Seminera
Fizarana 26: Andro 4, 3 Nefia 20–22


Fizarana 26: Andro 4

3 Nefia 20–22

Fampidirana

Nandritra ny andro faharoa nanompoan’i Jesoa Kristy teo anivon’ny Nefita dia nanao ny fanasan’ny Tompo ho an’ny vahoaka indray i Jesoa Kristy. Nijoro ho vavolombelona Izy fa amin’ny andro farany dia hotanterahin’ny Ray ny fanekempihavanana nataony mba hanangona an’i Isiraely sy hitahy ny firenena rehetra eto an-tany. Nanazava ihany koa Izy fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany dia ho famantarana fa nanomboka nanatanteraka io fanekempihavanana io ny Ray.

3 Nefia 20:1–9

Nanatanteraka ny fanasan’ny Tompo teo amin’ny vahoaka indray ny Mpamonjy

Raha zatovolahy ianao ary mihazona ny Fisoronana Aharôna, dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Midika inona aminao izany hoe afaka manampy amin’ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo izany? Ahoana no hanehoanao amin’ny Tompo fa takatrao ny maha-masina an’io ôrdônansy io?

Raha zatovovavy ianao na zatovolahy tsy mbola mihazona fisoronana dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona ny zavatra tsapanao rehefa mahita zatovolahy mendrika manatanteraka ny fanasan’ny Tompo? Inona no zavatra ataonao mandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo izay maneho fa takatrao ny maha-masina izany?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 20:3–5, tany am-piandohan’ny andro faharoa tamin’ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, dia namatsy mofo sy divay tamin’ny fomba nahagaga Izy mba hanatanterahana indray ny fanasan’ny Tompo. Vakio ny 3 Nefia 20:1, ary tadiavo ny zavatra nasainy nataon’ny vahoaka talohan’ny nanomanany sy nizarany ny fanasan’ny Tompo. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fivavahana amin’ny fo hisy fiantraikany amin’ny fandraisanao ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro?

Vakio ny 3 Nefia 20:8. Mariho fa divay no nampiasain’ny Nefita tamin’izany fotoana izany, saingy amin’izao fotoana izao dia rano no ampiasain’ny Fiangonana (jereo ny F&F 27:2). Tsara ihany koa ny mahatsikaritra ny zavatra asehon’ny mofo sy ny rano. Rehefa mandray tsy tapaka ny fanasan’ny Tompo isika dia maneho ny fahavononantsika hanao izay hahatonga ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ho ampahany amin’ny fiainantsika.

Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 20:8, inona no nampanantenain’i Jesoa Kristy an’ireo izay mandray ny fanasan’ny Tompo? Eritrereto ny haben’ny mofo sy ny habetsahan’ny rano mandritra ny fanasan’ny Tompo. Raha noana sy mangetaheta ara-batana ianao, moa ve ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo dia ampy hahavoky sy hanala hetaheta anao? Mba hahatakarana misimisy kokoa ny fomba ahafahantsika mahatsapa ny fahafenoana amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia vakio ny 3 Nefia 20:9 ary fenoy ity fitsipika ity: Raha mandray ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana isika dia ho heniky ny .

Vakio ity fanambarana avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ary tsipiho ireo fomba izay nolazainy fa hitahiana anao rehefa feno ny Fanahy ianao:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Aoka isika mba ho mendrika an’ilay fampanantenana nataon’ny Mpamonjy fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika dia ‘hovokisana’ (3 Ne. 20:8; jereo koa ny 3 Ne. 18:9), izay midika hoe ho ‘heniky ny Fanahy’ isika (3 Ne. 20:9). Io Fanahy io—ny Fanahy Masina—dia ilay mpampionona antsika, ilay mahita ny lalana tokony alehantsika, ilay mpanambara amintsika, ilay mpandika ny tenintsika, ilay vavolombelona ho antsika, ary ilay mpanadio antsika—ilay mpitarika antsika tsy mety diso sy ilay mpanamasina eo amin’ny diantsika ety an-tany mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

“… Avy amin’ilay fihetsika heverina fa kely hoe manavao am-piheverana sy am-panajana ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa no hahatongavan’ny fanavaozana ireo fitahian’ny batisa amin’ny rano sy amin’ny Fanahy, dia ny mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika. Amin’izany fomba izany no hitarihana antsika rehetra, ary amin’izany fomba izany no ahafahana manadio antsika” (“Always Have His Spirit,” Ensign, nôv. 1996, 61).

  1. Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo. Vakio ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo ao amin’ny Môrônia 4:3 sy 5:2. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro anao mba ho heniky ny Fanahy Masina? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo fomba ireo.

3 Nefia 20:10–46

Nampianarin’ny Mpamonjy an’ireo Nefita ny mikasika ireo fanekempihavanana izay hotanteraka amin’ny andro farany

Eritrereto ny sasany amin’ireo toetra tsara manan-danja indrindra anananao. Karazan-toetra tsara toy ny ahoana no nifantohanao? Toetra ara-batana ve izy ireo, sa toetra amin’ny maha-olona anao, sa toetra ara-panahy?

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asio marika ny fomba namaritany hoe iza moa isika: “Mety mpankafỳ mozika ianao, na fanatanjaha-tena na mety mirona any amin’ny mekanika, ary indray andro any dia mety hanao raharaham-barotra, na hanana anton’asa fivelomana na hanao zava-kanto. Na dia manan-danja tahaka ny inona aza ireo asa sy raharaha ireo dia tsy mamaritra ny maha-isika antsika izy ireo. Voalohany indrindra, dia olona ara-panahy isika. Isika dia zanakalahy [sy zanakavavin’]Andriamanitra ary taranak’i Abrahama” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 47).

Ny hoe taranak’i Abrahama dia midika fa taranak’i Abrahama ara-bakiteny isika na lasa zanany lahy sy zanany vavy amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mahazo ireo fampanantenana sy fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny Abrahama avokoa ny rehetra.

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 20:11–13, ny Mpamonjy dia nampianatra ny Nefita mikasika ireo fanekempihavanana sy fampanantenana natao tamin’i Abrahama sy ny taranany, izay ny mpianakavin’i Isiraely. Nampianatra Izy fa hanatanteraka ny fanekempihavanany ny Ray dia ny hanangona ny mpianakavin’i Isiraely any amin’ny andro farany. Vakio ny 3 Nefia 20:13, ary jereo ny fahalalana ho azon’ny mpianakavin’i Isiraely, izay ampahany tena ilaina amin’io fanangonana io. Araka ny eritreritrao, nahoana no tena ilaina io fahalalana io?

Vakio ny 3 Nefia 20:25–26, ary fantaro izay zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ny fomba nitahiana ireo taranak’i Lehia noho ilay fanekempihavanana nataon’ny Ray tamin’i Abrahama. Nanantitrantitra ny Mpamonjy fa nirahin’ny Ray Izy hitsidika ny Nefita sy hanavotra azy ireo amin’ny fahotana “noho [izy ireo] zanaky ny fanekempihavanana” (3 Nefia 20:26).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fomba nitahiana anao noho ilay fanekempihavanana nataonao tamin’ny Ray any an-danitra tamin’ny batisa. Noho ianao natao batisa mba ho lasa mpikamban’ny Fiangonana dia taranak’i Abrahama ianao, ary manana andraikitra hanampy amin’ny fanatanterahana ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama.

Vakio ny 3 Nefia 20:27, ary asio marika ireo andian-teny izay mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika dia manana andraikitra araka ny fanekempihavanana isika ny hitahy ny firenena rehetra maneran-tany.

Sary
Loholona David A. Bednar

Rehefa mamaky ity teny manaraka izay nambaran’ny Loholona David A. Bednar ity ianao dia tadiavo ny fomba—amin’ny maha-taranak’i Abrahama antsika—tokony hitahiantsika ny olona rehetra eto an-tany: “Izaho sy ianao, anio sy rahatrizay, dia natao hitahy ny olona rehetra any amin’ireo firenena rehetra maneran-tany. Izaho sy ianao, anio sy rahatrizay, dia natao hijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy hanambara ilay hafatry ny Famerenana amin’ny Laoniny. Izaho sy ianao, anio sy rahatrizay, dia natao hanasa ny rehetra mba handray ireo ôrdônansin’ny famonjena. Ny fitoriana ny filazantsara dia tsy andraikitry ny fisoronana amin’ny ampaham-potoana fotsiny. Tsy asa handraisantsika anjara amin’ny fotoana voafetra fotsiny izany na hoe andraikitra tsy maintsy ho tanterahantsika amin’ny maha mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika. Raha ny marina ny asa fitoriana filazantsara dia fanehoana ny maha-isika antsika ara-panahy sy ny lovantsika ara-panahy. Isika dia notendrena mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ary nateraka ety an-tany mba hanatanteraka ilay fanekempihavanana sy fampanantenana izay nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama. Ety an-tany isika amin’izao fotoana izao mba hanandriana ny fisoronana sy hitory ny filazantsara. Izay no maha-isika antsika, ary izay no antony ahatongavantsika ety—anio sy rahatrizay” (“Becoming a Missionary,” 47).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao, amin’ny maha-zatovo anao, mba hitahiana ny hafa eto amin’izao tontolo izao?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho anao ny mahatakatra fa anisan’ny taranak’i Abrahama ianao?

3 Nefia 21–22

Nolazain’i Jesoa Kristy mialoha ny amin’ireo famantarana ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 21–22, dia nampianatra zavatra maro tamin’ny Nefita ny Mpamonjy mikasika ny andro farany—ilay fotoana hamerenana ny filazantsara amin’ny laoniny ety an-tany ary hiomanan’ireo Olomasina ho amin’ny Fiaviany Fanindroany.

  1. Mba hanampiana anao hahafantatra ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy mikasika ilay fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany, araka izay voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 21–22, dia vakio ireo soratra masina rehetra eo amin’ny tsanganana havia amin’ity tabilao manaraka ity. Avy eo dia misafidiana roa amin’ireo fanontaniana ao amin’ny tsanganana havanana mba hovaliana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Ireo Andinin-tsoratra masina

Fanontaniana

Vakio ny 3 Nefia 21:1–2, 7. Rehefa mivoaka ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany dia ho famantarana izany fa efa nanomboka nanangona ny mpianakavin’i Isiraely ny Ray.

  1. Oviana ianao no nahita ny Bokin’i Môrmôna nitarika (na nanangona) olona, anisan’izany ny tenanao, ho any amin’i Jesoa Kristy sy ny fanekempihavanan’ny filazantsara?

Vakio ny 3 Nefia 21:9. Ilay andian-teny hoe “asa lehibe sy mahatalanjona” dia entina ilazana ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny.

  1. Araka ny hevitrao, inona no lehibe sy mahatalanjona mikasika ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny?

Vakio ny 3 Nefia 21:10–11, ary saintsaino ny maha-sahaza an’ny Mpaminany Joseph Smith an’io famaritana io.

  1. Nahoana no zava-dehibe indrindra ny mino ny tenin’ny Tompo izay navoakany tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith?

Vakio ny 3 Nefia 21:22. Raha mibebaka ny olona ary tsy manamafy ny fony dia horaisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely.

  1. Nahoana araka ny hevitrao no ilan’ny olona iray ny fibebahana mba hanangonana azy ho ao amin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra?

Vakio ny 3 Nefia 22:7–10, ary tadiavo ireo fampanantenana nataon’ny Mpamonjy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanany izay miverina any Aminy rehefa avy nanadino ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo Taminy.

  1. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahatakatra fa maneho hatsaram-panahy sy famindram-po tsy manam-pahataperana ny Tompo amin’ireo izay nihodina Taminy?

Mieritrereta olona iray izay azonao hizarana ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy, ny Bokin’i Môrmôna, ny Famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny, ary ny iraka nampanaovina an’i Joseph Smith Mpaminany dia ny hanampy io olona io handray ireo fitahiana entin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Saintsaino ihany koa ny fomba ahafahanao mamporisika ny hafa hanatona ny Tompo, anisan’izany ireo izay nahatoky tao amin’ny filazantsara teo aloha, saingy tsy toy izany intsony amin’izao fotoana izao. Raha misy olona eritreretinao manokana dia mametraha tanjona mba hanao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy izay azonao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 20–22 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: