Seminera
Fizarana 23: Andro 4, Helamàna 15–16


Fizarana 23: Andro 4

Helamàna 15–16

Fampidirana

Rehefa niresaka tamin’ny Nefita avy eny ambonin’ny manda tao Zarahemlà i Samoela ilay Lamanita dia naminany izy fa raha tsy mibebaka izy ireo dia “hamongotra azy tanteraka” Andriamanitra (Helamàna 15:17). Nambarany fa lasa marina kokoa noho ny Nefita ireo Lamanita ary ho alavain’ny Tompo ny andron’ireo Lamanita. Nino ny fampianaran’i Samoela ny sasany tamin’ireo Nefita ary nataon’i Nefia batisa izy ireo. Ireo hafa izay tsy nino an’i Samoela dia nikasa hamono azy. Narovan’ny herin’Andriamanitra izy ary dia niverina tany amin’ny faritra niaviany.

Helamàna 15

Nampitandreman’i Samoela ireo Nefita ary nazavainy ny antony nahatonga ny Lamanita ho vahoakan’ny fampanantenana

Ity manaraka ity dia toe-javatra noforonina iainan’ny zatovolahy roa:

Ny zatovolahy iray dia notezain’ny ray aman-dreny izay tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary tsy nanantitrantitra ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Navelan’izy ireo ilay zanany lahy hisotro toaka, fomba fanao izay notohizany tany amin’ny fianarana ambaratonga ambony. Nihaona tamin’ny misiônera Olomasin’ny Andro Farany izy taty aoriana. Rehefa avy nihaona tamin’ireo misiônera tao anatin’ny fotoana vitsivitsy izy dia nampanantena fa tsy hisotro toaka intsony. Andro vitsy taorian’izay dia niaraka tamin’ny namana maromaro izy. Nomen’izy ireo zava-pisotro misy alikaola izy.

Ny zatovolahy iray hafa kosa dia notezaina tao anatin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany. Nanao takarivan’ny mpianakavy sy fandalinan’ny fianakaviana soratra masina tsy tapaka ny ray aman-dreniny. Nanana fahazarana nandalina soratra masina sy nanao vavaky ny tena manokana isan’andro izy. Nandalo tao amin’ny Kilonga izy, nanompo tao amin’ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna, ary nahavita seminera hatramin’ny farany. Nahafantatra sy nahatakatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy mbamin’ireo didin’Andriamanitra. Nahazo namana vaovao izy rehefa nianatra tany amin’ny ambaratonga ambony. Indray alina dia notoloran’ireo namany sasany zava-pisotro misy alikaola izy.

Eritrereto ny haavon’ny tanjaka ara-panahy izay azo andrasana avy amin’ny tsirairay amin’ireo zatovolahy roa ireo ao anatin’ny toe-javatra iainany ary ny fomba ifandraisan’izany amin’ny Lamanita sy ny Nefita izay nohalalininao tao amin’ny Helamàna 15.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 15:3, 17 dia manao ahoana ny toetra ara-panahin’ireo Nefita?

    2. Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 15:4–8 dia manao ahoana ny toetra ara-panahin’ireo Lamanita? (Ny teny hoe amim-pahamalinana ao amin’ny Helamàna 15:5 dia midika hoe “amim-pitandremana.”)

Na dia niaina tao anatin’ny faharatsiana nandritra ny fotoana ela teo amin’ny tantarany aza ny Lamanita “noho ny heloky ny fomban-drazany,” dia nibebaka izy ireo rehefa nahalala ny fahamarinana ary nanjary “[n]iorina sy [n]ifototra [t]ao amin’ny finoana” (Helamàna 15:4, 8). Ireo Nefita kosa tetsy ankilany dia lasa feno avonavona ary nitsipaka ny fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Vakio tsara ny Helamàna 15:7–8 ary fenoy ny banga ao amin’ity fehezanteny manaraka ity: Ny fahalalana ny fahamarinana sy ny finoana ny soratra masina dia mitarika amin’ny sy ny , izay miteraka ; noho izany, ireo olona maro tonga amin’izany dia .

Rehefa nahafantatra ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny fandalinana sy ny finoana ny soratra masina ireo Lamanita dia nitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy ary voatarika ho amin’ny fibebahana izy ireo. Niaina fiovam-po izy ireo ary lasa niorina sy nifototra tao amin’ny finoana.

Sary
zatovolahy manoratra ao anaty diary
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana roa ireto na izy roa:

    1. Oviana no nanampy anao nanao ireo fanovana nilaina teo amin’ny fiainanao ny fandalinanao soratra masina?

    2. Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fahazarana mandalina soratra masina amim-pahatokiana hanampy olona iray hahazo fiovam-po?

Manampy antsika ny fampianaran’i Samoela hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fijanonana ho mahatoky amin’ny fahalalana sy ny finoana izay azontsika. Vakio ny Helamàna 15:14–17 ary tadiavo ireo andian-teny izay manambara ity fitsipiky ny filazantsara manaraka ity: Raha lasa tsy mino ny olona taorian’ny nandraisany ny fahafenoan’ny filazantsara dia handray fanamelohana bebe kokoa. Azonao atao ny manoratra ity fahamarinana ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Azonao atao ihany koa ny manoratra ny F&F 82:3 ho toy ny soratra masina mifandray eo amin’ny sisin’ny soratra masinao.

Manao ahoana ny fampiharana an’io fitsipika io eo amin’ny fiainanao? Efa nisy fotoana ve nanaovanao zavatra izay fantatrao fa nifanohitra tamin’izay fantatrao fa marina? Inona no ilainao hatao mba hanamafisana orina ny finoanao ny Mpamonjy, sy hibebahana ary hiorenana sy hifotorana amin’ny fahamarinan’ny filazantsara?

Helamàna 16

Natao batisa ireo izay nino an’i Samoela; nanamafy ny fony ny hafa

Eritrereto ny fihetsika asehonao mazàna amin’ny tenin’ireo mpaminany velona sy ireo apôstôly. Nomena fahafahana ireo Nefita handray ny tenin’i Samoela, ilay mpaminany Lamanita. Ampiasao ny zavatra nianaranao avy amin’ny Helamàna 16:1–7 mba hamenoana ity tabilao manaraka ity ary mba hamantarana hoe iza no vahoaka nino ary inona no fihetsika nasehon’ny Nefita.

Helamàna 16

Nino ve ity andiana Nefita ity?

Nanao ahoana ny fihetsik’ireto vahoaka ireto tamin’ny tenin’ny mpaminany Samoela?

Eny

Tsia

Andininy 1

Andininy 2

Andininy 3–5

Andininy 6–7

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho tezitra sy hitsipaka ny torohevitr’ireo mpaminany ankehitriny ny zatovo sasany?

    2. Oviana ianao no nahita olona iray nisafidy hanaraka ny torohevitry ny mpaminany na dia nitsipaka izany aza ny hafa?

    3. Oviana ianao no nisafidy ny hanaraka ny torohevitry ny mpaminany na dia nitsipaka izany aza ny olona hafa manodidina anao?

    4. Inona no nianaranao tao amin’ny Helamàna 16:13–14 mikasika ny tenin’ireo mpaminany?

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Saintsaino ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ity, mikasika ny fihetsika hasetrin’ny olona eto amin’izao tontolo izao ireo mpaminany amin’izao fotoana izao: “Tsy voatery ho malaza eto amin’izao tontolo izao na amin’ireo izay an’izao tontolo izao ny mpaminany. Rehefa manambara ny fahamarinana ny mpaminany iray dia mampizarazara ny vahoaka izany. Mihaino ny teniny ireo izay mahitsy fo, saingy ireo tsy marina kosa dia na tsy miraharaha ny mpaminany na miady aminy. Rehefa miresaka mikasika ny fahotan’izao tontolo izao ny mpaminany, dia na te hampangina ny mpaminany ireo olon’izao tontolo izao na manao toy ny hoe tsy misy akory ilay mpaminany, toy izay mibebaka amin’ny fahotany. Tsy ny laza mihitsy no entina hanaporofoana ny fahamarinana. Mpaminany maro no novonoina na noroahina. Rehefa manakaiky kokoa ny fiavian’ny Tompo fanindroany dia afaka manantena ianao fa rehefa miharatsy kokoa ny olona eto amin’izao tontolo izao dia hihena ny lazan’ny mpaminany eo amin’izy ireo” (The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 133).

Vakio ny Helamàna 16:16–21 mba hahitana ny fomba anamarinan’ireo tsy mpino ny fitsipahan’izy ireo ny fahatanterahan’ireo faminaniana sy ireo famantarana avy any an-danitra. Angamba azonao marihina ao amin’ny soratra masinao hoe iza amin’ireo fialan-tsiny na tetik’ady enti-manohitra ny mpaminany ireo no inoanao fa be mpanao indrindra amin’izao androntsika izao.

Vakio ny Helamàna 16:23 ary soraty ao anatin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao soratra masina ny vokatra tonga eo amin’ireo izay mitsipaka ireo vavolombelon’ny Tompo. Mety hitovy amin’ity fitsipika manaraka ity ny fehezanteninao: Rehefa mitsipaka ireo vavolombelon’ny Tompo isika dia mamela an’i Satana hahazo vahana ao am-pontsika.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ary asio marika ny teniny rehetra izay manamafy ny zavatra nianaranao tao amin’ny Helamàna 16: “Rehefa mitsipaka ny torohevitra avy amin’Andriamanitra isika dia tsy misafidy ny hahaleo tena amin’ny fitaoman’ny any ivelany. Fitaomana hafa no safidiantsika. Lavintsika ny fiarovan’ilay Ray any an-danitra manana fitiavana tonga lafatra sy tompon’ny hery rehetra ary mahalala ny zavatra rehetra, izay no tanjony, tahaka ny an’ny Zanany Malala, dia ny hanome antsika ny fiainana mandrakizay, ny hanome antsika izay rehetra ananany, ary ny hitondra antsika hiverina hody miaraka amin’ny fianakaviana mba hofihininy amin’ny sandrim-pitiavany. Rehefa mitsipaka ny toroheviny isika dia mifidy ny fitaoman’ny hery hafa, izay mikasa ny hanao izay hahatonga antsika ho fadiranovana ary ny fankahalana no hery manosika azy. Manana ny fahafahana misafidy ny tsara sy ny ratsy isika, izay fanomezana avy amin’Andriamanitra. Tsy dia hoe zo hisafidy ny ho afaka amin’ny fitaomana izany fa ilay zo an’ny tena samirery hametraka ny tenantsika ho eo ambanin’izay safidiantsika amin’ireo hery ireo” (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

Inona no voalazan’ny Filoha Eyring fa mitranga rehefa mandà ny fitaoman’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika isika? Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa rehefa mandà ny fitaoman’Andriamanitra isika dia lasa eo ambanin’ny fitaoman’i Satana?

Diniho sao misy fomba nanamafisanao ny fonao tamin’ny torohevitra nomen’ireo mpaminany sy apôstôly. Mety hanampy ny famerenana mamaky ny kiboky Ry Tanora, Mahereza rehefa mieritreritra izay zavatra ampianarin’izy ireo ianao sy ny fomba anekenao ny torohevitr’izy ireo. Manapaha hevitra ny amin’izay hataonao anio mba hiorina sy hifototra amin’ny fiainana ny filazantsara sy ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminanin’ny Tompo.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 15–16 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: