Seminera
Fizarana 13: Andro 4, Môsià 25


Fizarana 13: Andro 4

Môsià 25

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 25 dia nandeha nankany Zarahemlà mba hikambana amin’ny toerana azo antoka teo ambanin’ny fitondran’ny Mpanjaka Môsià ny vahoakan’i Limia sy ireo mpanaradia an’i Almà. Noho ireo andiana Nefita ireo niara-nandeha tany dia niaiky ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny heriny hanafaka azy izy ireo. Nanangana Fiangonana nikambanana ihany koa izy ireo. Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia mety hahazo tombony ianao avy amin’ny fieritreretana ny fomba nahitanao ny fahatsaran’Andriamanitra teo amin’ny fiainanao sy ireo fitahiana avy amin’ny maha-mpikambana anao ato amin’ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy.

Môsià 25:1–13

Nivondrona ireo izay niara-tafavory tao Zarahemlà ka nanjary fantatra tamin’ny hoe Nefita

Vakio ity tantara manaraka momba ny zatovovavy iray ity izay narovana tamin’ny alalan’ny fihainoany ny Fanahy rehefa nihanika tendrombohitra niaraka tamin’ny vondron’ny Zatovovavy nisy azy:

“Tao anatin’ny vondrona iray nandeha niadana kokoa aho tamin’ny lalanay nody, izay nahitana ankizivavy dimy sy ny mpitarika anay. Variana naka sary izy ireo ka noho izany dia nanapa-kevitra ny handeha mialoha aho. Raha nidina ilay havoana aho dia naheno ombivavy iray [izay toa ohatra an’ny ho faty]. Hoy ny feo fampitandremana, izay hentitra nefa nalefaka hoe ‘Miverena.’ Tsy noraharahiako firy izany, saingy mbola reko indray. Nihaino aho tamin’ity indray mitoraka ity ary niverina namonjy ilay andiany nisy ahy. Rehefa nanomboka nidina izahay, dia nahita ombilahy mainty goavana roa izay nananika haingana sy tamim-pahatezerana ilay tendrombohitra. Nanomboka nitoto tany ilay lehibe kokoa rehefa nijery anay. … Tena natahotra tokoa izahay kanefa nanao izay hahavariana ilay omby ny mpitarika ao amin’ny fisoronana niaraka taminay, ary afaka nihanika fefy iray mba ho ao amin’ny toerana azo antoka izahay.

“Rehefa tafiditra teo amin’ny filasianay izahay, dia tonga saina aho fa raha tsy nihaino ny fampitandreman’ny Fanahy dia mety ho naratra mafy na maty mihitsy aza. Fantatro fa nijery ahy manokana ny Ray any An-danitra ary niaro ahy. Nampatanjaka ny fijoroako ho vavolombelona io zavatra niainako io ary nampitombo bebe kokoa ny fitiavako ny Tompo” (Marissa W., “Turn Back,” New Era, nôv. 2010, 47).

Ahoana no hampatanjahan’ny fahenoana na famakiana ny zavatra niainan’ny olona hafa anao izay ahitana ny fahatsarana sy ny herin’Andriamanitra?

Sary
fanehoana an-tsary ny dia

Novakian’ny Mpanjaka Môsià tamin’ny vahoaka rehetra ny rakitsoratr’izy ireo rehefa nikambana tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà ny vahoakan’i Limia sy ny vahoakan’i Almà (jereo ny Môsià 25:1–6). Vakio ny Môsià 25:7 hahitana ny fihetsiky ny vahoakan’ny Mpanjaka Môsià rehefa nihaino ny tantaran’ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ireo vahoaka izy ireo.

  1. Ho an’ny tsirairay amin’ireo andininy efatra ao amin’ny Môsià 25:8–11 dia raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fihetsika nasehon’ny vahoaka rehefa naheno ny tantaran’ny rahalahiny izy ireo. Ohatra, ao amin’ny Môsià 25:8 dia “feno fifaliana fatratra tokoa” ny vahoaka rehefa nahita ireo izay nahafahana tamin’ny fanandevozan’ny Lamanita.

    1. Môsià 25:8

    2. Môsià 25:9

    3. Môsià 25:10

    4. Môsià 25:11

Soraty ao anatin’ny soratra masinao eo amin’ny sisin’ny pejy eo akaikin’ny Môsià 25:8–11 izao fitsipika manaraka izao: Afaka mahatsapa fifaliana sy fankasitrahana amin’ny fahatsaran’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fandalinana ireo rakitsoratra momba ny fifandraisan’Andriamanitra tamin’ny hafa.

Eritrereto ireo mety ho loharano izay ahafahanao mianatra mikasika ny hafa izay nahatsapa ny fahatsaran’ Andriamantira. Mety ho tafiditra ao amin’izany ny soratra masina, ny tantaran’ny Fiangonana, ireo gazetibokim-piangonana, ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana, ireo rakitsoratra momba ny tantaran’ny fianakavianao manokana, ireo fivoriana fijoroana ho vavolombelona sy ny kilasin’ny Sekoly Alahady ary ny Fisoronana na Zatovovavy. Mieritrereta fotoana iray izay nianaranao mikasika ny fahatsaran’Andriamanitra avy amin’ireo loharano ireo. Dia saintsaino avy eo ny valinteninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Efa nanana traikefa nahatsapana fifaliana sy fankasitrahana ve aho rehefa nianatra momba ny fahatsaran’Andriamanitra?

  • Inona avy no mety ho vokatra maharitra raha toa ka mandalina tsy tapaka ireo zavatra niainana momba ny fahatsaran’Andriamanitra amin’ny fifandraisany amin’ny hafa aho—na ao anatin’ny soratra masina izany na amin’ny loharano hafa?

Mandritra ny herinandro ho avy dia fakafakao ny iray amin’ireo loharano izay neritreretinao ahitana tantaran’ny fahatsaran’Andriamanitra izay mahagaga, mahatalanjona, mahafaly na mahatonga anao hankasitraka. Azonao atao ny manoratra ao anatin’ny diarinao manokana momba izay zavatra nianaranao sy ny fomba niantefan’izany taminao. Azonao atao ihany koa ny mpampiasa ity tantara ity mandritra ny takarivan’ny mpianakavy iray hampianarana ny fianakavianao momba ny fahatsaran’Andriamanitra, na afaka mizara ilay tantara amin’ny mpiara-mianatra seminera aminao na amin’ny namanao iray ianao.

Môsià 25:14–24

Nanangana ny fiangonan’Andriamanitra tao amin’ny tanin’ny Nefita i Almà

Niresaka tamin’ny vahoaka i Almà rehefa avy niresaka sy namaky ireo rakitsoratra tamin’ny vahoaka i Môsià. Vakio ny Môsià 25:14–16 ary fantaro ny zavatra nampianarin’i Almà. Manorata valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny boky torolalana:

  • Ahoana no naha famintinana mifanaraka amin’ny traikefan’ny vahoakan’i Limia sy ny an’ny mpanaradia an’i Almà ny zavatra nampianarin’i Almà?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’ny vahoaka ny nihaino ny tenin’i Almà taorian’ny nahenoany ny tantaran’ny vahoakan’i Zenifa?

Alohan’ny hamakiana bebe kokoa ao amin’ny Môsià 25 dia mieritrereta fotoana iray izay nanatrehanao paroasy na sampana Olomasin’ny Andro Farany iray hafa noho ny paroasinao na ny sampana misy anao. Mieritrereta momba ireo fitoviana tsikaritrao eo amin’ny paroasinao na ny sampana misy anao amin’ilay iray izay novangianao.

Vakio ny Môsià 25:17–22 ary tadiavo ny fomba nitantanana ny Fiangonana teo anivon’ny Nefita tamin’ny andron’i Almà. Ny teny hoe “fiangonana” ao amin’ny Môsià 25:21 dia mitovy amin’ny fomba hiantsoantsika ny paroasy sy ny sampana ao amin’ny Fiangonana ankehitriny. Tahaka ny tamin’ny andron’i Almà dia miantso mpitarika mba hitarika ny Fiangonany Andriamanitra ankehitriny.

Sary
fivoriana Fanasan’ny Tompo

Ianao dia nianatra tao amin’ny Môsià 23:16 fa i Almà no “mpisorona avo teo aminy” sy “mpanorina ny fiangonany” ( Môsià 23:16). Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith hoe: “Mbola tsy nisy nipìka ny andiany voalohany tamin’ny Nefita tao amin’ny tanin’i Zarahemlà, teo ambany fitondran’ny Mpanjaka Môsià faharoa. Ny anarana fiantsoana izay milaza fa i Almà no mpanorina ny fiangonan’izy ireo dia entina milaza ireo mpitsoa-ponenana izay nitsoaka avy tany amin’ny tany lova voalohan’ny Nefita ihany. Rehefa nandeha ny fotoana dia hitan’izy ireo ny lalana niverina tany amin’ny andiany fototry ny Fiangonana ary nohamasinina ho mpisorona avo teo amin’ny Fiangonana tamin’ireo tany rehetra nonenan’ny Nefita i Almà” (Answers to Gospel Questions, comp. Joseph Fielding Smith Jr., 5 vols. [1957–66], 3:39-40).

  1. Manorata valinteny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Tamin’ny fomba ahoana no nitovian’ny Fiangonan’ny Nefita amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny hoe nantsoin’i Almà, izay nanana fahefana avy tamin’Andriamanitra ireo mpitarika?

    3. Nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpitarika ny mampianatra ireny fahamarinana ireny amin’ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao?

Rehefa mamaky ny Môsià 25:23–24 ianao dia tadiavo ireo andian-teny izay mamaritra ireo izay niditra ho mpikambana tao amin’ny Fiangonan’i Kristy ka mamaritra ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo ankehitriny. Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe: Handrotsaka ny Fanahiny amintsika ny Tompo rehefa mitondra ny anaran’i Jesoa Kristy eo amintsika sy miaina araka izany isika.

  1. Manorata valiny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Ahoana no hiantefan’ireo andian-teny ao amin’ny Môsià 25:23–24 izay mamaritra ireo mpikamban’ny Fiangonana Nefita amin’ny mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao?

    2. Rehefa mahatsiaro ianao fa nitondra teo aminao ny anaran’i Jesoa Kristy teo aminao dia ahoana no hitondran’izany fiovana eo amin’ny eritreritrao sy ireo safidy ataonao isan’andro?

Jereo ao amin’ny Môsià 25:24 fa “nampidina ny Fanahiny tamin’[ny vahoakany] ny Tompo.” Nanantitrantitra ny lanjan’ny fanomezana ny Fanahy Masina ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Azo amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy, ny fibebahana, ny batisa asitrika ary ny fametrahan-tanana amin’ny alalan’ireo mpanompo manana fahefana sy nomena ny Fisoronana Melkizedeka ny fanomezana ny Fanahy Masina izay zo hahazo ny Fanahy Masina ho namana mandrakariva. Izany no fanomezana sarobidy indrindra natao ho an’ireo mpikambana mendriky ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo.

“… Loharanon’ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy izany. Manazava ny saina, mameno fifaliana ny fanahintsika, mampianatra antsika ny zava-drehetra, ary mampahatsiahy antsika ireo fahalalana adinontsika izany. Ny Fanahy Masina ihany koa dia ‘hampiseho [amintsika] ny zavatra rehetra izay tokony hataon[tsika]’ [2 Nefia 32:5]” (“The Unspeakable Gift,” Ensign na Liahona, mey 2003, 26).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fandraisanao anjara ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy anao hahatsapa ny Fanahy?

    2. Inona no azonao atao hampitomboana ny fahatokianao sy ireo asan’ny fahamarinana mba hahafahanao mahatsapa ho akaiky kokoa ny Fanahy Masina?

Mikatsaha fahafahana iray hizarana amin’ny olona iray ny fomba nitahian’ny fanomezana ny Fanahy Masina ny fiainanao. Afaka mitombo ireo fitahiana azonao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa miezaka ny ho mendrika ny hanana Azy mandrakariva ianao.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 25 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: