Seminera
3 Nefia


Fampahafantarana ny 3 Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny 3 Nefia ianao dia hianatra mikasika ny tenin’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony nandritra ny Asa fanompoana nataony teo anivon’ny vahoaka tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Nantsoin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana hoe “Filazantsara fahadimy” an’ny Tompo ny 3 Nefia satria, tahaka ireo Filazantsara efatra ao amin’ny Testamenta Vaovao, dia miompana amin’ireo fampianarana sy asa fanompoan’i Jesoa Kristy mivantana izany (jereo ny Gordon B. Hinckley, “The Cornerstones of Our Faith,” Ensign, nôv. 1984, 52). Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson fa ny “3 Nefia dia mirakitra ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina mampihetsi-po sy mahery vaika indrindra ao amin’ny soratra masina rehetra. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny ary ireo fotopampianaran’ny famonjena izany” (“The Savior’s Visit to America,” Ensign, mey 1987, 6). Rehefa mahita ny fomba nanehoan’i Jesoa Kristy fangorahana tamin’ny vahoaka “tsirairay” (3 Nefia 11:15; 17:21) ianao dia ho takatrao bebe kokoa ny fieritreretany ny momba anao manokana. Afaka mianatra lesona manan-danja ihany koa ianao amin’ny fandinihana ny fomba niomanan’ny vahoaka sasany hihaona amin’ny Mpamonjy, raha ny hafa kosa tetsy ankilan’izay dia nanakana ny tenan’izy ireo tsy hahazo fitahiana mahatalanjona.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Namintina rakitsoratra avy tamin’ireo takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna mba handrafetana ny bokin’i 3 Nefia. Nampitondraina ny anaran’i Nefia, zanakalahin’i Nefia, io boky io ary ny faharetan’ny asany dia nanomboka tany alohan’ny nisehoan’ny Mpamonjy tamin’ny vahoaka, sy nandritra io fotoana io ary taty aorian’io. Nandritra ilay fotoam-paharatsiana lehibe izay nialoha ny fitsidihan’i Jesoa Kristy, dia nanompo “tamin-kery sy fahefana lehibe” i Nefia (3 Nefia 7:17). Ny asa fanompoana nataon’i Nefia anefa dia fampidirana fotsiny ihany mankamin’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy, izay ny teniny sy ny asany no fototra hiompanan’ny 3 Nefia. Teo ampanaovan’i Môrmôna ny famintinany ny rakitsoratr’i Nefia dia nampidiriny ihany koa ny fanamarihany sy ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ity boky ity (jereo ny 3 Nefia 5:8–26; 26:6–12; 29–30).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ireo rakitsoratra tany am-piandohana izay nampiasaina mba ho loharano nisintonana ny bokin’i 3 Nefia dia nosoratana tokotokony ho teo anelanelan’ny 1 Talohan’i J.K. sy 34 Talohan’i J.K. Nofintinin’i Môrmôna ireo rakitsoratra ireo teo ho eo anelanelan’ny 345 Taorian’i J.K.sy 385 Taorian’i J.K.. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’ny fotoana nananbarany ity boky ity.