Seminera
Fizarana 24: Andro 1, 3 Nefia 1


Fizarana 24: Andro 1

3 Nefia 1

Fampidirana

Talohan’ny nialany ilay tany dia nomen’ny mpaminany Nefia (zanakalahin’i Helamàna) an’i Nefia zanany lahimatoa ireo rakitsoratra. Namolavola tetika ireo tsy mpino hamonoana ireo izay nahatoky raha toa ka tsy tanteraka tao anatin’ny andro iray voatondro ireo faminaniana mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Rehefa nitalaho tamin’ny Tompo ho an’ireo mpino i Nefia dia tonga taminy ny feon’ny Tompo izay nanambara fa homena tamin’io alina io ny famantarana ny fahaterahany. Ho fanatanterahana ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita dia tsy nisy ny haizina rehefa nilentika ny masoandro ary nisy kintana iray vaovao niseho. Na dia teo aza ny fikasana tsy ankiato nataon’i Satana handravana ny finoan’ny vahoaka, “ny ankamaroan’ ny olona dia nino sy niova fo ho an’ny Tompo” (3 Nefia 1:22).

3 Nefia 1:1–26

Tanteraka ireo faminaniana mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ary Nefita maro ny niova fo

Sary
Rahampitso Aho dia ho Tonga eo amin’ izao Tontolo izao

Mieritrereta olona vitsivitsy ao amin’ny soratra masina na teo amin’ny tantaran’ny Fiangonana izay nahafoy ny ainy ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nahoana izy ireo araka ny eritreritrao no vonona hanao izany fahafoizana izany?

Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 1 dia nisy andiana Nefita mahatoky izay tsy maintsy nanapa-kevitra hoe vonona ve izy ireo ny hahafoy ny ainy mba hijanonana ho mahatoky amin’ny finoany. Ity toko ity dia manomboka amin’ny fanazavana fa nomen’i Nefia ny zanany lahy izay Nefia koa no anarany, ireo rakitsoratra masina, ary avy eo izy dia nandeha niala ny tany (jereo ny 3 Nefia 1:1–3). Aorian’izay io toko io dia mitantara ny fizahan-toetra ny finoana izay niainan’ny Nefita maro.

Vakio ny 3 Nefia 1:4–9 ary tadiavo ireo toe-javatra sarotra natrehin’ireo Nefita mahatoky. Mety ho toy ny ahoana no ho fahatsapanao raha ianao no i Nefia ka efa tonga ny fotoana izay hamonoana tsy ho ela ireo mpino? Saintsaino vetivety hoe nahoana ny olona sasany no ho sahirana vao tafajanona ho mahatoky ao anatin’ny toe-javatra tahak’izany.

Vakio ny 3 Nefia 1:10–12 ary tadiavo izay nataon’i Nefia tamin’io fotoana sarotra dia sarotra io. Vakio ny navalin’ny Tompo tamin’i Nefia ao amin’ny 3 Nefia 1:13–14. Azonao atao ny manisy marika ilay fehezanteny ao amin’ny 3 Nefia 1:13 izay milaza ity fitsipika ity: Hanatanteraka ny teniny rehetra izay nasainy nolazain’ireo mpaminaniny ny Tompo.

  1. Ezaho alaina sary an-tsaina izay mety ho fihetseham-pon’i Nefia raha vantany vao nomena ilay famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe ahoana no mety ho fihetsikao raha nanatrika teo ianao tamin’izany fotoana izany. Mety ho nanao ahoana no ho fahatsapana nanananao araka ny eritreritrao raha toa ka ianao no Nefia ka vao avy nitranga ilay famantarana?

Vakio ny 3 Nefia 1:4, 14–15, 19–21 ary tadiavo ireo andian-teny fanampiny izay manantitrantitra ny fifanjohin’ny Tompo amin’ny fanatanterahana ny tenin’ireo mpaminaniny. Azonao atao ny manisy marika ireo andian-teny ireo ao amin’ny soratra masinao. Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 1:14 dia mety hanampy ny mahatakatra fa ilay Olona izay niteny dia nitana anjara asa roa, ary niteny avy amin’ireo toetra roa maha-Izy Azy ireo: amin’ny maha-Jehovah Azy (izay ny Ray noho ny fanomezam-pahefana avy amin’Andriamanitra) sy amin’ny maha-Jesoa Kristy Azy, ilay ho tonga Zanak’Andriamanitra mety maty ety an-tany afaka fotoana fohy.

Mba hahitana ny fomba nahatanteraka ireo faminaniana momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy dia soraty eo amin’ny tsanganana ankavia eo amin’ity tabilao manaraka ity ny faminaniana nomen’i Samoela ilay Lamanita. Soraty ao amin’ny tsanganana ankavanana avy eo ilay andininy avy ao amin’ny 3 Nefia 1 sy famaritana fohy momba ny fahatanterahany.

Ireo Faminanian’i Samoela ilay Lamanita

Fahatanterahany

faminaniana voalohany (Helamàna 14:3–4):

3 Nefia 1:

faminaniana faha 2 (Helamàna 14:5):

3 Nefia 1:

faminaniana faha 3 (Helamàna 14:6):

3 Nefia 1:

faminaniana faha 4 (Helamàna 14:7):

3 Nefia 1:

Eo am-pamakianao ny 3 Nefia 1:16–18 dia jereo ny fihetsika nasehon’ireo ratsy fanahy rehefa nitranga ireo famantarana. Azonao atao ny manisy marika ny fihetsik’izy ireo. Hitantsika ao amin’ny 3 Nefia 1:18 fa “nanomboka natahotra … noho ny helony sy ny tsy finoany” ny olona sasany. Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba hitarihan’ny fahotana sy ny tsy finoana mankany amin’ny tahotra?

Vakio ny 3 Nefia 1:22–23 ary tadiavo ny zavatra nezahin’ny devoly natao taorian’ny nanomezana ireo famantarana ny fahaterahan’ny Tompo. Fenoy ity fehezanteny manaraka ity mba hilazana ny fitsipika hitanao ao amin’ny andininy 22: Rehefa mifanehitra amin’ny laingan’i Satana isika dia afaka misafidy ny .

Ny Eveka Richard C. Edgley, izay nanompo tao amin’ny Episkôpà Mpiahy dia nanome torohevitra mikasika ny fihetsika azontsika haseho mandritra ny fizahan-toetra ny finoantsika. Asio marika izay teny na andian-teny nambarany ka mamporisika anao hisafidy ny hino na dia eo aza ireo ahiahy izay hakan’i Satana fanahy anao:

Sary
Eveka Richard C. Edgley

“Noho ny fifandirana sy ny olana izay atrehintsika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia te hanolotra safidy tokana aho—ny fisafidianana ny fiadanana sy ny fiarovana, safidy izay mety ho an’ny rehetra. Izany safidy izany dia ny finoana. Fantaro fa ny finoana dia tsy fanomezana maimaim-poana izay omena tsy ilana fieritreretana na faniriana na ezaka. … Hoy ny Mpamonjy hoe: ‘Mankanesa aty Amiko’ (Matio 11:28) ary ‘Dondòny, dia [homena] ianareo’ (Matio 7:7). Ireo dia matoanteny milaza asa—mankanesa, dondòny. Safidy izy ireo. Ka hoy aho hoe fidio ny finoana. Fidio ny finoana toy izay ny fiahiahiana, fidio ny finoana toy izay ny tahotra, fidio ny finoana toy izay ny zavatra tsy fantatra sy ny zavatra tsy hita, ary fidio ny finoana toy izay ny fieritreretana zavatra ho ratsy. …

“… Rehefa mifandona amin’ny fampianarana sy fotopampianarana masina ny rafi-pisainana sy ny saina ary ny fahalalan’ny tena manokana, na maniratsira ny finoanao ireo hafatra mifanohitra dia … mifidiana ny tsy hanary ilay voan’ny [finoana] ao am-ponao noho ny tsy finoana. Tadidio fa tsy mahazo fijoroana ho vavolombelona isika raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoantsika (jereo ny Etera 12:6)” (“Finoana—Anao ny Safidy,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 31–33).

  1. Inona no lainga sy fitaka voizin’ny devoly amin’izao fotoana izao mba hiezahana hanamafisana ny fon’ny olona hanohitra ny fahamarinana? Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay azonao atao mba hihazonana ny finoanao an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny na dia amin’ny fotoana hiezahan’i Satana hanaovana izay hahatonga anao hiahiahy ny finoanao aza.

Vakio ny 3 Nefia 1:24–25 ary mitadiava zava-tsarotra iray fanampiny izay natrehin’ireo mpino sasantsasany. Saintsaino izay azonao hianarana avy amin’ny fihetsik’ireo vahoaka ireo rehefa nahafantatra izy ireo fa diso.

3 Nefia 1:27–30

Nitambatra tamin’ireo jirik’i Gadiantôna ireo Nefita mpiendaka sy ny Lamanita sasany

Taona vitsy taty aorian’ny nanomezana ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy dia nanomboka nisy fiantraikany tamin’ny fahafahan’ireo mahatoky hifototra tsara amin’ny filazantsara ireo Nefita mpiendaka sasantsasany. Ahoana no ahafahanao mifototra tsara amin’ny filazantsara na dia eo anivon’ireo famelezana ny Fiangonana amin’izao androntsika izao aza? Vakio ny 3 Nefia 1:27–30 ary tadiavo raha toa ka nitondra fiantraikany tsara na ratsy tamin’ny finoan’ny hafa ny “taranaka vao misondrotra” tao amin’ny Lamanita.

Mariho fa maro tamin’ireo zatovo Lamanita no “nanjary tompon’ny tenany” (3 Nefia 1:29) ka niala tamin’ny filazantsara. Rahavavy Kathleen H. Hughes izay nanompo tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana Maneran-tany dia nanolotra hevitra iray ho an’ilay fehezanteny hoe “nanjary tompon’ny tenany izy”: “[Izany] amiko dia midika fa ny tenany no nojeren’izy ireo voalohany ary nanome vahana ireo faniriana izay nampitandreman’ny mpaminany azy ireo fa tokony hialany izy ireo. Nanaiky ny fitaomana sy ny fakam-panahin’i Satana izy ireo” (“Grow Up unto the Lord,” Ensign, feb. 2010, 18).

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 1:29–30 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: Raha manaiky ho azon’ny fakam-panahy isika dia afaka manana fiantraikany ratsy eo amin’ny finoan’ny hafa sy ny fahamarinany ny ohatra asehontsika.

  1. Mba hanampiana anao hahatakatra izay hifandraisan’io fitsipika io aminao dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahita ohatra maneho ilay fitsipika etsy ambony? Ahoana no fomba ahafahanao mitoetra ho mahatoky na dia misafidy ny tsy hanao izany aza ireo manodidina anao?

    2. Raha manan-danja ny mahafantatra fa mety misy fiantraikany ratsy eo amin’ny hafa ny ohatra asehontsika, dia manan-danja ihany koa ny mahatsiaro fa afaka mampatanjaka olona hafa ny ohatra asehontsika. Oviana ianao no nahita ny “taranaka vao misondrotra” na zatovo ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao izay nitondra tsara teo amin’ny finoan’ny hafa?

  2. Ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba vitsivitsy ahafahanao manana fiantraikany tsara eo amin’ny finoan’ny olona ao amin’ny fianakavianao, na ao amin’ny paroasy na sampana misy anao, na ny namana mitovy taona aminao. Misafidiana hevitra roa avy ao amin’ny lisitra nataonao ary soraty indrindra indrindra izay ho ataonao mba hanatanterahana izany.

  3. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 1 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: