Seminera
Fizarana 17: Andro 3, Almà 21–22


Fizarana 17: Andro 3

Almà 21–22

Fampidirana

Nikatsaka ny hampianatra ny Amalekita sy ny Amiolonita momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotana i Aharôna, izay iray amin’ireo rahalahin’i Amôna, kanefa nolavin’ny vahoaka izy. Naiditra am-ponja tany amin’ny tanin’i Midônia izy sy ny mpiara-mitory aminy. Nijanona ho mahatoky izy ireo nandritra ny fotoam-pahoriany. Nampianatra ny rain’i Lamônia ny fomba ahafahana ho “aterak’Andriamanitra indray” (Almà 22:15) i Aharôna taorian’ny nahatontosan’i Amôna sy ny Mpanjaka Lamônia ny famotsorana azy ireo. Nianatra ny mpanjaka fa amin’ny alalan’ny fibebahany amin’ny fahotany dia afaka hahafantatra an’Andriamanitra izy ary hahazo fiainana mandrakizay any aoriana any. Nanampy Lamanita marobe ahafantatra an’Andriamanitra sy ny lalan’ny famonjeny ny fahatokian’i Aharôna.

Sary
misiônera ao am-ponja

Almà 21:1–23

Mitory ny filazantsara i Aharôna sy ireo rahalahiny na dia teo aza ny fisedrana sy ny fanagadrana

Mieritrereta fotoana iray izay niezahanao mafy ny hitandrina ny didy kanefa mbola niatrika zava-tsarotra ihany. Dia saintsaino avy eo ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no zavatra nataonao mba ho mahatoky na dia teo aza ny fisedrana natrehanao? Raha manao jery todika izany zavatra niainana izany ianao, toy ny ahoana no nahatsapanao ny fomba nitahian’ny Tompo anao nandritra izany fotoana izany?

Raha mbola nampianatra ny Mpanjaka Lamônia sy ny vahoakany i Amôna (jereo ny Almà 17–19), dia niaina fahoriana goavana i Aharôna sy ireo mpiara-mitory aminy rehefa nikasa ny hampianatra tao amin’ny faritra samy hafa teo amin’ny tany izy ireo. Vakio ny Almà 20:28–30 mba hanaovana topimaso fohy ireo fisedrana nahazo an’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory aminy. Avy eo dia vakio ireo andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Almà 21:1–17 hita ao anatin’ny asa atao eo ambany. Tadiavo ny fomba niatrehan’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory aminy ny fitsapana nahazo azy.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity, mamelà toerana aorian’ny soratra masina tsirairay ho an’ireo toromarikao:

    Olana na Zava-tsarotra

    Ny Fihetsika Nasehon’i Aharôna sy ireo Mpiara-mitory Aminy

    Almà 21:3

    Almà 21:4

    Almà 21:5–6, 8

    Almà 21:7, 9

    Almà 21:10–11

    Almà 21:11–12

    Almà 21:13–14

    Almà 21:15

    Soraty ao amin’ny tsanganana havia amin’ilay tabilao ireo olana na fahasarotana natrehan’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory aminy aorian’ny famakiana ny andinin-tsoratra masina tsirairay. Soraty ao amin’ny tsanganana havanana ny fihetsika nasehon’i Aharôna sy ireo mpiara-mitory aminy. Aorian’izay dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no mety nahatonga azy ireo ho kivy mora foana, tsy manan-panantenana intsony, ary miverina any an-trano any amin’ny toerana mandray azy ireo kokoa eo anivon’ny Nefita?

    2. Ahoana no fomba ahafahantsika, amin’ny maha-misiônera mpikamban’ny Fiangonana antsika, hahazo tombontsoa amin’ity tantara ity?

Vakio ny Almà 21:16–17, ary tadiavo ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Aharôna sy ny rahalahiny hanao ny asany rehefa tsy nilavo lefona tamim-pinoana izy ireo. Mianatra ity fitsipika ity isika amin’ny alalan’i Aharôna sy ny rahalahiny: Hanampy antsika hanao ny asany ny Tompo raha toa ka tsy milavo lefona amim-pahatokiana mandritra ny fisedrana antsika isika. Azonao atao ny manoratra ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika ity.

Eritrereto ireo karazana asa asain’Andriamanitra ataonao ankehitriny sy amin’ny hoavy, sy ireo zava-tsarotra mety atrehinao amin’ny fiezahana manatanteraka ity asa ity. Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity, izay nampianatra fa mety hiaina fizahan-toetra isika rehefa miezaka manao ny asan’ny Tompo:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Asa goavana izany hoe manolo-tanana, sy mampianatra, ary mikasika ireo fanahy sarobidy izay nomanin’ny Raintsika handray ny hafany. Mahalana ny hoe tsotra ny fahitana fahombiazana. Matetika izany dia ialohavan’ny ranomaso, fitsapana, fitokisana ary fijoroana ho vavolombelona. …

“… Mahazo fampaherezana avy amin’ilay fanomezan-toky nataon’ny Mpampianatra ireo Mpanompon’Andriamanitra manao hoe: “Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Manohana anao ity fampanantenana mahafinaritra ity. … Mampionona anao mandritra ny fotoan’ny fahakiviana, izay tonga amin’ny rehetra izany” (“Tears, Trials, Trust, Testimony,” Ensign, mey 1987, 43).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny zavatra niainanao rehefa naharitra tamim-pahatokiana nandritra ny fisedrana ianao. Na azonao atao ny manoratra momba ny drafitra mba ho mahatoky mandritra ny zava-tsarotra misy amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipika ao anatin’ity lesona ity. Manorata ihany koa momba ny toe-javatra hoavy izay mety ilànao faharetana mandritra ny fisedrana rehefa manao ny asan’Andriamanitra ianao.

Vakio ny Almà 21:18–23 ahitana ny zavatra nataon’i Amôna taorian’ny nanampiany an’i Aharôna sy ny rahalahiny tamin’ny famotsorana azy ireo avy tao am-ponja. Tadiavo ireo fomba niovan’ny fiainan’ireo Lamanita satria nampianatra azy ireo ny filazantsara i Amôna.

Mieritrereta mikasika ny fomba nanovan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny fiainan’ny olona iray izay fantatrao. Saintsaino ny fomba hizaranao ny filazantsara amin’ny olona fantatrao, na mieritrereta olona iray izay mety ho voatariky ny ohatr’i Aharôna sy ny rahalahiny. Zarao amin’izany olona izany ny zavatra nianaranao tamin’ny ohatra nasehon’i Aharôna sy ny rahalahiny rehefa naharitra tamim-pahatokiana tamin’ny asan’Andriamanitra izy ireo.

Almà 22

Mino ny filazantsara araka ny nampianarin’i Aharôna ny rain’i Lamônia, izay mpanjaka manerana ny tany rehetra

Tadidio ny fomba nihaonan’i Amôna tamin’ny rain’i Lamônia, izay naverina nojerena tao amin’ny lesona teo aloha. Avereno vakiana ny fangatahana manokana nataon’ny mpanjaka tamin’i Amôna izay voarakitra ao amin’ny Almà 20:27. Eo am-pamakianao ny Almà 22:1-3, dia tadiavo ny fihetsika nasehon’ny mpanjaka tamin’ny fitsidihan’i Aharôna.

Vakio ny Almà 22:4–6, ary tadiavo ny zavatra nanahirana ny rain’i Lamônia Mpanjaka. Halalino ny Almà 22:7–14 ahitana ireo fahamarinana nampianarin’i Aharôna ny rain’i Lamônia.

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto (mety hanampy ny fitadidiana ilay resadresaka mitovitovy amin’izany momba ny Mpanjaka Lamônia ao amin’ny Almà 17–18):

  • Nahoana no nilain’ny mpanjaka ny nino an’Andriamanitra mba hahafahany mahatakatra ny fibebahana?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fahafantarana momba ny Fahalavoana ny mpanjaka hahatakatra ny fibebahana?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra ny Fahalavoan’i Adama sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hahatakarana ny fibebahana?

Halalino ny Almà 22 :15, mba hitadiavana ny zavatra izay nananan’ny rain’i Lamônia fahavononana mba hajanona ahazoany fifaliana sy fiainana mandrakizay, ary mariho ao amin’ny soratra masinao izany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ka tokony hananan’ireo rehetra izay manana faniriana ahafantatra an’Andriamanitra ny fihetsiky ny rain’ny Mpanjaka Lamônia?

Vakio ny Almà 22:16 ahitana ny fomba namalian’i Aharôna ny fanontanian’ny mpanjaka mikasika ny fomba ahazoana ny fiainana mandrakizay. (Asio marika ireo fahamarinana manan-danja hitanao fa nampianarina ao amin’ity andininy ity.) Ahoana no fomba hitarihan’ny fanekena sy fiainana ireo fahamarinana nampianarin’i Aharôna ny olona iray mba hahazo ny fiainana mandrakizay?

Vakio ny Almà 22:17-18, ary tadiavo ny fomba namalian’ny mpanjaka ny torolalan’i Aharôna. Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny rain’ny Mpanjaka Lamônia mikasika ny hoe aterak’Andriamanitra indray?

Azonao atao ny manisy marika ity fehezanteny ao amin’ny Almà 22:18 ity: “Hafoiko ny fahotako rehetra hahafantarako Anao.” Saintsaino ity fahamarinana manaraka ity, ary soraty ao anatin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany: Tsy maintsy vonona ny handao ny fahotantsika rehetra isika mba hiova ara-panahy sy aterak’Andriamanitra.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Manome fanamby antsika hiova ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Ny hafany matetika indrindra dia ny hoe ‘Mibebaha,’ ary ny fibebahana dia midika ho fahafoizana ireo fitondrantenantsika rehetra—manokana, ao amin’ny fianakaviana, ny foko, ary ny firenena— izay mifanohitra amin’ny didin’Andriamanitra. Ny hanova ny olon-tsotra ho lasa olon’ny lanitra no tanjon’ny filazantsara, ary mitaky fiovana izany” (“Repentance and Change,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 37).

Saintsaino izay tokony hataonao eo amin’ny fiainanao ankehitriny mba hiova ara-panahy.

Vakio ny Almà 22:19–22 ahitana ireo tranga niseho taorian’ny vavaky ny mpanjaka. Vakio ny Almà 22:23–27, mba itadiavana izay nataon’ny rain’i Lamônia noho ny fahazoany fiovampo sy ny fandraisany ny Fanahin’ny Tompo ho an’ny tenany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao tamin’ny fandalinana mikasika ny rain’ny Mpanjaka Lamônia momba ny hoe ateraka indray. Hazavao ny fomba heverinao fa hanampian’ny ohatra nasehony an’ireo tanora ankehitriny mba hampisy fiovana eo amin’ny fiainan’izy ireo, hanampiana azy ireo ho aterak’Andriamanitra.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 21–22 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: