Seminera
Môrônia


Fampahafantarana ny Môrônia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Eo am-pandalinanao ny bokin’i Môrônia dia afaka misintona tanjaka avy amin’ny ohatra mahery vaika nasehon’i Môrônia sy ny fijoroana ho vavolombelona nananany ianao. Ankoatra izany, hianatra avy amin’ireo fampianaran’i Môrônia sy ny rainy mikasika ireo ôrdônansy sy fombafomba fototra an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianao, ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa marina amin-kitsimpo, ny fomba ahafantarana ny ratsy sy ny tsara, ary ny fifandraisana misy eo amin’ny finoana sy fanantenana ary fitiavana. Ianao ihany koa dia hamaky ny famporisihan’i Môrônia mba hivavaka hahafantarana ho an’ny tenanao fa marina ny Bokin’i Môrmôna sy “[h]anatona an’i Kristy ary atao tanteraka ao Aminy”(Môrônia 10:32).

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Môrônia no nanoratra ity boky ity, izay ahitana ny teniny sy ny tenin’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpianany roambinifolo (jereo ny Môrônia 2), ary ireo tenin’i Môrmôna rainy (jereo ny Môrônia 7–9). Talohan’ny faharavan’ny Nefita dia nanompo tamin’ny naha-miaramila iray azy sy tamin’ny naha-mpitarika ny Fiangonana teo anivon’izy ireo i Môrônia (jereo ny Môrmôna 6:12; Môrônia 8:1). Vavolombelon’ny Mpamonjy tahaka ireo mpanoratra sy mpamintina lehiben’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia. Nijoro ho vavolombelona izy hoe: “Efa nahita an’i Jesoa aho ary … efa niresaka tamiko nifanatrika Izy” (Etera 12:39). Nahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany i Môrônia ary nanamafy ny fahavononany ho faty toy izay handà an’i Kristy (jereo ny Môrônia 1:1–3).

Tamin’ny 1823, teo amin’ny 1400 taona eo ho eo taorian’ny nahatontosany ny rakitsoratry ny Bokin’i Môrmôna dia niseho tamin’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny naha-olona nitsangana tamin’ny maty azy i Môrônia ary nampahafantatra azy fa ny rakitsoratra dia napetraka tao amin’ny havoana iray teo akaikin’ny tranon’i Joseph Smith. Tamin’izany fotoana izany sy nandritra ny taona maro nanaraka izany dia nananatra an’i Joseph Smith ihany koa i Môrônia “momba izay andeha hataon’ny Tompo sy ny fomba hoenti-mitondra ny fanjakany amin’ny andro farany” (Joseph Smith—Tantara 1:54).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Azo antoka kokoa fa nanoratra sy namintina ity boky ity teo anelanelan’ny taona Talohan’i JK. 401 sy Talohan’i JK. 421 i Môrônia (jereo nyMôrmôna 8:4–6; Môrônia 10:1), rehefa nirenireny ho fitandroana ny ainy izy (jereo ny Môrmôna 1:1–3).