Seminera
Fizarana 21: Andro 1, Almà 45–49


Fizarana 21: Andro 1

Almà 45–49

Fampidirana

Taorian’ny nanomezan’i Almà ireo torolalany farany ho an’ny Helamàna zanany dia nandao ny vahoakan’i Nefia izy ary tsy heno intsony ny momba azy. Lasa mpitarika ara-panahy sy mpitarika ny tafika an’ny Nefita i Helamàna sy ny Kapiteny Môrônia nandritra ireo fotoan-tsarotra taorian’izay. Nanohy tamim-pitiavan-tena ny fanirian-dratsiny i Amalakia, ilay mpitarika Lamanita, izay nampiasa tetik’ady nitovy tamin’ny an’ny devoly. Nanomana ny vahoakany ho mahatoky tamin’Andriamanitra nandritra ireny fotoana tena nampidi-doza ireny ny Kapiteny Môrônia.

Almà 45

Mino ny tenin’ i Almà rainy i Helamàna ary manomboka ny asa fanompoany

Tadidio ny dinidinika nataonao niaraka tamin’ny ray aman-dreny na mpitarika iray ao amin’ny fisoronana. Eritrereto ireo karazana fanontaniana napetraka taminao. Nametraka fanontaniana telo lehibe tamin’i Helamàna i Almà talohan’ny nandaozany ilay tanàna. Vakio ny Almà 45:2–7, ary fantaro sy asio marika ireo fanontaniana ireo. (Ireo “teny” nolazain’i Almà ao amin’ny andininy 2 dia azo jerena ao amin’ny Almà 37:1.) Eritrereto ny fomba mety hamalianao ireo fanontanian’i Almà manao hoe: Mino ny soratra masina ve ianao? Mino an’i Jesoa Kristy ve ianao? Hitandrina ny didy ve ianao?

Sary
lehilahy sy zatovolahy

Niresaka taminy momba ny hoavin’ny Nefita i Almà taorian’ny nanambarany ny fijoroany ho vavolombelona. Naminany momba ny faharavany sy ny faharavan’ny olona hafa izay ho masaka ao amin’ny fahotana eto amin’ity tany nofinidy ity izy. Vakio ny Almà 45:16, ary saintsaino ity fahamarinana manaraka ato amin’ity andininy ity: Tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra ny Tompo.

Mba hanampiana anao hahatakatra ity fitsipika ity dia tadidio fa tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy no nanefany ny fahotantsika rehetra raha toa isika ka mibebaka sy mikatsaka ny famelan-kelony. Tsy afaka manaiky ny fahotana Andriamanitra na dia ny faran’izay bitika aza. Tsy voatery hijaly noho ny fahotantsika anefa isika raha toa ka mibebaka satria nanana fahavononana ny hijaly ho antsika ny Mpamonjy.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:31–33. Azonao atao ny manoratra ireo andininy ireo ho toy ny soratra masina mifandray eo akaikin’ny Almà 45:16.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fahatsapana anananao mikasika ny Mpamonjy rehefa mieritreritra momba ny fahavononany hanefa ny fahotantsika ianao?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 45:20–24 dia nanomboka ny asa fanompoany tamin’ny naha-mpaminany sy mpitarika ny Fiangonana azy i Helamàna. Nanendry mpisorona sy mpampianatra nanerana ireo fiangonana izy sy ireo mpitarika ny Fiangonana hafa, kanefa nandà ny hihaino ireo mpitarika azy ireo ny vahoaka noho ny fifandirana sy ny fiavonavonana tsy nitsaha-mitombo teo amin’izy ireo.

Almà 46

Manangona ireo olo-marina mba hiaro ny zon’izy ireo sy ny fivavahany ny Kapiteny Môrônia

Sary
Mandrosoa

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 46:1–7 dia nisafidy ny handao ny Fiangonana sy hanaraka lehilahy ratsy fanahy iray izay nantsoina hoe Amalikià, izay te ho mpanjaka ny olona sasany izay tezitra tamin’i Helamàna sy ireo rahalahiny. Vakio ny Almà 46:8–10, ary tadiavo ireo lesona tian’i Môrmôna ianarantsika avy amin’ity toe-java-nisy nampidi-doza ity.

Mba hanampiana ny fiarovana ny fahafahan’ny vahoaka dia nandrovitra ny kapaotiny i Môrônia, ilay kapiteny lehiben’ny miaramila Nefita ary naka vorotra tamin’izany izy hanamboarana ny “fanevan’ny fahafahana” hanangonana ny vahoaka hiarovana ny fahafahana.

Vakio ny Almà 46:12–13, ary asio marika ny zavatra nosoratan’i Môrônia teo amin’ilay fanevan’ny fahafahana. Fantaro ny fomba niomanany hanolorana ny fanevan’ny fahafahana tamin’ny vahoaka. Saintsaino ny zavatra ampianarin’ireto andininy ireto momba ny toetran’i Môrônia. Vakio ihany koa ny Almà 48:11–13, 17–18 hahazoana hevi-baovao bebe kokoa momba ny toetran’ny Kapiteny Môrônia. Azonao atao ny manisy marika ireo toetran’i Môrônia izay tianao ampitomboina bebe kokoa eo amin’ny fiainanao manokana.

  1. Manorata toetran’i Môrônia iray na maromaro avy ao amin’ny Almà 46:12–13 sy Almà 48:11–13, 17–18 ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Hazavao ny antony tianao hananana ireo toetra ireo sy ny fomba hiezahanao mafy ampitomboana izany.

Vakio ny Almà 46:18–22, ary tadiavo ny fomba namalian’ny vahoaka ny fanasan’i Môrônia hiady ho an’ny fahafahana. Fampanantenana manokana nataon’ity andiana Nefita ity tamin’Andriamanitra ilay fanekempihavanana voafaritra ao amin’ny andininy 20.

Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 46:20, nahoana no tian’i Môrônia hanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra ny Nefita mba hiarovan’izy ireo ny zony sy ny fivavahany?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 46:28–37 dia azon’ireo Nefita izay nikambana tamin’ny Kapiteny Môrônia ho babo ny miaramilan’i Amalikià. Nandositra anefa i Amalikià sy ireo olona vitsy hafa ka nikambana tamin’ny Lamanita. Maro tamin’ireo mpanara-dia an’i Amalikià izay babo no nanao fanekempihavanana mba hanohana ny fahafahana. Novonoina ho faty ireo izay tsy nety nanao izany. Afaka mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ny zavatra niainan’ny Nefita: Hampatanjaka sy hitahy antsika Andriamanitra rehefa mahery fo amin’ny fitandremana ny didy isika tahaka izay nataon’ny Kapiteny Môrônia.

Taorian’ny ady dia nasain’ny Kapiteny Môrônia hatsangana teny amin’ny tilikambon’ny Nefita tsirairay ilay fanevan’ny fahafahana mba ho “faneva” na fampahatsiahivana ny zavatra nanaovan’izy ireo fanekempihavanana fa hiadiana sy harovana (jereo ny Almà 46:36).

Niteny izao ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny kiboky Jeunes, Soyez Forts hoe: “Ry zatovolahy sy zatovovavy malala, manana fahatokiana lehibe aminareo izahay. Zanakalahy sy zanakavavy malalan’Andriamanitra ianareo ary mieritreritra anareo Izy. Tonga teto amin’ity tany ity tamin’ny fotoanan’ireo fahafahana sy fanamby goavana ianareo. Hanampy anareo amin’ireo safidy lehibe ataonareo ankehitriny sy mbola hataonareo amin’ny hoavy ireo fenitra ato anatin’ity kiboky ity. Mampanantena izahay fa hotahiana amin’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana ianareo raha mitandrina ireo fanekempihavanana izay nataonareo sy ireto fenitra ireto, hatanjaka bebe kokoa ny finoana sy ny fijoroanareo ho vavolombelona ary hankafy ny fahasambarana izay mitombo hatrany ianareo” ([2011], ii).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny hafatry ny Fiadidiana Voalohany ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fampanantenana natao taminao raha toa ka mitandrina ireo fanekempihavanan’ny filazantsara izay nataonao sy ireo fenitra ao amin’ny kiboky Jeunes Soyez Forts?

    2. Jereo ny takelaka fanoroam-pejy ao amin’ny kiboky Jeunes Soyez Forts, ary misafidiana iray amin’ireo fenitra ao amin’ny kiboky. Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny fitandremana io fenitra io, na amin’ny fomba ahoana no mety hitahian’izany ny fiainanao amin’ny hoavy?

Almà 47

Lasa mpanjakan’ny Lamanita tamin’ny alalan’ny famadihana sy famitahana i Amalikià

Inona no hataonao raha toa ka any amin’ny ady ianao ary misy olona iray manolotra boky anao, izay manambara ny drafitry ny fahavalo handringanana anao sy ny fianakavianao? Afaka manome hevi-baovao mikasika ireo drafitry ny fahavalo, ilay devoly ny Almà 47.

Mirakitra ireo famitahana maro izay nampiasain’i Amalikià ahatongavana ho mpanjakan’ny Lamanita ny Almà 47 mba hahafahany mitarika ny Lamanita hiady tamin’ny Nefita. Ny hitondra ny Nefita rehetra ho babo ary izy ho mpanjakan’izy ireo no tanjony farany ambony.

Nandeha tany amin’ny tanin’i Nefia, izay nitoeran’ny Lamanita aloha i Amalikià sy ny mpanara-dia azy. Naniry ny handeha hiady tamin’ny Nefita ilay mpanjakan’ny Lamanita, kanefa maro tamin’ny vahoakany no natahotra. Noho izany dia nangataka an’i Amalikià hanery ireo Lamanita saro-tahotra handeha hiady ny mpanjaka. Nandeha tany amin’ilay havoana hialofana izay nitsoahan’ireto vahoaka ireto i Amalikià, kanefa tsy te hanampy ny mpanjaka izy. Te ho lasa mpitarika ireo Lamanita saro-tahotra tamin’ny alalan’ny famitahana an’i Lehôntia, ilay mpitarika azy ireo izy, mba hidina ilay tendrombohitra niafenany. Hikatsaka ny hamono an’i Lehôntia tamin’ny poizina i Amalikià rehefa tafidiny izy.

Halalino ny Almà 47:10–12. Impiry i Amalikià no naka fanahy an’i Lehôntia mba handao ny toerana niaro azy tamin’ny loza? Vakio ihany koa ny Almà 47:17–19. Tamin’ny fomba ahoana no namonoan’i Amalikià an’i Lehôntia taorian’ny nidinany ilay havoana?

Sary
Loholona Robert D. Hales

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa mety hanandrana hanimba ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny alalan’ny fakana fanahy antsika handao ireo toeram-piarovana ara-panahy antsika sy hankany amin’ny faritry ny devoly ny olona amin’izao fotoana izao manao hoe: “Mamaky momba an’i Lehôntia sy ny lehilahiny izay nilasy teo ambony havoana isika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Namporisika mafy an’i Lehôntia ‘hidina’ sy hihaona taminy tao amin’ny lohasaha ilay Amalikià mpamadika. Rehefa nandao ny toerana avo anefa i Lehôntia dia voapoizina “tsikelikely” izy mandra-pahafatiny, ary nianjera teo am-pelatanan’i Amalikià ny miaramilany (jereo ny Almà 47). Manentana antsika hiala amin’ny toerana avo amin’ny alalan’ny hevitra fandresen-dahatra sy fanamelohana ny olona sasany. Any amin’izay misy ny hazavana ny toerana avo. … Izany no toerana azo antoka. Tena misy izany ary ao no misy ny fahalalana” (“Christian Courage: The Price of Discipleship,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 74).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fomba vitsivitsy izay hikatsahan’i Satana “hampidinana antsika”avy amin’ireo toerana avo ara-panahy?

    2. Mieritreritra ve ianao fa miezaka ny mitaona ny tanora hampihen-danja ny fenitra arahin’izy ireo “tsikelikely” i Satana? Inona no ohatra iray izay maneho ny fomba iezahany hanaovana izany?

    3. Inona no zavatra manokana azonao atao hijanonana amin’ny toerana avo ara-panahy? Inona ny fenitry ny filazantsara izay ilainao hifantohana mba tsy hampihenanao “tsikelikely”ny lanjan’izany fenitra izany?

Tahaka ny nataony tamin’i Amalikià dia Mikatsaka ny handringana antsika sy hitaona antsika tsikelikely mba hampihen-danja ny fenitra arahintsika i Satana.

Almà 48–49

Mitaona ny Nefita hampatanjaka ny tenan’izy ireo ara-batana sy ara-panahy ny Kapiteny Môrônia

Raha mbola niezaka ny hahazo fahefana tamin’ny alalan’ny “famitahana sy fanambakana” tamin’ny Lamanita sy ny Nefita i Amalikià (Almà 48:7) dia niasa tamin’ny fomba hafa i Môrônia. Vakio ny Almà 48:7–10, ary tadiavo ny zavatra nataon’i Môrônia rehefa fantany fa hitarika ny miaramila Lamanita tsy ho ela hiady amin’ny Nefita i Amalikià. Azonao atao ny manisy marika ireto hevitra ireto: (1) Nanomana ny vahoaka ho mahatoky tamin’Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra izy (jereo ny andininy 7). (2) Nanampy ny vahoaka hampatanjaka ireo sehatra naha osa azy ireo izy (jereo ny andininy 8–9). (3) Nanomana ny vahoaka hanohana sy hiaro ireo “foto-kevitry ny Kristiana,” na ny Fiangonana izy (jereo ny andininy 10).

Manome torohevitra antsika ahafahana manampy antsika hiomana amin’ny fotoan-tsarotra, tahaka ny nanampian’i Môrônia ny vahoakany tamin’ny fotoan-tsarotra sy hiaritra izany ireo mpitarika ny Fiangonana amin’izao androntsika izao. Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 48:7–10 ity fahamarinana manaraka ity: Ho voaomana amin’ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana isika rehefa manaraka ny torohevitry ny mpanompon’ny Tompo.

Nanao drafitra ny hanafika ny tanànan’i Amônihà ny Lamanita tamin’ny voalohany ary avy eo dia ny tanànan’i Nôà, izay tanana tsy dia nanana fiarovana natanjaka. Vakio ny Almà 49:4–5 ahitana ny fihetsiky ny Lamanita rehefa nahita ny fiomanan’ny Nefita tao amin’ny tanànan’i Amônihà izy ireo. Nanapa-kevitra ny tsy hanafika ny tanàna ny Lamanita satria voaomana tsara tamin’ny fanafihana izany. Vakio ny Almà 49:12–14 ahitana ny fihetsiky ny Lamanita rehefa niezaka nanafika ny tanànan’i Nôà.

  1. Makà fotoana vitsy hijerena indray ny lahateny maromaro avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana vao haingana indrindra (ao amin’ny Ensign na Liahona). Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny torohevitra nomen’ny tsirairay amin’ireo mpandaha-teny. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’izany torohevitra izany anao hiomana amin’ny fotoan-tsarotra eo amin’ny fiainanao? Ahoana no ahafahanao mampiasa izany torohevitra izany amin’ny fiainanao?

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 45–49 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: