Seminera
Fizarana 14: Andro 3, Môsià 28–29


Fizarana 14: Andro 3

Môsià 28–29

Fampidirana

Sary
Môsià sy ireo zanakalahiny

Taorian’ny fiovam-pon’izy ireo dia nahatsapa faniriana matanjaka ny hitory ny filazantsara tamin’ny Lamanita ireo zanakalahin’i Môsià. Nanohana ny fanapahan-kevitr’izy ireo ny Mpanjaka Môsià kanefa tavela tsy nisy mpandimby teo amin’ny fitondrany izy ary tsy nisy olona hikarakara ireo rakitsoratra masina. Nomeny an’i Almà (zanakalahin’i Almà) ny andraikitra hitana ireo rakitsoratra. Raha toa ka tokony hanendry mpanjaka iray hafa izy dia nanangana ny rafitry ny mpitsara kosa mba ho rafi-pitondrana vaovao.

Môsià 28:1–9

Naniry ny hitory tamin’ny Lamanita ireo zanakalahin’i Môsià

Refeso eo akaikin’ny teny voalaza tsirairay etsy ambany ny fanirianao ao anatin’ireto lafin-javatra manaraka ireto. Mampiasà mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (ny 1 dia milaza hoe “tsy manam-paniriana”, ary ny 10 dia milaza hoe “faniriana matanjaka tokoa”).

  • Manana faniriana marina ny hanampy ny hafa hahita fahasambarana mandrakizay aho.

  • Vonona ny hanolo-tena aho mba hanampiana ny hafa.

  • Manana faniriana hizara ny filazantsara amin’ny hafa aho.

  • Raha zatovolahy ianao dia tombantombano ny fanirianao hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. (Raha zatovovavy ianao dia afaka misafidy ny hanombantombana ny fanirianao koa ianao.)

Avereno jerena ny Môsià 27:8–10, ary fantaro hoe aiza ho aiza amin’ny mari-drefy no misy an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià amin’ireo teny voalaza etsy ambony ireo talohan’ny fiovam-pony.

Izao dia vakio ny Môsià 28:1–3, ary fantaro hoe ahoana no niovan’ireo zanakalahin’i Môsià tamin’ireo lafin-javatra voalaza etsy ambony ireo. Rehefa mamaky ianao dia tadidio fa ny teny hoe very dia midika hoe very ara-panahy.

Soraty ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

Iza no tian’ireo zanakalahin’i Môsià hizarana ny filazantsara?

Inona avy amin’ny zavatra nianarana tao amin’ny Bokin’i Môrmôna hatreto no maneho ireo fahasarotana na loza izay mety natrehan’ireo zanakalahin’i Môsià tany amin’ny asa fitoriana nataony tamin’ny Lamanita?

Vakio ny Môsià 28:4, ary saintsaino ny fomba hamerenanao hilazana izany amin’ny teninao manokana. Jereo ny fiantefan’ny fiovam-pon’ireo zanakalahin’i Môsià tamin’ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara. Mianatra izao fitsipika izao isika ao amin’ny Môsià 28:1–4: Mitombo ny faniriantsika hizara ny filazantsara rehefa mihalalim-paka ny fiovam-pontsika.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Vakio ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity (azonao atao ny manoratra izany eny amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môsià 28:1–4): “Ny firedaredan’ny faniriantsika hizara ny filazantsara dia mari-pandrefesana goavana amin’ny halehiben’ny fiovam-pontsika manokana” (“Sharing the Gospel,” Ensign, nôv. 2001, 7).

Asio marika ao amin’ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny Môsià 28:4 ny fomba nitaomana ireo zanakalahin’i Môsià tamin’ny fanirian’izy ireo hizara ny filazantsara. Jereo fa manana anjara asa lehibe amin’ny fampitomboana ny faniriantsika hizara ny filazantsara ny Fanahin’ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nitomboan’ny fanirianao hizara ny filazantsara rehefa nampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona ianao?

    2. Inona ireo zavatra niainana teo amin’ny fiainanao izay nitarika anao hanana faniriana hizara ny filazantsara tamin’ny hafa?

    3. Raha toa ka tsy mahatsapa ho manana faniriana matanjaka ny hizara ny filazantsara ianao amin’izao fotoana izao dia inona no azonao atao mba hampatanjahana izany faniriana izany? (Vakio ny Almà 17:2–3.)

  1. Alaivo sary an-tsaina ny zatovolahy iray izay mpikamban’ny Fiangonana kanefa zara raha manana faniriana na tsy manam-paniriana mihitsy hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Manorata taratasy ho azy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay manoro azy ny zavatra azony atao mba hampitomboana ny faniriany hizara ny filazantsara. Azonao atao ny miresaka momba ny zavatra naha-latsa-paka ny fiovam-ponao tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy manoro hevitra ity zatovolahy ity hanao zavatra na hiaina zavatra mitovy amin’izany. Tadidio eo am-panoratanao fa hitarika amin’ny fitomboan’ny faniriana hizara ny ny filazantsara amin’ny hafa ny fiovampo lehibe kokoa.

Rehefa manohy ny fandalinanao ny Môsià 28 ianao dia alaivo sary an-tsaina ny mety ho tsapanao raha toa ka te handeha hiaina eo anivon’ny olona mahery setra izay mankahala ireo izay tsy mitovy amin’izy ireo ny olon-tianao iray. Vakio ny Môsià 28:5–9, ary fantaro ny antony namelan’i Môsià ireo zanany lahy handeha hanao asa fitoriana mampidi-doza toy izany. Ianao dia hianatra momba ireo “maro [izay] hino ny teniny” (Môsià 28:7)—ireo Lamanita an’arivony izay niova fo vokatry ny ezak’ireo zanakalahin’i Môsià ao amin’ny bokin’i Almà.

Môsià 28:10–20

Nandika ireo takelaky ny Jaredita i Môsià ary nanome ireo rakitsoratra rehetra notanany an’i Almà

Ny ambin’ny Môsià 28 dia ahitana fa nihaantitra sy nahatsapa fa nila nisafidy izay ho mpirakakara manaraka ireo rakitsoratra masina ny Mpanjaka Môsià talohan’ny nahafatesany. Ho an’ireo taranaka roa nifandimby teo aloha dia nomen’ny mpanjaka an’ny mpanjaka manaraka ireo takelaka. Kanefa noho ireo zanaky ny Mpanjaka Môsià nandeha nanao asa fitoriana dia tsy nanana zanaka handova ny fitondrana izy ka tsy nanana mpirakakara ireo takelaka noho izany. Anisan’ireto rakitsoratra ireto ireo takelaky ny Jaredita izay nadikan’i Môsià tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra (jereo ny Môsià 28:11–19).

Sary
sotroboninahitra
Sary
takelaka volamena

Raha tsy maintsy maka olona iray hiandraikitra ireo takelaka ianao dia inona ireo toetoetra tianao hananan’izany olona izany?

Lazalazao izay mety ho tsapanao raha toa ka mifidy anao hiandraikitra ireo takelaka ny olona iray.

Vakio ny Môsià 28:20, ary tadiavo ny anaran’ilay olona nosafidian’i Môsià hiandraikitra ireo takelaka.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra ampianarin’ny fanapahan-kevitry ny Mpanjaka Môsià anao momba ny fiovam-pon’i Almà. (Mba hamaliana ity fanontaniana ity dia azonao atao ny mamerina mijery ireo zavatra nataon’i Almà teo aloha izay voarakitra ao amin’ny Môsià 27.) Hazavao ihany koa ny fomba mety hanomezan’ny fitokisan’i Môsià an’i Almà fanantenana ho an’ireo izay mibebaka.

Môsià 29

Nisafidy ny rafitry ny mpitsara ho rafi-pitantanana vaovao ny vahoakan’i Môsià

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 29 dia namosa-kevitra ny Mpanjaka Môsià fa tsy hotantanan’ny mpanjaka iray intsony ny fitondrana Nefita fa hotantanan’ny rafitry ny mpitsara.Vakio sy ampitahao ny Môsià 23:7–8 sy ny Môsià 29:13, 16–18. Araka ireo soratra masina ireo dia rehefa ao anatin’ny toe-javatra na fepetra toy ny ahoana no maha rafi-pitantanana tsara ny fitondran’ny mpanjaka iray? Nahoana no nanoro hevitra ny Nefita hampitsahatra ny fitondran’ny mpanjakany i Môsià?

Vakio ny Môsià 29:11, 25, ary ataovy ao anaty faribolana ireto valim-panontaniana manaraka ireto izay maneho ny zavatra nolazain’i Môsià mikasika ny fomba hitsaran’ireo mpitsara ny vahoaka: (a) amin’ny famindram-po lehibe, (b) araka ireo lalàna, (d) araka ireo didin’Andriamanitra, (e) amin’ny fomba hentitra.

Sary
Almà amin’ny maha mpitsara azy

Vakio ny Môsià 29:26, 30, 33–34, 37–38, ary jereo ny anjara asan’ny vahoaka tao anatin’ilay endri-pitondrana vaovao naroson’ny Mpanjaka Môsià.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hinoanao fa manan-danja ho an’ny olom-pirenena ao amin’ny firenena iray ny “mitondra ny anjarany” amin’ny fanompoana ny fireneny (Môsià 29:34).

Notendrena ho lohan’ny mpitsara voalohany i Almà, ary nanatontosa ny anjara asany tamim-pahamarinana izy (jereo ny Môsià 29:41–43).

Soraty amin’ny teninao manokana ny fitsipika iray izay nianaranao avy tamin’ny Môsià 29:

Fitsipika iray ampianarin’ity toko ity ny hoe: Ny olona tsirairay dia manana adidy hanohana ireo lalàna marina sy ireo mpitondra.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba iray ahafahanao manohana ireo lalàna marina sy ireo mpitondra eo amin’ny firenenao.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 28–29 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: