Seminera
Fizarana 20: Andro 4, Almà 43–44


Fizarana 20: Andro 4

Almà 43–44

Fampidirana

Nanomboka nanoratra momba ireo ady teo amin’ny Lamanita sy ny Nefita i Môrmôna ao amin’ny Almà 43–44. Nikambana tamin’ny miaramila Lamanita hanafika ny Nefita ny Zôramita raha mbola nanohy nitory tamin’ny vahoaka i Almà sy ireo zanany lahy. Nampiseho finoana sy fahendrena tamin’ny fiarovana ny Nefita tamin’ny miaramila Lamanita ny Kapiteny Môrônia. Nanome tombony ny Nefita tamin’ny ady ny fiomanan’ny miaramila sy ny finoana an’i Jesoa Kristy na dia tsy tambo ho isaina aza ny miaramila Lamanita. Nanao fanekempihavanan’ny fandriampahalemana sy niala ivelan’ny tany nandritra ny vanim-potoana iray ny Lamanita rehefa fantany fa ho resy izy ireo.

Almà 43

Nanampy tamin’ny fanimbana ireo drafitry ny miaramila Lamanita ireo fiomanana sy paikadin’i Môrônia

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasantsasany amin’ireo drafitra, tanjona, ary fanirianao amin’ny hoavy. Eo am-panoratanao izany dia asio tanjona sy faniriana ara-panahy ao anatin’izany, toy ny asa fitoriana, fanambadiana any amin’ny tempoly, ary fianakaviana.

Sary
mpivady tanora eo akaikin’ny tempoly

Rehefa vita ny fanoratanao lisitra dia fantaro ireo faniriana sy tanjona tsapanao fa tsy tian’i Satana hotanterahinao. Eo am-pandalinanao ny Almà 43–44 dia mitadiava fitsipika izay hanampy anao hanatanteraka ireo tanjona marina anananao na dia eo aza ireo ezaky ny fahavalo hanakana ny fahombiazanao.

Ao amin’ny Almà 43:1–4, dia maro tamin’ireo Lamanita no nikambana tamin’ny Zôramita tamin’ny fiomanan’izy ireo hanafika ny Nefita na dia teo aza ireo ezaka nataon’i Almà hitondra indray an’ireo Zôramita ho ao amin’ny Fiangonana. Vakio ny Almà 43:5–8, ary fantaro ireo “drafitra” an’ilay mpitarika Lamanita antsoina hoe Zerahemnà. Azonao atao ny manasongadina ireo tanjon’i Zerahemnà rehefa hitanao izy ireo. Saintsaino ny fomba mety hampitovy ireo drafitra na fanirian’i Zerahemnà ho an’ny Nefita amin’ireo drafitra mety hananan’i Satana ho anao.

Vakio avy eo ny Almà 43:9–11, ary fantaro ireo drafitra na fanirian’ny Nefita. Saintsaino ankehitriny ny fomba mety hampitovy ireo faniriana ireo amin’ireo faniriana tsara anananao.

Nanomana ny vahoakany hiaro ny taniny sy ny fianakaviany tamin’ireo tanjona ratsin’i Zerahemnà ny Kapiteny Môrônia, ilay kapiteny lehiben’ireo miaramila Nefita. Vakio ny Almà 43:16–19 mba hitadiavana ireo fiomanana nataon’ny Kapiteny Môrônia sy ny Nefita.

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sarin’ny roa amin’ireo zavatra nomen’i Môrônia ny lehilahiny hanomanana azy ireo amin’ny ady.

Vakio ary izao ny Almà 43:20–22 ahitana ny fihetsiky ny Lamanita tamin’ny fiomanan’ny Nefita. Saintsaino ny antony nihemoran’ny Lamanita tamin’ny fanafihan’izy ireo na dia tsy tambo ho isaina aza izy ireo raha mitaha amin’ny Nefita.

Eo am-pandalinantsika ireo tantaran’ny ady ara-batana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia azontsika ampitoviana amin’ny ady ara-panahy atrehantsika izy ireny.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ireo fiomanan’i Môrônia tamin’ny ady mikasika ny fiarovana ny tenanao amin’ireo fanafihana sy fakam-panahin’i Satana?

Taorian’ny nihemoran’ny Lamanita dia tsy fantatr’i Môrônia ny toerana manaraka hotafihan’ny fahavalony. Raha toa ka i Môrônia ianao, inona no mety hataonao hiomanana amin’ny fanafihana hafa?

Vakio ny Almà 43:23–24 ahitana ny zavatra nataon’i Môrônia.

Afaka mianatra izao manaraka izao avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia isika: Afaka manana fahafahana hiaro ny tenantsika bebe kokoa amin’ny fahavalo isika rehefa mikatsaka sy manaraka ny torohevitra avy amin’ny mpaminany. Tahaka ny nahafahan’ny mpaminany Almà niteny tamin’i Môrônia ny fomba hiarovana ny Nefita tamin’ny fahavalony dia mampianatra antsika mba hiaro ny tenantsika amin’ireo fanafihana ara-panahy ataon’ny fahavalo ireo mpaminan’ny Tompo ankehitriny.

  1. Manorata fehezanteny vitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny torohevitra avy amin’ny mpaminany izay nomena tamin’izao andro farany izao, izay afaka manampy anao hiaro ny tenanao amin’ireo drafitr’i Satana sy ny fakam-panahiny raha toa ka henoinao izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 43:25–43 dia niasa araka ny fahalalana noraisina avy tamin’ny mpaminany i Môrônia tamin’ny alalan’ny fizarany ny tafiny sy ny fanafenany azy ireo teny amin’ny lalan’ireo Lamanita izay nanatona. Rehefa nanatona ny Lamanita dia nanafika ny antsasak’ireo miaramila Nefita ary nitondra ny Lamanita tany amin’ny reniranon’i Sidôna izy ireo. Nanafika ny antsasany tamin’ny miaramila Nefita taorian’ny niampitan’ny Lamanita ilay renirano. Rehefa hitan’ireo Lamanita fa voahodidina izy ireo dia niady tamin’ny habibiana tokoa ka dia nanomboka tsy nahatoky teny ny Nefita.

Afaka mianatra fitsipika mikasika ny fomba hanatanterahana ireo tanjona tsara sy ireo fanirianao avy amin’ny fandalinana ny ambiny amin’ny Almà 43 ianao. Vakio ny Almà 43:43–54, ary ampitahao ny loharanon’ny tanjaky ny Lamanita sy ny Nefita.

Saintsaino izay naha-tsara kokoa ny antony niadian’ny Nefita raha ampitahaina amin’ny an’ny Lamanita. Rehefa mampitaha an’i Môrônia sy ny miaramila mahatokiny amin’ny adintsika amin’ny fahavalo isika dia mianatra fa hanampy antsika hanatanteraka ireo drafitra sy faniriana tsara ananantsika Andriamanitra rehefa mangataka fanampiana Aminy amin’ny fanatontosana izany isika.

  1. Manorata momba ny fotoana iray izay niainanao ny fanampian’ny Tompo tamin’ny fanatontosanao ireo tanjona tsara nanananao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Almà 44

Nandidy ny Lamanita hanao ny fanekempihavanan’ny fandriampahalemana ny Kapiteny Môrônia taorian’ny fandresen’ny Nefita.

Tadidio fa ao amin’ny Almà 43 dia nandidy ny lehilahiny hampitsahatra ny ady ny Kapiteny Môrônia rehefa nahita fa voahodidina sy natahotra ny Lamanita. Vakio ny tenin’i Môrônia ao amin’ny Almà 44:1–6, ary tadiavo hoe ho an’iza no nanoloran’i Môrônia ny fandresen’ny Nefita.

  1. Miainga avy amin’ny fijoroan’i Môrônia ho vavolombelona ao amin’ny Almà 44:4–6 dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahamarinana iray izay mety hanampy anao hiatrika ireo adinao ara-panahy.

Sary
zatovolahy iray mivavaka

Nampanantena ny zatovo ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa hiaro azy ireo ny Tompo rehefa mijanona ho mahatoky izy ireo. Eo am-pamakianao ny teniny dia asongadino ireo ampahany izay mankahery anao sy izay tsapanao fa azo ampiharina aminao.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Mihalehibe ao amin’ny tanin’ny fahavalo ny zatovo ankehitriny miaraka amin’ireo fitsipika ara-pitondrantena izay mivaralila fatratra. Kanefa amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo ahy dia mampanantena anareo aho fa ho voaro sy hanana fitaovam-piarovana amin’ireo fanafihana ataon’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika izay avy amin’ny Fanahy Masina.

“Manaova fitafy maotina; miresaha amim-panajana, mihainoa hira manandratra ny fanahy. Halaviro ny fahavetavetana sy ireo fomba fanao manimba ny tena manokana. Raiso an-tanana ny fiainanareo ary miezaha ho mahatoky. Hotahiana tokoa ianareo satria miantehitra mafy aminareo izahay. Mitsinjo anareo hatrany ny Ray any An-danitra be fitiavana” (“Torohevitra ho an’ny tanora,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 18).

Nanambara i Zerahemnà ao amin’ny Almà 44:7–10 fa tsy nino izy fa Andriamanitra no loharanon’ny tanjaky ny Nefita. Nanaiky ny hanarian’ny Lamanita ny fitaovam-piadiany izy, kanefa nandà ny hanao ny fanekempihavanan’ny fandriampahalemana. Vakio ny navalin’i Môrônia ao amin’ny Almà 44:11. Eritrereto ny antony maha zava-dehibe tamin’i Môrônia ny nampanaovana ny Lamanita izany fanekempihavanan’ny fandriampahalemana.

Raha toa ka betsaka ny Lamanita nanao ny fanekempihavanan’ny fandriampahalemana dia nanangona ny ambin’ny olony hifanditra tamin’ny miaramilan’i Môrônia kosa i Zerahemnà. Rehefa nanafika ny Lamanita ka nanomboka namono azy ireo ny Nefita dia nahita i Zerahemnà fa mananontanona ny faharinganan’ny miaramilany ka nampanantena ny hanao ny fanekempihavanan’ny fandriampahalemana (jereo ny Almà 44:12–20).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ampiharanao ny sasany amin’ireo fitsipika sy fahamarinana izay nianarana tato amin’ity lesona ity hiarovanao ny tenanao amin’ny fakam-panahy sy ny fanafihan’ny fahavalo sy hanatontosanao ireo tanjona sy faniriana tsara anananao.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 43–44 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: