Tahirim-pitaovana
Lesona 78: Jaona 18–19


Lesona 78

Jaona 18–19

Fampidirana

Rehefa avy nisambotra sy nanadihady an’i Jesoa ireo mpitarika Jiosy dia naterin’izy ireo tany amin’i Pilato Izy mba hotsaraina sy hampangaina. Nanaiky ny Fanomboana an’i Jesoa i Pilato, na dia lasa resy lahatra aza izy fa tsy meloka i Jesoa. Raha mbola teo amin’ny hazofijaliana ny Mpamonjy dia napetrany tamin’ny Apôstôly Jaona ny fikarakarana ny reniny. Taorian’ny nanomboana an’i Jesoa dia napetraka tao amin’ny fasana iray ny vatany.

Sosokevitra Enti-mampianatra

Jaona 18:1–32

Nosamborina sy nohadihadian’ireo mpitarika Jiosy i Jesoa, ary avy eo dia nentin’izy ireo teo anatrehan’i Pilato

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fanontaniana manaraka ity:

Amin’ny fotoana manao ahoana no sarotra indrindra ny mijery izay mahasoa ny hafa?

Asao ny mpianatra maromaro hanazava ny fomba hamalian’izy ireo ilay fanontaniana eo amin’ny solaitrabe.

Hazavao fa i Jesoa Kristy sy i Pilato izay governora Rômana dia nisafidy ny hanao ho laharam-pahamehana, na hanome lanja zavatra samy hafa nandritra ireo zava-nitranga resahina ao amin’ny Jaona 18–19. Manorata hoe Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa sy Ny zavatra zavatra nibahana tao an-tsain’i Pilato eo amin’ny sisiny havia sy havanan’ny solaitabe. Asao ny mpianatra rehefa mandalina ny Jaona 18–19 mba hitady fahamarinana iray izay afaka hanampy azy ireo hahafantatra ny zavatra manan-danja izay tokony hatao laharam-pahamehana eo amin’ny fiainany.

Fintino ny Jaona 18:1–3 amin’ny alalan’ny fanazavana fa taorian’ny nijalian’i Jesoa tao amin’ny Sahan’i Getsemane dia tonga niaraka tamin’ireo miaramila sy mpiandry raharaha avy amin’ireo lohan’ny mpisorona sy Fariseo i Jodasy Iskariota mba hisambotra an’i Jesoa.

  • Raha fantatrareo fa nisy andiana miaramila sy mpiandry raharaha mitam-piadiana nanatona mba hisambotra anareo ary hamono anareo amin’ny farany, mety ho toy ny ahoana ny fihetsikareo?

Manasà mpianatra maromaro hifandimby hamaky mafy ny ao amin’ny Jaona 18:4–11 sy ny Lioka 22:50–51. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny teny navalin’i Jesoa rehefa tonga ireo andian’olona ireo.

  • Inona no nolazain’i Jesoa tamin’ireo izay tonga hisambotra Azy? (Azonao atao ny manazava fa ny teny hoe ireto ao amin’ny Jaona 18:8 sy ny hoe izay ao amin’ny Jaona 18:9 dia manondro ireo Apôstôly niaraka tamin’i Jesoa.)

  • Araka ireo andininy ireo, inona no zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa Kristy? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto andian-teny manaraka ireto, eo ambanin’ny hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’iJesoa”: fiarovana ireo Apôstôliny; fanasitranana ny sofin’ilay mpanompo, fanaovana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.)

Angataho ny mpianatra iray hamaky mafy ity famintinana ny Jaona 18:12–32 ity:

Namela ireo miaramila hisambotra Azy i Jesoa. Nentin’zy ireo teo amin’i Anasy izay iray tamin’ireo mpitarika Jiosy Izy, ary taorian’izay dia tany amin’i Kaiafa, ilay mpisoronabe izay nikatsaka ny hanamelohana an’i Jesoa ho faty. Nanaraka an’i Jesoa i Petera sy ny mpianatra iray hafa. Rehefa nanontany an’i Petera ny olona telo samy hafa raha toa ka iray tamin’ireo mpianatr’i Jesoa izy, dia nilaza fa tsy nahalala azy foana i Petera. Rehefa avy nanontany an’i Jesoa i Kaiafa dia nentin’ireo mpitarika Jiosy tany amin’i Pilato, ilay governoram-paritra Rômana tao Jodia mba hotsaraina sy hamoahana didim-pitsarana. Ny Rômana ihany no nanana fahefana hanatanteraka fanamelohana ho faty tao Jerosalema.

Hazavao fa io fitsarana io dia mety nitranga tao amin’ny Manda Antonia teo akaikin’ny tempoly. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamadika ny bokiny ao amin’ny Sarintany sy sary mikasika ny Baiboly 12 hoe “Jerosalema tamin’ny andron’i Jesoa,” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina dia tadiavo ny Manda Antonia [sary 3 eo amin’ny sarintany].)

Jaona 18:33–19:16

Tsaraina eo anatrehan’i Pilato i Jesoa

Manasà mpianatra roa hamaky mafy ireo tenin’ny Mpamonjy sy i Pilato tsirairay avy izay voarakitra ao amin’ny Jaona 18:33–37. (Azonao atao ny manasa ireo mpianatra ireo alohan’ny hiantombohan’ny fotoam-pianarana mba hitady ireo fehezanteny izay hovakin’izy ireo.) Lalaovy ny anjara toeran’ny mpitantara, na manasà mpianatra iray hafa ho mpitantara. Rehefa mamaky ny anjarany ireo mpianatra ireo dia asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra tian’i Pilato ho fantatra mikasika an’i Jesoa.

  • Araka ny voalazan’ny Jaona 18:33, inona no tian’i Pilato ho fantatra mikasika an’i Jesoa?

Hazavao fa ireo mpitarika Jiosy dia niampanga an’i Jesoa fa nilaza ny tenany ho mpanjakan’ny Jiosy Izy, satria raha nilaza ny tenany ho mpanjaka i Jesoa dia azo ampangaina ho mpikomy, na mpamadika ny fitondram-panjakana Rômana Izy (jereo ny Jaona 19:12), izay heloka mendrika ny hanamelohana ho faty.

  • Inona no nohazavain’i Jesoa tamin’i Pilato? (Ny fanjakany dia “tsy avy amin’izao tontolo izao” [Jaona 18:36], ary tonga teto an-tany Izy mba “hanambara ny marina” [Jaona 18:37].)

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 18:38–40 mba hitady ny fanapahan-kevitra noraisin’i Pilato mikasika an’i Jesoa.

  • Inona no fanapahan-kevitra noraisin’i Pilato mikasika an’i Jesoa? (Nilaza izy hoe “Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza” [andininy 38].)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 39, inona no nataon’i Pilato mba hiezahana hamotsorana an’i Jesoa?

Fintino ny Jaona 19:1–5 amin’ny alalan’ny fanazavana fa nikapoka sy naneso an’i Jesoa ireo miaramila Rômana. Dia naneho an’i Jesoa teo anoloan’ny vahoaka i Pilato.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Jaona 19:4, 6, mba hitady ny zavatra naverimberin’i Pilato tamin’ny Jiosy (“tsy hitako izay helony”).

  • Raha miainga avy amin’ny fisisihan’i Pilato nilaza fa tsy hitany izay helok’i Jesoa dia Inona no zavatra azo heverina fa ninoan’i Pilato fa zavatra tsara tokony hatao?

Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 19:7. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nolazain’ireo mpitarika Jiosy tamin’i Pilato momba an’i Jesoa.

Asao ireo mpianatra izay mamaky ny tenin’i Pilato sy i Jesoa ary ny mpitantara mba handray indray ny anjara lalaoviny ka hamaky mafy avy ao amin’ny Jaona 19:8–11. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny valinteny nomen’i Pilato rehefa reny fa i Jesoa dia nilaza fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.

  • Inona no navalin’i Pilato rehefa nilaza taminy ireo mpitarika Jiosy fa i Jesoa dia nilaza hoe Izy no Zanak’ Andriamanitra?

  • Raha teo amin’ny toeran’i Pilato ianareo dia inona no mety ho tsapanareo mikasika ny fahefanareo amin’ny maha-governora anareo rehefa avy nandre ny zavatra nolazain’i Jesoa? Nahoana?

Hazavao fa ny tenin’i Jesoa voarakitra ao amin’ny andininy 11 mikasika ireo mpitarika Jiosy izay “manan-keloka bebe kokoa” dia maneho fa raha nihaino ny fangatahan’ny vahoaka i Pilato ka nanome baiko ny hanomboana an’i Jesoa, dia ho meloka izy, kanefa tsy mitovy habe amin’ny an’ireo izay tena nikatsaka ny fahafatesan’i Jesoa ny helony.

Asao ny mpianatra hamaky mangina ny Matio 27:19 mba hitady ny zavatra nasain’ny vadin’i Pilato nataony. Angataho ny mpianatra hilaza ny zavatra hitany.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 19:12–15. Asao ny mpianatra hanaraka ny vakiteny ka hitady ny zavatra nezahin’i Pilato hatao mahakasika an’i Jesoa sy ny navalin’ny Jiosy izany.

  • Araka ny voalazan’ny andininy 12, inona no nezahin’i Pilato natao?

  • Inona no nolazain’ ireo mpitarika Jiosy tamin’i Pilato rehefa fantatr’izy ireo fa naniry ny hamotsotra an’i Jesoa i Pilato?

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa i Kaisara no amperora Rômana izay nanome an’i Pilato ny toerany ho governoran’i Jodia. Efa imbetsaka i Pilato teo aloha no nanome baiko ireo miaramila Rômana hanao sorona ireo Jiosy ary nandoto ny sasany tamin’ireo fombafomba masina ara-pivavahan’izy ireo. Notaterina tany amin’i Kaisara ny zavatra nataon’i Pilato ka dia niteny mafy an’i Pilato i Kaisara (jereo ny fizarana 34, fanamarihana 7, ao amin’ny James E. Talmage, Jésus le Christ, ed. faha 3 [1916], 648–49).

  • Inona no mety ho nitranga tamin’i Pilato raha notaterin’ny Jiosy tamin’i Kaisara fa tsy “sakaizan’i” Kaisara izy (andininy 12)? (Raha niahiahy an’i Pilato ho tsy nahatoky taminy i Kaisara dia mety ho nesoriny teo amin’ny toerany sy ny fahefany amin’ny maha-governora i Pilato.)

Hazavao fa tsy maintsy nisafidy i Pilato na ny hiaro ny tombontsoany manokana na ny hamotsotra ny Mpamonjy, izay fantany fa tsy meloka.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 19:16. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ny zavatra nofidian’i pilato hatao.

  • Inona no nofidian’i pilato hatao?

  • Maneho inona izany safidy izany mikasika ny zavatra izay nibahana kokoa tao an-tsain’i Pilato? (Rehefa mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Pilato” ity andian-teny manaraka ity: ny tenany, ny toerany sy ny fahefany.)

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny fanapahan-kevitra noraisin’i Pilato mba hametraka ny tombontsoany manokana mialoha ny famotsorana ny Mpamonjy, izay fantany fa tsy meloka? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fitsipika manaraka ity: Ny fametrahantsika ny tombontsoantsika mialoha ny fanaovana izay tsara dia hitarika antsika amin’ny fahotana.)

  • Inona avy ireo toe-javatra izay mety hahatonga antsika ho alaim-panahy hametraka ny tombontsoantsika manokana mialoha ny fanaovana izay tsara?

  • Inona no azontsika atao mba handresena ny fakam-panahy hametraka ny tombontsoantsika manokana mialoha ny fanaovana izay tsara?

Asao ny mpianatra hitady ny zavatra azon’izy ireo ianarana mikasika ny toetran’i Kristy raha ampitahaina amin’ny toetran’i Pilato rehefa mandalina ireo fotoana farany teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy teto an-tany izy ireo.

Jaona 19:17–42

Nohomboina i Jesoa dia napetraka tao amin’ny fasana iray ny vatany

Fintino ny Jaona 19:17–24 amin’ny fanazavana fa nitondra ny hazofijaliany nankeo Golgota i Jesoa, izay toerana nanomboana Azy.

Manasà mpianatra iray hamaky mafy ny Jaona 19:25–27. Asaivo manaraka ny vakiteny ny mpianatra mba hitady ireo olona nanatrika teo rehefa nohomboina i Jesoa.

  • Iza no nijoro teo akaikin’ilay hazofijaliana rehefa nohomboina i Jesoa? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia hazavao fa ilay andina-teny hoe “ilay mpianatra tia[n’i Jesoa]” [andininy 26] dia manondro ny Apôstôly Jaona, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe i Jaona ilay Lalaina.)

  • Araka ny voalazan’ny andininy 26–27, dia nanahy ny amin’iza i Jesoa rehefa nihantona teo amin’ny hazofijaliana Izy? Inona no nasainy nataon’i Jaona? (Mba hikarakara ny reniny toy ny hoe renin’i Jaona mihitsy. Manorata hoeizay mahasoa ny reniny eo amin’ny solaitrabe eo ambanin’ny hoe “Ny zavatra nibahana tao an-tsain’i Jesoa.)

Raha azo atao dia omeo ny tahadikan’ity teny nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ny mpianatra. Asao ny mpianatra iray hamaky mafy ilay teny nambara.

Loholona David A. Bednar

“Ny tena toetra tsarantsika marina dia miseho … ao amin’ny hery ananana mba hamantatra ny fijalian’ny olona hafa rehefa mijaly ny tenantsika; ao amin’ny fahafahana mahatsapa ny hanohanan’ny hafa rehefa noana isika; ary ao amin’ny hery mba hanampy sy hahatsapa fangorahana amin’ny fijaliana ara-panahin’ireo olona hafa rehefa ao anatin’ny fijalian’ny tenantsika ara-panahy isika. Noho izany, ny toetra dia miseho amin’ny alalan’ny fijerena sy ny fanampiana ny hafa raha toa kosa ny fihetsika ara-boajanahary sy asesiky ny sain’ny tena ka tsy mifantoka afa-tsy amin’ireo olantsika sy ireo zava-tsarotra iainantsika manokana. Raha izany fahafahana manampy ny hafa ao anatin’ny fahoriana izany tokoa no fepetra mamaritra ny toetra tsara dia ny Mpamonjy an’izao tontolo izao no ohatra tonga lafatra amin’ny toetra tsy miova sy feno fiantrana toy izany” (“The Character of Christ” [Brigham Young University–Idaho Religion Symposium, jan. 25, 2003], 2–3).

  • Raha miainga avy amin’ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Jaona 18–19 mikasika ny toetran’ny Mpamonjy dia inona no azontsika atao mba hanarahana ny ohatra nasehony? (Rehefa avy mamaly ny mpianatra dia soraty eo amin’ny solaitrabe ity fahamarinana manaraka ity: Afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny alalan’ny fanampiana ny hafa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza isika.)

  • Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mandresy ny faniriana hiahiahy ny amin’ny tenantsika mialoha ny zavatra hafa ka hisafidy ny hanampy ny hafa na dia ao anatin’ny fahasahiranana aza ny tenantsika?

  • Oviana ianareo no nahita olona nanaraka ny ohatry ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fisafidianana hanampy ny hafa na dia tao anatin’ny fahasahiranana aza izy?

Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny ohatra tonga lafatra nasehony tamin’ny fametrahana ny zavatra ilain’ny hafa alohan’ny Azy. Asao ireo mpianatra hanoratra ao anaty kahieny ao an-dakilasy na ny diary fandalinany soratra masina ny zavatra izay hataony mba hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy.

Fintino ny Jaona 19:28–42 amin’ny fanazavana fa rehefa maty i Jesoa dia nangataka ny vata-mangatsiakan’i Jesoa tamin’i Pilato i Josefa avy any Arimatia. Dia nanomana ny vata-mangatsiakan’ny Mpamonjy avy eo i Josefa sy i Nikodemosy ka nametraka izany tao amin’ny fasana iray, izay nomen’i Josefa.

Fanazavana sy fampahalalana ny zava-miseho

Jaona 18:5–8. “Izaho no Izy”

“Ireo teny ireo [‘Izaho no Izy’] dia nadika avy amin’ny andian-teny Grika hoe egō eimi, izay nampiasaina any amin’ny toko samy hafa ao amin’ny Jaona mba entina ilazana ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. … Rehefa avy nilaza ireo teny ireo ny Mpamonjy dia ‘nianotra ireo [lehilahy sy miaramila] ka lavo tamin’ny tany’ (Jaona 18:6), ‘izay hita nibaribary fa tsy afaka nampiasa hery tamin’i Jesoa raha tsy nahazo alalana hanao izany’ (Bruce R. McConkie, Doctrinal New Testament Commentary, 1:780). ‘Ny fahamendrehana tsotra sy ny hery nalefaka nefa nandresy lahatra avy tamin’ny fijoroan’i Kristy teo dia hita fa mbola nahery vaika noho ny sandry matanjaka sy ny fitaovam-piadian’ny herisetra’ [jereo ny James E. Talmage, Jésus le Christ, ed. faha 3 (1916), 615]). Io antsipirian-javatra io dia maneho fa nanana ny fahafahana handresy ireo mpisambotra Azy ny Mpamonjy saingy nanaiky an-tsitrapo Izy ny hanaiky ny fisamborana sy ny fanomboana” (Testamenta Vaovao Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra [Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana, 2014], 256).

Jaona 19:12, 16. Nahoana i Pilato no nandray fanapahan-kevitra izay fantany fa tsy rariny?

Ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanome ity hevi-baovao tena manampy ity mikasika ny antony nandraisan’i Pilato fanapahan-kevitra izay fantany fa tsy rariny:

“Inona no anton’ny fahalemena nananan’i Pilato? Solontenan’ny amperora izy, solontenan’ny fanjakana Rômana tao amin’ny fitsarana izay nanana fahefana ny hanombo olona na hanavotra. Nahazo fahefana tamin’ny fomba ôfisialy hanapaka araka izay tiany izy. Tsy nisalasalana ny fananany finoana fa tsy meloka i Kristy sy ny faniriany hanavotra Azy tsy hofantsihina tamin’ny hazofijaliana. Nahoana no sarotra tamin’i Pilato ny nandray io fanapahan-kevitra io, ka tamin’ny farany izy dia nanao zavatra nifanohitra tamin’ny feon’ny fieritreretany sy ny sitrapony? Satria na dia teo aza izany rehetra izany dia tsy nanana fahafahana handray ny fanapahan-kevitra tiany horaisina izy. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny ny lasany. Fantany fa raha nitaraina mikasika azy tany amin’ny fahefana tany Rôma ny Jiosy dia tsy maintsy hotsaraina tamin’ny kolikoliny sy ny fahalozàny, ny fakany vola an-keriny sy ireo fanaovany sorona olona tsy ara-drariny izy. Izy no mpanapaka Rômana, saingy ireo olona nananany fahefana mba hanjakana tamin’ny fomba ôfisialy dia nifaly rehefa nahita azy nitankemotra, rehefa nampitahotra ny handaza azy tamin’i Tiberiosy ilay amperora lehibeny izy ireo” (Jésus le Christ, ed. faha 3 [1916], 641).

Nanao fanamarihana fanampiny ny Loholona Talmage fa “I Pilato dia nahafantatra ny tsara tokony natao saingy tsy nanana ny herim-po tsara nentina nanao izany” (fizarana 34, fanamarihana 7, ao amin’ny Jésus le Christ,648).

Jaona 19:31–36. “Nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ireo”

Matetika ireo olona nohomboina no mbola velona tao anatin’ fanaintainana mahatsiravina nandritra ny andro maromaro talohan’ny nahafatesany. Rehefa maty ireo olona nohomboina dia fomban’ny Rômana ny namela ireo vata-mangatsiaka teo amin’ireo hazofijaliana mba hanakanana ireo izay mieritreritra ny hanao heloka be vava. Ny lalàn’i Mosesy anefa dia nandrara ny hamelana ny vata-mangatsiak’ireo olo-meloka hiantona amin’ny hazo amin’ny alina (jereo ny Deoteronomia 21:22–23). Ankoatra izay dia Sabata ihany koa ny ampitson’ny andro nanomboana an’i Jesoa. Noho izany ireo mpitarika Jiosy, izay naniry ny hanesorana ireo vata-mangatsiaka teo amin’ny hazofijaliana mialoha ny hanombohan’ny Sabata tamin’ny fodian’ny masoandro, dia niezaka ny hanafaingana ny fahafatesan’ireo lehilahy telo teo amin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’ny fangatahana ny hanapahana ny tongotr’izy ireo. Izany dia hahatonga ireo voahombo hiaritra fihenjanan-kozatra eo amin’ny tratra sy hampihena ny fahafahan’izy ireo miaina satria tsy afaka mampiasa ny tongony intsony izy ireo mba hizaka ny lanjan’izy ireo. Rehefa avy nanapaka ny tongotr’ireo lehilahy roa hafa voahombo ireo miaramila Rômana dia hitan’izy ireo fa efa maty i Jesoa, ka noho izany dia tsy nila notapahina ny tongony.

Nanatanteraka faminaniana tao amin’ny testamenta Taloha io fotoana manan-danja teo amin’ny hazofijaliana io: “Miaro ny taolany rehetra Izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza” (Salamo 34:20). Ankoatra izay, ny Tompo dia nampianatra ny isiraely fa ny zanak’ondrin’ny Paska, izay tandindon’ny sorona nataon’i Jesoa amin’ny maha-Zanakondrin’ Andriamanitra Azy, dia tsy hisy ho tapaka ny taolana aminy na dia iray aza (jereo ny Eksodosy 12:46).