Seminera
Fizarana 9: Andro 3, Jakôba 1–2


Fizarana 9: Andro 3

Jakôba 1–2

Fampidirana

Taorian’ny nahafatesan’i Nefia dia nanomboka “somary nanaram-po ihany tamin’ ny fomba ratsy” nandritra ny fitondran’ny mpanjaka iray vaovao ny Nefita (Jakôba 1:15). I Jakôba sy i Josefa zandrilahiny dia nohosoran’i Nefia ho mpisorona sy mpampianatra ho an’ny vahoaka, ary niasa tamim-pahazotoana tokoa izy ireo handresena lahatra ny vahoaka hibebaka sy hanatona an’i Kristy. Nankatoavin’i Jakôba ny didin’i Nefia mikasika ny tokony hiraketana an-tsoratra ireo fampianarana sy fanambarana ary faminaniana masina eo amin’ireo takelaka kely. Noho i Jakôba nanao tamin’ny fo izany andraikitra masina nomena azy izany, dia niantso ny olona izy mba hibebaka ary nampitandrina azy ireo mikasika ireo fahotana toy ny fiavonavonana, ny fitiavan-karena ary ny tsy fahadiovam-pitondrantena. Nampianatra ny loza sy voka-dratsy aterak’ireo fahotana izay mihanaka izaitsizy ireo izy.

Jakôba 1:1–2:11

Nampitandreman’i Jakôba ny vahoaka mikasika ny faharatsian’izy ireo

Eritrereto hoe inona no holazainao ao anatin’ity toe-javatra manaraka ity: Maneho hevitra ratsy mikasika ireo mpitarika azy ao amin’ny fisoronana ny iray amin’ireo namanao ary milaza hoe “Toa tsy mahatakatra ny tena zava-miseho eto amin’izao tontolo izao ireto olona ireto. Mampitandrina lava mikasika ireo safidy izay tsy mampaninona akory izy ireo. Tokony tsy handany fotoana be loatra amin’ny filazana amintsika ireo zavatra ratsy tokony hosorohantsika izy ireo. Tokony hiresaka mikasika ireo zavatra tsara fotsiny izy ireo.”

Sary
I Jakôba mampianatra

Eritrereto ny antony hampitandreman’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana matetika amin’ny fahotana. Noraketin’i Jakôba fa taorian’ny fahafatesan’i Nefia (jereo ny Jakôba 1:9), dia nanomboka nandray anjara tamin’ny fomba fanao ratsy sasantsasany ny vahoaka. Vakio ny Jakôba 1:15–16, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny vahoaka izay nanahiran-tsaina an’i Jakôba.

Azonao atao ao anaty faribolana ny teny hoe nanomboka ao amin’ny Jakôba 1:15–16. Nahoana no fitahiana ny fananana mpitarika ao amin’ny fisoronana izay mampitandrina antsika mikasika ireo olana rehefa manomboka izy ireo na alohan’ny hisehoan’izy ireo mihitsy aza?

Vakio ny Jakôba 1:6–8, ary tadiavo ny antony nanoroan’i Jakôba sy ireo mpitarika namany ny vahoakan’i Nefia mikasika ny fanoherana ny fahotana. Nahoana araka ny eritreritrao no mampitandrina anao amin’ny fahotana sy mampianatra anao amim-pahavitrihana tokoa ny filazantsara ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ao anatin’ny fianakavianao ary ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana any amin’ny toerana misy anao sy amin’ny ankapobeny? Azonao asiana marika ireo andian-teny ao amin’ny Jakôba 1:7 izay mampianatra ity fahamarinana manaraka ity: Miasa amim-pahavitrihana ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hanampiana antsika hanatona an’i Kristy.

Vakio ny Jakôba 1:17–19, ary tadiavo ireo antony fanampiny nahatonga an’i Jakôba sy i Josefa rahalahiny hiasa amim-pahavitrihana tokoa mba hampianatra ny vahoaka.

Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe mahazo “fanendrena […] avy [a]min’ny Tompo”? (Jakôba 1:17)?

Azonao atao ny manisy marika izay mety ho andian-teny manampy anao hampianatra ity fitsipika manaraka ity: Manana andraikitra masina ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana mba hampianatra ny tenin’ Andriamanitra sy hampitandrina momba ny fahotana.

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ny antony maha zava-dehibe ny fahatakarana fa ireo mpitondra ao amin’ny Fiangonana dia tompon’andraikitra amin’ny ezaka ataony mba hampianarana antsika ny zavatra tian’ny Tompo hianarantsika.

Rehefa mamaky ny Jakôba 2:1–3, 6–7, 10–11 ianao dia tadiavo ireo andian-teny izay mampiseho ny zavatra tsapan’i Jakôba mikasika ilay asa sarotra nataony mba hiantso ny vahoaka hibebaka.

  1. Eritrereto hoe inona no zavatra ampianarin’ireto andian-teny manaraka ireto anao mikasika ny antony nanosika an’i Jakôba hanatanteraka izany asa sarotra izany: “Androany aho dia mivesatra faniriana sy fanahiana ho fiadanan’ny fanahinareo” (Jakôba 2:3) ary “tsy maintsy manao araka ny didy henjana avy amin’Andriamanitra” (Jakôba 2:10). Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahatsapa ny fitiavan’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana anao sy ny fiahiany anao?

    2. Oviana ianao no nahatsapa fa ny tenin’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana sy ny asa nataony dia mifono fanentanam-panahy avy amin’Andriamanitra mba hanampiana anao?

Eritrereto indray ilay toe-javatra natolotra tany am-piandohan’ny lesona. Eritrereto hoe ahoana no fomba hamalianao ilay namanao raha mifototra amin’ny zavatra nohalalininao androany.

Jakôba 2:12–21

Nokianin’i Jakôba ny vahoakany noho ny fiavonavonany

Mba hanampiana anao handalina ny zavatra nandidian’ny Tompo an’i Jakôba mba ho ampianariny dia eritrereto ireo fitahiana izay efa nomen’ny Tompo anao ao anatin’ireto sehatra ireto: fianakaviana, namana, mpitarika ao amin’ny Fiangonana sy mpampianatra, fahazai-manao ara-haikanto sy ara-mozika, fahaizana ara-panatanjahan-tena, talenta, fianarana, fahafahana hivoatra, fahalalana ny filazantsara, ary fananana. Mieritrereta fomba hafa nitahian’ny Tompo anao.

Vakio ny Jakôba 2:12–13, ary tadiavo ireo zavatra nokatsahan’ny Nefita. Jereo tsara fa nampianatra i Jakôba hoe “ny fitondran’Andriamanitra” dia nanome harena ny Nefita. Ity andian-teny ity dia entina ilazana ny Raintsika any An-danitra.

  1. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny antony maha zava-dehibe ny tokony hahatsiarovanao fa avy amin’ny Tompo ireo fitahiana sy fahaiza-manao anananao ireo.

Raha tsy mitandrina isika dia mety lasa mamela ny tenantsika ho feno avonavona rehefa avy mahazo ireo fitahiana katsahantsika toy ny nataon’ireo Nefita. Soraty ao anatin’ny faritra nomena etsy ambany ny dikan’ny hoe “tafasondrotra ao amin’ny avonavon’ny fonareo.”

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakôba 2:13, dia inona avy ireo antony maro nolazain’i Jakôba fa nahatonga ny avonavon’ny Nefita?

Mieritrereta olona na vondron’olona amin’izao fotoana izao izay mampahory na tsy miraharaha na mampijaly ny hafa satria izy ireo dia “nahazo betsaka kokoa” noho ireo izay ampahoriany (Jakôba 2:13). Ohatra, noho ny olona sasany manam-bola bebe kokoa, na namana bebe kokoa, na talenta ara-panatanjahan-tena bebe kokoa na fahalalana bebe kokoa ny filazantsara noho ny hafa mihitsy aza, dia mety hanana fieritreretana diso fa tsara kokoa noho ny hafa izy ireo na mety hampijaly azy ireo mihitsy. Eritrereto raha toa ka efa nisy fotoana teo amin’ny fiainanao izay nanehoanao fihetsika feno avonavona.

Vakio ny Jakôba 2:17–21, ary asio marika ireo andian-teny izay afaka manampy anao handresy ny avonavona.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo andian-teny roa na mihoatra izany izay hitanao tao amin’ny Jakôba 2:17–21, ary hazavao ny fomba ahafahan’ireo fehezanteny ireo manampy anao handresy ny avonavona. Mety hanampy ny fieritreretanao ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa manatanteraka io asa ampanaovina io ianao: Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra? Mahazo fanantenana ao amin’i Kristy? Inona no ho fiantraikan’ny fikatsahana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahazoana fanantenana ao amin’i Kristy eo amin’ny fomba fijerinao ny hafa sy ny fomba fitondranao azy ireo?

Alaivo sary an-tsaina hoe nanontany ny zavatra nianaranao androany ny reninao na ny rainao na ny mpitarika iray. Manorata fitsipika iray avy ao amin’ny Jakôba 2:17–21 izay azonao ampiasaina mba hamaliana azy ireo.

Ny fitsipika iray ao amin’ny Jakôba 2:17–21 dia ny hoe: Ny fanjakan’Andriamanitra no tokony hokatsahintsika mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba iray ahafahanao mampiasa ireo fitahiana sy tombontsoa nomen’ny Tompo anao mba hitondrana fanampiana eo amin’ny fanorenana ny fanjakan’Andriamanitra sy hitahiana ny fiainan’ny hafa.

Jakôba 2:22–30

Nokianin’i Jakôba ny vahoakany noho ny tsy fahadiovam-pitondrantenany

Ity fanambarana manaraka ity dia nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson. Fantaro hoe inona avy ireo teny roa tokony ho eo amin’ireo banga:

“Ny fahotana mandrendrika an’ity taranaka ity dia ny ” (“Cleansing the Inner Vessel,” Ensign, mey 1986, 4; jereo any amin’ny faran’ny lesona ny valiny marina).

Vakio ny Jakôba 2:22–23, 28, ary asio marika ireo andian-teny nampiasain’i Jakôba mba hamaritana ny maha-tena zava-doza ny tsy fahadiovam-pitondrantena.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Nanazava ireo zavatra sasantsasany atao izay miteraka fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny zavatra rehetra atao manodidina ny firaisana ara-nofo any ivelan’ny fanambadiana—Ny tiako holazaina dia izay mety ho fifampikasohana iniana atao amin’ny faritra masina sy an’ny tena manokana eo amin’ny vatan’olona iray hafa na misy akanjo izany na tsy misy—dia fahotana ary voararan’Andriamanitra. Fandikan-dalàna koa ny manao fanahy iniana mamoha ireo fiontanam-po ireo ao anatin’ny vatantsika manokana” (“Making the Right Choices,” Ensign, nôv. 1994, 38).

Fandikana ny lalan’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo koa ny fiarahan’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy ary ny fijerena pôrnôgrafia.

Jereo tsara ny fomba nitadiavan’ny Nefita hanalana tsiny ny tenany amin’ny fahotany araka ny voarakitra ao amin’ny Jakôba 2:23–24. Makà fotoana kely hieritreretana ny fomba fitadiavan’ny olona fanalana tsiny ny tenany amin’ny fahalotoam-pitondrantena amin’izao fotoana izao.

Ny iray tamin’ireo fahotan’ny Nefita dia ny fananana vady maro izay tsy nahazoana lalana. Nampianarin’i Jakôba ilay didin’ny Tompo hoe tsy tokony hanana afa-tsy vady iray ny lehilahy iray (jereo ny Jakôba 2:27). Ny fananana vady mihoatra ny iray izay tsy nahazoana lalana avy tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana notinendriny dia ohatra iray amin’ny tsy fahadiovam-pitondrantena. Fa tena zava-doza eo imason’Andriamanitra ny tsy fahadiovam-pitondrantena (jereo ny Almà 39:5).

Rehefa manome didy ihany ny Tompo vao mahazo lalana hampihatra ny fananana vady maro ny vahoakan’ny Tompo (jereo ny Jakôba 2:30). Nisy fotoana teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao izay nandidian’ny Tompo ny hampiharana ny fananana vady maro. Ohatra, tao anatin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Taloha, ny fananana vady maro dia nampiharin’i Abrahama sy i Saray (jereo ny Genesisy 16:1–3; F&F 132:34–35, 37) ary i Jakoba zafikeliny lahy (jereo ny F&F 132:37), ary nampiharina izany nandritra ny fotoana iray tany am-piandohan’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny, nanomboka tamin’ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny F&F 132:32–33, 53). Na dia izany aza dia nandidy an’i Wilford Woodruff mpaminaniny Andriamanitra mba hampitsahatra ny fampiharana ny fanambadiana maro (jereo ny Filazana Ofisialy 1 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana).

Vakio ny Jakôba 2:31–35, ary asio marika ireo andian-teny izay maneho ny voka-dratsy ateraky ny tsy fahadiovam-pitondrantena.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka no nolazain’i Jakôba, inona no fiantraikan’ny tsy fahadiovam-pitondrantena eo amin’ny fianakaviana?

    2. Misy zatovo mety manana fisainana hoe afaka ny ho maloto ara-pitondrantena izy satria tsy manambady ary tsy mivadi-pitokiana amin’ny vady noho izany ary tsy manan-janaka koa. Inona no mety ho fiantraikan’ny tsy fahadiovam-pitondrantena eo amin’ny zatovo iray sy ny fianakaviany?

    3. Nahoana araka ny eritreritrao no raisin’ny Tompo ho fahotana mamohehatra ny tsy fahadiovam-pitondrantena?

Avereno vakiana ny fiantombohan’ny Jakôba 2:28, ary asio marika ny zavatra mahafinaritra ny Tompo. (Marihina fa na dia ny vehivavy aza no nolazain’i Jakôba manokana ao anatin’io andinin-tsoratra masina io dia marina mitovy amin’izany koa fa finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny lehilahy ny Tompo.) Mampianatra an’ity fitsipika ity io andininy io: Finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantena ny Tompo.

Miainga avy amin’ny zavatra nianaranao androany dia eritrereto ny antony mahatonga ny Tompo ho finaritra amin’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny zanany. Eritrereto ny fianakavianao ary koa ilay fianakaviana izay irianao mba hananana any aoriana. Ahoana no fomba hitondran’ny fiainana mifanaraka amin’ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo fitahiana ho anao sy ho azy ireo? Saintsaino ny fomba maha finaritra ny Tompo amin’ny safidy ataonao mba ho tsara fitondrantena sy hadio.

Afaka mitoetra ho madio ianao. Raha efa nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao dia afaka mibebaka sy afaka ny ho lasa madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mieritreritra fomba iray na mihoatra izany mba hahafahanao miambina tsara ny tenanao tsy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Raha toa ianao ka naloto ara-pitondrantena dia ataovy izay tokony hatao ka tafiditra ao anatin’izany ny fihaonana amin’ny evekanao na ny filohan’ny sampanao mba hibaboka ny zavatra nataonao ka nandikana ny lalàn’ny tsy fahadiovam-pitondrantenan’ny Tompo.

Sary
Ô Ry Ray
  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jakôba 1–2 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Valin’ny teny tsy feno tao anatin’ilay teny nambara tany am-piandohan’ity lesona ity: Hoy ny Filoha Benson hoe: “Ny fahotana mandrendrika ity taranaka ity dia ny tsy ny fahadiovam-pitondrantena.