Seminera
Fizarana 8: Andro 2, 2 Nefia 28


Fizarana 8: Andro 2

2 Nefia 28

Fampidirana

Naminany ireo toe-javatra sarotra sasantsasany hiseho amin’ny andro farany i Nefia ka tafiditra tao anatin’izany ireo fampianarana diso sy ny fiavonavonan’ireo fiangonana diso izay hiorina. Nampianariny ny fomba hamantarana ireo fotopampianarana diso sy ireo toetran’izao tontolo izao ary nasehony ireo zavatra hifoforan’i Satana mafy mba handrebirebena ny lehilahy sy ny vehivavy tsy hanana fiainana feno fahamarinana.

2 Nefia 28:1–19

Niresaka mikasika ireo fiangonana diso sy hevitra diso ao anatin’ny androntsika i Nefia

Ny ankamaroan’ireo toerana rehetra dia ahitana takelaka mpanoro lalana izay mampitandrina ny mpandeha rehefa misy loza manambana eo amin’ilay lalana. Manao ahoana ny halehibe sy ny lokon’ny takelaka mpanoro lalana any amin’ny firenena sy tanàna ipetrahanao, izay mampitandrina ny mpamily fa misy loza manambana ao aloha ao? Mitovy amin’izany koa ny poizina sy zavatra mampidi-doza hafa izay matetika fantatra amin’ny alalan’ny fisian’ny mari-pamantarana sy fampitandremana eo amin’ilay fonosan’entana na fitoeran-javatra. Ahoana no fomba fanasiana marika izany any amin’ny toerana ipetrahanao?

Toy ireo fitaovana ahitana marika fampitandremana ireo, ny Bokin’i Môrmôna koa dia ahitana fampitandremana izay manampy anao hisoroka ireo zavatra misarika izay manimba ny fanahinao. Nampiseho ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna mampitandrina anao sy manome hery anao hanoherana ny tetika ratsin’i Satana ny Filoha Ezra Taft Benson: “Ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho ireo fahavalon’i Kristy. Manaporofo ny mahadiso ireo fotopampianarana sandoka ary mampitsahatra ny fifandirana izany (Jereo ny 2 Ne. 3:12). Manome hery ireo mpanara-dia be fanetren-tena an’i Kristy izany mba hanoherana ireo tetika sy lamina ratsy ary ireo fotopampianaran’ny devoly amin’izao androntsika izao. Ny karazan’olona nihemotra hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mitovy amin’ireo karazany hitantsika amin’izao fotoana izao. Noho izany dia novolavolain’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fahalalany tsy manam-petra momba ny hoavy ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahantsika mahita izay diso sy mahafantatra ny fomba hiadiana amin’ny hevi-diso ara-pampianarana, ara-pôlitika, ara-pinoana ary ara-pilôzôfia amin’izao androntsika izao” (“The Book of Mormon Is the Word of God,” Ensign, jan. 1988, 3).

Ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho ireo hevi-dison’ny devoly ary manome hery antsika hanoherana ny teti-dratsiny. Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 28, dia nantitranterin’i Nefia ny sasany tamin’ireo fampianaran-dison’ny devoly izay hita foana tao anatin’ny taranaka nifandimby rehetra. Halalino ny 2 Nefia 28:3–9, ary asio marika ireo fampianaran-dison’i Satana izay nianaranao tao anatin’izany. (Marihina fa ny 2 Nefia 28:7–9 dia soratra masina fehezina. Azonao asiana marika amin’ny fomba miavaka izany mba hahafahanao mahita azy any aoriana.)

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireo fampianarana diso avy ao amin’ny 2 Nefia 28:3–9 izay eritreretinao fa tena manimba ny zatovo amin’izao fotoana izao ary hazavao ny anton’izany. Ampidiro ao koa ny ohatra iray ahitana ny fomba mahatonga ny tanora ho lasa voasariky ny fampianarana diso.

Vakio ny 2 Nefia 28:12–14, ary tadiavo ny zavatra nampitandreman’i Nefia fa hitranga amin’ireo fiangonana sy ny olona maro na dia ny sasany amin’ireo “mpanara-dia an’i Kristy sady manetry tena” (andininy 14) aza. Ireo zavatra ireo dia vokatry ny fiavonavonana sy ny fotopampianarana diso izay hitanao ao amin’ny 2 Nefia 28:3–9. Vakio ny 2 Nefia 28:15–16, 19, ary tadiavo ny sasany amin’ireo voka-dratsy ateraky ny fampianarana diso. Azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny ao amin’ny 2 Nefia 28:19 izay manazava ny zavatra hataon’ny devoly amin’ireo izay tsy mibebaka.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 28:7–9

  1. Vakio mafy ny 2 Nefia 28:7–9. Manokana fotoana hianarana tsianjery ny 2 Nefia 28:8. Azonao soratana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina araka ny fitadidianao azy izany na azonao tanisaina amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na ny namanao. Any amin’ny andro farany dia hisy maro no hampianatra araka izay fomban’ny fotopampianarana diso sy tsy ilaina, ary tsy misy heviny. Mitanisa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina fomba vitsivitsy izay hanindrahindrana ireo fotopampianarana tsy misy heviny ary hazavao fohifohy ny fomba ahafahanao mamantatra ireo fotopampianarana tsy misy heviny eto amin’izao tontolo izao sy ny fomba hisorohana izany.

2 Nefia 28:20–32

Nampitandrina mikasika ny fitaka ataon’i Satana i Nefia

Ho fiomanana amin’ny fandalinanao ny ambin’ny 2 Nefia 28, dia vakio ity zavatra manaraka niainan’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity rehefa nandeha nitsidika valan-javaboary iray izy nandritra ny fanatanterahany andraikitra tany Afrika:

“Nijanona teo amin’ny lava-drano iray izahay mba hijery ireo biby tonga misotro rano. Tena maina ny andro tamin’izany ka tsy nisy rano firy fa faritra feno fotaka fotsiny no tena nisy. …

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny antilope no tena kirikirina indrindra. Atonin’izy ireo ilay lavaka feno fotaka dia mihodina fotsiny izy ireo ary lasa mirifatra amin-tahotra lehibe. Hitako hoe tsy nisy liona teo ka dia nanontaniako an’ilay olona mpanoro lalana ny antony tsy nisotroan’izy ireo rano. Ny valiny nomeny ary anisan’ny zavatra manan-danja ao anatin’ny lesona izany dia hoe ‘Voay.’

“Fantatro fa mety hoe nihanihany izy saingy nanontaniako tsara izy hoe: ‘Fa inona no olana?’ Dia toy ilay teo ihany ny valiny: ‘voay.’

“‘Tsy mitombina izany,’ hoy aho. ‘Tsy misy voay izany eto. Tokony ho hitan’ny rehetra eto izany raha misy.’ …

“Hitany fa tsy nino azy aho ka dia nivonona izy hampianatra lesona ahy. Nandeha nitondra fiara tany amin’ny toerana iray hafa izahay ka teny amin’ny fefiloha teo ambonin’ilay lavaka misy fotaka no nisy anay ary afaka nijery ny teny ambany izahay. ‘Ireo,’ hoy izy. ‘Jereonao.’

“Tsy nahita na inona na inona afa-tsy fotaka aho ary rano kely sy ireo biby kirikirina tery alavitra tery. Dia iny fa hitako tampoka teo ilay izy!—voay lehibe nitoetra tao anaty fotaka niandry biby tsy miahiahy izay mangetaheta mafy ka manatona mba hisotro rano.

“Lasa nino tampoka teo aho! Rehefa hitany fa vonona ny hihaino aho dia notohizany ilay tantara. ‘Misy voay manerana ity vala rehetra ity,’ hoy izy, ‘fa tsy ao anaty renirano fotsiny akory. Tsy misy rano eto aminay ka hoe tsy ahitana voay eo akaiky eo ary mila manaiky izany ianao.’ …

“Nandritra ny dia iray hafa tany Afrika dia nitantara izany zava-niseho izany tamin’ny mpiambina ala tany amin’ny valan-javaboary iray hafa aho. …

“Nampiseho toerana iray tamiko izy avy eo, izay nisehoan’ny loza iray. Nisy tovolahy iray avy any Angletera niasa tao amin’ilay toerana fandraisam-bahiny nandritra ny fe-potoana iray. Na dia efa nampitandremana tsy tapaka aza izy dia nandeha nisitrika teny anelanelan’ny fefy mba hijery zavatra iray teny am-pitan’ny rano niangona iray izay tsy nandifotra ilay kiraro tennis nanaovany.

“‘Tsy mbola nahatafiditra ny tongony tao anaty rano akory izy,’ hoy ilay mpiandry ala, ‘dia lasan’ny voay iray, ary tsy nisy azonay natao mba hamonjena azy’” (“Spiritual Crocodiles,” Ensign, mey 1976, 30–31).

Inona no loza ateraky ny tsy finoana ny fisian’ny voay rehefa tsy afaka mahita azy ireo ianao? Inona no mampitovy ny zavatra niainan’ny Filoha Packer sy ilay zatovolahy amin’ny zavatra nolazain’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 28:22?

Nanazava ny Filoha Packer hoe:

“Ireo olon-dehibe izay efa niaina toe-javatra maro teo amin’ny fiainana dia mampitandrina anao amin’ireo loza manambana. Tsy hoe ny voay fotsiny ihany no afaka mandrapaka anao fa eo koa ireo voay ara-panahy, izay mampidi-doza kokoa foana sy mamitaka bebe kokoa ary zara raha hita raha mitaha amin’ireo biby mandady any Afrika izay tena voafina tsara aza.

“Afaka mamono na mamotika ny fanahinao ireo voay ara-panahy ireo. Afaka manimba ny filaminan-tsainao izy ireo ary ny filaminan-tsain’ireo olona akaikin’ny fonao. Ireo olona ireo no tokony hampitandremana ary saika feno an’ireo voay ara-panahy ireo manerana an’izao tontolo izao (“Spiritual Crocodiles,” 31).

Valio eto amin’ity faritra manaraka ity izao fanontaniana manaraka izao: Inona no mampitovy ny voay any Afrika amin’ireo fakam-panahy sy tetik’i Satana?

Vakio ny 2 Nefia 28:20–21, 24–26, ary tadiavo ny fomba entin’i Satana mamotika antsika. (Mety manampy ny mahafantatra fa ny teny hoe hampitoniany ao amin’ny 2 Nefia 28:21 dia midika hoe halefahany, rotsirotsiany na hampatoriany ara-panahy.) Araka ireo andininy ireo dia inona ireo fomba ampiasain’i Satana mba hiezahana hampitoniana antsika sy hitarihana antsika ao anatin’ny heriny? .

Ny fitsipika lehibe ampianarina ao anatin’ireo andinin-tsoratra masina ireo dia ny hoe: Mampiasa tetika maro i Satana mba hamehezana antsika toy ny famporisihana antsika mba ho tezitra, fampitoniana sy fandrotsirotsiana antsika ary fandokafana antsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na mihoatra izany:

    1. Ahoana no fomba ampiasan’i Satana ny fahatezerana mba hamitahana sy hanimbana ny olona tsirairay sy ny fianakaviana ary ny fiaraha-monina?

    2. Zavatra tsara manao ahoana no nambosian’i Satana ny olona tsirairay mba hahatezitra azy ireo?

    3. Manomeza ohatra roa farafahakeliny izay mampiseho ny nahatonga olona sasany lasa tony sy jamba teo anatrehan’ireo loza anambanan’i Satana.

Sary
Eveka Richard C. Edgley

Vakio ity fanazavana manaraka ity izay nomen’ny Eveka Richard C. Edgley, mpanolotsaina iray tao amin’ny Episkôpà Mpiahy mikasika ny dingana miandalana ampiasain’i Satana mba hamandrihana antsika: “Tsy afaka miteny isika hoe hanota kely fotsiny ao anatin’ny fahatanorantsika na hanandrana hitsapatsapa kely ny moron’ny fahotana fotsiny. Tsy misy moron’ny fahotana izany. Ny zavatra atao rehetra na tsara na ratsy dia misy vokany daholo. Ny zavatra tsara rehetra atao dia mampivoatra ny fahafahantsika manao ny tsara sy mijoro mafy kokoa amin’ny fanoherana ny fahotana sy ny fiatrehana ny tsy fahombiazana. Ny fandikana lalàna rehetra na kely izany na lehibe dia mahatonga antsika ho lasa ho mora voatarik’i Satana rehefa maka fanahy antsika indray izy amin’ny manaraka. Mandeha tsimoramora i Satana ao anatin’ilay famitahany antsika amin’ireo vokatry ny fahotana heverin’ny sasany hoe kely mandra-pahazoany antsika ao anatin’ireo fandikan-dalàna tena lehibe. Io fomba io dia nofaritan’i Nefia ho toy ilay hoe mampitony sy mandrotsirotsy ary mandoka ‘mandra-pisamboran’i Satana antsika amin’ilay gadrany mahatsiravina izay tsy misy fanafahana’ (2 Ne. 28:22; jereo koa ny and. 21)” (“That Thy Confidence Wax Strong,” Ensign, nôv. 1994, 40).

I Satana dia mampiasa ireo tetika misoko mangina ireo mba handresena lahatra antsika hieritreritra sy hilaza ary hanao zavatra tsy mety. Vakio ny 2 Nefia 28:27–29, ary mitadiava fampitandremana fanampiny ao anatin’izany.

Nanome fampitandremana sy fitahiana iray hafa ny Tompo izay hita any amin’ny faramparan’ity toko ity. Vakio ny 2 Nefia 28:30–32, ary saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana no antsoin’Andriamanitra hoe sambatra ny olona sasany?Ahoana no fomba hanampian’ny fanarahana ny torohevitr’Andriamanitra antsika mba handresy ny tetik’i Satana?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ity lesona ity izay hanampy anao handresy ny tetik’i Satana. Aiza avy ireo toerana na inona avy ireo zavatra atao na toetra sasantsasany izay ho halavirinao mba tsy hahatonga anao ho tratran’ny fisarihan’i Satana?

  2. Eritrereto ilay resaka mikasika ireo takelaka mpanoro lalana tany am-piandohan’ity lesona ity. Manaova sarina takelaka mpanoro lalana iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mampiseho loza ara-panahy iray izay eritreretinao fa tokony hampitandremana ny tanora amin’izao fotoana izao. Miomana mba hizara izany amin’ny mpampianatra anao sy ireo mpianatra ao am-pianarana.

  3. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 28 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: