Seminera
Fizarana 11: Andro 3, Môsià 4


Fizarana 11: Andro 3

Môsià 4

Fampidirana

Nisy fiantraikany lalina teo amin’ny vahoaka izay nandre azy ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina. Nampihatra finoana tamin’ny Sorompanavotana sy nibebaka ary nandray ny famelana ny fahotany ireo vahoaka ireo. Dia nampianatra azy ireo ny zavatra tokony hataon’izy ireo ny Mpanjaka Benjamina mba hihazonany ny famelana ny fahotany. Nambarany fa mitovy amin’ny mpangataka isika satria miankina tanteraka amin’Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika. Nampitandrina ny Mpanjaka Benjamina fa mila mitandrina mandrakariva ny eritreritsika sy ny asantsika ary ny fihetsika ataontsika isika.

Môsià 4:1–8

Heniky ny Fanahy ny valalabemandry ary nandray famelana ny fahotany

Alaivo sary an-tsaina ny namana iray izay manontany hoe ahoana no ahafantarako raha toa ka voavela tamin’ny fahotana iray manokana aho? Ahoana no hamalianao izany?

Halalino ny Môsià 4:1–3 ary mitadiava hevitra hanampiana anao hamaly ny fanontanian’ny namanao. Soraty ny fomba mety hamalianao:

Iray amin’ireo fitsipika nampianarina ao anatin’ireo andininy ireo ny hoe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka marina isika dia mandray ny famelana ny fahotantsika. Ampahany manan-danja amin’ny fahazoana fifaliana sy fiadanan-tsaina ny fibebahana toy izany.

Mahazatra ny hoe rehefa mametraka fanontaniana iray ny olona iray dia te hanome valiny isika. Amin’ity indray mitoraka ity, rehefa mieritreritra mikasika ny fomba hamaliana ny fanontanian’ny namanao ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao mamaly ilay fanontaniana amin’ny alalan’ny fanontaniana iray. Diniho ny Môsià 4:1–3 sy ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona F. Burton Howard, mpikambana tao amin’ny Fitopololahy izay nisaorana tamim-boninahitra: “Mahatsapa fiadanana ao anaty ianao rehefa nibebaka tanteraka. Tsy maintsy fantatrao hoe voavela ianao satria tsy eo intsony tampoka teo ilay enta-mavesatra izay nentinao nandritra ny fotoana maharitra. Lasa ary fantatrao fa lasa izany” (“Repentance,” Ensign, mey 1983, 59).

Mieritrereta fanontaniana iray izay azonao apetraka amin’ilay namanao mba hanampiana azy hahita ny fomba ahafahantsika mahafantatra raha toa ka voavela isika.

Mety hanampy ny mahatakatra teny roa ao amin’ny Môsià 4:1–3 rehefa mieritreritra fanontaniana iray hapetraka ianao. Ny mahita ny tenantsika ao anatin’ny “toetra araka ny nofo” dia midika hoe manaiky ny toetra maha-lavo sy maha-eto ambonin’ny tany antsika. Ny mahita ny tenantsika ho “ambany kokoa noho ny vovon-tany” dia midika fa mankato ny didin’Andriamanitra ny vovon-tany (jereo ny Helamàna 12:7–8), kanefa ny zanak’Andriamanitra dia tsy mankato mandrakariva ny didiny.

Ohatra iray azo entina hamaliana ny fanontanian’ny namanao ny fametrahana fanontaniana manao hoe: Mahatsapa fiadanan-tsaina ve ianao rehefa mieritreritra momba ny hoe efa nibebaka tamin’ny fahotanao? Heniky ny fifaliana ve ianao?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Voavela ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina noho ilay “finoana fatratra izay nananany tao amin’i Jesoa Kristy” (Môsià 4:3). Inona avy ireo asa voarakitra ao amin’ny Môsià 4:1–2 izay nampiseho ny finoan’izy ireo? Inona no fihetsika sy fahatsapana tokony hanananao izay hitovy amin’ny an’ny vahoakan’i Môsià?

    2. Ahoana no ahafahanao mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka ny famelana ny fahotanao ianao?

Rehefa avy nahita ny fihetsika naneho fibebahana nasehon’ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina dia nampianariny azy ireo ny sasany amin’ireo zavatra tsy maintsy ataony mba hahazoana famonjena. Eo am-pamakianao ny Môsià 4:4–8 dia tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahazoana famonjena.

Hazavao ny fomba hiezahanao hanao ireo zavatra nolazain’ny Mpanjaka Benjamina na manomeza ohatra amin’izany:

“Apetraho amin’ny Tompo ny fitokiana[reo]”:

“Mazotoa hitandrina ny didiny”:

“Mitozoa amin’ny finoana mandra-pahatapitry ny ai[nareo]”:

Môsià 4: 9–30

Nampianatra ny fomba hitanana ny famelana ny fahotana ny Mpanjaka Benjamina

Taorian’ny nandraisan’ny Nefita ny famelana ny fahotany dia nampianarin’ny Mpanjaka Benjamina azy ireo ny fomba hitanana (na hihazonana) izany toetra madio sy tsy misy pentina. Vakio ny Môsià 4:9–11, 26, 28, 30 ary tadiavo izay tsy maintsy hinoantsika sy hataontsika mba hitanana ny famelana ny fahotantsika. Raketo ato anatin’ity tabilao manaraka ity ny zavatra hitanao:

Fitanana ny Famelana ny Fahotana

Mino

Manao

Nampianatra zavatra maro tamin’ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 4:9–30, fa ny iray amin’ireo fitsipika manan-danja indrindra nampianariny dia ny hoe Raha toa ka manetry ny tenantsika eo anatrehan’Andriamanitra isika ary miezaka ny hikolokolo toetra tahaka ny an’i Kristy dia afaka mitana ny famelana ny fahotantsika.

  1. Nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa tsy maintsy “mino an’Andriamanitra” isika (Môsià 4:9) ary mahatsiaro mandrakariva ny “halehibeazan’Andriamanitra”( Môsià 4:11). Lazalazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra niainanao na niainan’ny olona iray fantatrao ka nanampy anao hahafantatra fa tena misy Andriamanitra, mahery Izy ary tiany ianao. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny mahatakatra sy mitadidy ny hery sy ny fahatsaran’Andriamanitra ary ny fitiavany? Rehefa mahatsiaro ireo zavatra ireo ianao dia ahoana no fiantefan’izany eo amin’ny fiainanao?

Namaritra ny asa ataon’ny vahoaka izay miezaka mitana ny famelana ny fahotany ny Mpanjaka Benjamina. Halalino ny Môsià 4:12–16 mba hianarana ny sasany amin’ireo asa nampahafantarin’ny Mpanjaka Benjamina. (Ny teny hoe manampy ao amin’ny Môsià 4:16 dia midika hoe manolo-tanana na manampy amin’ny fotoam-pahasahiranana.)

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba anehoan’ireo asa nolazain’ny Mpanjaka Benjamina fa miezaka ny hitana ny famelana ny fahotany ny olona iray. Azonao tanisaina ve ny vitsivitsy amin’ireo asa hafa izay hampiseho fa miezaka ny hitana ny famelana ny fahotany ny olona iray? Milazà fomba iray na maromaro izay nanampianao ireo sahirana.

Nampitaha antsika tsirairay avy tamin’ny mpangataka ny Mpanjaka Benjamina satria miankina tanteraka amin’Andriamanitra avokoa ny tsirairay amintsika amin’ny zava-drehetra izay ananantsika. Ity fanahafana ity dia afaka manampy antsika hankasitra ireo fitahiana noraisintsika avy tamin’ny Tompo. Vakio ny Môsià 4:19–21 ka tadiavo ny fomba itovizantsika tsirairay avy amin’ny mpangataka eo imason’Andriamanitra.

Eritrerito ny fiankinanao amin’Andriamanitra. Inona no fitahiana iray izay azonao hisaorana ny Ray any An-danitra izao ankehitriny izao?

Rehefa avy nampianatra ny Mpanjaka Benjamina fa mila ny fanampian’Andriamanitra tsy tapaka isika dia nangataka antsika izy mba hieritreritra mikasika ny fomba tokony hitondrantsika ireo izay mangataka fanampiana amintsika. Halalino ny Môsià 4:26–27 ary tadiavo ny fomba tokony hitondrantsika ireo izay sahirana.

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’izao fanontaniana manaraka izao: Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina ao amin’ny Môsià 4 manampy anao hangoraka bebe kokoa ireo izay sahirana ara-panahy na ara-nofo?

  2. Makà fotoana hisaintsainana ireo soratra masina izay nohalalininao androany. Nahazo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina ve ianao mikasika ny zavatra tokony hataonao avy amin’ny zavatra nianaranao tamin’ny fampianaran’ny Mpanjaka Benjamina? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany fahatsapana izany.

Tadidio fa manana fitiavana lalina ho anao ny Tompo. Rehefa mibebaka amin’izay fahadisoana natao sy manao araka izay tsara indrindra vitanao hanarahana ny ohatry ny Mpamonjy ianao dia afaka mitana ny famelana ny fahotanao.

Sary
Sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Môsià 4:30

Vakio mafy ny Môsià 4:30. Inona no mampifandray ny eritreritrao amin’ny teninao sy ny asa ataonao?

Sary
fanehoana an-tsary ny eritreritra

Namaritra ity fifandraisana ity ny Filoha Ezra Taft Benson manao hoe: “Manàna eritreritra madio. Tsy manao asa maloto ireo izay manana eritreritra madio. Tsy tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ireo asanao fotsiny ihany ianao fa amin’ny fifehezana ny eritreritrao ihany koa. … Mbola marina hatrany ilay fomba fiteny taloha hoe mamafy eritreritra ianao dia mijinja asa, mamafy asa dia mijinja fahazarana, mamafy fahazarana dia mijinja toetra iray, ary ny toetranao dia mamaritra ny hoavinao mandrakizay. ‘Fa tahaka ny hevi[try ny olona iray] ao am-pony ihany ny toetrany.’ (Jereo ny Ohab. 23:7.) (ao amin’ny Conference Report, ôkt. 1964, 60).

  1. Rehefa mianatra mifehy ny eritreritrao ianao dia hijinja ireo fitahiana amin’ny fiezahana hitovy bebe kokoa amin’i Kristy amin’ny teninao sy ny asanao. Manorata fomba iray na maromaro ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay ahafahanao mifehy ny eritreritrao sy mihazona izany hitovy bebe kokoa amin’ny an’i Kristy.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 4 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: