Seminera
Jakôba


Fampahafantarana ny Jakôba

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Jakôba ianao dia afaka mianatra lesona manan-danja avy amin’ny lehilahy iray izay nanana finoana tsy voahozongozona an’i Jesoa Kristy. Namerimberina nijoro ho vavolombelona mikasika ny Mpamonjy i Jakôba ary nanasa ny vahoakany sy ireo izay hamaky ny teny nosoratany mba hibebaka. Nampianariny ary nasehony ny maha zava-dehibe ny fanatanterahana amim-pahazotoana ireo antso avy any amin’ny Tompo. Nampitandrina ny vahoakany izy mikasika ny loza mety ateraky ny fiavonavonana sy ny fitiavan-karena ary ny tsy fahadiovam-pitondrantena. I Jakôba koa dia nampiasa sy nanazava ny fanoharan’i Zenôsa ny amin’ny hazo oliva izay mampiseho ireo ezaka mafy nataon’ny Mpamonjy mba hanatanterahana ny famonjena ny zanak’Andriamanitra rehetra. Tamin’ny nihaonan’i Jakôba tamin’i Serema, izay antikristy, dia nasehon’i Jakôba ny fomba hamaliana amim-pahamarinana ireo izay mametra-panontaniana na manakiana ny finoantsika.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Jakôba, zanakalahy fahadimin‘i Sarià sy i Lehia, no nanoratra ity boky ity. Teraka tany an-tany foana izy nandritra ny dian’ny fianakavian’i Lehia ho any amin’ny tany nampanantenaina. Nandritra ny fahatanorany i Jakôba dia “niaritra fahoriana sy alahelo betsaka […] noho ny halozan’ ny rahalahi[ny]” (2 Nefia 2:1). Kanefa dia nampanantenain’i Lehia i Jakôba fa Andriamanitra dia “hanokana ny fahoria[ny] ho tombotsoa[ny]” ary handany ny androm-piainany izy amin’ny “fanompoana ny Andriamani[ny]” (2 Nefia 2:2–3). Nandritra ny fahatanorany i Jakôba dia nahita ny voninahitry ny Mpamonjy (jereo ny 2 Nefia 2:3–4). Nohosoran’i Nefia mba ho mpisorona sy mpampianatra an’ireo Nefita i Jakôba (jereo ny 2 Nefia 5:26) ary taty aoriana dia nankininy taminy ireo takelaka kelin’i Nefia (jereo ny Jakôba 1:1–4). Amin’ny maha-mpitarika sy mpampianatra mahatoky an’i Jakôba tao amin’ny fisoronana dia niasa tamim-pahazotoana izy mba handresena lahatra ny vahoakany hino an’i Kristy (jereo ny Jakôba 1:7). Naharay fanambarana maromaro mikasika ny Mpamonjy izy sy niaina ny asa fanompoan’ny anjely ary nahare ny feon’ny Tompo (jereo ny Jakôba 7:5) sy nahita ny Mpanavotra azy (jereo ny 2 Nefia 11:2–3). I Jakôba no rain’i Enôsa, izay nanolorany ireo takelaka talohan’ny nahafatesany.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ny bokin’i Jakôba dia niantomboka tany amin’ny 544 talohan‘i J.K. tany ho any, tamin’ny fotoana nanankinan’i Nefia ireo takelaka kely tamin’i Jakôba. Niafara tany amin’ny faramparan’ny androm-piainan’i Jakôba izany tamin’ny fotoana nanolorany ireo takelaka tamin’i Enôsa zanany lahy. Tamin’i Jakôba nonina tany an-tanin’i Nefia no nanoratany ity rakitsoratra ity.