Lesona 34
Marka 1
Fampidirana
Nitory “ny batisan’ny fibebahana ho famelan-keloka” i Jaona Mpanao Batisa (Marka 1:4). Taorian’ny nanaovan’i Jaona batisa an’i Jesoa, ny Mpamonjy dia nanomboka nitory ny filazantsara sy nanao fahagagana tamin’ny alalan’ny hery sy fahefana masina. Nandroaka fanahy maloto sy nanasitrana boka iray Izy. Niely nanerana an’i Galilia ny lazany.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Marka 1:1–20
Nanomboka ny asa fanompoany i Jesoa
Andro vitsivitsy alohan’ny kilasy, dia mangataha mpianatra roa hizara fohifohy ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ilay kilasy. Aorian’ilay fankaherezam-panahy, dia asao ireo mpianatra roa ireo hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Avy eo dia anontanio ny iray kilasy hoe:
-
Inona no maha-sarobidy ny fahenoana ireo fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny olona maro toy izay ny avy amin’ny olona iray monja?
-
Araka ny hevitrao, inona no maha-sarobidy ny fandalinana ny fijoroana ho vavolombelon’i Marka amin’izao, raha toa ka efa avy nandalina ny fijoroana ho vavolombelon’i Matio ianao?
Asao ireo mpianatra hijery amim-pahanginana ao amin’ny Marka 1:1–4, 9–11 sy hikaroka ny trangan-javatra izay nanombohan’i Marka ny tantara nataony momba ny fiainan’ny Mpamonjy.
-
Inona no trangan-javatra nanombohan’i Marka ny tantara nataony?
Hazavao fa ny tantara nataon’i Marka momba ny fiainan’ny Mpamonjy dia hafa raha mitaha amin’ny ao amin’ny Matio, izany dia nanomboka tampoka sy nizotra haingana, izay manamafy ny toetra maha-Andriamanitra ananan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fifantohana amin’ireo asa sy fahagagana izay nataony. Azo heverina fa i Marka dia nanoratra ny tantara araka ny zavatra nianarany tamin’ny Apôstôly Petera.
Fintino ny Marka 1:12–20 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nifadian’i Jesoa hanina nadritra ny 40 andro, dia nalain’ny devoly fanahy Izy. Nitory fibebahana ihany koa Izy tany Galilia ary niantso ireo ho mpianatra hanaraka Azy. (Fanamarihana: Ireo tantara ireo dia nampianarina ifotony tao amin’ny lesona ho an’ny Matio 4.)
Marka 1:21–39
Nandroaka demonia sy nanasitrana ny marary i Jesoa
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny ity Faritry ny Fahavalo ary anontanio ireo mpianatra ny loza mety hatrehin’ny miaramila iray izay any amin’ny faritry ny fahavalony.
Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Boyd K. Packer tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Mitombo ao anatin’ny tanin’ny fahavalo ianareo ry tanora.
“Fantatsika avy amin’ny soratra masina fa nisy ady tany an-danitra ary nikomy i Losifera sy ny mpanara-dia azy ka ‘nazera tamin’ny tany’ [Apokalypsy 12:9]. Vonona ny hanakorontana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra izy ary mikatsaka ny hifehy ny saina sy ny fihetsiky ny rehetra” (“Torohevitra ho an’ireo Tanora,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 16).
-
Inona avy ireo endrika mety isehoan’ny fiainana eto an-tany ho toy ny any amin’ny faritry ny fahavalo?
Asao ireo mpianatra hanangan-tanana raha toa izy ireo ka efa nahatsiaro tena ho sahiran-tsaina noho ireo zava-dratsy izay misarika sy ireo fakam-panahy manodidina azy ireo. Rehefa mandalina ny Marka 1:21–39 ireo mpianatra, dia asao izy ireo hikaroka fahamarinana iray izay hanampy azy ireo rehefa miatrika ireo fakam-panahy sy ireo fitaomana hanao ny ratsy.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 1:21–22. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny zavatra nataon’i Jesoa tao Kapernaomy sy ny fihetsika nasehon’ireo Jiosy nanoloana izany.
-
Nahoana ireo Jiosy no talanjona tamin’ny fampianaran’i Jesoa?
-
Araka ny hevitrao, midika inona no hoe i Jesoa dia nampianatra “tahaka izay manana fahefana”? (Marka 1:22).
Hazavao fa ireo mpanora-dalàna dia nosokajiana ho toy ny manam-pahaizana manokana tao amin’ny lalàn’i Mosesy. Matetika izy ireo rehefa mitory dia mampiasa ny teny nataon’ireo manam-pahefana ambony tao amin’ny lalàna teo aloha (jereo ny Boky torolalana ho an’ny mpianatra, Testamenta Vaovao [Church Educational System manual, 2014], 103). MIfanohitra amin’izany kosa, i Jesoa dia niteny tamin’ny hery sy fahefana avy amin’ny Rainy, sy amin’ny maha-ilay Jehova lehibe izay nanome ny lalàn’i Mosesy Azy (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:37 [ao amin’ny Matio 7:29, fanovozan-kevitra a eny amin’ny farany ambanin’ny pejy]).
Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Marka 1:23–26, na asehoy amin’ny iray kilasy ny horonantsary “Jesus Heals a Possessed Man” (1:48) ao amin’ny The Life of Jesus Christ Bible Videos, izay azo alaina ao amin’ny LDS.org. Asao ireo mpianatra hikaroka ny zava-nitranga rehefa nampianatra tao amin’ny synagoga i Jesoa. Asao ny mpianatra hizara momba ny zavatra hitany. Hazavao fa ny hoe “fanahy maloto” dia noentina nilazana ny fanahy ratsy.
-
Inona no zavatra fantatr’ilay fanahy maloto momba an’i Jesoa Kristy?
-
Ahoana no nahafantaran’ilay fanahy maloto ny momba an’i Jesoa? (Ireo fanahy maloto izay mikatsaka ny hahazo vatana ireo dia ireo mpanara-dia an’i Losifera. Nitoetra teo anatrehan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izy ireo talohan’ny nandroahana azy ireo hiala tany an-danitra.)
-
Raha ohatra ka tao amin’ny synagoga ihany koa ianao tamin’io fotoana io, inona no hevitra mety nananao momba an’i Jesoa?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Marka 1:27–28. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hitady ny fihetsika nasehon’ny olona taorian’ny nahitan’izy ireo an’i Jesoa nandroaka ilay fanahy maloto tao amin’ilay lehilahy.
-
Inona no fihetsika nasetrin’ny olona?
-
Inona no ampianarin’io tantara io antsika momba ny herin’ny Mpamonjy? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’izao manaraka izao ireo mpianatra: Manana hery hifehy ny devoly sy ny mpanara-dia azy ny Mpamonjy.)
-
Ahoana no ahafahan’ny fahalalana io fahamarinana io hanampy antsika rehefa mahatsiaro tena ho mikorontan-tsaina isika vokatr’ireo fitaomana amin’ny ratsy sy ireo fakam-panahy manodidina antsika?
Manasà mpianatra iray hamaky izao fanambarana manaraka izao, izay nataon’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany:
“I [Joseph Smith] dia nilaza fa ‘Ireo fanahy ratsy dia manana ny faritra misy azy sy ny fetra azony aleha ary lalàna izay naorina ho azy ireo’ [ao amin’ny History of the Church, 4:576]. Noho izany i Satana sy ireo mpanara-dia azy dia tsy manana hery amin’ny zavatra rehetra. …
“… Ireo ezaka ataon’i Satana dia afaka ho voatohitr’ireo rehetra izay manatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny filazantsara ” (“Serving the Lord and Resisting the Devil,” Ensign, sept. 1995, 6, 7).
-
Araka ny voalazan’ny Filoha Faust, inona no zavatra azontsika atao mba hahazoana hery lehibe kokoa hanoherana ny devoly?
-
Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 28, inona no nitranga taorian’ny nandroahan’ny Mpamonjy ilay fanahy maloto?
Fintino ny Marka 1:29–39 amin’ny alalan’ny fanazavana fa ny Mpamonjy dia nanasitrana ny rafozambavin’i Simona Petera tamin’ny tazo nahazo azy, nanasitrana marary hafa maro, sy nandroaka demonia maro. Nanohy nitory tany Galilia i Jesoa.
Marka 1:40–45
Nanasitrana boka iray i Jesoa
Asao ireo mpianatra hijery amim-pahanginana ao amin’ny Marka 1:40 sy hikaroka ny olona izay nanatona ny Mpamonjy rehefa nanohy nitory tao Galilia Izy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Manasà mpianatra iray ho eny aloha. Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa ilay mpianatra izay mijoro eny aloha dia tratran’ny habokana.
Hazavao fa ny habokana dia aretina mitoetra maharitra izay manimba ny hoditra, ny hozatra mpanaitra, ny maso, ny taolana, sy ireo ratsam-bàtana. Ary raha tsy voatsabo dia mitarika amin’ny fanaintainana mahafaty. Tamin’ny andro taloha, dia ninoana fa ny olona izay mifampikasoka amin’ny boka dia hifindran’ilay aretina. Tondroy ilay mpianatra eny aloha ary manontania hoe:
-
Raha toa i (anaran’ilay mpianatra) ka boka niaina tamin’ny andro taloha, ahoana no fomba mety nandraisana azy?
Hazavao fa mba hiarovana ny fahasalamana sy ho fikarakarana ny maha-olona teo amin’ny fiaraha-monina, dia noterena hipetraka ivelan’ny tanàna ireo boka. Ny lalàna dia mitaky azy ireo hiantso mafy ny tenany hoe “Tsy madio!” mba hampitandremana ireo izay manatona azy ireo (jereo ny Bible Dictionary, “Leper”; Levitikosy 13:44–46). Manasa mpianatra vitsivitsy haneho an-tsehatra ity trangan-javatra ity, amin’ny alalan’ny fandalovana eo amin’ilay mpianatra izay misolotena ilay boka. Ary rehefa manatona izy ireo, dia angataho ilay mpianatra izay misolotena ilay boka hiantso mafy hoe: “Tsy madio! Tsy madio!” Anontanio ireo mpianatra ireo izay nanatona an’ilay boka ny amin’ny fihetsika mety hasehon’izy ireo manoloana ity toe-javatra ity. Ary avy eo dia asao hiverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra.
-
Ahoana no ahafahan’ny habokana hampisy fiantraikany eo amin’ny fiainanao?
Manasà mpianatra vitsivitsy haka sary an-tsaina hoe izy ireo dia tratran’ny habokana tamin’ny andron’i Jesoa Kristy. Anontanio azy ireo ny zavatra mety ho nataony raha toa ka nahita ny Mpamonjy nanatona izy ireo.
-
Araka ny ao amin’ny Marka 1:40, inona no zavatra nataon’ilay boka rehefa nahita ny Mpamonjy izy? (Hazavao fa ny teny hoe nitaraina dia midika hoe nangataka na nitalaho.)
-
Ahoana no fomba nanehoan’ilay boka ny finoany an’i Jesoa Kristy? Ahoana no anehoan’ilay fehezan-teny hoe “raha mety Hianao” ny finoan’ilay boka?
Asao ireo mpianatra hamaky amim-pahanginana ny Marka 1:41–42 sy hikaroka ny fihetsika nasetrin’ny Mpamonjy ny fitalahoan’ilay lehilahy.
-
Inona no nanaitra anao momba ny fihetsika nasetrin’ny Mpamonjy ny fitalahoan’ilay lehilahy?
-
Raha toa ianao ka teo amin’ny toeran’io boka io, mety nidika inona taminao ny fikasihan’ny Mpamonjy anao? Nahoana?
-
Ahoana no mety niovan’ny fiainanao raha toa ka nositranin’i Jesoa Kristy ny habokana izay nahazo anao?
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity: Ny habokana dia azo oharina amin’ny fahotana.
Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba azo hanoharana ny habokana ho toy ny fahotana dia (jereo ny Levitikosy 14), manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao, izay nataon’ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
“Ny habokana tamin’ny andron’ny soratra masina, ankoatra ny vokany izay manimba ny vatana, dia noheverina ihany koa izany fa tandindon’ny fahotana sy ny tsy fahadiovana, izay midika fa toy ny hihinanan’ity areti-mandoza ity sy hanimbany ny vatana, no hihinanan’ny fahotana toy izany ihany koa sy hanimbany ny lafiny ara-panahin’ny olombelona” (The Mortal Messiah, 4 vols. [1979–81], 2:45).
-
Amin’ny lafiny inona no azo hanoharana ny habokana hitovy amin’ny fahotana? (Amin’ny fanoharana ny habokana amin’ny fahotana, dia alaivo antoka ny hahatakaran’ireo mpianatra fa ny aretina dia tsy voatery ho vokatry ny fahotana avokoa.)
Manasà mpianatra iray hamerina hamaky amin’ny feo avo ny Marka 1:40–42, sy hanolo ny boka ho mpanota ary ny habokana ho fahotana. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fomba azo hanoharana ny fanasitranana ity boka ity amin’ny hoe voadio amin’ny fahotana.
-
Rehefa mamaky ireo andininy ireo amin’ity fomba ity ireo mpianatra, dia inona ireo teny izay maneho ilay hevitra hoe voavela heloka?
-
Ahoana no fomba hampiharantsika ny zavatra nataon’ilay boka izay nahafahany ho voadio tamin’ny habokana raha ny amin’ny zavatra tokony hataontsika mba ho voadio amin’ny fahotana?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fanoharana ny fanasitranana ilay boka amin’ny hoe voadio amin’ny fahotana? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Rehefa mampihatra finoana sy manatona ny Mpamonjy isika, dia hanana fangorahana amintsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny fahotana Izy. Soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra.)
-
Inona avy ireo fomba tsy maintsy hampiharantsika finoana sy hanatonantsika ny Mpamonjy mba hahafahany mamela ny fahotantsika?
Asao indray mandeha ireo mpianatra hisaintsaina ny endriky ny fiainan’ilay boka teo aloha sy taorian’ny nahasitrana azy.
-
Ahoana no ahafahan’ny fanatonana an’i Jesoa Kristy mba ho voadio amin’ny fahotana hanova ny fiainan’ny olona iray?
-
Oviana ianao no efa nahita fiovana teo amin’ny fiainan’ny olona iray rehefa voadio tamin’ny fahotana izy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy? (Ampitandremo ireo mpianatra mba tsy hilaza anaran’ olona na hiresaka mikasika ireo fandikan-dàlana nataon’ilay olona.)
Asao ireo mpianatra hieritreritra hoe inona avy ireo fahotana tokony ho diovina ao amin’izy ireo. Asao ireo mpianatra hanatona ny Mpamonjy amin’ny fampiharan’izy ireo finoana Azy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fibebahana ary ny fankatoavana mba hahafahany manadio azy ireo. Diniho ny hizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny hery manadio avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.
Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Marka 1:43–45. Asao ny iray kilasy hikaroka ireo toromarika nomen’ny Tompo ilay boka izay sitrana. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra hitany.
Hazavao fa ny lalàn’i Mosesy dia mitaky ireo izay sitrana tamin’ny habokana mba haneho ny tenany amin’ny mpisorona iray avy ao amin’ny tempoly ary hanolotra fanatitra.
-
Inona no zavatra nataon’ilay lehilahy taorian’ny nampitandreman’ny Mpamonjy azy tsy hilaza amin’ny hafa mikasika ny nanasitrana azy?
-
Inona no zava-nitranga vokatry ny fanaparitahan’ilay lehilahy ny vaovao mikasika ny nanasitrana azy?
Diniho ny hamaranana ny lesona amin’ny fanontaniana ny mpianatra ny zavatra tena nanaitra azy ireo indrindra mikasika ireo fihetsika nataon’i Jesoa Kristy izay hita ao amin’ny Marka 1.
Fanazavana sy Fampahalalana ny Zava-miseho
Marka 1:24–25. Nohoana ny Mpamonjy no nandidy ireo demonia mba “hangiana”?
Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa i Jesoa dia “tsy namela mandrakariva ny devoly hijoro ho vavolombelona momba Azy. Ny fijoroana ho vavolombelona izay mitondra mankany amin’ny fiovam-po dia avy amin’ Andriamanitra fa tsy avy amin’i Losifera. Efa namela ireo fanahy ratsy nandeha kanefa tsy voateny mafy ve i Jesoa, na efa nanaiky azy ireo hijoro ho vavolombelona momba Azy (na dia marina aza ny zavatra lazain’izy ireo), raha izany dia ho nanana fanamarinana lehibe kokoa ireo Jiosy tamin’ny zavatra tsy marina izay nanoherany Azy fa ‘manana demonia Izy, sy hoe tezitra Izy; nahoana ianao no mihaino Azy?’ (Jaona 10:20.)” (Doctrinal New Testament Commentary, 3 vols. [1965–73], 1:168).
Marka 1:40. habokana
Nisy mpanadihady Baiboly iray namariparitra ny vokatra mahatsiravina ateraky ny habokana toy izao manaraka izao:
“Ny fambara sy ny vokatra aterak’ity aretina ity dia tena mampihoron-koditra. Mipoitra ireo zavatra mibontsimbontsina fotsy na lagaly, miaraka amin’ izay ny fiovan’ny lokom-bolo … avy amin’ny tena lokany tamin’ny voalohany ka lasa mavomavo, ary avy eo dia miseho ireo tasitasy amin’ny hoditra izay miha-milentika mahazo ny nofo, na fisehoan’ny nofo eo amin’ireo faritra mibontsimbotsina. … Mihetsiketsika sy mihintsana ireo hoho, mandranoka ny hihinify ary miraraka ireo loto amin’ny nify, mamofona ratsy ny fofon’ aina, mihasimba ny orona, ny rantsan-tanana, ny tanana sy ny tongotra dia mety tsy hisy intsony, na koa hoe ny fahasimban’ny maso. Ilay hatsarana amin’ny maha-olona dia nivadika ho fahasimbana” (Charles F. Deems, The Light of the Nations [1884], 185).
Marka 1:40–42. Isika dia afaka ny ho voadio amin’ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy
Nampianatra ny Loholona Shayne M. Bowen ao amin’ny Fitopololahy hoe:
“Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia azon’ny rehetra ampiasaina. Tsy manam-petra ny Sorompanavotany. Izany dia azo ampiharina amin’ny rehetra, dia aminao izany. Izany dia afaka manadio, mamerina amin’ny laoniny, sy manamasina, dia ho anao izany. Izany no dikan’ny hoe tsy manam-petra—manontolo, feno, rehetra, mandrakizay. Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer hoe: ‘Tsy misy fahazaran-dratsy, na fiankinan-doha, na fikomiana, na fandikan-dalàna, na apôstazia, na heloka izay tsy hahazo anjara amin’ilay fampanantenana famelan-keloka tanteraka. Izany no fampanantenana avy amin’ny Sorompanavotan’i Kristy’ (“The Brilliant Morning of Forgiveness,” Ensign, nôv. 1995, 20)” (“The Atonement Can Clean, Reclaim, and Sanctify Our Lives,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 34).