Seminera
Fizarana 7: Andro 4, 2 Nefia 25


Fizarana 7: Andro 4

2 Nefia 25

Fampidirana

Rehefa avy nirakitra an-tsoratra ireo faminanian’i Isaia (2 Nefia 12–24) ny mpaminany Nefia dia nanantitrantitra ny maha zava-dehibe an’ireo faminaniana ireo ary nanazava fa ireo izay manana ny fanahin’ny faminaniana dia afaka mahatakatra sy mankafy ny tenin’i Isaia (2 Nefia 25). Nanazava izy fa ny tanjon’ny asa sorany dia ny “handresy lahatra ny zanatsika ary koa ny rahalahintsika mba hinoany an’i Kristy sy hihavanany amin’Andriamanitra” (2 Nefia 25:23). Nanasa ny rehetra izy mba hino an’i Jesoa Kristy ary mba “hitsaoka Azy amin’ny hery, ny saina, ny tanjaka, ary ny fanahinareo rehetra” (2 Nefia 25:29).

2 Nefia 25:1–8

Nampianatra i Nefia fa afaka mahatakatra ny tenin’i Isaia isika rehefa manana ny fanahin’ny faminaniana

Sary
hidin-javatra sy fanalahidy

Matetika ny olona no mampiasa hidin-javatra mba hiarovana fananana sarobidy. Mety hazonin’izy ireo ilay hany fanalahidy manokatra ilay hidin-javatra na mety omeny fanalahidy iray mitovy amin’io fahalahidy io ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana izay hatokisana. Fantatr’i Nefia fa “manan-danja lehibe” ireo faminanian’i Isaia (2 Nefia 25:8), ary tiany mba ho takatry ny olona rehetra izy ireo. Nomeny fanalahidy izay te hamantatra ny dikan’ny tenin’i Isaia.

Vakio ilay fehezanteny voalohany ao amin’ny 2 Nefia 25:4, ary tadiavo ny fanalahidy hahatakarana ny tenin’i Isaia. Inona no dikan’ny hoe manana ny “fanahin’ny faminaniana”? Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fanahin’ny faminaniana manampy anao hahatakatra bebe kokoa ny soratra masina ary indrindra indrindra ny tenin’i Isaia?

Ny fanahin’ny faminaniana dia ilazana ny fanahin’ny fanambarana. Midika izany fa rehefa mandalina amim-pahavitrihana sy ombam-bavaka ny soratra masina ianao ary mikatsaka ny hanakatra ny dikany dia afaka manana ny fanahin’ny fanambarana ka hohazavain’ny Fanahy Masina ny sainao sy ny fahatakaranao. Mampianatra koa ny soratra masina fa “ny filazana an’i Jesosy no fanahin’ny faminaniana” (Apokalypsy 19:10). Rehefa mitombo ny fahalalanao sy ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy dia hitombo ny fahatakaranao ny soratra masina—tafiditra ao anatin’izany ireo fampianaran’i Isaia—ary ho takatrao tsara kokoa ny ifandraisan’izany aminao.

Nizara hevitra hafa i Nefia izay afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny tenin’i Isaia. Diniho ireto soratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo fanalahidy telo fanampiny hahatakarana ny tenin’i Isaia:

Tsarovy fa ny tandindona sy ny fiteny miendrika tononkalo dia nampiasaina matetika tao anatin’ireo faminaniana teo amin’ny Jiosy fahiny (jereo ny 2 Nefia 25:1). Ny fandalinanao ny kolontsaina sy ny tantara ary ny jeografian’i Isiraely fahiny koa dia hanampy anao hahatakatra ireo tenin’i Isaia (jereo ny 2 Nefia 25:5–6). Ny fiainana amin’ny andro farany sy ny fahitana ny fahatanterahan’ireo faminaniana maro dia manampy antsika hahatakatra ny tenin’i Isaia (jereo ny 2 Nefia 25:7–8).

2 Nefia 25:9–19

Naminany momba ny Jiosy i Nefia

Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 25:9–19, dia naminany mikasika ny Jiosy sy ny tanindrazany tao Jerosalema ary ireo faritra manodidina i Nefia. Nilaza izy fa ireo Jiosy izay nobaboina tany Babylona taorian’ny fandravana an’i Jerosalema dia hiverina any amin’ny “tany lovany” (jereo ny 2 Nefia 25:9–11). Hiaina eo anivon’izy ireo i Jesoa Kristy ilay Mesia, saingy maro no handa Azy ary hanombo Azy (jereo ny 2 Nefia 25:12–13). Aorian’ny fahafatesan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany amin’ny maty dia ho rava indray i Jerosalema ary haely patrana sy hampijalian’ireo firenena hafa ny Jiosy (jereo ny 2 Nefia 25:14–15). Hino an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ihany izy ireo amin’ny farany ary hampodiany amin’ny laoniny izy ireo ho afaka amin’ny “toetry ny fahaverezana sy ny fahalavoana” (jereo ny 2 Nefia 25:16–19).

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

2 Nefia 25:20–30

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Nefia

Eritrereto ny fomba ahafahanao mamaly olona iray izay manizingizina fa tsy mino an’i Jesoa Kristy ny Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa mandalina ny ambin’ny 2 Nefia 25 ianao dia tadiavo ireo andinin-tsoratra masina izay azo zaraina ao anatin’ny toe-javatra toy izany.

Vakio haingana ny 2 Nefia 25:20–30, ary asio marika ny anarana hoe “Kristy” isaky ny miseho izany.

  1. Vakio ny 2 Nefia 25:28–29, ary tadiavo ny zavatra izay nolazain’i Nefia fa “lala-mahitsy.” Tadiavo ao anatin’ny 2 Nefia 25: 23–26 ny antony “maha-lala-mahitsy” ny finoana an’i Jesoa Kristy. (Marihina fa ny 2 Nefia 25:23, 26 dia soratra masina fehezina. Azonao asiana marika amin’ny fomba miavaka izany mba hahafahanao mahita azy any aoriana.) Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

Ilay teny hoe hihavanany ao amin’ny 2 Nefia 25:23 dia midika hoe mifanara-tsaina amin’Andriamanitra. Ny “fahasoavan’ny” Tompo izany amin’ny farany no fomba entina hihavanana amin’Andriamanitra. Vakio ity fanazavana manaraka mikasika ny fahasoavan’ny Tompo ity:

Ny teny hoe: fahasoavana, araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, dia ilazana voalohany indrindra ny fanampiana sy ny tanjaka avy any an-danitra izay azontsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Tompo. …

“… Hitsangana amin’ny maty sy handray ny tsy fahafatesana ny olona rehetra amin’ny alalan’ny fahasoavana, izay nomena tamin’ny alalan’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy [Saingy raha te hahazo ilay fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra isika dia tsy maintsy voadio amin’ny fahotana amin’ny alalan’ny fahasoavany.]

“Ilay andian-teny hoe ‘rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao’[2 Nefia 25:23] dia mampianatra fa ilaina ny ezaka avy amintsika mba handraisana ny fahafenoan’ny fahasoavan’ny Tompo ary mba hahamendrika ny hitoetra hiaraka Aminy. Nandidy antsika mba hankatò ny filazantsarany ny Tompo ka tafiditra ao anatin’izany ny fananana finoana Azy, ny fibebahana amin’ny fahotantsika, ny fanaovana batisa, ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny faharetana hatramin’ny farany. …

“Ankoatra ny filana ny fahasoavana ho an’ny famonjena anao farany, dia mila izany hery manampy izany koa ianao isan’andro eo amin’ny fiainanao. Rehefa manakaiky ny Rainao any An-danitra ianao amin’ny alalan’ny fahazotoana sy fanetren-tena ary halemem-panahy, dia hampisondrotra anao ara-panahy sy hampahery anao amin’ny alalan’ny fahasoavany Izy” (True to the Faith: A Gospel Reference [2004], 77–78).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no ifandraisan’ny fahasoavan’ny Tompo sy ny ezaka ataontsika mba hiaina ny filazantsara?

    2. Midika inona aminao ny hoe voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana?

    3. Inona araka ny hevitrao no dikan’ilay andian-teny hoe “rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao”?

Diniho ity fahamarinana manaraka ity: Noho i Jesoa Kristy dia afaka ny ho voavonjy amin’ny alalan’ny fahasoavana isika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao. Eritrereto ny fotoana iray izay nanaovanao ny zavatra rehetra azonao natao ka dia nahazo ilay fanampiana sy hery masina ianao.

Ity misy fahamarinana iray hafa izay nampianarin’i Nefia (jereo ny 2 Nefia 25:26): Afaka mahazo ny famelana ny fahotantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamponjy.

Manorata taratasy ho an’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana mikasika ny finoanao an’i Jesoa Kristy na zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mandritra ny fivoriana fijoroana ho vavolombelona na mandritra ny toe-javatra miseho iray hafa.

  1. Vakio indray ny 2 Nefia 25:26 ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hitsaohanao na hanehoanao fanajana an’i Jesoa Kristy? Inona avy ireo asa atao izay mampiseho fa mino sy mitsaoka an’i Jesoa Kristy ianao?

    2. Inona no azonao atao mba hitsaohana amin’ny fomba tsaratsara kokoa ny Mpamonjy amin’ny herinao sy ny sainao ary ny tanjakao rehetra?

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 25:23, 26

Ampiasao ity lamina iray ity mba hanampy anao hitadidy ny 2 Nefia 25:26:

“Ary miresaka an’i Kristy isika,

mifaly amin’i Kristy,

mitory an’i Kristy,

maminany ny amin’i Kristy,

ary manoratra araka ny faminaniantsika

mba hahafantaran’ny zanatsika

ny loharano azony andrandraina

ho famelana ny fahotany.”

Rehefa avy namerimberina kely ilay andinin-tsoratra masina ianao dia takony amin’ny tananao ny andalana voalohany indrindra dia avereno lazaina izany. Dia takony indray ny andalana iray hafa ary tohizo izany mandra-pahatsapanao fa hainao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina.

Sary
zatovovavy mijoro ho vavolombelona
  1. Avereno tanisaina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana ny 2 Nefia 25:26 ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina fa hainao tsianjery izany.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 25 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: