Seminera
Fizarana 5: Andro 4, 2 Nefia 3


Fizarana 5: Andro 4

2 Nefia 3

Fampidirana

Ao amin’ny 2 Nefia 3, i Lehia dia nanome torohevitra sy tsodrano an’i Josefa zanany faralahy. Rehefa nanao izany izy dia notantarain’i Lehia ny faminanian’i Josefa tany Egypta mikasika ny anjara asan’i Joseph Smith Zanany, ilay mpahita nofinidy, teo amin’ny fitondrana ny Bokin’i Môrmôna. Ao anatin’ity lesona ity ianao dia homena fahafahana hanana fankasitrahana bebe kokoa ny Mpaminany Joseph Smith ary hahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa momba ilay asa masina nampiandraiketina azy tao anatin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara.

2 Nefia 3:1–25

Nitantara ny faminanian’i Josefa tany Egypta momba ny Mpaminany Joseph Smith i Lehia

Notohizan’i Lehia ny fizarany torohevitra farany tamin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny fampianarany an’i Josefa zanany lahy mikasika ireo lehilahy telo izay nantsoina koa hoe Josefa. Manaova tsipika miala avy amin’ilay soratra masina ao amin’ny 2 Nefia 3 mankany amin’ilay Josefa na ireo Josefa izay nianaranao avy ao amin’izany andinin-tsoratra masina izany.

Sary
Joseph Stick Figures

Ity lesona ity dia hiompana amin’ny faminanian’i Josefa tany Egypta mikasika ny Mpaminany Joseph Smith—izay nomena teo amin’ny 3.000 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Joseph Smith!

  1. Atombohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fanaovana ny lisitr’ireo zava-niseho sy fampianarana izay tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra mikasika ny Mpaminany Joseph Smith sy ny anjara asany ao amin’ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara ianao. Hampianao ny ao anatin’izany lisitra izany rehefa mahita fampahalalana bebe kokoa ianao ao anatin’ity lesona ity. Noho izany dia asio faritra banga mba hanoratan-javatra bebe kokoa.

Vakio ny 2 Nefia 3:6–8, ary tadiavo ireo teny sy andian-teny nampiasain’i Josefa tany Egypta mba hamaritana ny Mpaminany Joseph Smith ary ny asa ho tanterahany. Ampidiro ao anatin’ilay lisitrao mikasika ny Mpaminany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay teny na andian-teny tsapanao fa manan-danja. Ao anatin’ireo andininy ireo i Josefa tany Egypta dia nijoro ho vavolombelona fa hatsangan’ny Tompo ny Mpaminany Joseph Smith mba hitondra ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Rehefa manohy mandalina ny 2 Nefia 3 ianao dia mitadiava fahamarinana fanampiny momba ny Mpaminany Joseph Smith izay afaka mampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny asa masina nampanaovina azy ary ampidiro ao anatin’ny lisitrao izany.

Mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny faminanian’i Josefa tany Egypta dia jereo ny fiverimberenan’ny teny hoe mpahita ao amin’ny 2 Nefia 3:6–7, 11, ary 14. Azonao atao ny manisy fanamarihana eo amin’ny faritra amin’ny sisiny tsy misy soratra eo akaikin’ny iray amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa ny atao hoe mpahita dia olona iray afaka mahafantatra ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy (jereo ny Môsià 8:13–17).

Sary
Manoratra ilay fahitana i Josefa tany Egypta

Ao amin’ny 2 Nefia 3:7, i Joseph tany Egypta dia nilaza fa nolazain’ny Tompo izy hoe i Joseph Smith dia “hanao asa iray izay hanan-danja” amin’ny taranany. Vakio ny 2 Nefia 3:11–15, 19–21 ka tadiavo ilay asa “[m]anan-danja lehibe” izay hotanterahan’ny Tompo amin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph. Ireo fanampiana amin’ny fandalinana izay omena anao (famintinana ny toko, fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) dia afaka manampy anao hahatakatra antsipiriany maro mikasika ireo zavatra nolazain’i Josefa. Rehefa mahita fampahalalana vaovao mikasika ny anjara asan’ny Mpaminany Joseph Smith ianao dia ampidiro ao anatin’ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

Rehefa miteny hoe “nateraky ny kibon’ny [olona iray]” ny soratra masina dia entiny ilazana ny taranak’ilay olona izany. I Josefa tany Egypta dia naminany fa ny Mpaminany Joseph Smith dia iray amin’ireo taranany izay hitondra ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany.

Ao amin’ny 2 Nefia 3:12, ilay andian-teny hoe “koa hanoratra ny nateraky ny kibon’ny [taranak’i Josefa tany Egypta]” dia ilazana ilay rakitsoratra masina—ny Bokin’i Môrmôna—nataon’ny taranak’i Josefa (jereo ny 2 Nefia 3:4). Nambara tamin’ny faminaniana fa ny Bokin’i Môrmôna dia “hitambatra” amin’ny Baiboly izay rakitsoratra masina iray nosoratan’ny “nateraky ny kibon’i Joda.” Tadiavo ao anatin’ny 2 Nefia 3:12 ireo andian-teny izay mamaritra ny ho fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna eto amin’izao tontolo izao rehefa mitambatra izy ireo.

I Josefa tany Egypta koa dia naminany fa ny Mpaminany Joseph Smith dia hanana anjara lehibe ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra mba “hitondra ny oloko amin’ny famonjena” (2 Nefia 3:15).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hampitombo ny fankasitrahanao ny anjara asan’i Joseph Smith ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra:

    1. Inona avy ireo fanekempihavanana na fahefana na ôrdônansy izay naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith, izay afaka manampy amin’ny fitondrana famonjena ho an’ny olona?

    2. Inona avy ireo fiovana nentin’ireo fitahiana ireo teo amin’ny fiainanao?

Mitadiava teny na andian-teny izay mamaritra ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny 2 Nefia 3:24, ary ampidiro ao anatin’ilay lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany. Rehefa mamaky ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity ianao dia ampidiro ao anatin’ilay lisitra izay mety ho fampianarana fanampiny avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith ka manamafy hoe izy dia “fitaovana eo am-pelatanan’Andriamanitra”:

“Mamelà ahy ianareo hitanisa ny vitsivitsy amin’ireo fotopampianarana sy fomba fanao maro izay mampiavaka antsika amin’ny fiangonana hafa rehetra, ary ireo izay tonga tamin’ny alalan’ny fanambarana tamin’ilay zatovolahy Mpaminany [Joseph Smith]. …

“Ny voalohany amin’izy ireo, mazava ho azy, dia ny fisehoan’Andriamanitra tenany mihitsy sy ny Zanany Malalany, Jesoa Kristy Tompo nitsangana tamin’ny maty. …

“Izany fahalalana Ny Andriamanitra izany, izay nafenina tamin’izao tontolo izao nandritra ny taonjato maro, no zavatra lehibe sy voalohany nambaran’Andriamanitra tamin’ilay mpanompo nofinidiny. …

“Ny Bokin’i Môrmôna dia tonga avy tamin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra. …

Sary
Rahalahy Joseph

“Ny [anjara biriky iray hafa nentin’ny Mpaminany Joseph Smith] dia ny fisoronana naverina tamin’ny laoniny. …

“Ny fanambarana iray hafa izay lehibe sy miavaka nomena ny Mpaminany dia ny drafitry ny fiainana mandrakizay ho an’ny fianakaviana. …

“Ny tsy fananan’ny ankizy kely tsiny dia fanambarana iray hafa izay nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fampiasana ny Mpaminany. …

“… Ato amin’ity Fiangonana ity ihany no ahitana ilay fotopampianarana lehiben’ny famonjena ny maty. …

“Nambara ny toetoetra mandrakizain’ny olombelona. …

“… Misy anankiray fanampiny tsy maintsy lazaiko. Ny fitsipiky ny fanambarana maoderina izany. …

“… Nandritra ilay fotoana fohy izay 38 taona sy tapany niainany teto an-tany dia indro fa nisy fandrotsahana fahalalana sy fanomezam-pahasoavana ary fotopampianarana tsy nisy ohatra izany tamin’ny alalan’ny [Mpaminany Joseph Smith]” (“The Great Things Which God Has Revealed,” Ensign, mey 2005, 80–83).

Taorian’ny nahafaty maritiora ny Mpaminany Joseph Smith, dia nanoratra ilay lasa Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135 ny Filoha John Taylor. Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3, ary saintsaino ny zavatra nianaranao tao anatin’ity lesona ity momba ny anjara asan’i Joseph Smith tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zavatra nianaranao na tsapanao androany rehefa nandalina ny 2 Nefia 3 ianao, izay nampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith?

    2. Inona no nataon’i Joseph Smith, na nampianariny, na naveriny tamin’ny laoniny izay tsapanao fa “manan-danja lehibe” (2 Nefia 3:7) ho anao?

Mikatsaha ombam-bavaka fomba hizarana ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpaminany Joseph Smith amin’ny namanao sy ny fianakavianao mba hanampiana azy ireo hahafantatra ireo zavatra manan-danja lehibe naverina tamin’ny laoniny tamin’ny alalany.

  1. Soraty eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 3 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: