Lesona 46
Lioka 5
Fampidirana
Taorian’ny nahazoana trondro maro tamin’ny fomba mahagaga niaraka tamin’ny fanampian’ny Mpamojy, dia nandao ny zava-drehetra i Petera sy i Jakoba ary i Jaona mba hanaraka ny Mpamonjy sy ho tonga mpanarato olona. Nanasitrana boka iray sy lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa. Niantso an’i Matio ho mpianatra Izy ary nampianatra fa Izy dia tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka. Nampianatra ihany koa ny fanoharana mikasika ny divay vaovao tao anaty siny hoditra tonta i Jesoa.
Sosokevitra Enti-mampianatra
Lioka 5:1–11
Niantso an’i Petera sy i Jakôba ary i Jaona mba ho mpanarato olona ny Tompo
Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no efa nangatahana mba hanao zavatra iray tao anatin’ny tsy fahalalana ny antony rehetra hanaovana izany? Asao ny mpianatra hisaintsaina io fanontaniana io ary avy eo dia manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny traikefany.
-
Nahoana no mety ho sarotra ny manaraka ireo torolalana raha toa ka tsy fantatra ny antony hanaovana izany?
-
Inona avy ireo didy na torohevitra avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety sarotra ho an’ny tanora sasany ny mankatò azy raha toa ka tsy takatr’izy ireo tanteraka ny anton’izany? (Diniho ny hanaovana lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra.)
Asao ireo mpianatra hikaroka fitsipika iray ao amin’ny Lioka 5:1–11 izay afaka hanampy azy ireo rehefa tsy takatr’izy ireo feno ny antony angatahana azy ireo hanaraka ny torohevitra na ny didin’ny Tompo.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 5:1–5. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ny zavatra nangatahin’ny Mpamonjy mba hataon’i Simona (Petera) rehefa avy nitory Izy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. (Raha ilaina dia, hamafiso fa ny andininy 4, fanovozan-kevitra a eny amin’ny farany ambanin’ny pejy dia manazava fa ny hoe hahazoana hazandrano dia manondro ny fahazoana trondro maro.)
-
Inona no nolazain’i Simona tamin’ny Mpamonjy mikasika ireo ezaka efa nataon’izy ireo mba hahazoana hazandrano?
-
Nitarika an’i Simona hieritreritra inona ny traikefa izay nananany manokana mikasika ny fanjonoana rehefa niteny taminy handatsaka indray mandeha ny arato ny Mpamonjy?
-
Inona no noilazain’i Simona izay naneho fa izy dia nahatoky ny Tompo?
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 5:6–9 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny zava-nitranga rehefa nanao ny zavatra nangatahin’ny Tompo taminy i Simona.
-
Inona no nitranga rehefa nanao ny zavatra nangatahin’ny Tompo taminy i Simona?
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fahavononan’i Simona hanao ny zavatra nangatahin’ny Tompo na dia tsy nahatakatra ny antony aza izy? (Mety hampiasa teny samy hafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo izao fitsipika manaraka izao: Raha manao izay angatahin’ny Tompo amintsika isika eny fa na dia tsy takatsika aza ny antony dia afaka mandrotsaka fitahiana lehibe kokoa noho izay mety ho antenaintsika Izy. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny tenin’ireo mpianatra, dia soraty eny amin’ny solaitrabe io fitsipika io.
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fiainana io fitsipika io hitaky antsika mba hahatoky an’i Jesoa Kristy?
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io, dia manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo izao fanambarana manaraka izao izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: Diniho ny hanomezana ireo mpianatra ny tahadikan’ilay teny nambara:
“Ity fiainana ity dia traikefa iray ao anatin’ny fitokiana lalina—fitokiana amin’i Jesoa Kristy, fitokiana amin’ireo fampianarany, fitokiana amin’ny fahalalantsika rehefa tarihin’ny Fanahy Masina hankatò ireo fampianarana mba ho fahasambarana ankehitriny sy ho an’ny mbola ho fahavelomana mandrakizay izay feno fifaliana indrindra sy ny tanjona kendrena. Ny hoe mitoky dia midika hoe mankatò an-tsitrapo na dia tsy mahafantatra ny fiafarany hatrany am-piandohana aza (jereo ny Ohab. 3:5–7). Tokony ho mahery kokoa sy maharitra noho ny fahatokianao ny fahatsapanao sy traikefanao manokana ny fahatokianao ny Tompo mba ahitana vokany” (“Trust in the Lord,” Ensign, nôv. 1995, 17).
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mampitombo izany karazana fahatokiana ny Tompo izany?
-
Ahoana no efa nahazoanao na ny fianakavianao fitahiana lehibe kokoa noho izay nantenainao tamin’ny alalan’ny fanarahana ny fitarihan’ny Tompo na dia tsy takatrao feno aza ny anton’izany? (Ireo valinteny dia mety ahitana ireo traikefa izay nanampy ireo mpianatra avy eo ho tonga amin’ny fahatakarana ny antony nanomezan’ny Tompo ireo fitarihana tamin’izany.)
Asao ireo mpianatra hanoratra ireo torohevitra na didy avy amin’ny Tompo izay afaka arahiny am-pahatokiana bebe kokoa na dia tsy takany feno aza ireo antony hanaovana izany, asaivo ataon’izy ireo amin’ny taratasy kely izay afaka hoentiny mody miaraka aminy izany. (Raha mamela izany ny fotoana, dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hijery ao amin’ny Jeunes, soyez forts [kiboky, 2011] ireo hevitra mikasika izany.)
Fintino ny Lioka 5:10–11 amin’ny alalan’ny fanazavana fa i Petera sy i Jakoba ary i Jaona dia nandao ny sambokelin’izy ireo sy ny haratony mba hanaraka an’i Jesoa.
Lioka 5:12–26
Nanasitrana boka iray sy lehilahy iray nararin’ny paralysisa i Jesoa
Asehoy ny mpianatra ireto fitaovana manaraka ireto (na ataovy eny amin’ny solaitrabe ny kisarisarin’izany): “syringe”, “bandage”, savony, “glace” mivaky madinika ao anatin’ny fitoeran-javatra iray.
-
Ahoana no fomba ahafahan’ireo fitaovana ireo hanampy amin’ny fanasitranana olona iray izay marary na maratra?
-
Ankoatry ny aretina na faharatrana ara-batana, inona ihany koa no zavatra mety hilan’ny olona iray fanasitranana? (Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. (Mety ho tafiditra ao amin’ireo valinteny ny fahotana, ny fiankinandoha, ny fahadisoam-panantenana.)
Rehefa mandalina ny Luke 5:12–25 ireo mpianatra dia asao izy ireo hikaroka ireo fitsipika izay mampianatra antsika ny zavatra azontsika atao mba hanampiana ny tenantsika sy ny hafa handray ireo fanampiana izay ilaina.
Soraty eny amin’ny solaitrabe izao tabilao manaraka izao ary asao ireo mpianatra handika izany ao amin’ny kahieny na ny diary fandalinany soratra masina:
|
Fitoviana |
Fahasamihafana |
|---|---|
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Lioka 5:12–15 sy ny Lioka 5:17–25. Hazavao fa ireo andinin-tsoratra masina ireo dia mitantara fa ny Mpamonjy dia nanasitrana lehilahy roa. Ny iray tamin’izy ireo boka, ary ny iray hafa nararin’ny paralysisa, izay midika fa izy dia tsy afa-nanetsika ny vatany. Zarao tsiroaroa ireo mpianatra. Asao izy ireo hamaky ny tantara tsirairay avy miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy sy hifanakalo hevitra mikasika izao fanontaniana manaraka izao:
-
Ahoana no mampitovy ireo fanasitranana roa ireo? Inona kosa no mahasamihafa azy ireo?
-
Inona no anjara asa notanterahan’ny finoana tao amin’ny tantara tsirairay avy?
Asao ireo mpianatra hanoratra ny zavatra hitany ao amin’ny tabilaony. Rehefa ampy ny fotoana nomena dia asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany. Diniho ny hanasana ireo mpianatra hanisy marika ilay fehezan-teny hoe “Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo” ao amin’ny andininy 20. Alaivo antoka fa takatr’ireo mpianatra ny hoe ny finoan’ireo izay nitondra ilay lehilahy nararin’ny paralysisa ho eo amin’ny Mpamonjy dia nandray anjara tamin’ny fanasitranana io lehilahy io.
-
Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo mikasika ny fomba ahafahantsika ho sitrana sy ny amin’ny zavatra azontsika atao hanampiana ny hafa mba ho sitrana? (Mety hampiasa teny samihafa ireo mpianatra, kanefa alaivo antoka fa hitan’izy ireo ireto fitsipika manaraka ireto: Rehefa mampihatra finoana sy manatona ny Mpamonjy isika dia afaka manasitrana antsika Izy. Afaka manampy ny hafa hanatona ny Mpamonjy isika mba hahafahan’izy ireo ho sitrana. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo fitsipika ireo.)
-
Ahoana no fomba hahazoantsika fanasitranana avy amin’ny Mpamonjy? (Ampio ireo mpianatra hahatakatra fa ny Mpamonjy dia mety hanaisotra ny aretintsika, na mety hanome antsika risi-po, finoana, fampiononana ary fiadanana izay ilaintsika mba ahafahantsika haharitra na handresy ny aretintsika.)
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ireo aretina izay milisitra eny amin’ny solaitrabe izay mety hilan’ny olona fanasitranana.
-
Inona no azonao atao mba hanampiana ny olona hanatona an’i Kristy ka handray ny hery fanasitranana avy Aminy?
-
Oviana ianao na ny olona iray hafa fantatrao no sitrana tamin’ny alalan’ny fampiharana finoana ny Mpamonjy? (Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa izy ireo dia tsy tokony hizara zavatra mahakasika be loatra ny tenany manokana na tsiambaratelo.)
-
Oviana ianao no efa nahita olona iray nitondra olona iray hafa hanatona ny Tompo mba handray ny fanasitranana avy amin’ny Mpamonjy?
Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra azony atao mba hampiharana finoana lehibe kokoa an’i Jesoa Kristy mba ho sitrana, hahazo famelan-keloka, na fankaherezana, na mieritreritra fomba izay mety ahafahan’izy ireo mitondra namana na olon-kafa hanatona ny Mpamonjy. Amporisiho izy ireo hanao zavatra amin’ireo fitaomam-panahy rehetra azony.
Lioka 5:27–35
Nanontany ny antony nihinanan’i Jesoa niaraka tamin’ireo mpamory hetra sy mpanota ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna.
Manasà mpianatra iray hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 5:27–28 ary asao ny iray kilasy hikaroka ny fanasan’ny Mpamonjy an’i Levy. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany.
-
Inona no manaitra anao mikasika ny fomba namalian’i Levy ny fanasana nataon’ny Mpamonjy taminy?
Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa i Levy dia nantsoina ihany koa hoe Matio (jereo ny Matio 9:9). Izy dia mpamory hetra, izay midika fa izy dia nanangona ny hetra avy amin’ireo Jiosy mitovy aminy ho an’ny fanjakana Romana. Tamin’ny ankapobeny, ny Jiosy dia nankahala ireo mpamory hetra sy nanasokajy azy ireo ho toy ny olon-kalan’ny fiarahamonina, mpanota, eny fa na dia hatramin’ny fiheverana azy ireo ho mpamadika ny firenen’ny Israely aza. Fintino ny Lioka 5:29–35 amin’ny alalan’ny fanazavana fa rehefa niara-nihinana tamin’i Levy sy ny maro hafa ihany koa i Jesoa, dia nohelohin’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna Izy noho ny fiarahany nihinana tamin’ireo mpanota. Nampianatra i Jesoa fa Izy dia tonga hiantso ny mpanota mba hibebaka.
Lioka 5:36–39
Nanao fanoharana mikasika ny divay vaovao tao anaty siny hoditra tonta i Jesoa
Hazavao fa ny Mpamonjy dia nampiasa fanoharana iray mba hampianarana ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Manasà mpianatra vitsivitsy hifandimby hamaky amin’ny feo avo ny Lioka 5:36–39. Asao ny iray kilasy hanaraka izany sy hikaroka ireo zavatra nampiasain’ny Mpamonjy tao amin’ilay fanoharana nataony.
-
Inona no zavatra nampiasain’ny Mpamonjy mba hampianarana ny fanoharana nataony?
Manehoa amin’ny mpianatra tapa-damba iray vaovao sy tapa-damba iray efa tonta sy misy loadoaka eo aminy. Hazavao fa ny andian-teny hoe “lamba vaovao” ao amin’ny andininy 36 dia entina ilazana ny lamba izay tsy mbola tonta sy nihena. Tsy misy olona afaka hanampina lamba tonta amin’ny tapa-damba vaovao satria rehefa mihena ilay tapa-damba vaovao, dia vao mainka izany haharatsy kokoa noho ny teo aloha ireo lavaka notapenana. Tahaka izany ihany koa, ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy fanapenana ny zavatra tsy ampy fotsiny ihany tamin’ny finoana na ireo fomba amam-panao taloha fa kosa famerenana feno ny fahamarinana.
Asao ireo mpianatra hamaky ny andininy 37, fanovozan-kevitra a eny amin’ny farany ambanin’ny pejy ao amin’ny Baiboly ho an’ny OAF “version King James” mba hahita fa ny hoe siny hoditra dia entina hilazana ny “kitapo na tavoahangy vita amin’ny hoditra,” ary raha azo atao dia, manehoa amin’ny mpianatra ampahana hoditra tonta sy vaovao.
-
Inona no mahasamihafa ny hoditra vaovao sy ny hoditra tonta? (Ny hoditra vaovao dia malefaka sy azo aforitra; ny hoditra tonta kosa dia henjana sy mora vakivaky.)
Hazavao fa rehefa atao ao anaty siny hoditra ny divay vaovao mba hivadika ho tena divay, dia hisy gazy hiforoana ao anatin’izany izay hanitatra sy hampihenjana ilay hoditra. Ary raha efa nihitatra sy nihenjana toy ny izany ny tavoahangy fasiana divay iray, kanefa mbola ezahana asiana divay vaovao indray, dia mety hahavaky azy izany.
Ao amin’ilay fanoharana, ny divay vaovao dia maneho ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny fahefenoan’ny filazantsara maharitra mandrakizay, ary ilay divay tonta dia maneho ireo fomban-drazana sy fomba amam-panao ary finoana an’ireo Fariseo izay teo ambany fifehezan’ny lalàn’i Mosesy.
-
Amin’ny fomba ahoana no anehoan’ny “siny hoditra tonta” ireo mpanora-dalàna sy Fariseo? (Toy ireo siny hoditra tonta izay henjana be loatra raha asiana divay vaovao, ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia mafy fo sy tsy manam-pahavononana ny hiova sy hanaiky ny Mpamonjy sy ny fampianarany.)
-
Iza ireo olona mety asehon’ny “siny hoditra vaovao”? (Ireo izay manetry tena sy manam-pahavononana ny hiova ary hanaiky ny Mpamonjy sy ny fampianarany.)
-
Inona no azontsika ianarana avy amin’io fanoharana io ny amin’ny zavatra tokony ataontsika mba handraisana ny Mpamonjy sy ny filazantsarany? (Tokony hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity ny mpianatra: Mba hanekena ny Mpamonjy sy ny filazantsarany, isika dia tsy maintsy manetry tena sy vonona ny hiova. Diniho ny hanoratana io fitsipika io eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masin’izy ireo eo akaikin’ny Lioka 5:36–39.)
Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra io fitsipika io dia asao izy ireo hamerina hijery ny Lioka 5 sy hikaroka ireo ohatra ahitana ireo olona izay nanamafy ny fony sy naneho toetra miavonavona tamin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany, ary koa hikaroka ireo ohatra izay ahitana ireo olona nanetry tena sy vonona ny hiova. Manasà mpianatra vitsivitsy hanao tatitra ny zavatra hitany.
Farano ny lesona amin’ny fizarana ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ireo fitsipika izay nampianarina tao amin’ny Lioka 5.
Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho
Lioka 5:23. “Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?”
Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra izao manaraka izao mikasika ireo fahagagana lehibe indrindra ankehitriny:
Ny fahagagana lehibe indrindra hitako amin’izao fotoana izao dia tsy voatery ny fanasitranana ireo vatana marary, fa ny fahagagana lehibe indrindra izay hitako dia ny fanasitranana ireo fanahy marary, ireo izay marary aina sy fanahy ary ao anatin’ny hakiviana sy fahasahiranan-tsaina eo amoron-tevan’ny faharavana mampatahotra. Isika dia mamonjy ireo rehetra izay tafalatsaka ao anatin’izany, satria izy ireo dia sarobidy eo imason’ny Tompo, ary tsy misy olona tiantsika hahatsapa fa izy ireo dia nohadinoina” (“Stand Ye in Holy Places” Ensign, Jolay 1973, 123).
Lioka 5:21–24. “Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?”
Tamin’ny fanamarihana nataony mikasika ny fanontanian’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ny amin’ny fahefan’ny Mpamonjy hamela heloka, ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra izao manaraka izao:
“Ity trangan-javatra izay niseho teo amin’ny fiainan’ny Tompontsika ity, dia porofo hita maso sy tsy azo hiadian-kevitra fa Izy ilay Mesia; ary izany dia tsikaritr’ireo olona manodidina ilay olona izay nanaovany asa fanompoana mazava tsara. Matetika Izy no nanao teny fijoroana ho vavolombelona fa Andriamanitra no Rainy ary nanohana izany teny vavolombelona manokana izany Izy tamin’ny asa fanompoana nataony tamin’ny fitoriana sy fanasitranana izay tsy nanam-paharoa. Koa tamin’izany dia tanjony ny nanambara fa Izy dia efa nahavita ny zavatra tsy azon’iza na iza atao afa-tsy Andriamanitra, sy nanaporofo fa Izy dia nanao izany tamin’ny alalan’ny fanehoana bebe kokoa ny herin’ny Rainy.
“Na i Jesoa na ireo ‘mpahay lalàna’ izay teo dia samy nahafantatra fa tsy misy afa-tsy Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka. Araka izany, amin’ny maha-vavolombelona voatendry sy miavaka Azy izay nitoeran’ny herin’ Andriamanitra … i Jesoa dia nanao zavatra izay tsy azon’ny mpamitaka tanterahana—Izy dia nanaporofo ny heriny amin’ny maha-Andriamanitra Azy tamin’ny alalan’ny fanasitranana ilay lehilahy voavela heloka” (Doctrinal New Testament Commentary, Boky miisa 3. [1965–73], 1:177–78).
Lioka 5:20. “Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo”
Raha niresaka mikasika ny tantaran’ilay lehilahy nararin’ny paralysisa sy ilay fehezan-teny hoe “Ary raha hitan’i Jesosy ny finoan’ireo” (Lioka 5:20; nampiana fanamafisana), ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong avy ao amin’ny Fitopololahy dia nampianatra fa:
Ny finoantsika mitambatra dia hitondra soa ihany koa eo amin’ny fiainan’ny hafa.
“Iza moa ireo olona izay nolazain’i Jesoa ireo? Azo ampidirina tsara ao anatin’izany ireo olona efatra nilanja ilay lehilahy mararin’ny paralysisa sy ilay lehilahy marary, ny olona izay nivavaka ho azy ary ireo olona rehetra izay nihaino ny fampianaran’i Jesoa sy nifaly mangina tany am-pon’izy ireo ny amin’ilay fahagagana ho avy tsy ho ela. Azo ampidirina ao koa ny vady, ny ray aman-dreny iray, ny zanakalahy na zanaka vavy iray , ny misiônera iray, ny filohan’ny kôlejy iray, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray, ny eveka iray ary ny namana lavitra iray. Afaka mifanampy isika rehetra. Tokony hazoto hirotsaka hatrany amin’ny fikatsahana hanavotra ireo sahirana isika” (“Rescue in Unity,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 16).