Seminera
Fizarana 7: Andro 3, 2 Nefia 21–24


Fizarana 7: Andro 3

2 Nefia 21–24

Fampidirana

Maro amin’ny faminanian’i Isaia ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mikasika ny andro farany. Naminany mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara izy, sy momba ny Mpaminany Joseph Smith ary ny Fiaviana Fanindroany sy ny famongorana ny olon-dratsy. Hitany mialoha fa ny Tompo dia “hanangana faneva iray ho an’ny firenena” mba hanangonana ny olony amin’ny andro farany (jereo ny 2 Nefia 21:11–12). Nijoro ho vavolombelona koa i Isaia fa ny Tompo dia handresy an’i Satana ary hampiditra ny Arivotaona izay vanim-potoana iray hanjakan’ny fiadanana sy fifaliana.

2 Nefia 21:1–4, 10–12

Nahita mialoha ny Fameranana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny andro farany i Isaia

Miatoa kely dia alaivo sary an-tsaina ny hazavana iray izay manomboka miseho eo anoloanao. Lasa mazava kokoa hatrany ilay hazavana. Tampoka teo dia indro misy iraka avy any amin’Andriamanitra mijoro eo anoloanao. Milaza aminao izy fa madiva ho tanteraka ireo faminaniana fahiny ary ilaina ny fanampianao mba hanatanterahana azy ireo. Inona no fihetsika sy eritreritra ary fanontaniana ho tonga ao an-tsainao voalohany indrindra?

Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia

Ny alina nisehoan’i Môrônia voalohany indrindra tamin’i Joseph Smith—21 Septambra 1823—dia nanambara ny tao anatin’ny Isaia 11 izy izay hita koa ao amin’ny 2 Nefia 21. Nolazain’i Môrônia i Joseph Smith fa ireo faminaniana tao anatin’izany toko izany dia madiva “ho tanteraka” (Joseph Smith—Tantara 1:40). Rehefa mandalina ireo faminaniana avy ao amin’i Isaia ireo ianao dia eritrereto ny antony niraketan’i Nefia azy ireo tao anatin’ireo takelaka kely ary koa ny antony nanambaran’i Môrônia azy ireo tamin’i Joseph Smith.

Nandray fanambarana ny Mpaminany Joseph Smith izay nanazava ny dikan’ireo faminaniana voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 21. Efa ela ireo manam-pahaizana no revo tamin’ny fiezahana nanakatra ny dikan’ireo tandindona nampiasaina tao amin’io toko io. Ny Bokin’i Môrmôna sy ireo mpaminany maoderina dia nanampy antsika hahatakatra tsara ny dikany. Ohatra, i Isaia dia nampiasa ny endriky ny hazo na zavamaniry iray. Vakio ny 2 Nefia 21:1, 10, ary tadiavo ireo singa manokana mandrafitra ny hazo na zavamaniry iray izay nambaran’i Isaia. Dia vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 113:1–6 mba hanampy anao hahatakatra ny dikan’ireo tandindona ireo. Mety hanampy ny fanoratana ny dikan’ireo tandindona ireo ao amin’ny soratra masinao.

Vatan’i Jese—Jesoa Kristy

Solofo hivoaka avy ao amin’ny vatan’i Jese—Mpanompon’i Jesoa Kristy

Fakan’i Jese—Olona iray mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana

Diniho ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Bruce R. McConkie manaraka ity izay nanazava fa ny hoe “fakan’i Jese” sy ny hoe “solofo hivoaka avy ao amin’ny vatan’i Jese” dia samy ilazana ny Mpaminany Joseph Smith: “Moa ve isika diso raha milaza fa ilay mpaminany voalaza eto [ao amin’ny F&F 113:5–6] dia i Joseph Smith, izay nandray ny fisoronana, sy nandray ireo fanalahidin’ny fanjakana ary nanangana faneva iray ho an’ny fanangonana ny vahoakan’ny Tompo amin’izao fotoampitantanana misy antsika izao? Ary moa ve izy tsy ‘mpanompo eo an-tanan’i Kristy izay tamingan’i Jese ary koa Efraima ny ampahany, na avy amin’ny tranon’i Josefa izay hametrahana hery lehibe’? [F&F 113:3–4]” (Millennial Messiah [1982], 339–40).

Vakio ny 2 Nefia 21:10, 12, ary tadiavo ny zavatra nambaran’i Isaia tamin’ny faminaniana fa hataon’ny Tompo amin’ny alalan’ny “fakan’i Jese” (Joseph Smith). Ny teny hoe faneva dia ilazana ilay “saina” izay ivondronan’ny olona.

Ireo andininy ireo dia mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Naverin’ny Tompo tamin’ny laoniny ny filazantsarany sy ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ary manangona ny vahoakany Izy amin’izao andro farany izao.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no mahatonga Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho faneva ho an’izao tontolo izao?

2 Nefia 21:6–9; 22:1–6

Nofaritan’i Isaia ny Arivotaona

Ny iray amin’ireo lohahevitra ifanakalozana hevitra eo anivon’ireo Kristianina dia ny fanjakan’ny Mpamonjy mandritra ny arivotaona. Efa mba nieritreritra bebe kokoa momba izany ve ianao? Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray nanontany mikasika ny zavatra inoanao momba ny Arivotaona. Inona no holazainao?

Sary
Tsy hisy fikorontanana

Naminany i Isaia fa aorian’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia hisy fiovana eto an-tany izay haharitra arivo taona. Antsointsika hoe Arivotaona io vanim-potoana hisian’ny fandriampahalemana io. Vakio ny 2 Nefia 21:6–9, ary tadiavo ireo toe-javatra hiseho eto an-tany mandritra ny Arivotaona.

Araka ny 2 Nefia 21:9, ny iray amin’ireo faminaniana mikasika ny Arivotaona dia ny hoe “ho henika ny fahalalana ny Tompo ny tany.” Saintsaino hoe inona no ho fiantraikan’ny fahatanterahan’io faminaniana io eo amin’ny olona manerana an’izao tontolo izao. Vakio ny 2 Nefia 22:1–6, ary diniho ilay toe-tsaina maneho fitsaohana izay hananan’ny olona mandritra ny Arivotaona. Ahoana no ahafahantsika manana toetra tahaka izany ankehitriny?

Ireo andininy izay nohalalininao dia mampianatra ity fahamarinana ity: Ho toerana handry fahalemana ny tany mandritra ny Arivotaona satria ho henika ny fahalalana ny Tompo ny tany. Inona avy ireo toe-javatra hiseho mandritra ny Arivotaona izay tianao hiseho eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Saintsaino mandritra ny fotoana fohy hoe inona no azonao atao mba hahazoana ny sasany amin’ireo fitahiana ireo.

Azonao atao ny mihira na mihaino na mamaky ny “Christ est ma Lumière” (Cantique, no. 50) mba hamenoanao ny fandalinanao ny 2 Nefia 22.

2 Nefia 23–24

Noresahan’i Isaia ny fandravana an’i Babylona, sy ny famongorana ny olon-dratsy sy ny famongorana an’i Losifera

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 23–24, dia nanameloka ny haratsian-toetran’ny mpianakavin’i Isiraely i Isaia ary nampitaha ny famongorana ny olon-dratsy amin’ny andro farany tamin’ny fandravana an’i Babylona fahiny. I Babylona dia firenena tena feno faharatsiana tamin’ny andron’i Isaia ary nanomboka tamin’izay ka hatramin’izao dia lasa marika iray hanehoana ny faharatsian’izao tontolo izao (jereo ny F&F 133:14).

Halalino ny zavatra nambaran’i Isaia tamin’ny faminaniana fa hitranga amin’ny olon-dratsy amin’ny andro farany amin’ny alalan’ny famakiana ny 2 Nefia 23:1, 4–9, 11, 15, 19, sy 22.

I Isaia koa dia nampitaha ny fandravana an’i Babylona fahiny tamin’ny fianjeran’i Losifera (Satana) avy any an-danitra. I Losifera dia noraisiny an-tsariohatra ho toy ny mpanjakan’i Babylona, izay midika hoe ilay izao tontolo izao iray manontolo feno faharatsiana. Nampiasain’i Isaia ilay fahalavoan’i Losifera tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ho enti-maneho ny fomba fahalavoan’ny olon-dratsy sy ny fianjerany. Halalino ny 2 Nefia 24:12–14, ary asio marika ireo andian-teny izay mampiseho ny fiavonavonana sy ny fieboeboan’i Satana.

Moa ve tsikaritrao ny fampiasana ny teny hoe aho ao anatin’ireo andininy ireo? Azonao atao ao anaty faribolana ireo teny hoe aho ao anatin’ny soratra masinao. Nilaza ny Filoha N. Eldon Tanner avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany indray mandeha fa i Satana dia “mifantoka bebe kokoa amin’ny fandokandokafana azo fa tsy amin’ny vokatra azo ary ny voninahitra sy ny fahazoana dera no tena tanjon’izy ireo” (“For They Loved the Praise of Men More Than the Praise of God,” Ensign, nôv. 1975, 76).

Halalino ny 2 Nefia 24:15–16 mba hahitana ny zavatra hitranga amin’i Satana amin’ny farany sy ny zavatra ho tsapan’ny olona momba azy rehefa ho hitan’izy ireo marina hoe iza izy.

Vakio ity teny nolazain’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity: “Nandritra ilay filankevitra talohan’ny nahaterahana dia ny fieboeboana no nampianjera an’i Losifera, ‘ilay zanaky ny maraina’ (2 Ne. 24:12–15; jereo koa ny F&F 76:25–27; Mosesy 4:3). … Natolotr’i Losifera mba hifaninana amin’ilay drafitry ny Ray any An-danitra izay narovan’i Jesoa Kristy ny sosokeviny. (Jereo ny Mosesy 4:1–3). Naniry ny hahazo voninahitra mihoatra ny zavatra hafa rehetra izy (Jereo ny 2 Ne. 24:13.) Raha fehezina ilay faniriany izay mifono fieboeboana, dia ny hanongana an’ Andriamanitra. (Jereo ny F&F 29:36; 76:28)” (“Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 4–5).

Hitantsika ao amin’ny 2 Nefia 23:22, fa afaka mahazo fampaherezana ianao raha toa ka marina. Hamindra fo aminao Andriamanitra fa hofongorana kosa ny olon-dratsy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no azoko ovaina eo amin’ny fiainako ankehitriny mba hankatoavako bebe kokoa?

    2. Ahoana no ahafahako manapa-kevitra ny hitoetra ho mpankatò?

Mivavaha mba hanananao fahafahana hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fahamarinana nianaranao tao amin’ny 2 Nefia 23.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 21–24 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: