Seminera
Fizarana 19: Andro 4, Almà 38


Fizarana 19: Andro 4

Almà 38

Fampidirana

Niara-nanompo tamin’i Almà tamin’ny naha-misiônera ho an’ny Zôramita i Siblôna zanany lahy. Taorian’ny asa fitoriany dia naneho ny hafaliany tamin’ny tsy fiovaovana sy fahatokiana nasehon’i Siblôna i Almà rehefa niaritra fanenjehana teo anivon’ny Zôramita. Nijoro ho vavolombelona tamin’i Siblôna ny amin’ny herim-panafahan’i Jesoa Kristy i Almà ary nanoro hevitra azy ny hanohy hitory ny filazantsara.

Almà 38:1–3

Maneho ny hafaliany amin’ny fahatokian’i Siblôna i Almà

Makà iray minitra hieritreretana fotoana iray izay nahatsapan’ny ray aman-dreninao hafaliana noho ny fanapahan-kevitra tsara noraisinao na noraisin’ny olona hafa iray ao amin’ny fianakavianao, na noho ny fomba iainanao ny fiainanao.

Sary
fianakaviana eo an-databatra fisakafoana

Vakio ny Almà 38:1–3, ary mitadiava fehezanteny izay mamaritra ny fahatsapan’i Almà momba an’i Siblôna sy ny anton’izany. Soraty ny sasany amin’ireo fehezanteny hitanao:

Mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Afaka mitondra fifaliana lehibe ho an’ny ray aman-drenintsika isika rehefa manomboka mazoto sy mahatoky amin’ny fitandremana ny didy mandritry ny fahatanorantsika.

  1. Makà fotoana fohy anontanianao ny iray amin’ireo ray aman-dreninao, mpiahy, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fiantraikan’ireo fanapahan-kevitra tsara raisinao eo aminy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valintenin’izy ireo.

Almà 38:4–9

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny herim-panafahan’ny Mpamonjy i Almà

Nampahatsiahy an’i Siblôna i Almà fa samy nahatsapa ny herim-panafahan’ny Mpamonjy izy roa lahy, na dia tamin’ny fomba samy hafa aza izany. Vakio ny Almà 38:4–8, ary fenoy ilay tabilao etsy ambany. Ampiasao ihany koa izay fantatrao momba an’i Siblôna avy ao amin’ny Almà 38:2–3 sy izay nianaranao momba an’i Almà avy ao amin’ireo toko hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna hanampiana anao hameno ity tabilao ity.

Siblôna (Almà 38:2–5)

Almà (Almà 38:6–8)

Nohafahana tamin’ny inona izy?

Ahoana no nahazoany ireo fitahian’ny fanafahana?

Afaka mianatra avy amin’ny zavatra niainan’i Siblôna isika fa: Hanafaka antsika amin’ny fisedrana, ny olana, ary ny fahoriana Andriamanitra ary hanandratra antsika amin’ny andro farany raha toa ka miharitra ny zava-drehetra amim-paharetana sy mahatoky an’Andriamanitra isika. Mianatra ihany koa isika avy amin’ny zavatra niainan’i Almà fa: Mila maneho finoana an’i Jesoa Kristy sy mikatsaka ny famindrampony isika mba hahazoana ny famelana ny fahotantsika sy hahitana fiadanana ho an’ny fanahintsika.

Sary
The Christus
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no nianaranao avy tamin’ny tantaran’i Siblôna sy i Almà momba ny herin’ny Mpamonjy hanafaka anao?

    2. Misafidiana fitsipika iray amin’ireo fitsipika aseho amin’ny soratra miavaka kokoa ao amin’ny andinin-tsoratra teo aloha, ary manorata fehezanteny vitsivitsy mikasika ny fomba ahafahanao mampihatra izany fitsipika izany amin’ny fiainanao.

Vakio ny Almà 38:9, ary tadiavo ny zavatra tian’i Almà ianaran’i Siblôna. Azonao atao ny manisy marika ny fehezanteny iray ao amin’ity andininy ity izay tsapanao fa mamintina ny tian’i Almà ho takatry ny zanany lahy.

Mieritrereta fotoana iray izay nanafahan’ny Mpamonjy anao tamin’ny fisedrana, olana na tsy fahamendrehana. Inona no nataonao hikatsahana izany fanafahana izany? Manana fisedrana na fahotana ve ianao eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mitodika any amin’ny Mpamonjy mba hahazo fanafahana?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho anao ny mahafantatra fa ny hany “lalana na fomba” tokana azo hamonjena anao dia amin’ny alalan’ny Mpamonjy? (jereo ny Almà 38:9).

Almà 38:10–15

Manoro hevitra an’i Siblôna hanohy hampitombo toetra tsara i Almà

Mieritrereta mpampianatra na mpitarika ao am-piangonana iray izay manana fitaomana tsara eo amin’ny fiainanao. Eritrereto ny toetra tsara ao amin’izany olona ankamamianao izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 38:10–15 dia mamporisika an’i Siblôna hanohy hampitombo toetra izay hanampy azy i Almà rehefa manohy mampianatra ny filazantsara sy manompo ny hafa izy. Afaka ampiharina amin’ny olona iray izay te hitaona ny hafa amin’ny tsara amin’ny alalan’ny fanompoana, fampianarana, ary amin’ny fomba hafa ny torohevitra nomen’i Almà an’i Siblôna. Halalino ny Almà 38:10–15, ary fantaro izay mety ho torohevitra tsapanao fa hanampy anao indrindra. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

  1. Io ambany io misy torolalana ho an’ny fandalinana hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa sy hampihatra ny torohevitr’i Almà ho an’i Siblôna zanany lahy (jereo ny Almà 38:10–15). Misafidiana ampahany roa na telo amin’ny torohevitr’i Almà izay tsapanao fa tena manan-danja indrindra aminao avy ao amin’ny tsanganana eo ankavia. Fenoy ireo asa atao hianaran-javatra mifanaraka amin’izany ao amin’ny tsanganana havanana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

    Almà 38:10–12 Torolalana ho an’ny Fandalinana

    Torohevitr’i Almà

    Asa atao Hianaran-javatra

    “Ho mazoto sy mahonon-tena amin’ny zavatra rehetra” (Almà 38:10).

    Manao ezaka mitohy sy feno fahavitrihana amin’ny asa atao amin’ny fiainana ny olona iray izay mazoto. Mampiasa fahononana amin’ny zavatra rehetra sy mampihatra fifehezan-tena ny olona iray izay mahonon-tena. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony ilàna ireo toetra roa ireo rehefa manompo ny hafa. Soraty ny fomba ahafahanao ho mazoto sy mahonon-tena bebe kokoa amin’ny sehatra iray na maromaro eo amin’ny fiainanao sy ny fomba hanampian’ny fanaovana izany anao mba hanompo ny hafa amin’ny fomba mahomby kokoa.

    “Ezaho izay tsy hanandratanao tena amin’ny avonavona; eny, ataovy izay tsy hireharehanao” (Almà 38:11).

    Ny avonavona, ao amin’ny soratra masina dia rehefa mametraka fahatokiana bebe kokoa amin’ny tenany mihoatra noho ny amin’Andriamanitra ny olona iray. Midika ihany koa izany fa mihevitra ny tenany ho ambony kokoa noho ny hafa ny olona iray. Fanetrentena no mifanohitra amin’ity fieboeboana tsy mendrika ity. Miezaka mihevitra ny hafa amin’ny fomba hiheverany ny tenany ireo izay manetry tena ary tia an’Andriamanitra sy mametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainany izy ireo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mety hitranga raha miavonavona sy mirehareha amin’ny antsony ny mpikamban’ny Fiangonana iray. Eritrereto ny antsonao ato am-piangonana na ny fahafahana hafa anananao mba hanompoana. Manorata fomba iray na roa hikatsahanao ny hanetry tena sy hisoroka ny avonavona sy fireharehana rehefa manompo ianao.

    “Mampiasà fahasahiana fa tsy fianjonanjonana” (Almà 38:12).

    Midika fahatokiana fa miaraka amintsika Andriamanitra ary afaka manampy antsika hiasa tsy misy tahotra amin’ny fanompoana Azy ny hoe sahy. Mety midika hoe manery ny hafa hanaiky ny zavatra inoantsika na ny fitondrantenantsika kanefa tsy miraharaha ny zavatra ilain’izy ireo sy ny fihetsem-pon’izy ireo ny hoe fianjonanjonana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hiheveranao fa ilan’ny Tompo antsika ho sahy. Raketo ihany koa ny fomba miavaka iray izay ahafahanao mampihatra ny torohevitra hampiasa fahasahiana fa tsy fianjonanjonana rehefa mikatsaka ny hanompo ny hafa ianao.

    “Ataovy izay hifehezanao ny filànao rehetra” (Almà 38:12).

    Midika hoe mitarika na manara-maso ny hoe mifehy. Fiontanam-po mahery no atao hoe filàna. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto ary Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho antsika ny mifehy ny filàntsika rehetra—izany hoe mitarika na manara-maso ireo fiontanam-po mahery ao amintsika? Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fifehezana ny filànao manampy anao ho heniky ny fitiavana? Inona no hataonao hanarahana ny torohevitr’i Almà mba hifehezana ny filànao rehetra?

    “Ataovy izay hifadianao ny fidonanaham-poana” (Almà 38:12).

    Jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.lds.org) ny hoe “Midonanaham-poana, Fidonanaham-poana” mba ianarana bebe kokoa mikasika ny hevitry ny hoe midonanaham-poana. Misafidiana roa amin’ireo andininy voatanisa eo ambanin’izany lohahevitra izany, ary halalino izany. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ireo andininy ireo. Soraty ny fomba hanampian’ny torohevitra mba hifadiana ny fidonanaham-poana anao hanompo ny hafa amin’ny fomba mahomby kokoa. Farany dia manorata fomba miavaka izay hikatsahanao ny fifadiana ny fidonanaham-poana.

Mampianatra ity fitsipika ity ny torohevitr’i Almà ho an’i Siblôna ao amin’ny Almà 38:10–15: Manomana antsika hampianatra sy hanompo ny hafa ny fampitomboana toetra marina. Saintsaino ny fomba hitahian’ny fampitomboana ireo toetra marina, izay hitanao ao amin’ny Almà 38 anao eo amin’ny fiainanao sy eo amin’ny fiainan’ireo manodidina anao.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 38 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: