Seminera
Fizarana 16: Andro 4, Almà 14–16


Fizarana 16: Andro 4

Almà 14–16

Fampidirana

Taorian’ny nihainoan’izy ireo an’i Almà sy i Amioleka nitory teny dia nino sy nibebaka ny sasany tamin’ireo vahoakan’i Amônihà, anisan’izany i Zezrôma. Tezitra ny hafa ary nanao izay nampiditra am-ponja an’i Almà sy i Amioleka. Nandroaka ireo lehilahy izay nino ireo vahoaka ratsy fanahy tao Amônihà ary nandoro ny vady aman-janak’izy ireo. Nanafaka an’i Almà sy i Amioleka avy tao am-ponja ny Tompo andro maromaro taty aoriana, ary nandrava ireo mpitarika ratsy fanahy tao Amônihà. Nijaly ara-batana sy ara-panahy i Zezrôma tao Sidôma. Nanambara ny finoany an’i Jesoa Kristy tamin’i Almà sy i Amioleka izy ary dia sitrana. Nandringana ny tanànan’i Amônihà ny andian-tafika Lamanita iray ho fahantanterahan’ny faminaniana. Namela ireo tafika Nefita hanajanona ny herisetran’ireo Lamanita ny fitarihana ara-paminanian’i Almà. Mampatanjaka ny Fiangonana nanerana ny tanin’ny Nefita i Almà sy i Amioleka, ary ireo maro hafa.

Sary
Tao am-ponja i Almà sy i Amioleka

Almà 14

Naiditra am-ponja i Almà sy i Amioleka ary noroahina na nodorana ireo mpino

Mieritrereta fotoana iray izay mety nahitanao na nandrenesanao mikasika ny olona iray tsy manan-tsiny izay nampijalian’ny olona iray hafa—ohatra hoe tranga iray nanejehana olona iray noho ny finoany. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fahatsapana nanananao ho an’ilay olona nijaly?

  • Inona no tsapanao ho an’ilay olona nampijaly?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mitranga indraindray amin’ny olona tsy manan-tsiny sy marina ireo zavatra ratsy?

Eo am-pamakianao ny Almà 14, dia ampifandraiso amin’ireo zavatra niainan’i Almà sy i Amioleka ireto fanontaniana ireto.

Vakio ny Almà 14:1–10, hitadiavana ireo izay nijaly sy ny fomba nijalin’izy ireo. Aorian’izay dia fenoy ity tabilao manaraka ity:

Iza no nijaly?

Tamin’ny fomba ahoana no nijalian’izy ireo?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 14:10, inona no tian’i Amioleka natao? Vakio ny Almà 14:11, ary mitadiava fahamarinana iray izay mety hanampy olona izay sahirana amin’ny fahatakarana ny antony hamelana indraindray ireo ratsy fanahy hampijaly ireo tsy manan-tsiny na marina.

Fomba iray hilazana fahamarinana iray ao amin’ny Almà 14:11 ny hoe: Avelan’ny Tompo hampijalin’ireo ratsy fanahy ny marina mba ho rariny ny fitsarany. Mariho fa nampahafantarina an’i Almà fa ireo izay maty dia noraisin’ny Tompo “[t]amim-boninahitra” (Almà 14:11). Hoy ny Filoha Henry B. Eyring avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany raha nampianatra momba izany tranga izany tamin’ny fijery mandrakizay hoe: “Nomena fahasoavana hahita ny hatsarana sy ny tsy fiangaran’Andriamanitra i Amioleka na dia tao anatin’ny tranga mampalahelo mahatahotra aza” (“Amulek: The Blessings of Obedience,” ao amin’ny Heroes from the Book of Mormon [1995], 110).

Vakio ny Almà 60:12–13, ary ampifandraiso amin’ny Almà 14:10–11izany. Isika dia mianatra fa anisan’ireo antony hamelana ny marina hijaly ny hamehezana ny asan’izy ireo amin’ny ràny (jereo nyF&F 135:3) sy hijoro ho vavolombelona manohitra ny ratsy fanahy.

Mety ho fitsipika saro-takarina ho antsika ny fahatakarana ny antony hamelan’Andriamanitra ny marina hijaly. Saintsaino ity fanambarana avy amin’ny Filoha Spencer W. Kimball manaraka ity mba hampitomboana ny fahatakaranao ny antony hamelan’Andriamanitra ny olona hampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy, na dia manao safidy ratsy aza izy ireo:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“Raha toa ka jerentsika ho toy ny fetran’ny fisiana ny fiainana an-tany, dia ho antambo ny fanaintainana, ny alahelo, ary ny fiainana fohy. Fa rehefa jerentsika ho toy ny zavatra mandrakizay izay mihitatra hatrany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana tany aloha ary mitohy mankany amin’ny hoavy mandrakizay aorian’ny fahafatesana ny fiainana, dia ho hita amin’ny fijery tsara kokoa ny zava-mitranga rehetra. …

“… Ho foana ny fandaharan’Andriamanitra iray manontolo, ary ho tapitra ny ny fitsipika fototry ny filazantsara sy ny fahafahana misafidy raha toa ka voaro avokoa ireo marina ary ringana avokoa ireo ratsy fanahy. Tsy hisy olona voatery hiaina amim-pinoana intsony” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Spencer W. Kimball [2006], 15).

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanampian’ireo fahamarinana nianaranao tao amin’ny Almà 14:11 sy ny fanambarana nataon’ny Filoha Kimball anao hahatakatra ny antony hamelan’Andriamanitra ireo marina hampijalian’ireo ratsy fanahy.

Vakio ny Almà 14:12–13, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Amioleka hanampiana azy haharitra tamin’ireo fisedrana niainan’izy ireo. Nahoana araka ny eritreritrao no nahafahan’i Almà namaly tamim-pahatokiantena toy izany?

Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity hanampiana anao hahatakatra ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Amioleka momba ny fahatokiana ny Tompo: “Traikefa ho fahatokiana lalina—fahatokiana an’i Jesoa Kristy ity fiainana ity, fahatokiana ny fampianarany, fahatokiana ny fahafahantsika mankatò ireny fampianarana ireny, rehefa tarihan’ny Fanahy Masina, ho fifaliana ankehitriny sy ho fisiana mandrakizay feno tanjona sy heniky ny fifaliana. Midika hoe fankatoavana an-tsitrapo kanefa tsy mahafantatra ny fiafarana hatrany am-piandohana ny fahatokiana (jereo ny Ohab. 3:5–7). Tokony ho mahery kokoa sy maharitra noho ny fahatokianao ny fahatsapanao sy traikefanao manokana ny fahatokianao ny Tompo mba ahitana vokany” (“Trust in the Lord,” Ensign, Nôv. 1995, 17).

Mety hanampy ny fanantitranterana ity fahamarinana ity amin’ny fanoratana izany eo akaikin’ny Almà 14:12–13 ao amin’ny soratra masinao: Mampatanjaka antsika mandritra ireo fisedrana antsika ny Tompo rehefa mahatoky Azy isika.

  1. Misafidiana iray na maromaro amin’ireto toe-java-mitranga manaraka ireto ary hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanampian’izany fitsipika vao nosoratanao tao amin’ny soratra masinao izany ireto olona voafaritra manaraka ireto:

    1. Mpilalao maromaro ao amin’ny ekipa ara-panatanjahantena misy an’ity tovolahy iray ity no nitsoaka, nanaraby na nanakora azy momba ny fifikirany amin’ny fitsipiky ny filazantsara. Toa manao fanahiniana manao drafitra hanao zavatra hiarahan’izy ireo ivelan’ny fanazaran-tena izay fantatr’izy ireo fa tsy ho atrehany mihitsy izy ireo noho ny finoany.

    2. Nametraka fangatahan’asa tao amin’ny toeram-piasan’ny namany akaiky ny zatovovavy iray. Tsy azony ilay asa, ary niteny ilay namany taty aoriana fa nilaza tsy hampiasa Môrmôna na oviana na oviana ilay tompon’orinasa.

    3. Rehefa mangataka amin’ny andian-jatovo hafa any am-pianarana mba tsy hampiasa fiteny kivalavala eo akaikiny ny tovolahy iray dia nanositosika azy izy ireo ary nandrahona ny handratra azy bebe kokoa raha toa ka mbola miteny amin’izy ireo indray mikasika ny fomba hiresahana izy.

Vakio ny Almà 14:14–17, ary eritrereto ny fomba nanampian’ny finoan’i Almà sy i Amioleka azy ireo rehefa nitohy ny fijalian’izy ireo teo an-tanan’ireo mpitondra ratsy fanahy tao Amônihà. Nahoana araka ny eritreritrao no valiny tsara indrindra ny tsy namaly mihitsy tamin’izany tranga izany? (Jereo koa ny Matio 27:11–14.)

Ny Almà 14:18–28dia mitantara ny fomba niaretan’i Almà sy i Amioleka zavatra maro talohan’ny nanafahan’Andriamanitra azy ireo sy ny nandringanany ny maro tamin’ireo mpitondra ratsy fanahy tao Amônihà. Ny andianteny hoe“nanidiany vazana” ( andininy 21) dia midika hoe mampikatroka ny nifin’izy ireo amim-pahatezerana na amim-pisafoahana.

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe iza amin’ireo zavatra nijalian’i Almà sy i Amioleka ao amin’ny Almà 14:18–25 no mety ho sarotra indrindra aminao, ary hazavao ny antony. Dia manorata momba ny traikefa manokana na traikefan’olon-kafa fantatrao izay niezaka niaina tamim-pahamarinana kanefa mbola niatrika fisedrana ihany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 14:25, inona no namela an’i Almà sy i Amioleka hijoro tamin’ny tongony? Vakio ny Almà 14:26–29, ary mariho ireo fehezanteny na teny tsapanao fa manamafy indrindra ity fahamarinana ity: Hampatanjaka antsika manditra ny fahoriantsika sy hanafaka antsika amin’ny fombany sy amin’ny fotoany manokana ny Tompo raha toa ka miantso Azy amim-pinoana isika.

Afaka manolotra ny heriny sy manafaka anao amin’ny fisedrana sy ny fahoriana amin’ny fombany sy ny fotoany manokana ny Tompo. Hahita tanjaka sy hery lehibe kokoa hiharitra ireo fahasarotana mandritra ny fiainana isika rehefa mianatra ny mahatoky ny sitrapon’ny Tompo.

Almà 15–16

Sitrana i Zezrôma, nandringana an’i Amônihà ny Lamanita iray, ary nanohy nitory amin’ny Nefita i Almà sy i Amioleka

Taorian’ny nandaozan’i Almà sy i Amioleka an’i Amônihà dia nandeha tany amin’ny tanàna akaikin’i Sidôma izy ireo, izay nahitany ireo mpino avy any Amônihà, anisan’izany i Zezrôma. Vakio ny Almà 15:3–5 mba hahalalana ny toe-pahasalaman’i Zezrôma.

Diniho izao manaraka izao: Inona no nahatonga ny aretin’i Zezrôma? Inona no nataon’i Zezrôma mba ahazoana fahasitranana sy fiadanana?

Vakio amim-pitandremana ny Almà 15:6–10, ary singano ny andianteny roa na telo izay maneho fa nanampy an’i Zezrôma hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany i Almà. Vakio ity zavatra niainana manaraka nambaran’ny Lohona Jay E Jensen ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ity mba hahatakarana fomba iray hanampian’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ny olona hahazo famindrampo amin’ny alalan’ny Sorompanavotana:

“Vavolombelon’ireo fitahian’ny Sorompanavotana teo amin’ny fiainan’ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavita fandikan-dalana goavana aho rehefa nanompo tamin’ny naha eveka ahy. …

“Niaraka tamin’ny zatovovavy iray ny tanora tokantena iray tao amin’ny paroasiko. Navelan’izy ireo hihoa-pefy ny fifankatiavan’izy ireo. Nanatona ahy izy nitady torohevitra sy fanampiana. Tsy navela handray ny fanasan’ny Tompo nandritra ny fotoana voafetra izy araka ny zavatra nibabohany sy ny fitarihan’ny Fanahy ahy indrindra indrindra. Nihaona tsy tapaka izahay hahazoana antoka fa nisy ny fibebahana, ary, taorian’ny fotoana nilaina tamin’izany dia nomeko lalana handray ny fanasan’ny Tompo indray izy.

“Rehefa nipetraka tery amin’ny lampihazo nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo aho dia voasintona teny aminy ny masoko raha nandray ny fanasan’ny Tompo tamim-pahamendrehana izy. Vavolombelon’ny sandrin’ny famindrampo, ny fitiavana, ary ny fiarovana nanodidina azy aho rehefa nanafana ny fanahiny sy nanaisotra ny enta-mavesany ny fanasitranan’ny Sorompanavotana, izay nitondra tamin’ny fampanantenan’ny famelan-keloka, ny fiadanana, ary ny fahasambarana” (“Arms of Safety,” Ensign na Liahona,Nôv. 2008, 49).

Sary
vehivavy mikasika ny akanjon’i Kristy

Afaka manampy antsika hahazo ny famindrampo sy ny hery ilaintsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana’i Jesoa Kristy ireo eveka sy mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana. Inona ny porofo hitanao ao amin’ny Almà 15:11–12 fa nibebaka sy nahazo ny famindrampon’ny Tompo i Zezrôma?

Fitsipika iray azonao soratana ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ho an’ny Almà 15:6–12 ny hoe: Azo sitranina sy hampahatanjahana isika amin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Araka ny voalaza ao amin’ny Alma 15:16, 18, amin’ny fomba ahoana no ahitana taratra io fitsipika io eo amin’ny fiainan’i Amioleka?

Nanangana ny Fiangonana teo anivon’ny vahoakan’i Sidôma i Almà sy i Amioleka ary avy eo dia niverina tany Zarahemlà.

Mamaky isika ao amin’ny Almà 16 fa nisy tafika Lamanita iray niditra ny tanin’ny Nefita ary nandrava ny tanànan’i Amônihà, mba hanatanteraka ny faminanian’i Almà sy i Amioleka fa hofongorana ny vahoaka raha tsy mibebaka (jereo ny Almà 9:12). Eo am-pamakianao ny Almà 16 dia tadiavo hoe iza no nitodihan’ireo Nefita hangataka fanampiana mba hahafahan’izy ireo nandresy ny miaramila Lamanita. Ampitovio amin’ireo adinao manokana sy ireo fahavalo hiadianao ity traikefa ity.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Alma 14–16 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: