Tahirim-pitaovana
Lesona 47: Lioka 6:1–7:18


Lesona 47

Lioka 6:1–7:18

Fampidirana

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovana soa ny hafa i Jesoa, na dia amin’ny andro Sabata aza. Rehefa avy nandany ny alina tamin’ny vavaka i Jesoa, dia niantso ny Apôstôly roa ambin’ny folo Izy ary avy eo dia nampianatra azy ireo sy ny vahoaka. Nanasitrana ihany koa ny mpanompon’ny kapiteny iray sy nanangana ny zanakalahin’ny mpitondratena iray tamin’ny Maty Izy.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Lioka 6

Nanasitrana tamin’ny andro Sabata i Jesoa, nifidy ny Apôstoly roa ambin’ny folo, ary nampianatra ny vahoaka

(Fanamarihana: Ampahany maro amin’ny zavatra hita ao amin’ny Lioka 6 no voaresaka ao amin’ny lesona ho an’ny Matio 5–7; 10:1–4; sy Marka 3:1–6. Ity ampahan’ny lesona ity dia hifantoka amin’ny Lioka 6:31–38.)

Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina fa ao amin’ny fivoriam-piangonan’izy ireo ny alahady dia maheno filazana momba ny atrikasa iray ho an’ny fianakaviana iray izay mipetraka manodidina eo izy ireo. Rehefa vita ilay filazana dia naheno valinteny efatra samy hafa izy ireo. Manasà mpianatra efatra hamaky amin’ny feo avo ireto valinteny miendrika fandrosoana sosokevitra ambadika manaraka ireto:

  1. “Vao haingana io fianakaviana io no nandalo zava-tsarotra maro. Faly aho ny hanampy amin’ny fomba rehetra azoko atao.”

  2. “Tokony hisy fizarana sakafo aorian’izany, satria raha tsy izany dia tsy handeha aho.”

  3. “Tsy tena te-handeha aho, kanefa azoko atao ny manome fanampiana kely amin’ny herinandro ambony ao anatin’ny atrikasa izay omaniko, koa mety tokony hanampy aho izao.”

  4. “Raha handeha ny namako dia handeha aho.”

  • Inona no lazain’ireo ohatra ireo mikasika ny antony hanompoan’ny olona indraindray?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo fahafahana efa nananan’izy ireo mba hanompo sy ny fahatsapana nananan’izy ireo tamin’izany mikasika ny fanompoana. Rehefa mandalina ny Lioka 6–7 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika izay afaka hanampy azy ireo hanao asa fanompoana amin’ny fomba tsara kokoa.

Fintino ny Lioka 6 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa tany Galilia i Jesoa tany am-piandohan’ny asa fanompoany, dia nanasitrana lehilahy iray maty tanana Izy tamin’ny andro Sabata, nandany ny alina tamin’ny vavaka, ary niantso ny Apôstôly roa ambin’ny folo. Nanomboka nampianatra azy ireo “mbamin’ireo vahoaka betsaka” ny fomba hahazoana valisoa avy any an-danitra i Jesoa (verse 17).

Asao ireo mpianatra hamaky am-pahanginana ny Lioka 6:19 sy hikaroka ny zavatra nataon’i Jesoa tamin’ireo vahoaka talohan’ny nanombohany hampianatra azy ireo. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 6:31–35. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny torohevitra nomen’i Jesoa ireo mpianany.

  • Inona no torohevitra nomen’i Jesoa ireo mpianany?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 35, inona no zavatra tokony ho antenaintsika aorian’ny fanaovantsika soa ny hafa? (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hanisy marika ilay fehezan-teny hoe “ka aza kivy na amin’ny inona na amin’ny inona.”)

  • Inona ireo valisoa ara-nofo mety antenain’ny olona rehefa manao asa fanompoana izy ireo?

  • Raha toa isika ka manao soa ny hafa ary tsy miandry tambiny avy amin’izany, dia inona no hitranga avy amin’ny fampanantenan’ny Tompo? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Raha toa isika ka manao soa ny hafa ary tsy miandry tambiny avy amin’izany, dia ho lehibe ny valisoantsika ary isika dia ho zanaky ny Avo Indrindra.)

Hazavao fa na dia zanak’ Andriamanitra avokoa aza isika rehetra, ireo izay manao soa ny hafa no mampivoatra ny hery anaty izay ananany amin’ny fahatongavana ho tahaka ny Ray any An-danitra.

  • Nahoana io fampanantenana io no valisoa tsara indrindra avy amin’ny fitiavana sy ny fanaovana soa ny hafa?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 6:36–38. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ireo ohatra nomen’i Jesoa ny amin’ny fomba ahafahantsika manao soa ny hafa.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 36–37, inona ireo ohatra nomen’i Jesoa ny amin’ny fomba ahafahantsika manao so any hafa? (Azonao atao ny manazava fa ireo izay manao soa amin’ny alalan’ireo fomba ireo dia handray famelan-keloka sy ny famindram-pon’ Andriamanitra.)

Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny andininy 38, dia mitondrà siny, harona, na boaty ary karazan-javatra hafa toy ny akanjo, sakafo ary rano anaty tavoahangy ao an-dakilasy. Ataovy izay hitondrana kazaran-javatra betsaka kokoa tsy ho tafiditra ao anatin’ilay ftoeran-javatra nentinao. Manasà mpianatra iray ho eny aloha, ary asao izy hanandrana hampiditra ireo karazan-javatra ireo, farany izay betsaka indrindra homby ao anatin’ilay fitoeran-javatra. Rehefa nahavita izany ilay mpiantra, dia anontanio izy hoe:

  • Ahoana no namaritan’ilay fehezan-teny hoe “Fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo” (andininy 38) ny ezaka nataonao mba hameno io fitoeran-javatra io? (Isaory ilay mpianatra ary asaivo miverina eny amin’ny toerany.)

  • Ahoana no hamaritan’ireo fehezan-teny ireo ny fomba hamalian’ny Ray any An-danitra soa antsika rehefa manome ny hafa isika? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra kanefa tokony hahita ity fahamarinana manaraka ity: Rehefa malala-tanana manome ny hafa isika, ny Ray any An-danitra dia hitahy antsika bebe kokoa.

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika ho malala-tanana amin’ny hafa?

Asao ireo mpianatra hisaintsaina fotoana iray izay nanomezany na ny olona iray fantany fanampiana ny hafa tamin-kitsim-po. Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto (na omeo ny tahadikan’izany ireo mpianatra), ary asao izy ireo hamaly izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina (na eo amin’ilay taratasy nozarainao):

  • Tamin’ ny fomba ahoana no nitahian’ny Tompo anao na ny olona iray fantatrao noho ny fanomezana amin-kitsim-po?

  • Inona no hataonao mba hahatonga anao ho malala-tanana bebe kokoa amin’ny hafa?

Rehefa ampy ny fotoana nomena hanaovana izany dia diniho ny hanasana ireo mpianatra izay vonona hizara ny zavatra nosoratany. Amporisiho ireo mpianatra hivavaka ho an’ny fanampian’ny Tompo rehefa miezaka mafy ny mba halala-tanana bebe kokoa amin’ny hafa.

Lioka 7:1–10

Nanasitrana ny mpanompon’ilay kapiteny i Jesoa

Hazavao fa rehefa avy nampianatra ny vahoaka ny Mpamonjy dia niditra ny tanàna iray izay nantsoina hoe Kapernaomy.

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 7:2–5. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny olona izay nikatsaka ny fanampian’ny Jesoa rehefa naheno fa niditra ny tanàna Izy.

  • Iza no nikatsaka ny fanampian’i Jesoa?

Hazavao fa ny kapiteny dia manam-boninahitra iray tao amin’ny tafika Romana izay mibaiko andiana miaramila 50 ka hatramin’ny 100 lahy.

  • Inona no nanahirana ilay kapiteny?

Tsindrio manokana fa tamin’ny ankapobeny ny Jiosy dia nankahala ireo kapiteny satria izy ireo no nihazona ny fahefana Romana teo amin’ny lafiny ara-politika sy ny tafika teo anivon’ireo Jiosy sy ny tanin’izy ireo (jereo ny Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Church Educational System manual, 2014], 153).

  • Karazan’ olona toy ny ahoana io kapiteny io?

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 7:6–8. Asao ny iray kilasy hanaraka ny vakiteny sy hikaroka ny fomba nanehoan’ilay kapiteny finoana lehibe an’i Jesoa Kristy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ilay kapiteny finoana lehibe an’i Jesoa Kristy.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 7:9–10. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny fomba namaliana soa ny finoan’io kapiteny io. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.

  • Inona avy no fitsipika azontsika hianarana avy amin’io tantara io? (Mety hahita fitsipika maromaro ireo mpianatra, tafiditra ao anatin’izany izao manaraka izao: Amin’ny alalan’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy, isika dia afaka hanampy hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa.)

Lioka 7:11–18

Nanangana ny zanakalahin’ilay mpitondratena i Jesoa

Hazavao fa andro iray taorian’ny nanasitranan’ny Mpamonjy ny mpanompon’ilay kapiteny dia nanao fahagagana hafa indray Izy.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 7:11–12. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nifanehitra tamin’i Jesoa sy ireo mpianany rehefa nanatona ny tanàna iray nantsoina hoe Naina izy ireo.

video icon Ho solon’ny famakiana amin’ny feo avo ny Lioka 7:11–12, dia azonao atao ny maneho ny ampahan’ny horonantsary “The Widow of Nain” (0:00–0:45) avy ao amin’ny The Life of Jesus Christ Bible Videos, izay hita ao amin’ny LDS.org.

  • Inona no hitan’i Jesoa sy ireo mpianany rehefa nanatona ny fidirana ao amin’ilay tanàna izy ireo?

  • Araka ny ao amin’ny andininy 12, nahoana ny fahafatesan’io zatovolahy io no niteraka alahelo lehibe manokana ho an’io vehivavy io?

Tsindrio manokana fa io vehivavy io dia tsy namoy ny zanany lahitokana fotsiny ihany, fa vao haigana ihany koa izy no namoy ny vadiny. Ho fanampin’ny alahelo lehibe izay azo antoka fa tsapany, izy dia mety tsy nanana olona nanohana azy ara-bola.

Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 7:13–15 na asehoy ny ambin’ilay horonantsary (0:45–2:23). Asao ny iray kilasy hikaroka ny zavatra nataon’ny Mpamonjy rehefa nahita io vehivavy io tao anatin’ny alahelo mavesatra. (Azonao atao ny manazava fa ny hoe ny tranovorona dia vatapaty na ny latabatra fasiana ny vatapaty.)

  • Inona no nataon’ny Mpamonjy ho an’io vehivavy io?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny andininy 13, nahoana i Jesoa no nanasitrana ny zanakalahin’io vehivavy io? (Azonao atao ny manamafy fa ilay mpitondratena dia tsy nangataka Azy hanasitrana ny zananilahy kanefa Izy dia nijery ny zavatra nilain’io vehivavy io ary avy eo dia nanampy nanatanteraka izany.)

  • Inona avy ireo fahatsapana mety ho nanananao raha toa ianao ka teo amin’ny toe-javatra nisy an’io vehivavy io sy nahita ny Mpamonjy nanangana ny zanakao lahitokana tamin’ny Maty?

  • Inona no fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara io mikasika ny fomba hanarahantsika ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fahamarinana manaraka izao: Afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanehoana fangorahana ho an’ny hafa ary manompo azy ireo amin’ireo fanampiana ilainy izay tsy resahana.)

  • Ahoana no ahafahantsika mamantatra ny fanampiana ilain’ny hafa raha toa izy ireo ka mbola tsy nizara izany tamintsika?

Hazavao fa rehefa miaina amin’ny fomba mendrika ny hananana ny Fanahy Masina ho namana ireo mpianatra dia afaka hahazo bitsika mikasika ny fomba hiatrehana ireo fanampiana ilain’ny hafa izay miafina. Ho fanampin’izany, ireo mpianatra dia afaka ny hisaintsaina ny torohevitra noraisin’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany indray mandeha izay manao hoe: Rehefa mihaona amin’ny olona iray ianao, dia raiso ho toy ny hoe ao anatin’ny olana goavana izy ireo, ary ho marina hatrany ianao amin’ny maherin’ny antsasak’ireo olona amin’izany” (“In the Strength of the Lord,” Ensign na Liahona, mey 2004, 16).

“Mba hanampiana ireo mpianatra hahatsapa ny fahamarinana sy ny lanjan’io fitsipika hitan’izy ireo io dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana nataon’ny Filoha Thomas S. Monson manaraka izao:

Filoha Thomas S. Monson

“Tantara vitsy mikasika ny asa fanompoana nataon’ny Tompo no manohina ahy mihoatra noho ny ohatry ny fangorahana izay nasehony tamin’ilay mpitondratena mampahonena tao Naina. …

“Akory ny halehiben’ny hery, ny hatsaram-panahy sy ny fangorahana izay nasehon’ny Mpampianatra antsika teto! Isika ihany koa dia afaka hitahy ny hafa raha toa isika ka manaraka ny ohatra feno hatsarana izay nasehony. Ny fahafahana dia misy na aiza na aiza. Ny zavatra ilaina dia ny maso mahita ny toe-javatra sarotra sy mahonena ary sofina mandre ireo fitalahoana mangina ataon’ireo izay maratra am-po. Eny, ary ny fanahy iray feno fangorahana, mba hahafahantsika mifandray tsy amin’ny maso mijery fotsiny ihany na amin’ny feo izay renesin’ny sofina fa kosa amin’ny fomba lafatra kokoa, dia ny fifandraisana amin’ny alalan’ny fo” (“Meeting Life’s Challenges,” Ensign, nôv. 1993, 71).

  • Oviana ianao na ny fianakavianao no nahazo fanampiana na fangorahana avy amin’ny hafa na dia tsy nangataka izany aza?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy hanampy antsika hampitombo ny fahaizana mamantatra ireo fanampiana ilaina hafa izay tsy resahana?

Raha toa ianao ka tsy naneho ilay horonantsary dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 7:16–17. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny fihetsika nasehon’ny olona nanoloana ilay fahagagana tamin’ny nananganana ny zanakalahin’ilay mpitondratena tamin’ny maty.

  • Inona ny fihetsika nasehon’ny olona taorian’ny nananganan’i Jesoa ny zanakalahin’ilay mpitondratena tamin’ny maty?

Hazavao fa ireo olona ireo dia mety efa nilaza hoe “Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika” (andininy 16) noho ny fitovitoviana nisy teo amin’ny fanasitranana ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina sy ireo fotoana nananganan’i Elia sy Elisa, mpaminanin’ny Testamenta Taloha, ireo zanakalahy tamin’ny maty (jereo ny 1 Mpanjaka 17:17–24; 2 Mpanjaka 4:17–22, 32–37; Testamenta Vaovao, Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra, 154).

Farano ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ireo mpianatra hikaroka ireo fahafahana mba hanatratra ireo fanampiana ilain’ny hafa izay tsy voalaza. Ankaherezo izy ireo hanompo amin-kitsim-po ary tsy hiandry tambiny avy amin’izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Lioka 6:31–38. Ny antony hanompoantsika ny hafa

Ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nitanisa ny sasantsasany amin’ireo antony hanompoantsika ary naneho ihany koa ny antony tokony hanompoantsika:

“Ny olona dia mifanompo noho ny antony samihafa, ary ny antony sasany dia tsara kokoa noho ny hafa. Angamba tsy misy amintsika manompo mandrakariva amin’ny fahafahansika rehetra noho ny antony iray monja. Satria isika dia tsy olona tanteraka, mety maro amintsika no manompo noho ny antony maro mifangaro, ary izany dia mety hiova hatrany hatrany rehefa mitombo ara-panahy isika. Kanefa isika rehetra dia tokony hiezaka mafy hanompo noho ny antony ambony sy tsara indrindra.

“Inona avy ny sasantsasany amin’ireo antony hanompoana? Hanolotra antony enina aho izay miainga avy amin’ny kely kokoa mankany amin’ny lehibe kokoa.

“Ny sasany mety hanompo noho ny fanantenana ny valisoan’izao tontolo izao. …

“Antony iray hafa hanompoana—izay mety ho ambony kokoa noho ilay iray voalohany, kanefa mbola azo sokajiana ho fanompoana mba hahazoana valisoan’izao tontolo izao ihany—izay atosiky ny faharisiham-po avy amin’ny fanirian’ny tena manokana ny hanana namana tsara. …

“Ny sasany mety hanompo noho ny tahotry ny fanasaziana. …

“Ny olona sasany dia mety hanompo noho ny fahatsapana izany ho toy ny andraikitra na noho ny fananana fahamarinan-toetra eo anoloan’ireo namana na fianakaviana na ireo fomba amam-panao. …

“Ny antony iray ambony kokoa hanompoana dia ny fanantenana ny valisoa mandrakizay. …

“Ny faharisiham-po izay horesahiko farany, araka ny hevitro, dia ny antony ambony indrindra noho ny rehetra. Eo amin’ny fifandraisan’izany amin’ny asa fanompoana, izany dia ilay antsoin’ny soratra masina hoe ‘làlana tsara indrindra’ (1 Kor. 12:31).

“‘Ny fiantrana dia ny fitiavana madion’i Kristy’ (Môrô. 7:47). …

“Io fitsipika io—izay maneho fa ny fanompoantsika dia tokony ho vokatry ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona amintsika fa tsy noho ny fikatsahana tombontsoa ho an’ny tena manokana na ho an’ny antony ambany kokoa noho izany—dia ekena fa ambony tokoa. Ny Mpamonjy dia tsy maintsy efa nahita izany hatramin’ny nanaovany ny didiny ho fitambaran’ny fitiavana feno sy ny tsy fitiavan-tena izay miaraka avy hatrany amin’ny filamatra ho amin’ny fahatanterahana” (“Why Do We Serve?” New Era, March 1988, 6, 7; jereo ihany koa ny Dallin H. Oaks, “Why Do We Serve?” Ensign, nôv. 1984, 12–15).