Seminera
1 Nefia


Fampahafantarana ny 1 Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny 1 Nefia ianao, dia hahita fa “ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia amin’ireo rehetra izay efa nofinidiny, noho ny finoany, ka mampahery azy” (1 Nefia 1:20). Ho hitanao ohatra ny fomba nanampian’Andriamanitra an’i Nefia hahazo ireo takela-barahina mba hahafahan’ny fianakaviany manana ireo soratra masina, sy ny fomba namonjen’Andriamanitra an’i Nefia teo anatrehan’ireo loza ara-batana nihatra tamin’ny ainy, ary ny fomba namonjen’Andriamanitra an’i Lehia sy ny vahoakany tamin’ny mosary tany an-tany foana sy ny fisamboaravoaran’ny ranomasimbe, ka nanafahany azy ireo soa aman-tsara ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Niaina ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fanampiany i Lehia sy ny vahoakany rehefa nitandrina ny didy. Nikatsaka ny fitarihana avy tamin’Andriamanitra i Lehia sy i Nefia ary nandray izany tamin’ny alalan’ny soratra masina, sy ny nofy, sy ny fahitana ary ny Liahona. Nahazo fahitana ary nandrakitra izany i Nefia, fahitana izay mikasika ny tantaran’ny tany izay naneho taminy ny herin’Andriamanitra izay mahafantatra ny zava-drehetra. Hitan’i Nefia tamin’ny alalan’ny fahitana ny batisan’i Jesoa sy ny asa fanompoany ary ny fanomboana Azy izay mbola ho avy.

Rehefa mandalina ny traikefan’i Nefia sy i Lehia ato amin’ity boky ity ianao dia afaka hianatra ny fomba hikatsahana sy handraisana ireo fitahian’ny lanitra eo amin’ny fiainanao.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Nefia zanakalahin’i Lehia no nanoratra ity boky ity mba ho fankatoavana ny didin’ny Tompo mikasika ny tokony hitanany rakitsoratra momba ny vahoakany. I Nefia dia notombanana ho teraka tany Jerosalema na akaikin’i Jerosalema. Niaina tany izy nandritra ny fanompoan’ny mpaminany Jeremia sy ny fanjakan’ny Mpanjaka Zedekia.

Nikatsaka ny fijoroana ho vavolombelon’ny tenany manokana i Nefia ny amin’ireo tenin-drainy mikasika ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tokony hialan’ny fianakaviany tao. Rehefa nanohy nikatsaka sy nanaraka ny torohevitry ny Tompo i Nefia dia lasa tonga fitaovana teo am-pelatanan’Andriamanitra. Niverina tamim-pankatoavana tany Jerosalema in-droa izy niaraka tamin’ireo rahalahiny—voalohany mba haka ireo takela-barahina ary taty aoriana dia handresy lahatra ny fianakavian’ i Ismaela hanaraka ny fianakavian’i Lehia ho any an-tany foana. Rehefa nampian’ny Tompo i Nefia dia nanangana sambofiara izay nitondra ny fianakaviany sy ireo olon-kafa niampita ny ranomasimbe ho any amin’ny tany nampanantenaina. Rehefa maty i Lehia dia i Nefia no lasa mpitarika ny vahoakany.

Oviana ary taiza no nanoratana ity boky ity?

I Nefia dia nanoratra ny fitantarana izay lasa 1 Nefia, teo amin’ny manodidididina ny 570 Talohan’i J.K. teo—30 taona taorian’ny nandaozan’i Nefia sy ny fianakaviany an’i Jerosalema (jereo ny 2 Nefia 5:28–31). Tamin’izy tao an-tanin’i Nefia no nanoratany izany.