Seminera
Fizarana 11: Andro 2, Môsià 3


Fizarana 11: Andro 2

Môsià 3

Fampidirana

Rehefa nanohy ny lahateniny tamin’ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina dia nilaza tamin’izy ireo izy fa niresaka taminy momba ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy ny anjely iray. Nijoro ho vavolombelona ny Mpanjaka Benjamina fa afaka mandray famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana ireo izay nanota. Nampianatra ihany koa izy fa afaka mandresy ny olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona iray amin’ny alalan’ny fihainoana ny bitsiky Fanahy Masina.

Môsià 3:1–10

Nanambara ny tenin’ny anjely iray mikasika ny Sorompanavotana ny Mpanjaka Benjamina

Sary
Cups

Rehefa mandalina ny Môsià 3 ianao dia tadiavo ilay loharanon’ny “vaovao mahafaly sady fifaliana lehibe” ( Môsià 3:3).

Vakio ny Môsià 3:1–5 ary tadiavo ny zavatra nolazain’ilay anjely tamin’ny Mpanjaka Benjamina. Nanambara ilay anjely fa nanana antony hifaliana sy mba ho heniky ny fifaliana ny vahoakan’ny Benjamina.

Inona tao anatin’ny hafatr’ilay anjely no afaka nameno fifaliana ny Nefita?

Vakio ny Môsià 3:5–10 ary asio marika ireo teny na andian-teny momba ny Mpamonjy sy ny asa fanompoana nataony izay manampy anao hankasitraka bebe kokoa ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teto ambonin’ny tany.

  1. Misafidiana andian-teny roa izay nasianao marika ary manorata fanazavana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika izay ampianarin’izany anao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa sy hankasitraka ny asa fanompoan’ny Mpamonjy.

Betsaka ireo fotopampianarana sy fitsipika ampianarina ao anatin’ny Môsià 3:5–10. Iray amin’ireo manan-danja indrindra ity: Nijaly i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahotantsika. Soraty ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môsià 3:7–9 izany fotopampianarana izany.

Rehefa voavaky ny Môsià 3:7–9 dia vakio ny Lioka 22:44 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–18. Inona no hevi-baovao fanampiny atolotry ny Môsià 3? Ahoana no hanampian’ny Môsià 3 antsika mba hankasitraka izay zavatra nitranga tamin’ny Mpamonjy?

Vakio ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona James E. Talmage tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity momba ny fijalian’ny Mpamonjy tao amin’ny Sahan’i Getsemane:

Sary
Loholona James{nb}E. Talmage

“Ny fijalian’i Kristy tao amin’ilay saha dia tsy takatry ny fisainana izay voafetra, na ny hamafiny na ny antony. … Nitolona sy nitaraindraina noho ny fizakana zioga iray izay tsy noheverin’ny olona na iza na iza fa azo nozakaina Izy. Tsy fanaintainana ara-batana, na fitaintainana ara-tsaina fotsiny ihany no nahatonga Azy hiaritra fampijaliana toy izany, izay niteraka fipatrapatraky ny ra avy amin’ny masonkodiny rehetra; fa fijaliana ara-panahin’ny fanahy izay Andriamanitra irery ihany no afaka nizaka izany. … Tao anatin’izany fotoam-pahoriana izany no nandresen’i Kristy ireo zava-dratsy rehetra izay azon’i Satana, ilay ‘andrianan’izao tontolo izao’ [Jaona 14:30].nampahoriana antsika. …

“Izany hoe nitondra teo Aminy ny vesatry ny fahotan’ny olombelona nanomboka tamin’i Adama ka hatramin’ny fiafaran’izao tontolo izao tamin’ny fomba tena nisy marina tokoa ny Mpamonjy na dia tsy takatry ny olona aza izany” (Jesus le Christ, boky navoaka fanintelony [1916], 613).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny zavatra niainana iray izay nanampy anao hahafantatra fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy. Ahoana no hanampian’ny fahatsiarovana izany traikefa izany fifaliana eo amin’ny fiainanao?

Môsià 3:11–27

Namariparitra ny fomba handresena ny olona araka ny nofo ny Mpanjaka Benjamina

Rehefa nanohy nampianatra ny vahoakany ny Mpanjaka Benjamina dia nampianariny azy ireo ny fomba hitahian’ny Sorompanavotana an’ireo zanak’Andriamanitra. Nampianariny ihany koa ny fomba ahafahantsika mandresy ny olona araka ny nofo ka ho tonga Olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Sary
I Jesoa Mitsodrano ny Zanakavavin’i Jairo

Mba hahatakarana tsaratsara kokoa ny fomba hitahian’ny Sorompanavotana ny zanak’Andriamanitra dia vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary manorata famaritana mikasika ireo andian’olona izay ijoroan’ilay andininy vavolombelona fa hotahiana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy:

Zava-dehibe ny mahafantatra fa na dia nanao sorona ho an’ny fahotan’ireo izay tsy mahafantatra ny filazantsara aza i Jesoa Kristy—ireo izay maty tao anatin’ny tsy fahalalana—dia mbola mila mibebaka sy mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy izy ireo any amin’ny tontolon’ny fanahy mba ho voavonjy (jereo ny F&F 131:6; 138:31–34). Nanambara ihany koa ny Tompo fa teraka tsy manan-tsiny eo imason’Andriamanitra ny ankizy ary tsy manana fahefana haka fanahy azy ireo i Satana. Mandra-panombohan’izy ireo ho tompon’andraikitra amin’ny fahavalo taonany dia voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny ankizy madinika ka tsy mila mibebaka na atao batisa (jereo ny Môrônia 8:8–15; F&F 29:46–47; 137:10).

Mila mampihatra ny fahalalana ananantsika momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy isika. Vakio ny Môsià 3:12–13, ary tsipiho ireo teny na andian-teny izay mampianatra fa afaka ny ho voavonjy amin’ny fahotantsika sy hifaly isika rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka.

Tadidio ilay sarina vera nofenoina “fahasambarana.” Tadidio ny tenin’ilay anjely nanambara fa tonga avy amin’ny fahatakarana ny asa nanirahana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ny fifaliana (jereo ny Môsià 3:4–5). Mba hahatakarana ny mifanohitra amin’ity sary ity dia vakio ny Môsià 3:24–27. Tsipiho ny zavatra hosotroin’ireo izay misafidy ny tsy hibebaka amin’ny andro fitsarana.

Inona no zavatra hitranga amin’ireo izay misafidy tsy hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy tsy mibebaka?

Rehefa avy nampianatra ny vahoakany ny mikasika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny tokony hibebahana sy hinoana ny Mpamonjy ny Mpanjaka Benjamina dia nampianariny ny vahoakany ny fomba hanesorana ilay ampahany mpanota tamin’ny toetran’izy ireo sy ny fomba ahatongavana ho Olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotana.

Vakio ny Môsià 3:19, ary tadiavo ireo teny na andian-teny tsy azonao. Mety hanampy ny manoratra famaritana telo eo akaikin’ity andininy ity ao anatin’ny soratra masinao. Ny “olona araka ny nofo” dia olona iray izay misafidy ny hotaomin’ny firehetam-po sy ny faniriana ary ny filan’ny nofo toy izay ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Ny “manaiky” dia midika ho manoa olona na zavatra iray. Ny “fitaomana” dia fanasana mandresy lahatra sy mahafinaritra. Soratra masina fehezina ny Môsià 3:19. Azonao asiana marika amin’ny fomba miavaka izany mba hahafahanao mahita izany amin’ny manaraka.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lohateny hoe “Manaisotra ny maha olona araka ny nofo.” Ataovy lisitra eo ambanin’izany lohateny izany ny zavatra ampianarin’ny Môsià 3:19 fa tokony hataontsika mba handresena ny “olona araka ny nofo.” Ataovy anaty faribolana ny asa iray izay tsapanao fa ho manan-danja indrindra aminao ny manao izany amin’izao fotoana izao. Manaova drafitra hampiharana ity asa ity.

Anisan’ny fitsipika ampianarin’ny Môsià 3:19 ny hoe raha toa isika ka manaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina dia afaka mandresy ny olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy.

Raha lazaina amin’ny teninao manokana dia inona no dikan’ny hoe manaiky ny “fitaoman’ny Fanahy Masina”?

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ny fanesorana ny olona araka ny nofo: ”Ny fahamarinana, fitsaohana, vavaka ary fandalinana soratra masina manokana dia tena ilaina mba hahafahana ‘[manaisotra] ny olona araka ny nofo’(Môsià 3:19)” (“The Tugs and Pulls of the World,” Ensign, nôv. 2000, 36).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana avy no hikatsahanao hanaiky ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao?

  2. Inona no azonao atao mba hanekena bebe kokoa “ny fitaoman’ny Fanahy Masina” eo amin’ny fiainanao? Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hanampianao hivoatra amin’ity sehatra ity amin’ity herinandro ity. Azonao atao ny miezaka ny hanana ireo toetra izay manampy antsika ho tonga tahaka ny ankizy izay voatanisa ao amin’ny Môsià 3:19—ohatra, lasa mankato kokoa, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana na vonona ny hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo “fa mety hampitondraina” anao.

  3. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireo sakana eo amin’ny fiainanao izay mihazona anao tsy hanaiky ny fitaoman’ny Fanahy.

Sary
Sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Môsià 3:19

  1. Mba hanampiana anao hitadidy na hanao tsianjery ny Môsià 3:19, dia azonao atao ny mamaky izany intelo. Ny famerimberenana izany dia hanampy anao hahafantatra tsara ny ao anatin’izany andininy izany. Aorian’izay dia ezaho soratanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina araka izay vitanao, tsy an-kijery ny soratra masinao, ilay andininy na ireo hevitra ao anatin’izany. Ezaho averina amin’ny feo mafy amin’ny fotoana samihafa ilay andininy, ohatra hoe eny am-pandehanana na eo am-panaovana fanatanjahantena na eo am-piomanana ny hatory. Afaka manampy anao hanao tsianjery sy hitadidy ireo fitsipika manan-danja ao anatin’ity andininy ity ny fanaovana izany mandritra ny andro maromaro mifanesy.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 3 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: