaovana ao anatiny hilatsaka amin’ny tany rehefa mandeha ianao.” (Azonao atao ny manatsara io fiaraha-mientana io amin’ny alalan’ny fampiasana toe-javatra hafa izay maneho ny filan’ireo mpianatra fanampiana kanefa mitandrema amin’ny fandaniana fotoana betsaka hanaovana izany.)
Rehefa manomboka ny kilasy dia tariho ireo mpianatra hanatanteraka ireo toromarika ireo ao anatin’ny fotoana mitovy. Asao ireo mpianatra hikaroka ny zavatra samy hita taratra ao amin’ireo toe-javatra ireo.
-
Inona no samy hita taratra ao amin’ireo toe-javatra ireo? (Ny tsirairay amin’ireo toe-javatra ireo dia maneho olona iray mila fanampiana.)
-
Impiry isika no manana fahafahana hanampy ny hafa izay mila fanampiana? Inona no sasany amin’ireo fahafahana izay hitanao tato ho ato?
Rehefa mandalina ny Marka 7–8 ireo mpianatra dia amporisiho izy ireo hikaroka ny zavatra ampianarin’ny Mpamonjy antsika mba hatao rehefa mahatsikaritra olona iray mila fanampiana.
Fintino ny Marka 7:1–30 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia niteny mafy ireo Fariseo noho ny fanarahan’izy ireo ireo fombafomba tsy marina. Nanasitrana ihany koa ny zanakavavin’ilay vehivavy Grika Izy izay nitoeran’ny devoly. Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’io fotoana io, ny asa nanirahana ny Mpamonjy dia tany amin’ny mpianakavin’ Israely fa tsy tany amin’ny Jentilisa kanefa Izy dia mbola nanampy tamim-pangorahana io vehivavy Jentilisa io izay nanery mafy Azy tamin’ny fitarainna nataony.
Asao ireo mpianatra hijery ny misy ny tanànan’i Tyro sy Sidona ary ny ranomasin’i Galilia ao amin’ny Sarintanin’ny Baiboly, lah. 11, “Ny Tany Masina tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao.” Hazavao fa rehefa nandao an’i Tyro sy Sidona ny Mpamonjy dia nankany amin’ny sisiny atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia ka hatrany amin’ny faritr’i Dekapolisy.
Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky amin’ny feo avo ny Marka 7:31–37 sy hikaroka ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy fangorahana tamin’ny lehilahy iray tao Dekapolisy. Rehefa ampy ny fotoana nomena hanaovana izany dia asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny namany:
-
Inona no zavatra nokatsahin’io lehilahy io mba hositranina aminy?
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy talohan’ny nanasitranany ilay lehilahy?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fihetsika nasehon’ny Mpamonjy dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny Tompo dia mifandray amin’ny fanahy mino izay tsy afaka maheno ny feony na hanome valiny mazava mikasika azy ireny. Koa inona no voajanahary kokoa mihoatra ny fampiasana ireo baiko moana iraisana, izay fantatra sy azon’ilay lehilahy marenina sy nanana fahasarotana teo amin’ny fitenenana, mba hilazana ny zavatra afaka ataon’ny Tompo sy ny zavatra andeha hataony … ?” (Doctrinal New Testament Commentary, Boky miisa 3 [1965–73], 1:373).
-
Inona no mety ampianarin’ny fihetsika nasehon’ny Mpamonjy tamin’io toe-javatra io antsika momba ny toetrany?
Hazavao fa na dia nandrara ireo izay nositraniny aza ny Mpamonjy tsy hanaparitaka ny fahagagana nataony, dia mbola ren’ireo olona tao amin’ny faritr’i Dekapolisy ihany ny zavatra tsara nataony, ary dia vahoaka maro isa no niangona teo Aminy (jereo ny Marka 7:36–37).
Marka 8:1–21
Namahana olona maherin’ny efatra arivo i Jesoa
Asao ireo mpianatra hamaly izao fanontaniana manaraka izao ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:
-
Oviana ianareo no efa nisy nahatsikaritra fa nila fanampiana ary dia nanao zavatra izany olona izany mba hanampiana anao?
Hazavao fa ao amin’ity lesona ity rehefa avy eo, ireo mpianatra izay te-hizara ny traikefany dia hanana fahafahana hanao izany.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 8:1–3. Asao ireo mpianatra hanaraka izany sy hikaroka ny olana nitranga noho ireo vahoaka izay nanaraka an’i Jesoa.
-
Inona no olana niseho tamin’ireo vahoaka? Iza no nahatsikaritra ny zavatra nilain’ireo vahoaka?
-
Inona no mety hitranga tamin’ny zavatra nampanahy ny Mpamonjy raha toa ireo vahoaka ireo ka niezaka nandeha nody tany an-tranon’izy ireo kanefa tsy nihinana aloha?
-
Araka ny voalazan’ny andininy 2, inona ny fahatsapana nananan’ny Mpamonjy tamin’ireo vahoaka? (Azonao atao ny miteny amin’ny mpianatra mba hanisy marika ilay andian-teny hoe “Mahonena Ahy ireo vahoaka” izay maneho ny fahatsapana fangorahana sy fiahiana nananan’ny Mpamonjy ho an’ireo vahoaka.)
Manasà mpianatra roa hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 8:4–9. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny vokatry ny fangorahana nananan’ny Mpamonjy.
-
Inona no nataon’ny Mpamonjy ho an’ireo vahoaka?
-
Firy no isan’ireo olona voafahana?
-
Inona no azontsika hianarana avy amin’ny ohatry ny Mpamonjy ao amin’io tantara io? (Ampio ireo mpianatra hitady izao fitsipika manaraka izao: Isika dia afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny famantarana ny zavatra ilain’ny hafa ary avy eo dia manampy amin’ny fanatanterahana ireo fanampiana ilaina ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io, dia hazavao fa ny Rahavavy Linda K. Burton, filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany dia nampianatra fa mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny fanompoana ireo zanak’ Andriamanitra, isika dia mila “mijery aloha, ary avy eo dia manompo” (“Mijere aloha, ary avy eo dia manompoa,” Ensign na Liahona, nôv. 2012, 78). Soraty eo ambanin’ilay fitsipika eny amin’ny solaitrabe io fehezan-teny io.
-
Ahoana no ahafahantsika mianatra ny hijery bebe kokoa ny zavatra ilain’ny hafa? (Diniho ny hanamafisana fa ny sasany amin’ireo fanampiana ialina dia mety tsy hiseho avy hatrany. Kanefa isika dia afaka mivavaka sy mangataka fanampiana mba hahatsikaritra ireo fanampiana ilain’ny hafa ary mampifantoka ny saintsika amin’ny hafa toy izay amin’ny tenantsika.)
-
Inona no mety hanembatsembana ny fahafahantsika hahatsikaritra ny fanampiana ilain’ny hafa sy ny fanatanterahana azy ireny?
Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny traikefa izay nosoratany mikasika ny fotoana iray nahitan’ olona azy tao anatin’ny filana fanampiana koa dia nanolotra fanampiana izany olona izany.
Asao ny mpianatra iray mba hamaky ity teny manaraka nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson ity:
“Impiry ny fontsika no efa tohina rehefa manatri-maso ny fanampiana ilain’ny hafa? Impiry ianao no efa nikasa ny mba ho ilay olona izay hanampy? Ary impiry ihany koa eo amin’ny fiainana andavan’ andro ianao no mamela ny fanampiana ho anjara asan’ny hafa, ao anatin’ny fananana fahatsapana hoe: ‘tsy maintsy misy olona hikarakara izany.’
“Lasa variana loatra isika amin’ireo asa aman-draharaha eo amin’ny fiainantsika. Izay tokony hihemorantsika kely, ka mba ahafahana mijery tsara ny zavatra ataontsika, mety ahita ny tenantsika ho talalatsaka ao anatin’ny ‘hatevenan’ireo zavatra manify.’ isika Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia hoe matetika loatra isika no mandany ny ampahany betsaka amin’ny fotoanantsika hanaovana ireo zavatra izay tsy dia manan-danja loatra eo anatrehan’ireo zavatra maro, ary manao tsirambina ireo izay hitondra vokatra tsara kokoa” (“What Have I Done for Someone Today?” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 85).
Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ireo trangan-javatra mandritra ny andro toy ny mahazatra azy ireo amin’ny andavan’andro. Asao izy ireo hieritreritra ireo olona izay mihaona aminy sy mety mila ny fanampian’izy ireo toy ny ray aman-dreny, mpiray tampo ary ireo namana. Amporisiho izy ireo hanolotena hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanolorana fanampiana rehefa mahatsikaritra olona mila izany.
Fintino ny Marka 8:10–21 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny famahanana ireo 4.000 tamin’ny fomba mahagaga, i Jesoa sy ireo mpianany dia niondrana an-tsambokely nankany amin’ny toerana iray nantsoina hoe Dalmanota. Nangatahan’ireo Fariseo izy tao amin’io toerana io mba haneho amin’izy ireo famantarana iray. Nolavin’i Jesoa izany ary Izy dia nampianatra ny mpianany mba hitandrina amin’ny fotompampianaran’ireo Fariseo, izay fotopampianarana miafara amin’ny fahajambana ara-panahy.
Marka 8:22–26
Nanasitrana tsikelikely ilay lehilahy jamba i Jesoa
Hazavao fa i Jesoa sy ireo mpianany dia nandao ny faritr’i Dekapolisy ary tonga tany amin’ny toerana iray nantsoina hoe Betsaida. Rehefa tonga tao izy ireo dia nisy lehilahy iray jamba noentina teo amin’ny Mpamonjy mba ho sitranina.
Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 8:22–26. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny fomba nanasitranan’i Jesoa ilay lehilahy jamba.
-
Inona no nitranga taorian’ny fotoana voalohany nametrahan’ny Mpamonjy ny tanany teo amin’ilay lehilahy jamba? (Mety ilainao ny manazava fa ilay fehezan-teny hoe: “Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy saingy mamindra” [andininy 24] dia maneho fa ilay lehilahy jamba dia efa afaka nahita saingy mbola manjavozavo izany.)
-
Inona no nitranga rehefa nametraka fanindroany ny tanany teo amin’ilay lehilahy jamba ny Mpamonjy?
Omeo tahadikan’izao fanambarana manaraka izao ireo mpianatra izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary manasà mpianatra iray hamaky izany amin’ny feo avo. Amporisiho ireo mpianatra hanaraka izany sy hikaroka ireo antony mety nahatonga an’i Jesoa nanasitrana tsikelikely ilay lehilahy na tamin’ny fomba vitsivitsy.
“Ity fahagagana ity dia miavaka tanteraka; Ity no hany fotoana voarakitra izay ahitana an’i Jesoa nanasitrana olona iray tamin’ny fanatanterahana zavatra vitsivitsy. Mety hoe nanaraka izany ny Tompontsika mba hanatanjahana ny finoan’ilay lehilahy jamba izay malemy kanefa nitombo. Izany dia mety nitranga avy amin’ireo fotoana nifanesy nifampikasohana ara-batana tamin’i Jesoa izay nampisy vokany ka nampitombo ny fanantenana sy ny fahazoana antoka ary ny finoan’ilay tsy nanana fahitana. I Jesoa mihitsy (1) no nitarika ilay jamba tamin’ny tanana nivoaka ilay tanana, (2) nanosotra ny rorany teo amin’ny mason’ilay tsy nanana fahitana, (3) nanao ny ôrdônansin’ny fametrahan-tanana, (4) sy nametraka fanindroany ny tanany teo amin’ny mason’ilay lehilahy.
“Azo antoka fa ny fomba nanatanterahana ity fanasitranana ity dia mampianatra antsika fa ny olombelona dia tokony hikatsaka ny fahasoavan’ny fanasitranana avy amin’ny Tompo na dia ho ampy ho an’ny ampahan’ny fanasitranana fotsiny ihany aza izany, ny fanarahana izany anefa dia mety hahazoan’izy ireo antoka sy finoana fanampiny mba ho sitrana sy ho tsara avokoa ny zava-drehetra. Matetika ihany koa ny olombelona dia sitrana amin’ny ireo aretina ara-panahiny amin’ny ambaratongany sy tsikelikely rehefa mampifanaraka ny fiainany amin’ny drafitra sy ny tanjon’ny Mpahary lehibe izy ireo” (Doctrinal New Testament Commentary, 1:379–80).
-
Ahoana no ahafahan’ny fahasitranana tsikelikely hampitombo ny finoan’ny olona iray an’i Jesoa Kristy?
-
Nahoana no manan-danja ny mahatakatra fa ireo fitahiana sasany toy ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara na ny fandraisana fanasitranana ara-batana na ara-panahy matetika tonga tsikelikely na amin’ny ambaratongany fa tsy eo no ho eo na indray mandeha?
Marka 8:27–38
Nijoro ho vavolombelona i Petera fa i Jesoa no Kristy
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 8:27. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny fanontaniana napetraky ny Mpamonjy tamin’ireo mpianany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Asao ireo mpianatra hitadidy ny fomba namalin’i Petera io fanontaniana io, araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 16:16 (Ity andininy ity dia ampahan’ny andinin-tsoratra masina fehezina iray). Raha toa ka tsy tadidin’izy ireo izany, dia manasà mpianatra iray hamaky ny Marka 8:29 amin’ny feo avo (io andininy io dia ahitana ny valintenin’i Petera).
Fintino ny Marka 8:30–38 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia niteny ireo mpianany ny tsy mbola tokony hampahafantaran’izy ireo ny olona ny momba Azy ho i Kristy na ilay Mesia. Nanomboka nampianatra azy ireo ihany koa mikasika ny fijaliany sy ny fahafatesany izay ho tonga tsy ho ela Izy.
Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona mikasika ireo fahamarinana izay nianaran’izy ireo avy amin’ireo soratra masina nohalalininy nandritra ny lesona.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Marka 7:11. Inona no atao hoe “Korbana”?
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny dikan’ny hoe “Korbana” sy ny antony nanamelohan’ny Mpamonjy ny fomba nampiasan’ny Fariseo sy ny mpanora-dalana ity fomba ity:
“Toy izao no endrikendrika tian’i Jesoa ambara: Ireo ray aman-dreny, angamba efa be taona sy efa konka, dia noana, mitanjaka, sy tsy manan-kialofana. … Kanefa izy ireo dia manan-janaka—zanaka izay manan-karena sy manan-katao … azo antoka tokoa fa ampy ny eo am-pelatanana ho an’ny rehetra sy mba ho zarainy. Kanefa tsy izany, hoy ireo zanaka milaza: ‘Korbana izany.’ Izany dia hoe: ‘Efa nanao voady izany ho an’ny tanjona masina izahay. Ianareo ray aman-dreninay, dia afaka hijalin’ny hatsiaka, hanoanana, sy tsy hanan-trano fialofana; ny fanananay dia tsy afaka hanampiana anareo. Manana zoto-po lehibe ho an’ny Tompo izahay, ary ny fanananay dia nanaovana voady taminy; koa tsy afaka handrava ny voady nataonay izahay.’
“Na: ‘Korbana izany; efa nanao voady aho fa ny fananako dia toy ny hoe efa natokana ho an’ny tanjona masina, koa na dia mety hanohy hampiasa izany aza aho mandritra ny fiainako, dia tsy hanana anjara amin’izany ianareo noho ny voady izay nataoko.’
“‘… Manan-danja kokoa ny hitandremako ny voady izay nataoko noho ny fanatanterahako ny andraikitro amin’ny fanohanana ny ray aman-dreniko. Ny fomba amam-panao am-bava an’ireo loholona dia lasa nanan-danja kokoa noho ny lalàna masina izay nosoratan’i Mosesy.’
“Somary sarotra ny mino fa ny fivavahana dia afaka ny hahazo faka lalina toy izany, ary ny olona izay milaza ny tenany fa manompo an’i Jehovah izay notompoin’ny rain’izy ireo no afaka manadio mora foana ny fieritreretany sy mahatsapa ny tenany ho afaka amin’ny fitandremana ny lalàny. I Jesoa dia efa niantso azy ireny ho mpihatsaravelatsihy ary nilaza fa ny fivavahan’izy ireo dia zava-poana” (The Mortal Messiah, Boky miisa 4. [1979–81], 2:407–8).
Marka 8:1–9. “Mahonena Ahy ireo vahoaka”
Ny Filoha Thomas S. Monson dia nampianatra mikasika ny fanaovana asa ho fahohanana ny hafa:
“Ny fanampiana ilain’ny hafa dia misy tokoa ary isika tsirairay avy dia afaka manao zavatra entina hanampiana olona iray. …
“Ry rahalahy sy anabavy, voahodidin’ireo olana izay mila ny fifantohantsika, ny famporisihantsika, ny fanohanantsika, ny fampiononantsika, ny hatsaran-teotrantsika isika—mety ho olona ao amin’ny fianakaviana izy ireo, na namana, na olom-pantatra, na olona hafa mihitsy. Isika no tanan’ny Tompo eto ambonin’ny tany ary manana ilay fahefana nomena mba hanompoana sy hanomezana hery ny zanany. Miantehitra amin’ny tsirairay avy amintsika Izy” (“What Have I Done for Someone Today?” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 85, 86).