Seminera
Fizarana 32: Andro 4, Môrônia 10:8–26, 30–34


Fizarana 32: Andro 4

Môrônia 10:8–26, 30–34

Fampidirana

Taorian’ny nampianaran’i Môrônia ny fomba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny zava-drehetra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia namporisika ireo izay hamaky ny teniny izy mba hamantatra sy handray ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Namarana ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia tamin’ny alalan’ny famporisihana ny olon-drehetra mba hanatona an’i Jesoa Kristy sy hihazona ny zavatra tsara rehetra omeny, ary ho atao tanteraka amin’ny alalany.

Môrônia 10:8–26

Nampianatra mikasika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy sy ny tanjon’izy ireny ao amin’ny asan’ny Tompo i Môrônia

Mieritrereta fotoana iray izay nitahian’ny Ray any an-danitra anao mba hananana fahafahana hanao zavatra iray izay tsy ho vitanao samirery. Ao anatin’ny toko famaranan’i Môrônia dia nijoro ho vavolombelona momba ny fanampiana sy ny tanjaka azon’ny Tompo omena antsika izy. Vakio ny Môrônia10:8 ary tadiavo ilay andian-teny izay mamaritra ireo fahafaha-manao ara-panahy na fitahiana izay omen’ny Ray any an-danitra an’ireo zanany mahatoky.

Ireo “fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra” nolazain’i Môrônia ao amin’ny Môrônia 10:8 dia antsoina ihany koa hoe “fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy” na “fanomezam-pahasoavana ara-panahy.” Mety ho tianao ny hanisy marika ny andian-teny hoe “fanomezam-pahasoavan’Andriamanitra” ao anatin’ny soratra masinao. Soraty ao amin’ny soratra masina eo akaikin’ny Môrônia 10:8 izao fahamarinana manaraka izao: Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Andriamanitra mba hahasoa ny zanany. Midika ho tombontsoa ho an’ny zanany na fanampiana ho azy ilay andian-teny hoe “hahasoa ny zanany”.

Vakio ny Môrônia 10:9–16 ary asio marika ny fanomezam-pahasoavana tsirairay nolazain’i Môrônia. Zava-dehibe ny mahafantatra fa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy noresahan’i Môrônia dia ohatra vitsy ihany amin’ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy maro izay misy. Ny Loholona Marvin J. Ashton avy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa “Nomen’Andriamanitra talenta iray na maromaro ny tsirairay amintsika”:

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

“Ny iray amin’ireo zava-doza lehibe eto amin’ny fiainana ho ahy dia ny fanasokajian’ny olona iray ny tenany ho tsy manan-talenta na fanomezam-pahasoavana. … Tsy hoe tsy rariny fotsiny ihany fa toy ny fisainana adaladala ny filazantsika fa tsy manana fanomezam-pahasoavana isika rehefa refesintsika amin’ny alalan’ny tsanganana, ny fahaizana, ny naoty ambony indrindra azo any an-tsekoly, ny harena, ny fahefana ananana, ny toerana misy na ny endrika ivelany ny tenantsika. …

“… Raha raisina an-kisendrasendra fotsiny dia mamela ahy hilaza fanomezam-pahasoavana vitsy izay tsy voatery mibaribary sy hita miavaka foana kanefa tena manan-danja tokoa. Mety ho anisan’izany ireo fanomezam-pahasoavana anananao—fanomezam-pahasoavana tsy tena mibaribary kanefa tena misy sy sarobidy na izany aza.

“Andeha isika hamerina hijery ny sasany amin’ireny fanomezam-pahasoavana tsy dia fantatra loatra ireny: ny fanomezam-pahasoavan’ny fangatahana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fihainoana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahenoana sy fampiasana ilay feo tony sy malefaka, ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana mitomany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny fifandirana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahaizana mifanaraka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fisorohana ny famerimberenana fahatany; ny fanomezam-pahasoavan’ny fikatsahana izay marina; ny fanomezam-pahasoavan’ny tsy fitsaratsarana; ny fanomezam-pahasoavan’ny fitodihana amin’Andriamanitra mba hahazo fitarihana; ny fanomezam-pahasoavan’ny maha-mpianatra, ny fanomezam-pahasoavan’ny fikarakarana ny hafa; ny fanomezam-pahasoavan’ny fahafahana misaintsaina; ny fanomezam-pahasoavan’ny fanolorana vavaka; ny fanomezam-pahasoavan’ny fizarana fijoroana ho vavolombelona matanjaka; ary ny fanomezam-pahasoavan’ny fandraisana ny Fanahy Masina.

“Tokony hotsaroantsika fa ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray [jereo nyF&F 46:11–12]. Zontsika sy andraikitsika ny manaiky ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika sy ny mizara izany. Natao ho antsika rehetra ireo fanomezam-pahasoavana sy herin’Andriamanitra” (“There Are Many Gifts,” Ensign, Nôv. 1987, 20).

Vakio ny Môrônia 10:17 ary diniho ilay fampianaran’i Môrônia hoe, ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana rehetra dia manana farahakeliny fanomezam-pahasoavana iray (jereo ihany koa ny F&F 46:11). Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa “ ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy… dia hanampy ny tsirairay amintsika mba hahatratra ny tanjontsika dia ny fiainana mandrakizay.

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ireo dia mitambatra ao anatin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no mpikambana fahatelo ao amin’ny Andriamanitra mandrakizay ary fantatra amin’ny hoe Fanahy Masina izy. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny Fanahy Masina mba hanampy antsika handray fanapahan-kevitra izay hanome fahafahana antsika hahita sy hanatontosa ny asa nanirahana antsika. …

“Amin’izao andro farany izao dia nomena antsika tamin’ny alalan’ny fanambarana araka ny voarakitra ao amin’ny fizarana 46 an’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ny fanazavana momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy. Maneho fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy miavaka araka izao manaraka izao ny fizarana 46:

“ ‘Fa ny tsirairay dia tsy manana ny fanomezam-pahasoavana rehetra tsirairay omena azy; fa misy maro ireo fanomezam-pahasoavana, ary ny olona tsirairay dia omen’ny Fanahin’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana iray’(and. 11).

“ Nampianarina mazava isika fa ny tsirairay amintsika dia nomena fanomezam-pahasoavana iray na maromaro. Fantatsika ve hoe fanomezam-pahasoavana inona no nomena antsika? Mikatsaka ny hahita ireo fanomezam-pahasoavana ananantsika ve isika?” (“Gifts of the Spirit,” Ensign, Feb. 2002, 12).

  1. Eritrereto ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy azonao avy tamin’Andriamanitra, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra avy eo:

    1. Ahoana no fomba nahazoanao tombontsoa avy tamin’ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay azonao?

    2. Inona avy ireo karazana fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay hitanao ao amin’ny Fiangonana ankehitriny?

    3. Ahoana no hahafahanao mampiasa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy anananao mba hitahiana ny fiainan’ny hafa? Inona no fitahiana azonao teo amin’ny fiainanao tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’ny hafa?

Saintsaino ny fomba nampibaribary ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy tao anatin’ny fahatongavan’ny Bokin’i Môrmôna. Soraty eo amin’ny toerana malalaka izay nomena dia ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay hita teo amin’ny fiainan’i Joseph Smith, araka ny aseho eo amin’ny sary tsirairay:

Sary
Fahitana Voalohany

Môrônia 10:11

Sary
Niseho tamin’i Joseph Smith tao an’efitranony i Môrônia

Môrônia 10:14

Sary
Nandray ireo Takelaka Volamena i Joseph Smith

Môrônia 10:16

Nijoro ho vavolombelona i Môrônia fa tsy maintsy manana finoana isika mba hahazoana fanomezam-pahasoavana ara-panahy. Nampianatra izy fa Andriamanitra dia “miasa amin-kery araka ny finoan’ny zanak’olombelona, tsy miova anio sy ampitso ary mandrakizay” (Môrônia 10:7). Vakio nyMôrônia 10:19, 24, ary fantaro izay manakana ny olona tsy hahazo sy hahafantatra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny antony araka ny eritreritrao tsy ahafahan’ny olona ao anatin’ny toetry ny tsy finoana mamantatra na mahazo ny hery sy ny fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra.

Vakio ny Môrônia 10:20–23. Tadiavo izay nampianarin’i Môrônia momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy manan-danjan’ny finoana sy fanantenana ary fiantrana. Nijoro ho vavolombelona izy fa ny fanomezam-pahasoavana ara-panahin’ny finoana dia mitondra fitahiana tena tsara. Jereo ny andininy 23 mba hahitana izany fitahiana izany. Mariho fa ny teny hoe mety dia midika ho “tiana, “ary ilay andian-teny hoe “ny zavatra rehetra izay mety amiko” dia azo adika hoe “ ny zavatra rehetra izay tiako hataonareo.” Azonao asiana marika ilay fehezan-tena ao amin’ny Môrônia 10:23 izay mampianatra ity fitsipika ity: Rehefa manana finoana isika dia hanana fahafahana hanao izay tian’ny Ray any an-danitra hataontsika.

  1. Mba hanampiana anao hamantatra ny fomba nahatanterahan’ity fitsipika ity teo amin’ny fiainanao na mety hahatanteraka azy dia manorata fehezan-teny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ho valin’ny iray amin’ireto fanambarana manaraka ireto na ho valin’izy roa:

    1. Niaina ilay fampanantenana ao amin’ny Môrônia 10:23 aho rehefa …

    2. Ilay fampanantenana hita ao amin’ny Môrônia 10:23 dia afaka manampy ahy amin’ny …

  2. Diniho ireo fitsipika roa nianaranao tao amin’ny Môrônia 10:8–26 : Manome ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Andriamanitra mba hahasoa ny zanany. Rehefa manana finoana isika dia hanana fahafahana hanao izay tian’ny Ray any an-danitra hataontsika. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana ireo fitsipika roa ireo manampy anao eo amin’ny fiainanao izao dia izao?

    2. Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika roa ireo manampy anao ao anatin’ireo zava-mahasoa izay mety hiseho any aoriana?

Môrônia 10:30–34

I Môrônia dia namarana ny rakitsorany tamin’ny alalan’ny fanasana ny rehetra mba hanatona an’i Kristy sy ho atao tanteraka ao Aminy i Môrônia.

Sary
Filoha James E. Faust

Araka ny eritreritrao, mety azo atao tsara ve ny ho lasa tanteraka eto amin’ity fiainana ity? Nanazava ilay didy mba ho tanteraka ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Tanjona mandrakizay ny fahatanterahana. Raha toa ka tsy afaka ny ho tanteraka isika eto ambonin’ny tany dia didy kosa ny fiezahana ho tonga amin’izany, izay azontsika hajaina tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotana” (“This Is Our Day,” Ensign, Mey 1999, 19).

Araka ny nampianarin’ny Filoha Faust, ny fahatanterahana dia tanjona azontsika iezahana tratrarina ankehitriny ary vitaina any amin’ny fiainana miaraka amin’ny fanampian’ny Mpamonjy. Namarana ny fijoroany ho vavolombelona nananany i Môrônia tamin’ny alalan’ny fampianarana ny zavatra azontsika atao mba hanasana ny hery mpanadion’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika ankehitriny sy hahatonga antsika ho tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotany amin’ny farany.

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ity tabilao manaraka ity:

    Ny zavatra azoko atao

    Ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra

    Vakio ny Môrônia 10:30–33 ka tadiavo (a) izay zavatra tsy maintsy ataontsika mba ho lasa madio ary ho tanteraka amin’ny farany sy (b) izay zavatra ampanantenain’Andriamanitra fa hataony mba hanampiana antsika. Soraty eo amin’ny faritra mifanaraka amin’izany ao amin’ilay tabilaonao izay zavatra hitanao.

Soraty eo ambanin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina na ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môrônia 10:32–33izao teny manaraka izao:Rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny hodiovina sy ho atao tanteraka amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Dingana atao mandritra ny fiainana iray manontolo ny fanatonana an’i Kristy miaraka amin’ny finoana Azy sy ny fikatsahana amim-panetrentena ny fitarihany eo amin’ny fiainantsika avy eo. Izany dingana izany dia mbola mitohy amin’ny alalan’ny fanekena ny Filazantsarany, fanekena Azy ho Mpamonjy antsika, fibebahana, fanaovana fanekempihavanana miaraka Aminy amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny filazantsara ary faharetana amim-pahatokiana ao anatin’ny fankatoavana ny didiny mandritra ny fiainantsika. Ho tonga eo amin’i Kristy isika amin’ny farany rehefa tonga tahaka Azy; dia afaka mitoetra miaraka Aminy any amin’ny mandrakizay isika avy eo.

Namintina ny fanasana farany hanatona an’i Kristy nataon’i Môrônia izay hita ao amin’ny Môrônia 10:30–33 ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Ny [fijoroana ho vavolombelona farany] nataon’i Môrônia dia [manamafy] ny finoana an’i Kristy, ny fanantenana an’i Kristy, ny fiantran’i Kristy, miaraka amin’ny fanaovana vavaka mba hitondran’ireto soatoavina Kristianina telo lehibe ireto, ireto fitsipika Kristiana telo lehibe indrindra ireto antsika any amin’ny fahadiovana. …

“Izany antso farany sy tokana nataon’ilay vato ifaharan’ny fivavahantsika sy ilay boky marina indrindra amin’izay boky nosoratana hatramin’izay izany dia ny mba tsy hikasihana ny zavatra tsy madio; ary ny hahatongavana ho masina sy tsy misy pentina ary ho madio. Ary izany fahadiovana izany dia tsy tonga raha tsy amin’ny alalan’ny ran’ny Zanakondry irery ihany izay nizaka ny fahoriantsika sy nitondra ny alahelontsika, ilay Zanakondry izay noratraina noho ny fandikantsika lalàna ary notorotoroina noho ny helotsika, ilay Zanakondry izay nampijaliana sy nampahoriana, kanefa nohamavointsika (jereo ny Môsià 14). …

“Ny fahadiovana—amin’ny alalan’ny ran’ny Zanakondry. Izany no zavatra hitalahoan’ny [Bokin’i Môrmôna]” (“A Standard unto My People” [CES symposium on the Book of Mormon, Aug. 9, 1994], 15, si.lds.org).

Avereno jerena ny Môrônia10:32–33, ary asio marika ireo andian-teny izay manamafy fa ny hany fomba ahafahantsika ho tanteraka dia ny ho tanteraka “ao amin’i Kristy.” Midika izany fa tsy ho tratrantsika amin’ny alalan’ny herin’ny tenantsika manokana ny fahatanterahana fa tsy maintsy miankina amin’ny hery sy ny famindrampon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika. Saintsaino ny antony ilantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hahatongavantsika ho madio sy tanteraka. Azonao asiana marika ireo andian-teny ao amin’ny Môrônia 10:32–33 izay hitanao fa mankahery rehefa miezaka ny ho madio sy hanatratra ilay tanjona mandrakizay dia ny fahatanterahana ianao.

Avereno jerena izay nosoratanao teo ambanin’ny “Ny zavatra azoko atao” ao amin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina. Misafidiana zavatra atao iray voasoratra ao ary saintsaino ny fomba hahafahanao ho mazoto kokoa eo amin’izany lafin-javatra izany eo amin’ny fiainanao izany.

Vakio ny Môrônia 10:34, ary mitadiava porofon’ny finoan’i Môrônia an’i Jesoa Kristy sy ny fanantenany fa hahazo fiainana mandrakizay izy. Afaka manana finoana sy fanantenana ihany koa isika rehefa manao ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna ho toy ny zavatra atao mandritra ny fiainana iray manontolo sy rehefa mampihatra ireo fahamarinana hita ao anatin’ireo pejiny.

  1. Eo am-pamaranana ity fandalinana ny taranja Bokin’i Môrmôna ity, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto, ary mivononà hizara ny valinteninao amin’ny mpampianatrao:

    1. Inona no fiovana nentin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ny fiainanao tamin’ity taona ity?

    2. Inona avy ireo lesona na fitsipika nanampy anao “hanatona an’i Kristy” sy nampatanjaka ny finoanao ny Mpamonjy?

    3. Inona no fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny Bokin’i Môrmôna?

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 10:8–26, 30–34 sy nahavita io lesona io tamin’ny  (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

Sary
Nafenin’i Môrônia tao amin’ny Havoana Komôra ireo Takelaka