Seminera
Fizarana 1: Andro 1, Fandalinana ny soratra masina


Fizarana 1: Andro 1

Fandalinana ny Soratra Masina

Fampidirana

Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hianatra handalina ny soratra masina ary koa hanasa ny Fanahy Masina mba hitondra fitaomam-panahy ary hampianatra anao rehefa manao izany ianao. Ity lesona ity ihany koa dia hampianatra anao fahalalana izay hanampy anao bebe kokoa hahazo ny soratra masina ary hampihatra ireo fampianarana entiny eo amin’ny fiainanao. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia tadiavo ny fomba ahafahanao manasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fandalinanao ny filazantsara.

Mianara amin’ny alalan’ny fandinihana sy amin’ny finoana

Alao sary an-tsaina hoe te hanatsara ny bikanao ianao, ka dia mangataka namana iray mba hanao ireo fanatanjahan-tena eo amin’ny toeranao. Hatraiza ny fiantraikan’ny fanatanjahan-tena ataon’ny namanao eo amin’ny fanatsarana ny bikanao ? Raha ampiharina amin’ny fivoaranao ara-panahy izany ohatra izany, dia toy ny tsy fahafahan’ny olona iray manao fanatanjahan-tena ho an’ny olona iray hafa, no tsy ahafahan’olona iray mianatra ny filazantsara ho an’olona iray hafa. Ny tsirairay amintsika dia tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana ny filazantsara sy ny fivoarantsika ara-panahy.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88 :118, ny Tompo dia namaritra ny fomba fianarana ny filazantsara. Rehefa mamaky izany ianao, tadiavo hoe inona no tokony hataonao mba hianarana ny filazantsara ary fenoy ity fanambarana iray ity : “Katsahonareo ny fianarana amin’ny alalan’ny ary koa amin’ny .”

Ny mikatsaka fahalalana amin’ny fandinihana sy ny finoana dia mitaky ezaky ny tena manokana. Ireo ezaka ataonao mba handalina amim-bavaka ny filazantsara dia hanasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny làlana lalovanao amin’ny fianarana. Anisan’ny fomba hiezahana mafy amin’ny fandalinana ny filazantsara amin’ity taona ity ny mivavaka mba hahatakatra ny hevitra, manatanteraka ireo asa ampanaovina amin’ny seminera, mizara amin’ny hafa ny fijoroanao ho vavolombelona sy ny traikefanao amin’ny fiainana ny filazantsara, ary mampihatra ny zavatra nianaranao eo amin’ny fiainana.

Ny ezaka manan-danja iray izay afaka ataonao mba hanasana ny Fanahy Masina handray anjara amin’ny fianaranao ara-panahy dia ny mandalina ny soratra masina isan’andro. Ny fandalinana ny soratra masina isan’andro dia manampy anao haheno ny feon’ny Tompo miteny aminao (jereo ny F&F 18 :34–36). Ny Loholona Robert D. Hales avy ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampanantena hoe: “Rehefa tiantsika hiresaka amintsika [Andriamanitra], dia mandalina ny soratra masina isika; satria ny Teniny dia voalaza amin’ny alalan’ny Mpaminaniny. Hampianatra antsika izy avy eo raha mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika” (“Holy Scriptures: The Power of God unto Our Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 26–27).

Rehefa mamaky ny soratra masina ianao ary manasa ny Fanahy Masina ho ao amin’ny fandalinana ataonao, dia handray ny fitahian’ny fitomboana ara-panahy bebe kokoa, fanakaikezana an’Andriamanitra, fanambarana lehibe kokoa eo amin’ny fiainanao, miampy hery entina manohitra ny fakam-panahy, ary fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Fandalinana ny soratra masina

Ny Filoha Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia namaritra ny tanjona fototra ho an’ny soratra masina raha niteny izy hoe: “Ny soratra masina dia nosoratana mba hitandro ireo fitsipika mba hahasoa antsika” (“Records of Great Worth,” Ensign, sept. 1980, 4). Mianatra ireo fitsipika sy fotopampianaran’ny filazantsara isika rehefa mandalina ny soratra masina. Ireo fitsipika sy fotopampianarana ireo dia hitarika antsika raha ampiharintsika amin’ny fiainantsika izy ireo.

Sary
vatosoa

Mitaky ezaka sy fampiharana ny fitadiavana ireo fitsipika sy fotopampianarana sarobidy izay voarakitra ao amin’ny soratra masina. Ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’nyApôstôly Roambinifolo dia nampitaha ny fandalinana ny soratra masina amin’ny asa fitrandrahana vatosoa sarobidy: “Tadiavo ireo diamondran’ny fahamarinana izay indraindray mila trandrahana tsara ao amin’ireo pejin’ny [soratra masina]” (“Four Fundamentals for Those Who Teach and Inspire Youth,” in Old Testament Symposium Speeches, 1987 [1988], 1). Ny dingana arahina amin’ny fandalinana, na fitrandrahana, ny soratra masina dia ahitana fizarana telo manan-danja: (1) tokony hahatakatra ny zava-miseho sy toe-javatra manodidina ny soratra masina isika, (2) tokony hamantatra ireo fitsipika sy fotopampianarana izay ampianarina isika, ary (3) tokony hampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainantsika koa.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Inona no itovizan’ny mpitrandraka iray izay mitady diamondra sy ny olona iray mandalina ny soratra masina hikaroka ireo fitsipiky ny filazantsara sy hampihatra izany amin’ny fiainany?

Mahatakatra ny zava-miseho sy ny toe-javatra manodidina ny soratra masina

Ny fahatakarana ny zava-miseho sy ny toe-javatra manodidina ny andalan-tsoratra masina iray dia manomana anao hahafantatra ilay hafatry ny filazantsara izay fonosiny. Ny Filoha Thomas S. Monson dia nanoro hevitra hoe: “Fantaro ireo lesona ampianarin’ny soratra masina. Ianaro ny zava-miseho sy ny toe-java-misy. … Ianaro izany tahaka ny hoe miteny aminao mihitsy, satria izany tokoa no fahamarinana” (“Be Your Best Self,” Ensign na Liahona, mey 2009, 68).

Rehefa mamaky ny soratra masina, dia ilaina ny mametraka ny fanontaniana toy ny hoe: “Iza no nanoratra ireo andininy ireo?” “Nosoratana ho an’iza izy ireo?” “Inona no mitranga eto amin’ ity tantara ity?” ary “Nahoana ny mpanoratra no nanoratra ireo andininy ireo?” Ireo sasin-tenin’ny toko (ilay famintinana voasoratra amin’ny soramandry amin’ny fiandohan’ny toko tsirairay) dia ahitana amin’ny ankapobeny ny zava-mitranga ao amin’ilay toko ary indraindray mamaly ireo fanontaniana ireo.

Manampy ihany koa ny fijerena ireo teny sarotra na tsy mahazatra ao amin’ny rakibolana. Raha misy fehezanteny na andalan-tsoratra masina iray tsy mazava, dia afaka manampy anao hahazo izany bebe kokoa ny fijerena ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy.

Mba ho fanazarana amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo, dia vakio ny 3 Nefia 17:1–10, ary tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto: Iza no niteny? Iza no niresahany? Inona no zava-nitranga? Tadidio ny mijery ny sasin-tenin’ny toko mba hahitana amin’ny ankapobeny ny zavatra izay miseho.

  1. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ny 3 Nefia 17:1, valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Inona no tian’i Jesoa ambara raha niteny izy hoe: “Antomotra ny fotoako”?

  2. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, amin’ny teninao manokana izay zavatra niseho raha niomana ny handao ny valalabemandry ny Mpamonjy. Nahoana Izy no nijanona? Inona no nataony ho an’ ireo vahoaka?

Fantaro ireo Fotopampianarana sy ireo Fitsipika

Ireo fotopampianarana sy ireo fitsipika dia mandrakizay, fahamarinan’ny filazantsara tsy miova izay manome torolalana ho an’ny fiainantsika. Ireo mpaminany taloha dia mampianatra antsika ireo fahamarinana ireo amin’ny alalan’ny zava-mitranga, tantara, na toriteny izay raketin’izy ireo ao amin’ny soratra masina.

Rehefa mahazo ny zava-miseho sy ny toe-javatra misy ao amin’ilay andalan-tsoratra masina ianao, dia vonona ny hahafantatra ny fotopampianarana sy ny fitsipika izay ampianariny. Ny Loholona Richard G. Scott dia nanome fomba mahomby hahatakarana ireo fitsipika: “Ireo fitsipika dia fahamarinana mitambatra, natambatra mba ho ampiharina amin’ny karazan-java-mitranga maro samihafa. Ny fitsipika marina iray dia mampazava ny fanapahan-kevitra na dia ao anatin’ny toe-javatra tena mampikorontan-tsaina sy feno faneriterena aza. Mendrika ny hanaovana ezaka lehibe ny fandaminana ireo fahamarinana izay angonintsika mba ho lasa filazana ny fitsipika amin’ny fomba tsotra” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, nov. 1993, 86).

Misy amin’ireo fitsipiky ny filazantsara no tonga mazava amin’ny fampiasana ny andian-teny toy ny hoe “ary dia toy izany no ahitantsika” na “na dia eo aza izany.” Ny ankamaroan’ireo fitsipika anefa dia tsy voalaza mivantana. Ho solon’izany kosa dia miseho amin’ny fiainan’ny olona ao amin’ny soratra masina izy ireo. Ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo dia afaka fantarina raha manontany tena ianao hoe: “Inona no anatra entin’ity tantara ity?” “Nahoana no nampidirin’ilay mpanoratra ity tantara na zava-mitranga ity?” “Inona no zavatra tadiavin’ilay mpanoratra hianarantsika?” ary “Inona ireo fahamarinana izay ampianarina amin’ity andalan-tsoratra masina ity?”

  1. Mba ho fanazarana amin’ny famantarana ny sasany amin’ireo fitsipika sy fotopampianarana izay ampianarina ao amin’ny 3 Nefia 17:1–10 dia manorata valiny ho an’iray amin’ny asa a na b ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina. Tadidio ny mamaky ny sasin-tenin’ny toko mba hahitana fampahafantarana fohy an’ilay toko.

    1. Iza no miteny ao amin’ireo andininy ireo? Iza no iresahany? Inona no anatra na zavatra tiana hahatongavana ao amin’ny 3 Nefia 17:1–10?

    2. Inona no sasany amin’ireo zavatra izay tian’ny mpanoratra ny andininy 1, 5–6, sy 9–10 hianarantsika avy amin’ilay tantara? Inona no sasany amin’ireo fahamarinana manan-danja izay nianaranao avy amin’ireo andininy ireo?

Ny iray amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara izay mety hitanao dia ny hoe: Ny Tompo dia mamaly ny faniriantsika marina mba hanatona Azy bebe kokoa.

Ampiharo ireo Fotopampianarana sy Fitsipika

Rehefa avy namantatra ireo fotopampianarana sy fitsipika ianao, dia vonona ny hanatanteraka sy hanao zavatra mikasika izany. Rehefa manatanteraka ny zavatra nianaranao ianao, dia hahatsapa ny Fanahy Masina mijoro ho vavolombelona ny fahamarinan’ilay fitsipika (jereo ny Moroni 10:4–5). Ny lesona rehetra ampianarina ao an-tokantrano, any amin’ny seminera sy any am-piangonana, sy ao amin’ny asa ampanaovina amin’ny “Devoir envers Dieu” sy ireo traikefa ao amin’ny “Mon Progrès Personnel” dia natao hanampy antsika hanatanteraka izay nampianarina antsika.

Sary
Filoha Thomas S. Monson

Ny Filoha Thomas S. Monson dia nilaza fa: “Ny tanjon’ny fampianarana ny filazantsara … dia tsy ny ‘handrotsaka fampahalalana’ ao an-tsain’ireo[mpianatra]. … Ny tanjona dia ny hanentana ny fanahin’ny tsirairay hisaintsaina mikasika ny fiainana ny fitsipiky ny filazantsara, sy hahatsapa izany ary avy eo handray andraikitra mikasika izany” (ao amin’ny Conference Report, oct. 1970, 107).

Mba hanampy anao hampihatra ny fitsipika izay nianaranao, dia mametraha fanontaniana toy ny hoe: “Inona no tian’ny Tompo hataoko manoloana ity fahalalana ity?” “Inona ny fahatsapana ara-panahy izay voaraiko mba hanampy ahy hihatsara kokoa?” “Inona no fiovana mety ho entin’ity fitsipika ity ao amin’ny fiainako?” “Inona no afaka atomboko na ajanoko ankehitriny mba hananako fiainana mifanaraka amin’ity fahamarinana ity?” “Amin’ny fomba ahoana no hahatsara kokoa ny fiainako raha toa manao izay ampianarin’ity soratra masina ity aho?”

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ao anaty lahatsoratra fohy ny fomba hampiharanao fitsipika na fotopampianarana iray izay nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 17:1–10.

Fahaiza-manao sy Fomba Fandalinana ny Soratra Masina

Ny fampiasana ireto fahaiza-manao sy fomba fandalinana manaraka ireto dia hanampy anao hahatakatra ny zava-miseho ao amin’ny soratra masina ary mamantatra sy mampihatra ny fotopampianarana sy fitsipika izay ampianarina ao amin’izany. Ireny fomba ireny dia ho voalaza hatrany ao anatin’ity torolalana ity. Vakio ny fahaiza-manao tsirairay, ary misafidiana iray na roa izay tsapanao fa ilainao ny mampiasa azy matetika amin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina.

Antony sy Vokatra.Tadiavo ny fifandraisan’ny hoe raha-dia sy satria-noho izany. Ohatra: 2 Nefia 13:16–26; Almà 34:33.

Soratra masina mifandray. Avondrony, ampifanohizo, na atambaro ireo soratra masina mba hanazavana ny heviny sy hitondra fahatakarana. Ohatra, ampitahao ny Môsià 11:2–6, 14 sy ny Deoteronomia 17:14–20. Afaka mampiasa ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ihany koa ianao mba hahitana ireo fanoroana soratra masina mifandrohy. Ohatra: 3 Nefia 12:28–29, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 29a, dia mitondra mankany amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 42:23.

Famaritana ny toe-javatra misy. Farito ny hoe iza, inona, oviana, ary aiza amin’ny zava-mitranga ao amin’ny soratra masina. Ohatra: Almà 31:1, 6–11; 32:1–6 dia maneho ny toe-javatra misy ao amin’ny Almà 32:21–43.

Teny Manan-danja. Ny teny sy andian-teny toy ny hoe “na dia eo aza izany” na “ary dia toy izany no ahitantsika” dia mitaona antsika hiato sy hitady fanazavana momba ny zavatra izay voasoratra. Ohatra: Almà 30:60; Helamàna 6:35–36; 3 Nefia 18:30–32.

Fanisiana marika ao amin’ny Soratra masina. Lokoy miavaka, ataovy anaty boribory, na tsipiho ireo teny sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masinao izay nanome heviny manokana ho an’ilay andininy. Manorata ihany koa eritreritra, fahatsapana, hevitra, na fitsipika manan-danja fohy eo amin’ny sisiny tsy misy soratra ao amin’ny pejy. Izany dia hanampy anao hahatadidy izay nahatonga ilay soratra masina ho manan-danja aminao.

Fanolosoloana ny Anarana. Ampidiro amin’ny iray amin’ireto soratra masina ireto ny anaranao. Ohatra: Soloy ny anaranao ny an’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 3:7.

Misaintsaina. Ny dikan’ny hoe misaintsaina dia mieritreritra lalina momba ny zavatra iray. Ny fisaintsainana dia mitaky fametrahana fanontaniana sy fandinihana izay zavatra fantatrao sy izay nianaranao. Ny fandinihana dia mazàna mitarika amin’ny fahalalana ny fomba hampiharana fitsipika iray ao amin’ny fiainanao.

Teny miverimberina. Mety ho manan-danja ho an’ireo mpamaky ny mifantoka amin’ireo teny na andian-teny izay miverimberina. Ireny no entina mamantatra izay tsapan’ny mpanoratra ho manan-danja. Ohatra: Ny teny hoe mahatsiravina ao amin’ny 2 Nefia 9:10, 19, 26–27, 39, 46–47; ny teny hoe mahatsiaro ao amin’ny Helamàna 5:6–14.

Fahasamihafana ao amin’ny Soratra Masina. Indraindray ireo mpaminany dia mitantara vahoaka, hevitra, na toe-javatra isan-karazany amin’ny andaniny sy ankilany. Ny fahasamihafana misy eo amin’ireo roa tonta no mahamora ny famantarana sy fahazoana ireo fitsipiky ny filazantsara manan-danja izay ampianarina. Tadiavo ireo fahasamihafana misy ao amin’ny andininy iray, na vondron-tsoratra masina, na toko. Ohatra: 2 Nefia 2:27; Almà 47–48.

Lisitra ao amin’ny Soratra Masina. Ny fitadiavana ireo lisitra ao amin’ny soratra masina dia afaka manampy anao bebe kooa hahatakatra izay tian’ny Tompo sy ireo mpaminaniny hampianarina. Rehefa mahita lisitra ianao, dia mety ho tianao ny mitanisa ny zavatra tsirairay ao amin’izany. Ohatra: Ny lisitry ny fomba ratsy fanao teo anivon’ny Nefita hita ao amin’ny Helamàna 4:11–13.

Tandindona ao amin’ny Soratra Masina. Ny teny toy ny hoe toy, tahaka ny, na mitovy amin’ny dia manampy amin’ny fitadiavana ireo tandindona. Andramo ny mamantatra izay tian’ny tandindona ambara. Ampiasao ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ho fanampiana anao hahita ny hevitr’ilay tandindona. Ohatra: Ampitahao ny Jakôba 5:3, 75–77 sy ny Jakôba 6:1–7.

Fakàna sary an-tsaina. Alaivo sary an-tsaina izay zavatra mitranga rehefa mamaky ianao. Mametraha fanontaniana momba ny zavatra mitranga, ary alaivo sary an-tsaina hoe manatrika eo ianao rehefa mitranga izany. Ohatra: Andramo alaina sary an-tsaina izay zavatra mitranga ao amin’ny Enôsa 1:1–8.

Famaritana ny teny. Matetika ny soratra masina dia mampiasa teny izay tsy mahazatra antsika. Rehefa mahita teny tsy mahazatra ianao, dia ampiasao ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, na ny rakibolana tsotra mba hahitana ny hevitr’izany.

  1. Misafidiana ary manaova iray amin’ireo fahaiza-manao avy ao amin’ny fizarana mikasika ny “Fahaiza-manao sy Fomba Fandalinana ny Soratra Masina.” Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nanampian’ilay fahaiza-manao anao tamin’ny fandalinanao manokana ny soratra masina.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny lesona “Fandalinana ny Soratra Masina” aho ary nahavita izany tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: